Deoteronomia 29:1-29
29 Izao no voalazan’ny fifanekena nasain’i Jehovah nataon’i Mosesy tamin’ny vahoakan’Israely tany Moaba, ankoatra an’ilay fifanekena nifanaovany tamin’izy ireo tany Horeba.+
2 Dia nantsoin’i Mosesy ny Israely rehetra, ka hoy izy: “Efa hitanareo daholo izay nataon’i Jehovah teo imasonareo tany Ejipta. Hitanareo tokoa ny nataony tamin’i Farao sy ny mpanompony rehetra ary ny taniny manontolo,+
3 dia ny sazy* henjana efa hitan’ny masonareo, izany hoe ireny famantarana lehibe sy fahagagana ireny.+
4 Tsy nomen’i Jehovah fo hahazo ny dikan’izay henonareo anefa ianareo hatramin’izao, na maso hahita, na sofina haheno.+
5 ‘Nandritra an’izay 40 taona nitarihako anareo tany an-tany efitra izay,+ dia tsy lasa tonta ny akanjonareo, ary tsy simba ny kapa teny an-tongotrareo.+
6 Tsy nihinana mofo ianareo, ary tsy nisotro divay na toaka. Nikarakara anareo anefa aho mba hahafantaranareo fa izaho no Jehovah Andriamanitrareo.’
7 Farany, dia tonga teto amin’ity toerana ity ianareo. Ary nivoaka hiady tamintsika i Sihona mpanjakan’i Hesbona+ sy Oga mpanjakan’i Basana,+ nefa resintsika.+
8 Dia nalaintsika ny taniny, ka nomentsika ho lovan’ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon’ny Manasita.+
9 Koa araho izay voalazan’ity fifanekena ity ka ankatoavy, mba hahomby izay rehetra ataonareo.+
10 “Eto anatrehan’i Jehovah Andriamanitrareo ianareo rehetra androany, dia ny lehiben’ny fokonareo, ny anti-panahy, ny mpifehy eo aminareo, ny lehilahy rehetra eo amin’ny Israely,
11 ny zanakareo, ny vadinareo,+ ary ny vahiny+ mipetraka ao an-tobinareo, hatramin’ny mpaka kitay ka hatramin’ny mpantsaka rano.
12 Eto ianareo mba hianiana sy hanao fifanekena amin’i Jehovah Andriamanitrareo, dia ilay fifanekena ataon’i Jehovah Andriamanitrareo aminareo anio.+
13 Amin’izay dia hataony vahoakany ianareo anio+ ary izy ho Andriamanitrareo,+ araka izay nampanantenainy anareo, sy nianianany tamin’i Abrahama+ sy Isaka+ ary Jakoba+ razambenareo.
14 “Tsy aminareo ihany anefa no anaovako an’ity fifanekena sy fianianana ity,
15 fa amin’izay miara-mijoro amintsika eto androany koa, eto anatrehan’i Jehovah Andriamanitsika, sy amin’izay tsy miaraka amintsika eto androany.
16 —Fantatrareo tsara mantsy hoe nanao ahoana ny fiainantsika tany Ejipta. Fantatrareo tsara koa fa nandalo tao amin’ny tanin’ny firenena samihafa isika tamin’ilay diantsika.+
17 Ary hitanareo ny zava-maharikoriko notompoin’izy ireo sy ny sampiny maharikoriko*+ vita amin’ny vato aman-kazo sy volafotsy ary volamena, izay teo amin’izy ireo.—
18 Tandremo àry mba tsy hisy aminareo, na lehilahy, na vehivavy, na fianakaviana, na foko, hanana fo ratsy ka hiala amin’i Jehovah Andriamanitsika dia handeha hanompo ny andriamanitr’ireny firenena ireny.+ Tandremo koa mba tsy hisy faka mitsimoka ho lasa zavamaniry misy poizina sy mangidy be eo aminareo.+
19 “Raha misy anefa maheno an’izay voalazan’ity fianianana ity, nefa mirehareha ao am-pony hoe: ‘Hiadana ihany aho na dia hanaraka ny ditran’ny foko aza!’, hany ka mahita loza daholo izay zava-drehetra* lalovany,
20 dia tsy hanaiky hamela ny helony i Jehovah.+ Ho tezitra be amin’izany olona izany kosa i Jehovah, ka ho tanteraka aminy daholo ny ozona rehetra voasoratra ato amin’ity boky ity.+ Ary hofoanan’i Jehovah eny ambanin’ny lanitra ny anarany.
21 Dia hosarahin’i Jehovah amin’ny foko rehetra eo amin’ny Israely izy ka hataony tratran’ny loza, araka ny ozona rehetra ao amin’ilay fifanekena voasoratra ato amin’ity boky misy ny Lalàna ity.
22 “Rehefa mahita ny loza sy ny aretina halefan’i Jehovah amin’ity tany ity ny taranaka handimby ny zanakareo sy ny vahiny avy any an-tany lavitra,—
23 fa ho hitan’izy ireo hoe ho ravaravan’ny solifara sy ny sira ary ny afo mandoro ilay tany manontolo ka tsy hamafazam-boa sady tsy hisy voa hitsimoka na zavatra haniry, hoatran’ny nandravana an’i Sodoma sy Gomora+ sy Adma ary Zeboima,+ izay noravan’i Jehovah satria tezitra be izy sady nisafoaka—
24 dia hanontany izy ireo sy ny firenena rehetra hoe: ‘Maninona io tany io no nataon’i Jehovah hoatr’izao?+ Fa maninona izy no tena tezitra be?’
25 Dia hilaza ny olona hoe: ‘Satria ry zareo nivadika tamin’ilay fifanekena nataon’i Jehovah+ Andriamanitry ny razambeny tamin’izy nitondra an-dry zareo nivoaka avy tany Ejipta.+
26 Lasa nanompo andriamani-kafa mantsy ry zareo, sady niankohoka teo anatrehan’ireny, dia andriamanitra tsy fantany sady tsy navelan’Andriamanitra hotompoiny.+
27 Dia tezitra be tamin’io tany io i Jehovah, ka nataony tanteraka aminy daholo ny ozona rehetra voasoratra ato amin’ity boky ity.+
28 Koa tezitra be sy vinitra ary nisafoaka i Jehovah, ka nanongotra an-dry zareo teo amin’ny taniny,+ ary nandefa azy tany an-tany hafa, dia ilay tany misy azy amin’izao.’+
29 “Fantatr’i Jehovah Andriamanitsika ny zava-miafina rehetra.+ Mampiharihary zavatra amintsika sy ny taranatsika fara aman-dimby anefa izy, mba hankatoavantsika an’izay voalazan’ity Lalàna ity.+
Fanamarihana
^ Na: “fitsapan-toetra.”
^ Mety hisy ifandraisany amin’ny hoe “taim-biby” ilay teny hebreo tany am-boalohany. Teny fanambaniana izy io.
^ Abt: “ilay azon-drano tsara sy ilay karakaina.”