Anemia: Inona no Mahatonga Azy Io? Ahoana no Ahalalana An’ilay Izy? Ahoana no Itsaboana Azy?
Hoy i Beth: “Voan’ny anemia aho tamin’izaho mbola tanora. Kamokamo aho sady mora reraka kely. Nanakotsako ny taolako, dia sahirana be foana koa aho vao nahavita nifantoka. Nasain’ny dokotera nihinana fanafody mampisy vy aho. Niezaka nihinana sakafo mahasalama koa aho. Tsy dia naninona intsony aho, taoriana kelin’izay.”
Betsaka ny olona voan’io aretina mahazo an’i Beth io. Milaza ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana (OMS) fa olona 2 000 tapitrisa, izany hoe ny 30 isan-jato eo ho eo amin’ny mponina eran-tany, no voan’ny anemia. Eo ho eo amin’ny 50 isan-jaton’ny vehivavy bevohoka sy ny 40 isan-jaton’ny ankizikely vao manomboka mianatra no voan’izy io, atỳ amin’ny tany mahantra.
Mety ho ratsy be ny vokany rehefa voan’ny anemia ny olona iray. Mety ho tratran’ny aretim-po, ohatra, izy na mety hijanona tampoka mihitsy ny fony. Milaza ny OMS fa any amin’ny tany sasany, dia “ny 20 isan-jaton’ny vehivavy bevohoka no maty”, satria voan’ny anemia. Tsy ampy vy ao amin’ny vatan’ny olona sasany dia lasa voan’ny anemia izy, ary izany no karazana anemia tena mpahazo ny olona. Raha tratran’izany ny reny bevohoka, dia mety ho teraka tsy tonga volana ny zanany na tsy ho ampy lanja. Ny ankizy voan’ny anemia indray mety ho ela be vao hitombo sady mety ho mora handairan’ny aretina. Azo sorohina sady azo sitranina anefa ny anemia vokatry ny tsy fahampian’ny vy ao amin’ny vatana. a
Inona no atao hoe anemia?
Aretina ny anemia. Raha tsorina dia voan’ny anemia ny olona iray rehefa tsy ampy liomena salama tsara ao amin’ny rany. Betsaka ny antony mahatonga an’izany. Hitan’ny manam-pahaizana hoe misy karazany 400 mahery io aretina io. Mety hoe mandalo fotsiny ilay izy, na mety hoe lasa aretina mitaiza mihitsy. Mety hoe tsy dia maninona koa ilay olona, na mety hoe marary be.
Inona no mahatonga ny olona ho voan’ny anemia?
Ireto ny antony telo tena mahatonga an’ilay izy:
Very ra be ilay olona, dia lasa mihena ny liomena ao amin’ny vatany.
Tsy ampy ny liomena salama tsara vokarin’ny vatana.
Potehin’ny vatana ny liomena ao aminy.
Efa noresahintsika teo fa ny tena mpahazo ny olona, dia ny anemia vokatry ny tsy fahampian’ny vy ao amin’ny vatana. Rehefa tsy ampy ny vy ao amin’ny vatana, dia lasa tsy afaka mamokatra hemoglobinina ampy tsara sy salama tsara izy io. Ao amin’ny liomena no misy ny hemoglobinina, ary izy ireo no mahatonga ny liomena ho afaka hanaparitaka oksizenina ao amin’ny vatana.
Ahoana no ahafantarana hoe voan’ny anemia ny olona iray?
Mety hoe tsy dia maninona ny olona voan’ny anemia amin’ny voalohany. Mety tsy ho tsapany akory aza izany. Mety tsy hitovy koa ny soritr’aretina. Ireto anefa no anisan’ny famantarana hoe tsy ampy ny vy ao amin’ny vatan’ny olona iray dia lasa voan’ny anemia izy:
Reraka be
Mangatsiaka ny tanana na ny tongotra
Kely aina
Hatsatra
Marary an-doha sy fanina
Manaintaina ny tratra, mitepo haingana be ny fo, sempotra
Tapatapaka ny hoho
Malain-komana, indrindra fa ny zazakely sy ny ankizikely
Te hihinana gilasy, na sakafo be tavolo (féculents), na vovoka mihitsy aza
Iza avy no atahorana ho voan’ny anemia?
