Timoty Voalohany 3:1-16
3 Azo atokisana izao teny izao: Raha misy olona miezaka ho lasa mpiandraikitra,+ dia maniry hanao asa tsara izy.
2 Ny mpiandraikitra àry dia tokony ho olona tsy misy hokianina, manambady tokana, mahay mandanjalanja amin’izay zavatra fanaony, misaina tsara,*+ tia filaminana, tia mandray vahiny,+ mahay mampianatra,+
3 tsy mamo lava,+ tsy mahery setra,* fa mpandefitra,*+ tsy mpila ady,+ tsy tia vola,+
4 mahay mitondra* tsara ny ankohonany, sady manana zanaka mankatò sy manaja azy tsara+
5 —fa raha misy lehilahy tsy mahay mitondra* ny ankohonany, dia ho hainy ve ny hikarakara ny fiangonan’Andriamanitra?—,
6 tsy zazavao amin’ny finoana,+ sao izy hirehareha ka ho voaheloka hoatran’ny nanamelohana ny Devoly.
7 Tokony ho tsara laza eo amin’ny olona eny ivelany+ koa izy, mba tsy ho afa-baraka na ho latsaka ao amin’ny fandriky ny Devoly.
8 Ny mpikarakara fiangonana koa dia tokony ho mato-tsaina, tsy mivadibadi-dela,* tsy mpiboboka divay, tsy tia tombony azo amin’ny tsy marina,+
9 ary mitana mafy an’ilay zava-miafina masina, izany hoe ny finoana, sady manana feon’ny fieritreretana madio.+
10 Aoka koa aloha izy ireo hozahan-toetra mba ho hita raha mendrika.* Dia ho lasa mpanompo* izy ireo satria tsy misy hokianina.+
11 Tokony ho mato-tsaina koa ny vehivavy, tsy ho mpanendrikendrika,+ hahay handanjalanja amin’izay zavatra fanaony, ary ho mendri-pitokisana amin’ny zava-drehetra.+
12 Aoka ny mpikarakara fiangonana hanambady tokana, ary hahay hitondra tsara ny zanany sy ny ankohonany.
13 Fa izay lehilahy manao tsara ny fanompoany, dia mahazo laza tsara, sady tena sahy miresaka momba ny finoany an’i Kristy Jesosy.
14 Soratako aminao ihany ireo zavatra ireo, na dia manantena hankany aminao tsy ho ela aza aho.
15 Amin’izay raha sendra tara aho, dia mba efa fantatrao izay tokony hataonao ao amin’ny ankohonan’Andriamanitra,+ izany hoe ny fiangonan’ilay Andriamanitra velona. Andry sy tohana ho an’ny fahamarinana izany fiangonana izany.
16 Ary tena lehibe ny zava-miafina masina momba ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra: ‘Nofo+ i Jesosy rehefa naseho, fa fanahy+ kosa izy rehefa nambara hoe marina. Niseho tamin’ny anjely izy,+ notorina teo amin’ny hafa firenena,+ ninoana tetỳ amin’izao tontolo izao,+ ary noraisina tamim-boninahitra tany an-danitra.’
Fanamarihana
^ Na: “mandinika tsara; hendry.”
^ Na: “tsy mpikapoka.”
^ Na: “mahay mandanjalanja.”
^ Na: “mitantana.”
^ Na: “mitantana.”
^ Na: “tsy mamitaka olona amin’ny zavatra lazainy.”
^ Na: “raha mahafeno fepetra.”
^ Na: “mpikarakara fiangonana.”