Hebreo 3:1-19
3 Noho izany, ry rahalahy masina izay anisan’ny voantso* ho any an-danitra,+ eritrereto ilay apostoly sady mpisoronabe ekentsika, dia i Jesosy.+
2 Tsy nivadika tamin’Ilay* nanendry azy+ izy, hoatran’i Mosesy rehefa nanompo tao amin’ny tranon’Andriamanitra manontolo.+
3 Mendrika hahazo voninahitra+ lehibe noho ny an’i Mosesy mantsy izy,* satria ny mpanao trano dia mendrika hohajaina kokoa noho ny trano nataony.
4 Mazava ho azy fa nisy nanao ny trano rehetra, fa ilay nanao ny zava-drehetra kosa dia Andriamanitra.
5 Ary mpanompo mendri-pitokisana tao amin’ny tranon’Andriamanitra manontolo i Mosesy. Nifanitsy tamin’ny* zavatra mbola holazaina atỳ aoriana koa ny fanompoany.
6 Fa i Kristy kosa zanaka+ mendri-pitokisana miandraikitra ny tranon’Andriamanitra.+ Isika izany tranony izany, raha miezaka foana isika mba ho sahy hiteny sady hifikitra amin’ilay fanantenana ireharehantsika hatramin’ny farany.
7 Noho izany, dia hoy ny fanahy masina:+ “Raha mihaino ny feony ianareo anio,
8 dia aza manamafy ny fonareo hoatran’ny tamin’ilay fotoana nampahatezitra be ahy, tamin’ilay andro nitsapana ahy tany an-tany efitra.+
9 Nitsapa toetra ahy mantsy ny razambenareo tamin’izay, na dia efa hitany aza ny asa nataoko nandritra ny 40 taona.+
10 Noho izany, dia lasa rikoriko tamin’izany taranaka izany aho ka nilaza hoe: ‘Mafy loha foana ireo sady tsy manao afa-tsy izay tiany, ary tsy fantany ny lalako.’
11 Tezitra àry aho sady nianiana hoe: ‘Tsy hiditra amin’ny fitsaharako ireo.’”+
12 Tandremo, ry rahalahy, sao misy aminareo lasa manana fo ratsy sady tsy mino, ka hiala amin’ilay Andriamanitra velona.+
13 Miezaha foana kosa hifampahery isan’andro, raha mbola eo koa ilay antsoina hoe “Anio”,+ sao hisy ho lasa mafy fo ianareo satria mahavita mamitaka anareo ny ota.
14 Tsy hahazo an’izay efa azon’i* Kristy mantsy isika, raha tsy tazonintsika mafy hatramin’ny farany ilay toky nananantsika tamin’ny voalohany.+
15 Voalaza mantsy hoe: “Raha mihaino ny feony ianareo anio, dia aza manamafy ny fonareo toy ny tamin’ilay fotoana nampahatezitra be ahy.”+
16 Fa iza moa no naheno ny feon’Andriamanitra nefa mbola nampahatezitra be azy ihany? Tsy izay rehetra nentin’i Mosesy nivoaka avy tany Ejipta ve?+
17 Iza koa no naharikoriko an’Andriamanitra nandritra ny 40 taona?+ Tsy izay nanota ve ka niampatrampatra tany an-tany efitra ny fatiny?+
18 Ary tamin’iza izy no nianiana hoe tsy hiditra amin’ny fitsaharany ireo? Tsy tamin’ireo tsy nankatò ve?
19 Hitantsika àry fa tsy afaka niditra izy ireo satria tsy nino.+
Fanamarihana
^ Na: “nasaina.”
^ Na: “Mendri-pitokisana teo anatrehan’Ilay.”
^ Izany hoe Jesosy.
^ Na: “Porofon’ny; Vavolombelon’ny.”
^ Na: “Tsy ho mpiombona amin’i.”