FANASANA FAHATSIAROVANA
Hataon’i Jesosy Tsy Misy Intsony ny Heloka Bevava
Hain’i Jesosy tsara izany hoe mijaly noho ny heloka bevava sy ny tsy rariny izany. Nendrikendrehina izy, nokapohina nefa tsy nandika lalàna akory, notsaraina sy nomelohina tsy ara-drariny, ary nampijalijalina sy novonoina. Na dia tsy nanan-tsiny aza izy dia tsy tia tena, fa nanome an-tsitrapo “ny ainy ho vidim-panavotana ho takalon’ny olona maro.” (Matio 20:28; Jaona 15:13) Efa Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra izy izao. Dia inona no hataony? Kely sisa izy dia hampanjaka ny rariny eran-tany, dia tsy hisy intsony ny heloka bevava.—Isaia 42:3.
Hanao ahoana ny fiainana rehefa tanterahin’i Jesosy izany? Izao no lazain’ny Baiboly:
“Tsy hisy intsony ny ratsy fanahy; hijery an’izay nisy azy ianao, nefa tsy ho eo intsony izy. Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany, ka ho faly be mihitsy satria tena hiadana.”—Salamo 37:10, 11.
Ahoana no ampisehoantsika hoe ankasitrahantsika izay efa nataon’i Jesosy sy izay mbola hataony ho antsika? Nasain’i Jesosy hahatsiaro ny nahafatesany ny mpanara-dia azy, ao amin’ny Lioka 22:19. Izany no mahatonga ny Vavolombelon’i Jehovah hiara-mivory isan-taona, rehefa mitsingerina ny andro nahafatesan’i Jesosy. Manasa anao izahay mba hiara-mankalaza aminay ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy, amin’ny alahady 24 Martsa 2024.