Mpanjaka Faharoa 11:1-21
11 Rehefa hitan’i Atalia+ renin’i Ahazia fa maty ilay zanany,+ dia nitsangana izy ka naripany daholo ny taranaka mpanjaka.+
2 Nalain’i Joseba, zanakavavin’i Jorama Mpanjaka sady anabavin’i Ahazia, anefa i Joasy+ zanak’i Ahazia. Naka azy an-tsokosoko teo amin’ireo zanaky ny mpanjaka efa hovonoina izy. Dia nataony tao amin’ny efitra anatiny fatoriana i Joasy sy ilay mpitaiza azy. Vitan’izy ireo ny nanafina an’i Joasy mba tsy ho hitan’i Atalia, ka tsy maty izy.
3 Niafina niaraka taminy tao an-tranon’i Jehovah nandritra ny enin-taona i Joasy, tamin’i Atalia nanjaka teo amin’ilay tany.
4 Tamin’ny taona fahafito, dia nampanantsoin’i Joiada ny lehiben’ny zato nifehy an’ireo Karianina mpiambina ny mpanjaka sy ireo mpiambina ny lapa.*+ Nasainy nankao aminy tao an-tranon’i Jehovah izy ireo. Nanao fifanekena tamin’izy ireo izy, ary nasainy nianiana tao an-tranon’i Jehovah izy ireo hoe hanaja an’ilay izy. Nasehony azy ireo avy eo ilay zanaky ny mpanjaka.+
5 Dia nomeny baiko izy ireo hoe: “Izao no hataonareo: Ny ampahatelony aminareo izay miasa amin’ny Sabata, dia hiambina tsara ny tranon’ny* mpanjaka,+
6 ny ampahatelony ho eo amin’ny Vavahadin’ny Fototra, ary ny ampahatelony ambiny ho eo amin’ny vavahady ao ambadik’ireo mpiambina ny lapa. Hifandimby hiambina an’ilay trano ianareo.
7 Ny antokony roa aminareo izay tsy tokony hiasa amin’ny Sabata no hiambina tsara ny tranon’i Jehovah mba hiarovana ny mpanjaka.
8 Tsy maintsy manodidina ny mpanjaka ianareo, ka samy hitana ny fitaovam-piadiany avy. Hovonoina ho faty izay rehetra mitsofotsofoka eo amin’ny laharan’ireo miaramila. Ary araho foana ny mpanjaka, na aiza na aiza alehany.”*
9 Dia nanao an’izay rehetra notenenin’i Joiada mpisorona ny lehiben’ny zato,+ ka samy naka an’izay olom-peheziny, dia izay niasa tamin’ny Sabata sy izay tsy niasa tamin’ny Sabata. Dia nankao amin’i Joiada mpisorona+ izy ireo.
10 Ary nomen’ilay mpisorona an’ireo lehiben’ny zato ny lefon’i Davida Mpanjaka sy ireo ampingany boribory, izay tao an-tranon’i Jehovah.
11 Ary naka ny toerany ny mpiambina ny lapa+ ka samy nitana ny fitaovam-piadiany avy. Nisy azy ireo daholo teo amin’ny lafiny ankavanan’ilay trano ka hatrany amin’ny lafiny ankavian’ilay trano, sy teo akaikin’ny alitara,+ ary teo akaikin’ilay trano. Nohodidinin’izy ireo àry ny mpanjaka.
12 Dia navoakan’i Joiada ilay zanaky ny mpanjaka,+ ka nataony teo ambony lohany ny satroboninahitra* sy ny Tenin’ny Vavolombelona.*+ Ary nataon’izy ireo mpanjaka izy dia nohosorany. Dia nitehaka izy ireo sady nilaza hoe: “Ho ela velona anie ny mpanjaka!”+
13 Raha vao henon’i Atalia nirodorodo nihazakazaka ny vahoaka, dia nankany amin’izy ireo tany an-tranon’i Jehovah+ izy.
14 Dia hitan’i Atalia nitsangana teo akaikin’ny andry ny mpanjaka, araka ny fomba fanao.+ Niaraka tamin’ny mpanjaka teo koa ireo lehibe sy ny mpitsoka trompetra.+ Faly be ny vahoaka manontolo sady nitsoka trompetra. Dia norovitin’i Atalia ny akanjony, sady niantsoantso mafy izy hoe: “Fikomiana! Fikomiana!”
15 Nanome baiko an’ireo lehiben’ny zato+ voatendry hitari-tafika anefa i Joiada mpisorona hoe: “Avoahy eny ivelan’ny filaharana izy. Ary raha misy manaraka azy, dia vonoy amin’ny sabatra!” Efa nilaza mantsy ilay mpisorona hoe: “Aza vonoina ao an-tranon’i Jehovah izy.”
16 Nosamborin’izy ireo àry i Atalia, dia novonoiny ho faty rehefa tonga teo amin’ny toerana fidiran’ny soavaly teo amin’ny tranon’ny* mpanjaka.+
17 Nasain’i Joiada nanao fifanekena tamin’i Jehovah avy eo ny mpanjaka sy ny vahoaka+ hoe ho vahoakan’i Jehovah foana izy ireo. Nasainy nanao fifanekena tamin’ny mpanjaka koa ny vahoaka.+
18 Nankany amin’ny tranon’i* Bala ny vahoaka manontolo taorian’izay, ka narodan’izy ireo ny alitarany+ ary nopotipotehiny tanteraka ny sariny.+ Novonoin’izy ireo teo anoloan’ny alitara koa i Matana mpisoron’i Bala.+
Dia nanendry mpiandraikitra hikarakara ny tranon’i Jehovah+ ny mpisorona.
19 Ary nentiny niaraka taminy ireo lehiben’ny zato,+ ny Karianina mpiambina ny mpanjaka, ny mpiambina ny lapa,+ ary ny vahoaka manontolo, mba hiaraka amin’ny mpanjaka. Avy tao an-tranon’i Jehovah izy ireo no nidina nankany an-tranon’ny* mpanjaka, ary teo amin’ny vavahadin’ny mpiambina ny lapa no lalan’izy ireo. Dia nipetraka teo amin’ny seza fiandrianan’ny mpanjaka i Joasy.+
20 Koa nifaly ny vahoaka manontolo, ary nilamina ny tanàna. Efa novonoina tamin’ny sabatra teo akaikin’ny tranon’ny mpanjaka mantsy i Atalia.
21 Fito taona i Joasy+ tamin’izy lasa mpanjaka.+
Fanamarihana
^ Abt: “mpihazakazaka.”
^ Na: “lapan’ny.”
^ Abt: “rehefa mivoaka sy rehefa miditra izy.”
^ Mety hoe horonam-boky misy ny Lalàn’Andriamanitra.
^ Na: “diadema.”
^ Na: “lapan’ny.”
^ Na: “tempolin’i.”
^ Na: “an-dapan’ny.”