Miahy ny Marenina Andriamanitra
Misy marenina 70 tapitrisa eo ho eo maneran-tany, ary maro amin’izy ireo no mampiasa ny iray amin’ny tenin’ny tanana 200 mahery. Mampalahelo anefa fa matetika no iharan’ny tsy rariny ny olona marenina araka ny hitantsika amin’ireto tatitra ireto:
“Matetika no tsy misy miraharaha ny zon’ny olona marenina sy ny olona tsy dia mandre tsara maneran-tany.”—National Association of the Deaf (U.S.).
“Anisan’ny olona fara hidiny ny marenina any amin’ny tany mahantra, satria voafetra ny fahafahany hianatra, hiasa sy hahazo fanazavana.”—World Federation of the Deaf.
Ahoana no fiheveran’Andriamanitra ny marenina? Inona no lazain’ny Baiboly momba azy ireo? Ary ahoana no ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah mba hanampiana azy ireo?
Ny fiheveran’Andriamanitra ny marenina
Lazain’ny Baiboly fa miahy ny marenina i Jehovah a Andriamanitra. Tsy tian’Andriamanitra raha misy mampijaly ny marenina ary tiany handray soa avy amin’ny fampianarany izy ireny.
Andinin-teny: “Aza manozona ny marenina.”—Levitikosy 19:14.
Inona no dikan’izany? Niaro ny zon’ny marenina ny lalàna nomen’Andriamanitra ny Israelita fahiny.
Andinin-teny: “Tsy mijery tavan’olona Andriamanitra.”—Asan’ny Apostoly 10:34.
Inona no dikan’izany? Miahy ny olona avy amin’ny kolontsaina sy fiaviana ary fiteny rehetra i Jehovah, anisan’izany ny marenina.
Andinin-teny: “Lasa i Jesosy nitety ny tanàna rehetra ... ka ... nitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana.”—Matio 9:35.
Inona no dikan’izany? Tonga tetỳ an-tany i Jesosy mba hampianatra ny olona momba ny Fanjakan’Andriamanitra sy izay hataon’izy io ho an’ny olombelona, anisan’izany ny marenina.—Matio 6:10.
Andinin-teny: Vitan’i Jesosy mihitsy aza ‘ny nahatonga ny marenina handre sy ny moana hiteny.’—Marka 7:37.
Inona no dikan’izany? Nasehon’i Jesosy tamin’ny fahagagana nataony fa handre sy hiteny ny marenina rehefa mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra. Tamin’io fotoana io, ohatra, tsara fanahy tamin’ny lehilahy marenina anankiray i Jesosy ka nanao fihetsika taminy alohan’ny hanasitranany azy. Lasa nandre sy nahay niteny ilay lehilahy.—Marka 7:31-35.
Andinin-teny: “Hatao mandre ny sofin’ny marenina.”—Isaia 35:5.
Inona no dikan’izany? Nampanantena i Jehovah hoe ho lasa mandre ny marenina.—Isaia 29:18.
Ahoana no ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah mba hanampiana ny marenina?
Mitory ny hafatra avy amin’Andriamanitra izay manome fanantenana ho an’ny marenina ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany. Ahoana no anaovanay an’izany? Mamoaka Baiboly sy video ianarana Baiboly amin’ny tenin’ny tanana maherin’ny 100 izahay. Mampianatra Baiboly sy mandamina fivoriana kristianina amin’ny tenin’ny tanana ho an’izay maniry hahazo ny fanampian’Andriamanitra koa izahay. Maimaim-poana no anaovanay an’izany satria izao no didy nomen’i Jesosy: “Nahazo maimaim-poana ianareo, ka manomeza maimaim-poana.”—Matio 10:8.
Afaka mahita an’ireo video ireo ao amin’ny Internet ianao na azonao atao ny maka azy ireny amin’ny fitaovanao ao amin’ny:
JW.ORG. Tsindrio ilay sary kely mampiseho fiteny eo amin’ny farany ambony amin’ilay tranonkala, mba hahitanao ny zavatra navoaka tamin’ny tenin’ny tanana anankiray.
