Isaia 48:1-22
48 Henoy izao, ry taranak’i Jakoba,Dia ianareo izay miantso ny tenanareo hoe Israely,+Sy ianareo nipoitra avy tamin’ny ranon’i* Joda.Dia ianareo mianiana amin’ny anaran’i Jehovah,+Sady miantso an’ilay Andriamanitry ny Israely,Nefa tsy manao an’izany amin’ny fo madio sady tsy manao ny tsara.+
2 Fa mihambo ho avy amin’ilay tanàna masina+ ianareo,Ary mitady fanampiana any amin’ny Andriamanitry ny Israely,+Ilay manana anarana hoe Jehovah Tompon’ny tafika.
3 “Efa ela aho no nilaza taminao ny zavatra taloha.*
Ny vavako no niteny an’ireny,Ary nampahafantariko ireny.+
Nanao zavatra tampoka aho, ka tanteraka ireny.+
4 Fantatro mantsy fa mafy loha ianao.Vy ny hozatry ny hatokao ary varahina ny handrinao.+
5 Efa ela aho no nilaza taminao ny zava-drehetra.
Mbola tsy nitranga akory izany dia efa noteneniko anao,Sao mantsy ianao hiteny hoe: ‘Ny sampiko no nanao an’izany,Ny sary sokitra sy ny sarivongana metaly* nataoko no nandidy an’izany.’
6 Efa henonao sy hitanao daholo izany,
Dia tsy horesahinao ve?+
Hilaza zava-baovao aminao aho manomboka izao,+Dia tsiambaratelo nafenina ka mbola tsy fantatrao mihitsy.
7 Vao izao izany vao misy fa tsy hoe efa taloha,Dia zavatra mbola tsy henonao mihitsy talohan’ny androany,Sao ianao hiteny hoe: ‘Efa fantatro izany.’
8 Tena mbola tsy henonao izany+ sady tsy fantatrao,Ary taloha dia tsy nisokatra ny sofinao.
Fantatro mantsy fa tena mpivadika ianao,+Sady efa hatramin’ny vao teraka ianao no nantsoina hoe mpandika lalàna.+
9 Hifehy ny hatezerako anefa aho noho ny anarako,+Hifehy tena aho mba hahazoako fiderana,Ka tsy horinganiko ianao.+
10 Nodioviko ianao, nefa tsy nataoko hoatran’ny manadio volafotsy.+
Nosedraiko* tao anatin’ny fatana fandrendrehana ianao, izany hoe tao anatin’ny fahoriana.+
11 Hanao zavatra aho noho ny amiko.+Fa nahoana no havelako hozimbazimbaina ny anarako?+
Tsy homeko an’iza na iza* ny voninahitro.
12 Henoy aho, ry Jakoba sy Israely, izay nantsoiko!
Tsy miova Aho,+ fa izaho no voalohany, ary izaho no farany.+
13 Ny tanako no nametraka ny fototry ny tany,+Ary ny tanako ankavanana no namelatra ny lanitra.+
Rehefa antsoiko izy ireo dia mitsangana daholo.
14 Mivoria ianareo rehetra, ka mihainoa!
Iza amin’izy ireo no nilaza an’izany zavatra izany?
Tian’i Jehovah izy.+
Izy no hanatanteraka an’izay tian’Andriamanitra hatao amin’i Babylona,+Ary ny sandriny no hamely ny Kaldeanina.+
15 Izaho no nilaza an’izany, ary izaho no niantso azy.+
Izaho no nitondra azy, ary hahomby izay ataony.+
16 Manatòna ahy, dia henoy izao:
Efa hatramin’ny voalohany mihitsy aho no tsy niafinafina rehefa niteny.+
Efa teo aho hatramin’ny fotoana nitrangan’izany.”
Dia nirahin’i Jehovah Tompo Fara Tampony izaho sy ny* fanahiny.
17 Izao no tenin’i Jehovah Mpanavotra anao, Ilay Masin’ny Israely:+
“Izaho Jehovah no Andriamanitrao,Ilay mampianatra anao mba hahitanao soa,*+Ilay mitarika anao any amin’izay lalana tokony halehanao.+
18 Raha mba mankatò ny didiko mantsy ianao,+
Dia ho lasa toy ny renirano ny fiadananao+Ary ho lasa hoatran’ny onjan-dranomasina ny fahamarinanao!+
19 Ho be dia be hoatran’ny fasika ny taranakao,+Ary ho maro be hoatran’ny vovo-pasika.
Tsy hovonoina na hofafana eo anatrehako mihitsy ny anaran’izy ireo.”
20 Mivoaha avy ao Babylona!+
Andosiro ny Kaldeanina!
Lazao sy ambarao amin’ny olona izany sady mifalia.+
Ataovy fantatry ny olona hatrany amin’ny faran’ny tany izany,+
Dia teneno hoe: “Navotan’i Jehovah i Jakoba mpanompony.+
21 Tsy nangetaheta mihitsy izy ireo, tamin’izy nitarika azy ireo namakivaky tany ngazana.+
Nataony namoaka rano ny vatolampy mba hosotroin’izy ireo,Ary nataony nitresaka ny vatolampy mba hisy rano hiboiboika be.”+
22 “Tsy misy fiadanana ho an’ny ratsy fanahy”, hoy i Jehovah.+
Fanamarihana
^ Na mety hoe “ianareo taranak’i.”
^ Abt: “voalohany.”
^ Na: “sarivongana vita amin’ny metaly narendrika.”
^ Na: “Nodinihiko.” Na mety hoe “Nofidiko.”
^ Na: “Tsy hozaraiko amin’iza na iza.”
^ Na: “miaraka amin’ny.”
^ Na: “hahasoa anao.”