Samoela Faharoa 17:1-29

  • Nataon’i Hosay izay tsy hanarahana ny torohevitr’i Ahitofela (1-14)

  • Nisy nampitandrina i Davida; nandositra an’i Absaloma izy (15-29)

    • Nanome vatsy i Barzilay sy ny olon-kafa (27-29)

17  Ary hoy i Ahitofela tamin’i Absaloma: “Mba avelao aho hifidy lehilahy 12 000, dia handeha hanenjika an’i Davida izahay rahalina. 2  Hotafihiko izy rehefa reraka sy tsy misy hery intsony,*+ ka hampihorohoroiko. Dia hitsoaka ny olona rehetra miaraka aminy, ary ny mpanjaka ihany no hasiako.+ 3  Dia hoentiko miverina atỳ aminao daholo ny olona. Miankina amin’izay manjo an’ilay lehilahy tadiavinao mantsy no hiverenan’izy rehetra. Dia hiadana ny olona rehetra.” 4  Ary nety tamin’i Absaloma sy ny anti-panahy rehetra teo amin’ny Israely ilay soso-kevitra. 5  Hoy anefa i Absaloma: “Antsoy koa i Hosay+ Arkita, azafady, mba hohenointsika izay lazainy.” 6  Nankao amin’i Absaloma àry i Hosay. Ary hoy i Absaloma taminy: “Izany no torohevitr’i Ahitofela, ka hanaraka ny teniny ve isika? Raha tsia, dia teneno ny hevitrao.” 7  Dia hoy i Hosay taminy: “Tsy tsara ny torohevitra nomen’i Ahitofela tamin’ity indray mitoraka ity!”+ 8  Hoy koa i Hosay: “Fantatrao tsara ny rainao sy ny olony fa mahery,+ ary tezitra hoatran’ny orsa very anaka+ any an-tsaha izao ry zareo. Miaramila mpiady+ koa ny rainao, ka tsy hiaraka amin’ny vahoaka izy mandritra ny alina. 9  Miafina any anaty lava-bato* na any an-toeran-kafa+ izy, amin’izao isika miteny izao. Ary raha izy no manafika voalohany, dia hilaza ny olona maheno an’izany hoe: ‘Resy ny mpanaraka an’i Absaloma!’ 10  Ho raiki-tahotra na dia ny olona be herim-po izay manana fo toy ny an’ny liona aza.+ Fantatry ny Israely rehetra mantsy fa lehilahy matanjaka+ ny rainao, ary be herim-po ireo lehilahy miaraka aminy. 11  Izao àry ny soso-kevitro: Vorio atỳ aminao ny Israely rehetra, hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba.+ Dia ho maro be hoatran’ny fasika eny amoron-dranomasina+ izy ireo, ary ianao no hitarika azy ireo any an’ady. 12  Hotafihintsika ny rainao na aiza na aiza misy azy, ka hirotsaka aminy hoatran’ny ando mirotsaka amin’ny tany isika. Hataontsika tsy misy miangana ry zareo, na izy na ny olona miaraka aminy. 13  Raha mitsoaka mankany amin’ny tanàna iray izy, dia hitondran’ny Israely rehetra tady izany tanàna izany. Dia hotaritaritintsika midina any amin’ny lohasaha ilay tanàna, ka tsy hataontsika misy tavela na dia vatokilonjy iray aza.” 14  Dia hoy i Absaloma sy ny lehilahy israelita rehetra: “Tsara noho ny torohevitr’i Ahitofela ny an’i Hosay Arkita!”+ Efa nanapa-kevitra* mantsy i Jehovah hoe hataony izay tsy hanarahana ny torohevitr’i Ahitofela,+ na dia tsara aza ilay izy. Amin’izay i Jehovah ho afaka hanisy loza an’i Absaloma.+ 15  Niteny tamin’i Zadoka sy Abiatara+ mpisorona i Hosay taorian’izay hoe: “Izany sy izany no torohevitra nomen’i Ahitofela an’i Absaloma sy ny anti-panahin’ny Israely. Ary izao sy izao kosa no nomeko. 