Ny vehivavy no tena mora voa satria very ra ry zareo rehefa tonga fotoana. Atahorana ho voa koa ny vehivavy bevohoka, raha tsy ampy vitaminina B9 ny sakafony.
Ny zaza teraka tsy tonga volana na tsy ampy lanja, satria tsy ampy ny vy azony avy amin’ny nonon-dreniny na ny vovo-dronono omena azy.
Ny ankizy tsy mihinana sakafo mahasalama isan-karazany.
Ny olona tsy mihinan-kena nefa tsy mihinana sakafo be vy.
Ny olona manana aretina mitaiza, ohatra hoe aretin’ny ra, na kansera, na aretin’ny voa, na aretim-bavony.
Ahoana no itsaboana ny olona voan’ny anemia?
Tsy ny karazany rehetra amin’io aretina io no azo sorohina na azo tsaboina. Azo atao kosa, amin’ny ankapobeny, ny misoroka an’ilay karazana anemia vokatry ny tsy fahampian’ny vy na tsy fahampian’ny vitaminina ao amin’ny vatana. Azo tsaboina koa matetika ny olona voan’izy io. Ahoana no atao? Mihinana sakafo mahasalama, izay ahitana an’ireto otrikaina ireto:
Vy. Hita ao amin’ny hena, tsaramaso, lantihy, ary ny anana sy legioma maitso antitra, ohatra hoe ny epinara na brocoli. b Mety ho tsara koa raha andrahoina amin’ny vilany vy ny sakafo, satria hita tamin’ny fikarohana hoe mitombo ny vy ao amin’ny sakafo rehefa andrahoina amin’ny vilany vy.
Vitaminina B9. Hita ao amin’ny voankazo, anana sy legioma maitso antitra, pitipoà, tsaramaso mena, fromazy, atody, trondro, amandy, ary voanjo. Eo koa ny zavatra vita amin’ny voamadinika be vitaminina, ohatra hoe ny mofo, ny céréales, ny paty, ary ny vary.
Vitaminina B12. Hita ao amin’ny hena, sakafo vita amin’ny ronono, céréales nasiana vitaminina sy mineraly fanampiny, ary ny sakafo vita amin’ny soja.
Vitaminina C. Hita ao amin’ny karazana voasary rehetra, na ilay voankazo izany na ny ranony. Ahitana azy koa ny poavrao, brocoli, voatabiha, voatango, pasteky, ary frezy. Manampy ny vatana handray ny vy hohanintsika ny sakafo misy vitaminina C.
Mety tsy hitovy amin’ny sakafo misy any an-toeran-kafa ny sakafo any amintsika, arakaraka ny toerana misy antsika. Fantaro àry hoe inona amin’ireo sakafo misy any aminareo no misy an’izay otrikaina tena ilainao. Tena tokony hahafantatra an’izany ny vehivavy, indrindra fa ny vehivavy bevohoka na ny vehivavy mieritreritra ny hiteraka. Raha miezaka mikarakara tsara ny fahasalamanao mantsy ianao, dia tsy hatahorana hoe ho voan’ny anemia ny zanakao. c
a Ny ankamaroan’ny fanazavana momba ny sakafo sy izay zavatra hafa mifandray amin’izany ato amin’ity lahatsoratra ity, dia nalaina tao amin’ny lahatsoratra navoakan’ny Hopitaly Mayo sy The Gale Encyclopedia of Nursing and Allied Health. Raha mieritreritra ianao hoe voan’ny anemia, dia manatòna dokotera mpitsabo an’izany.
b Aza mihinana fanafody mampisy vy na manome an’izany ho an’ny zanakao, raha tsy nahazo alalana tamin’ny dokotera. Raha be loatra mantsy ny vy hohanintsika, dia mety hanimba ny aty izany na hiteraka olana hafa.
c Ampidiran’ny dokotera ra indraindray ny olona voan’ny anemia mba hitsaboana azy. Tsy eken’ny Vavolombelon’i Jehovah anefa izany karazana fitsaboana izany.—Asan’ny Apostoly 15:28, 29.