Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MIAMBENA FOANA!

Tafihin’i Rosia i Ukraine

Tafihin’i Rosia i Ukraine

 Nanomboka nanafika an’i Ukraine ny tafika rosianina ny marainan’ny 24 Febroary 2022, na dia efa nanao an’izay azony natao aza ny mpitondra fanjakana maro mba tsy hitrangan’izany. Inona no mety ho vokatr’izany eo amin’izao tontolo izao? Hoy i António Guterres, sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana, andro vitsivitsy lasa izay: “Tsy azontsika an-tsaina mihitsy ny fijaliana sy ny fandravana haterak’izany. Eo koa ny vokatr’izany eo amin’ny fandriampahalemana any Eoropa sy maneran-tany.”

Inona no dikan’izao zava-mitranga izao raha ny Baiboly no jerena?

  •   Efa nilaza mialoha i Jesosy Kristy hoe “hisy firenena hiady amin’ny firenena, ary hisy fanjakana hiady amin’ny fanjakana.” (Matio 24:7) Vakio ilay lahatsoratra hoe “Inona avy ny Famantarana ny ‘Andro Farany’?” dia ho hitanao ny fanazavan’ny Baiboly hoe manatanteraka ny faminanian’i Jesosy ny ady hitantsika amin’izao.

  •   Asehon’ny bokin’ny Apokalypsy ho toy ny olona mitaingina “soavaly mena hoatran’ny afo” ny ady, ary esoriny “ny fandriampahalemana eto an-tany.” (Apokalypsy 6:4) Vakio ilay lahatsoratra hoe “Iza Ireo Mpitaingin-tsoavaly Efatra?” dia ho hitanao hoe nahoana no manatanteraka an’io faminaniana io ny ady hitantsika amin’izao.

  •   Nilaza mialoha ny bokin’i Daniela fa hiady ny “mpanjakan’ny avaratra” sy ny “mpanjakan’ny atsimo.” (Daniela 11:25-45) Jereo ilay video hoe Faminaniana Tanteraka: Daniela Toko Faha-11, dia ho azonao hoe nahoana ilay mpanjakan’ny avaratra no manondro an’i Rosia sy ny mpanohana azy. a

  •   Miresaka momba ny “adin’ny andro lehiben’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra” koa ny bokin’ny Apokalypsy. (Apokalypsy 16:14, 16) Tsy ady ifanaovan’ny firenena hoatran’izao hitantsika izao anefa io ady io. Vakio ilay lahatsoratra hoe “Inona no Atao hoe Ady Hara-magedona?” raha tianao ny hahafantatra misimisy kokoa momba an’io zavatra hitranga amin’ny hoavy io.

Nahoana isika no mbola manantena hoe ho tsara be ny fiainana aoriana ao?

  •   Mampanantena ny Baiboly hoe hataon’Andriamanitra “tsy misy ady intsony eran-tany.” (Salamo 46:9) Vakio ilay lahatsoratra hoe “Mbola Hihatsara ve ny Fiainana Amin’ny Hoavy?” dia ho azonao tsara hoe hoatran’ny ahoana ny fiainana ampanantenain’Andriamanitra.

  •   Nampianarin’i Jesosy hivavaka ny mpanara-dia azy mba ho tonga ny Fanjakan’Andriamanitra. (Matio 6:9, 10) Fanjakana any an-danitra io Fanjakana io ary hanatanteraka ny fikasan’Andriamanitra momba ny tany, anisan’izany ny hoe hilamina ny tany. Raha tianao ho fantatra hoe nahoana no mahasoa anao io Fanjakana io, dia jereo ilay video hoe Inona moa ny Fanjakan’Andriamanitra?

 Misy Vavolombelon’i Jehovah 129 000 mahery any Ukraine. Manahaka an’i Jesosy izy ireo, hoatran’ny Vavolombelon’i Jehovah hafa maneran-tany, ka tsy momba an’iza na iza amin’ny resaka politika ary tsy mandray anjara amin’ny ady. (Jaona 18:36) Mbola torin’ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany izao hoe ny “vaovao tsaran’ilay Fanjakana” ihany no vahaolana amin’ny zava-manahirana ny olombelona, anisan’izany ny ady. (Matio 24:14) Asainay ianao hifandray aminay raha te hahafantatra bebe kokoa momba ny fampanantenan’ny Baiboly.

a Manazava an’io faminaniana io manontolo ilay lahatsoratra hoe “Iza no ‘Mpanjakan’ny Avaratra’ Amin’ny Fotoanan’ny Farany?” sy ilay hoe “Iza no ‘Mpanjakan’ny Avaratra’ Amin’izao Andro Izao?”