Amosa 8:1-14
8 Izao no nasehon’i Jehovah Tompo Fara Tampony tamiko: Harona iray misy voankazo masaka fahavaratra.*
2 Ary hoy izy: “Inona no hitanao, ry Amosa?” Dia hoy aho: “Harona misy voankazo masaka fahavaratra.” Ary hoy i Jehovah tamiko: “Tonga ny farany ho an’ny Israely vahoakako. Tsy havelako intsony ny helony.+
3 ‘Tsy hisy hihira intsony ao amin’ny tempoly amin’izany andro izany, fa hidradradradra’,+ hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony. ‘Ary hisy faty be dia be hariana eny rehetra eny.+ Mangìna ô!’
4 Henoy izao, ry mpampijaly ny mahantra,Dia ianareo izay mandripaka ny mpandefitra eto amin’ity tany ity,+
5 Ka miteny hoe: ‘Rahoviana vao ho tapitra ny fetin’ny tsinam-bolana+ mba hivarotanay varimbazaha,Ary ny Sabata+ mba hahafahanay hivarotra varimbazaha indray?
Dia ho afaka hampiasa efaha* kely kokoaSy sekely* mavesatra kokoa izahay,Dia tsy ho marina intsony ny mizana, ka ho afaka hanambaka izahay.+
6 Dia ho afaka hividy olona sahirana koa izahay, ka volafotsy no hividiananay azy,Sady ho afaka hividy olona mahantra, ka hoatran’ny vidina kapa no hividiananay azy,+Ary ho afaka hivarotra varimbazaha efa fakofakony.’
7 Nianiana tamin’ny tenany i Jehovah, ilay Reharehan’i Jakoba,+ hoe:‘Tsy hohadinoiko mihitsy izay rehetra nataon’izy ireo.+
8 Izany no mahatonga ny tany hihovotrovotra,Sy mahatonga ny mponina rehetra ao aminy hisaona.+
Tsy hisondrotra toy ny ranon’i Neily* ve ny tany manontolo,Sady hiaka-midina hoatran’i Neily any Ejipta?’+
9 ‘Amin’izany andro izany’, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony,‘Dia hataoko milentika amin’ny mitataovovonana ny masoandro,Ary hataoko maizina amin’ny andro mazava be ny tany.+
10 Dia hataoko tsy misy intsony ny fetinareo ka hisaona ianareo,+Ary hovako ho hira fisaonana ny hira rehetra fanaonareo.
Hataoko misikina lamba gony ny olona rehetra, ary hosolaiko ny lohan’izy rehetra.Hataoko toy ny fisaonana zanaka lahitokana izany,Ka tena hangidy ny hiafaran’izany andro izany.’
11 Hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony:‘Ho avy ny andro handefasako mosary eo amin’ilay tany.Tsy hoe mosary noho ny sakafo tsy misy, na hetaheta noho ny rano tsy misy,Fa faniriana handre ny tenin’i Jehovah.+
12 Hivembena hatrany amin’ny ranomasina ka hatrany amin’ny ranomasina izy ireo,Ary hatrany avaratra ka hatrany atsinanana.*
Dia hivezivezy hitady ny tenin’i Jehovah izy, nefa tsy hahita.
13 Amin’izany andro izany, dia ho safotra ny virjiny tsara tarehy,Ary ho safotra koa ny tovolahy, satria hangetaheta be.
14 Mianiana amin’ny andriamani-dison’i Samaria+ izy ireo, sady miteny hoe:“Raha mbola velona koa ny andriamanitrao, ry Dana!”,+
Sy hoe: “Raha mbola misy koa ny lalana mankany Beri-sheba!”+
Hianjera izy ireo ka tsy ho tafarina intsony.’”+
Fanamarihana
^ Aviavy ilay voankazo na angamba antrendry (daty).
^ Na: “Nil.”
^ Na: “hatrany amin’ny fiposahan’ny masoandro.”