Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

CreativeDesignArt/DigitalVision Vectors via Getty Images

MIAMBENA FOANA!

Nofinofy Fotsiny ve ny hoe ho Foana ny Fanavakavaham-bolon-koditra? Inona no Lazain’ny Baiboly?

Nofinofy Fotsiny ve ny hoe ho Foana ny Fanavakavaham-bolon-koditra? Inona no Lazain’ny Baiboly?

 Nofinofy fotsiny izany amin’ny olona maro.

  •   “Hita eran-tany ny fanavakavaham-bolon-koditra. Hoatran’ny poizina izy io satria manimba ny fikambanana isan-karazany sy ny fiaraha-monina ary ny fiainan’ny olona andavanandro mihitsy aza. Lasa misy foana ny tsy rariny, vokatr’izany.”​—António Guterres, Sekretera Jeneralin’ny ONU.

 Mbola ho foana ve ny fanavakavaham-bolon-koditra? Inona no lazain’ny Baiboly?

Ahoana no fiheveran’Andriamanitra ny olona samy hafa volon-koditra?

 Hita ao amin’ny Baiboly hoe ahoana no fiheveran’Andriamanitra ny olona samy hafa volon-koditra.

  •   “Avy tamin’ny olona anankiray no [nanaovan’Andriamanitra] ny firenena rehetra mba honina manerana ny tany.”​—Asan’ny Apostoly 17:26.

  •   “Tsy mijery tavan’olona Andriamanitra, fa izay olona matahotra azy sy manao ny tsara no ankasitrahany, na inona na inona fireneny.”​—Asan’ny Apostoly 10:34, 35.

 Resahin’ny Baiboly hoe mpihavana daholo ny olona eran-tany, ary vonona handray an’izay te hanompo azy Andriamanitra na inona na inona volon-kodiny.

Ahoana no hahafoana ny fanavakavaham-bolon-koditra?

 Ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra no hanafoana an’izany. Hampianatra ny olona io fitondrana io hoe ahoana no tokony hitondran’izy ireo ny olon-kafa. Hianaran’izy ireo hoe ahoana no hatao mba tsy hanavakavaka intsony na kely aza.

  •   “Hianatra momba ny fahamarinana ny mponina ao amin’ilay tany.”​—Isaia 26:9.

  •   “Hiadana izay manaraka ny tena fahamarinana, ary hilamina foana sady tsy hanana ahiahy mihitsy izay manaraka ny tena fahamarinana.”​—Isaia 32:17.

 Olona an-tapitrisany amin’izao no mianatra Baiboly, dia ianarany ao hoe ahoana no hanajana ny hafa.