16  Maniraha olona haingana àry hiresaka amin’i Davida sy hampitandrina azy hoe: ‘Aza mijanona eny amin’ny toerana fiampitana* any an-tany efitra rahalina, fa miampità sao ho ripaka*+ ny mpanjaka sy ny olona rehetra miaraka aminy.’” 17  Nijanona teo En-rogela+ i Jonatana+ sy Ahimaza,+ satria tsy sahy nankao an-tanàna sao dia misy mahita. Nisy mpanompovavy àry nandeha niresaka tamin’izy roa lahy. Izy roa lahy indray avy eo no lasa nampandre an’i Davida Mpanjaka. 18  Nisy tovolahy iray anefa nahita azy ireo ka nilaza an’izany tamin’i Absaloma. Lasa haingana àry izy roa lahy dia tonga tany Bahorima,+ tao an-tranon’ny lehilahy iray nanana lavadrano teo an-tokotaniny. Nidina tao anatin’izy io izy roa lahy, 19  ary namelatra zavatra teo ambonin’ilay lavadrano ny vadin’ilay lehilahy mba hanaronana azy io. Avy eo dia nasiany voam-bary mbola tsy voatoto tsara teo ambonin’ilay izy. Tsy nisy nahafantatra mihitsy ny momba an’izany. 20  Dia tonga tany an-tranon’ilay vehivavy ny mpanompon’i Absaloma, ka nanontany hoe: “Aiza i Ahimaza sy Jonatana?” Dia hoy ilay vehivavy: “Nandalo teto ry zareo, dia lasa any amin’ny renirano any.”+ Ary nitady azy roa lahy izy ireo fa tsy nahita, ka lasa niverina tany Jerosalema. 21  Nivoaka avy tao amin’ilay lavadrano izy roa lahy rehefa lasa izy ireo, ka lasa nampandre an’i Davida Mpanjaka. Hoy izy ireo taminy: “Mandehana haingana miampita ny renirano, fa izao sy izao ny torohevitr’i Ahitofela hamelezana anareo.”+ 22  Tonga dia niainga i Davida sy ny olona rehetra niaraka taminy, ka niampita an’i Jordana. Tafampita an’i Jordana daholo ny olona, rehefa nangiran-dratsy ny andro. 23  Rehefa hitan’i Ahitofela fa tsy narahina ny toroheviny, dia nasiany lasely ny ampondra ary nankany an-tranony tany an-tanànany+ izy. Namela hafatra tamin’ny ankohonany+ izy, ary avy eo nananton-tena+ ka maty. Dia nalevina tao amin’ny fasan-drazany izy. 24  Tonga tany Mahanaima+ i Davida nandritra an’izany fotoana izany. I Absaloma sy ny lehilahy israelita rehetra niaraka taminy kosa niampita an’i Jordana. 25  I Amasa no notendren’i Absaloma ho lehiben’ny tafika hisolo an’i Joaba.+ I Amasa+ dia zanak’ilay lehilahy israelita atao hoe Jitra, izay nanao firaisana tamin’i Abigaila,+ zanakavavin’i Nahasy sady rahavavin’i Zeroia renin’i Joaba. 26  Ary nitoby tany Gileada+ ny Israely sy Absaloma. 27  Raha vao tonga tao Mahanaima i Davida, dia ireny koa fa tonga ry Soby zanak’i Nahasy avy any Raba+ tanànan’ny Amonita, sy Makira+ zanak’i Amiela avy any Lo-debara, ary Barzilay+ Gileadita avy any Rogelima. 28  Nitondra fandriana sy koveta ary vilany tanimanga izy ireo, sady nitondra varimbazaha, vary orza, lafarinina, voam-bary natono, tsaramaso be, lantihy, voam-bary nohamainina, 29  tantely, dibera, ondry, ary fromazy.* Naroson’izy ireo hohanin’i Davida sy ny olona niaraka taminy ireo rehetra ireo.+ Hoy mantsy izy ireo: “Noana sy reraka ary mangetaheta ny olona any an-tany efitra.”+

Fanamarihana

Na: “sy miraviravy tanana.”
Na: “lavaka; tevana.”
Na: “nanome baiko.”
Abt: “voatelina.”
Na mety hoe “lemaka karakaina.”
Abt: “habobo vita amin’ny rononon’omby.”