Programa JW Library Sign Language. Ampidiro ao amin’ny fitaovanao io programa maimaim-poana io, amin’izay ianao ho afaka haka video amin’ny tenin’ny tanana na hijery an’ilay izy rehefa manana Internet.
Inona avy no avoakanay sy ataonay mba hampianarana Baiboly ny olona marenina?
Baiboly amin’ny tenin’ny tanana. Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny Tenin’ny Tanana Amerikanina no Baiboly voalohany eran-tany voadika manontolo amin’ny tenin’ny tanana. Misy amin’ny tenin’ny tanana maromaro ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao na ny ampahany aminy amin’izao, ary miampy foana ny isan’ny tenin’ny tanana amoahana an’io Baiboly io isan-taona. (Raha tianao ho hita hoe inona avy ny fiteny namoahana an’io Baiboly io na te hijery azy ireo ao amin’ny Internet ianao, dia jereo ilay efajoro hoe “ Ny Baiboly Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao Amin’ny Tenin’ny Tanana.”)
Jereo ilay video hoe Voadika Manontolo Amin’ny Tenin’ny Tanana Amerikanina ny Baiboly Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao mba hahitanao hoe inona avy ny asa tafiditra amin’ny famoahana Baiboly amin’ny tenin’ny tanana.
Raha te handray soa amin’ny famakiana Baiboly ianao, dia ampidiro amin’ny fitaovanao ilay programa JW Library Sign Language. Afaka mifidy izay andinin-teny tianao hojerena amin’ny tenin’ny tanana ianao ao amin’io programa io.
Marenina i Dmytro sy Vita, fa mandre kosa ny zanak’izy ireo. Jereo hoe inona ny soa raisin’izy mianakavy rehefa miara-mijery Baiboly amin’ny tenin’ny tanana izy ireo isan’andro.
Video ianarana Baiboly. Namoaka Baiboly amin’ny tenin’ny tanana ny Vavolombelon’i Jehovah mba hanampiana ny olona hahazo sy hampihatra ny torohevitry ny Baiboly momba ny...
Fampianarana Baiboly mivantana. Misy olona afaka mampianatra Baiboly anao amin’ny tenin’ny tanana ary maimaim-poana izany. Ianao no mamaritra ny faharetan’ny fotoana tianao hianaranao. Asaivo asehony anao ny fomba fianarana.
Mipetraka any Philippines i Jeson Senajonon. Jereo fa lasa akaiky kokoa an’Andriamanitra izy rehefa niara-nianatra Baiboly taminay.
Pasitera i Mario Antúnez taloha, ary mipetraka any Honduras. Jereo ilay tantaram-piainany hoe “Be dia Be ny Fanontaniako Mbola Tsy Voavaly”, fa hazavainy ao hoe hitany tao amin’ny Baiboly ny valin’ny fanontaniana rehetra nanitikitika ny sainy.
Fivoriana sy fandaharana hafa. Manana fiangonana sy antoko-mpitory amin’ny tenin’ny tanana izahay maneran-tany. Miara-mivory isan-kerinandro ny marenina any amin’izy ireny mba hianatra momba an’Andriamanitra sy hanompo azy. Ankoatra izany, dia mandamina fivoriana lehibe kokoa izahay mba hianarana Baiboly amin’ny tenin’ny tanana isan-taona. Mandika teny amin’ny alalan’ny kasi-tanana ho an’ny olona marenina sady jamba izahay mandritra ny fivorianay sy ny fandaharana hafa. Mizara boky sy gazety amin’ny soratra braille koa izahay ary maimaim-poana izy ireny.
Jereo izay fiangonana akaiky anao.
Fantaro hoe inona avy ny fivoriambe ataonay isan-taona.
Tongava manatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy, izay fivoriana miavaka indrindra ho anay ao anatin’ny taona.
Mipetraka any Meksika i José Luis Ayala. Vao teraka izy dia efa marenina ary lasa jamba tatỳ aoriana. Jereo hoe nisy nanampy izy dia lasa mpampianatra Baiboly mahay.
a Jehovah no anaran’Andriamanitra. (Salamo 83:18) Jereo ilay lahatsoratra hoe “Iza moa i Jehovah?”