Tononkiran’i Solomona 7:1-13
7 “Tsara erỳ ny tongotrao ao anatin’ilay kapanao,Ry tovovavy mendri-kaja!
Toy ny firavaka notefen’ny mpanao asa tananaNy bikan’ny fenao.
2 Boribory hoatran’ny vilia baolina ny foitranao.
Enga anie hisy divay misy fangarony foana eo!
Ary ny kibonao dia toy ny antontam-barimbazahaVoahodidin’ny lisy.
3 Ny nononao roa dia toy ny zana-gazela roa,Dia zana-gazela kambana.+
4 Ny vozonao+ indray hoatran’ny tilikambo ivoara,+
Ary ny masonao+ toy ny dobo any Hesbona,+Eo akaikin’ny vavahadin’i Bata-rabima.
Ny oronao kosa tahaka ny tilikambon’i Libàna,Izay tandrifin’i Damaskosy.
5 Tsara tarehy hoatran’ny Tendrombohitra Karmela+ ny lohanao,Ary tahaka ny volonondry volomparasy+ ny volonao.*+
Babon’ny volonao mihofahofa ny mpanjaka.
6 Tena tsara tarehy sy mahafinaritra ianao, ry tovovavy malalako,Mbola kanto noho izay mety ho kanto!
7 Hoatran’ny hazo palmie ny fijoronao,Ary toy ny antrendry* ny nononao.+
8 Hoy aho: ‘Hianika an’ilay hazo palmie aho,Mba haka ny tahony misy voany.’
Enga anie ho tahaka ny voaloboka amin’ny tangozany ny nononao,Ho manitra hoatran’ny paoma ny fofonainao,
9 Ary ho toy ny divay faran’izay tsara ny vavanao!”*
“Enga anie ilay divay hidina moramora ao an-tendan’ilay mamin’ny foko,Ary hikoriana moramora eo amin’ny molotr’izay matory!”
10 An’ny malalako aho,+Ary izaho no iriny.
11 Avia, ry ilay mamin’ny foko,Andao isika ho any an-tsaha.Andao isika hipetraka eny ambanin’ny moina.+
12 Andao isika hifoha maraina ho any an-tanimboaloboka,Mba hijery raha mitsimoka* ny voaloboka,Ary raha efa mamelana ny zavamaniry,+Na efa mamony ny ampongabendanitra.+
Any aho no haneho ny fitiavako anao.+
13 Manitra erỳ ny angividia!+Ary misy voankazo tsara be isan-karazany eo am-baravarantsika.+
Na ny vaovao na ny efa ela,Dia samy notehiriziko ho anao, ry ilay mamin’ny foko.
Fanamarihana
^ Abt: “lohanao.”
^ Voan’ny karazana palmie antsoina koa hoe daty.
^ Abt: “lanilaninao.”
^ Na: “mamony.”