Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MIAMBENA FOANA!

Ny Ady any Ukraine sy ny Fivavahana: Inona no Lazain’ny Baiboly?

Ny Ady any Ukraine sy ny Fivavahana: Inona no Lazain’ny Baiboly?

 Diniho ny ataon’ny mpitondra fivavahana malaza, mifandray amin’ilay ady any Ukraine:

  •   “Mangina fotsiny ny Patriarika Kirill, filohan’ny Eglizy Ortodoksa Rosianina, manoloana ny fanafihana ataon’i Rosia. ... Manao fampielezan-kevitra momba an’i Ukraine foana izy any amin’ny Eglizy, ary izany no ampiasain’i Poutine mba hanamarinana ny ady ataony.”​—EUobserver, 7 Martsa 2022.

  •   “Niaro mafy an’i Rosia ny Patriarika Kirill, ... ka nilaza fa ara-drariny ny fanafihany an’i Ukraine. Lazainy fa anisan’ny ady amin’ny ota ilay ady.”​—AP News, 8 Martsa 2022.

  •   “Nitso-drano ny vahoaka ‘hiady amin’ny mpanafika rosianina’ i Épiphane I any Kiev, filohan’ny Eglizy Ortodoksa Iokrenianina, tamin’ny alatsinainy. ... Nilaza koa izy hoe tsy manota izay mamono miaramila rosianina.”​—Jerusalem Post, 16 Martsa 2022.

  •   “Manohana ny Tafika Iokrenianina sy ny olona rehetra miaro ny firenenay izahay [Konsilin’ny Eglizy sy ny Fikambanana Ara-pivavahana Iokrenianina (UCCRO)], ary mitso-drano sy mivavaka ho azy ireo satria miaro an’i Ukraine amin’ny mpanafika izy ireo.”​—Fanambaran’ny UCCRO a tamin’ny 24 Febroary 2022.

 Ahoana ny hevitrao? Tokony hampirisika ny mpivavaka mba handeha hiady ve ny fivavahana milaza fa manara-dia an’i Jesosy Kristy? Inona no lazain’ny Baiboly?

Ny fivavahana sy ny ady

 Hita amin’izay nitranga hatramin’izay hoe matetika ny fivavahana no miseho ho mpampihavana nefa milefitra rehefa misy ady, na manala tsiny ny ady, na mampirisika ny olona hiady mihitsy aza. Efa ela ny Vavolombelon’i Jehovah no nampiharihary hoe mihatsaravelatsihy fotsiny ny fivavahana. Jereo, ohatra, ireto fanazavana navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah ireto:

Tokony hanohana ny ady ve ny fivavahana kristianina?

 Izay nampianarin’i Jesosy: “Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.” (Matio 22:39) “Tiavo foana ny fahavalonareo.”​—Matio 5:44-47.

 Eritrereto izao: Tena mankatò ny didin’i Jesosy mba ho tia ny olon-kafa ve ny fivavahana iray raha mampirisika ny mpivavaka ao aminy mba handeha hiady sy hamono olona? Jereo ao amin’ireto lahatsoratra ireto ny valiny: “Ny Tena Kristianina sy ny Ady” (frantsay), “Misy Mahavita Mitia ny Fahavalony Ve?

 Izay nampianarin’i Jesosy: “Tsy anisan’izao tontolo izao ny Fanjakako. Raha anisan’izao tontolo izao ny Fanjakako, dia ho niady ny mpanara-dia ahy mba tsy ho natolotra tamin’ny Jiosy aho.” (Jaona 18:36) “Ho fatin’ny sabatra izay rehetra mampiasa sabatra.”​—Matio 26:47-52.

 Eritrereto izao: Misy antony hafa tokony hampiasan’ny Kristianina fitaovam-piadiana ve raha tsy mahazo miady izy ireo na dia mba hiarovana an’i Jesosy aza? Vakio ilay lahatsoratra hoe “Mety ve Raha Miady ny Kristianina?” dia ho hitanao hoe nanao hoatran’i Jesosy sy nanaraka an’izay nampianariny ny Kristianina voalohany.

Hanao ahoana no hiafaran’ny fivavahana mampirisika ny olona hiady?

 Ampianarin’ny Baiboly hoe tsy eken’Andriamanitra ny fivavahana milaza fa misolo tena an’i Jesosy nefa tsy manaraka ny fampianarany.​—Matio 7:21-23; Titosy 1:16.

  •   Asehon’ny bokin’ny Apokalypsy fa ireny fivavahana ireny no lazain’Andriamanitra hoe tompon’andraikitra amin’ny fahafatesan’izay “rehetra naripaka teny ambonin’ny tany.” (Apokalypsy 18:21, 24) Vakio ilay lahatsoratra hoe “Iza moa i Babylona Lehibe?” raha tianao ho fantatra ny antony.

  •   Nohazavain’i Jesosy hoe haringana daholo izay fivavahana tsy eken’Andriamanitra satria manao zavatra ratsy. Ohariny amin’ny hazo ratsy mamoa voa ratsy ireny fivavahana ireny, ka tsy maintsy ‘hokapaina sy hatsipy any anaty afo.’ (Matio 7:15-20) Vakio ilay lahatsoratra hoe “Ho Ringana Tsy ho Ela ny Fivavahan-diso!” dia ho hitanao hoe ahoana no hahatanterahan’izany.

Sary nahazoan-dalana, ankavia miankavanana: Photo by Sefa Karacan/Anadolu Agency/Getty Images; Maxym Marusenko/NurPhoto via Getty Images

a Fivavahana 15 avy amin’ny Ortodoksa, Katolika Romanina sy Grika, Protestanta, antokom-pivavahana ara-pilazantsara, ary Jiosy sy Silamo no ao amin’ny UCCRO, izany hoe ny Konsilin’ny Eglizy sy ny Fikambanana Ara-pivavahana Iokrenianina.