Jeremia 28:1-17

  • Notoherin’i Jeremia i Hanania mpaminany sandoka (1-17)

28  Tamin’iny taona iny ihany, izany hoe teo am-piandohan’ny fanjakan’i Zedekia+ mpanjakan’ny Joda, tamin’ny volana fahadimy, tamin’ny taona fahefatra, dia niteny an’izao tamiko, tao an-tranon’i Jehovah teo anatrehan’ny mpisorona sy ny vahoaka rehetra, i Hanania zanak’i Azora, mpaminany avy any Gibeona:+ 2  “Izao no lazain’i Jehovah Tompon’ny tafika, Andriamanitry ny Israely: ‘Hotapahiko ny ziogan’ny mpanjakan’i Babylona.+ 3  Ato anatin’ny roa taona,* dia haveriko eto amin’ity toerana ity ny fitaovana rehetra tao an-tranon’i Jehovah, izay nalain’i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona teto sy nentiny any Babylona.’”+ 4  “‘Hampodiko eto koa i Jekonia+ zanak’i Joiakima,+ mpanjakan’ny Joda, sy ny Joda rehetra natao sesitany any Babylona’,+ hoy i Jehovah, ‘satria hotapahiko ny ziogan’ny mpanjakan’i Babylona.’” 5  Dia namaly an’i Hanania mpaminany i Jeremia mpaminany, teo anatrehan’ny mpisorona sy ny vahoaka rehetra, izay nitsangana tao an-tranon’i Jehovah. 6  Hoy i Jeremia mpaminany: “Amena!* Enga anie ka hanao an’izany tokoa i Jehovah! Hotanterahin’i Jehovah anie ny faminanianao, ka haveriny avy any Babylona ho eto amin’ity toerana ity tokoa ny fitaovana tao an-tranon’i Jehovah sy ny olona rehetra natao sesitany! 7  Mba henoy kely anefa izay holazaiko aminao sy amin’ny vahoaka rehetra. 8  Ela be talohako sy talohanao no efa nisy mpaminany nilaza fa hisy ady sy loza ary areti-mandringana any amin’ny tany maro sy any amin’ireo fanjakana lehibe. 9  Raha misy kosa mpaminany manambara fa hisy fiadanana ka tanteraka ny teniny, dia ho fantatra hoe tena nirahin’i Jehovah tokoa izy.” 10  Dia nesorin’i Hanania mpaminany teny amin’ny vozon’i Jeremia mpaminany ilay zioga, ka notapahiny.+ 11  Ary hoy i Hanania teo anatrehan’ny vahoaka manontolo: “Izao no lazain’i Jehovah: ‘Hoatr’izao no hanapahako ny ziogan’i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona, ato anatin’ny roa taona, ka tsy ho eo amin’ny vozon’ny firenena rehetra intsony izany.’”+ Dia lasa nandeha i Jeremia mpaminany. 12  Rehefa avy notapahin’i Hanania mpaminany ilay zioga teny amin’ny vozon’i Jeremia mpaminany, dia niteny tamin’i Jeremia i Jehovah hoe: 13  “Mandehana lazao amin’i Hanania hoe: ‘Izao no lazain’i Jehovah: “Zioga hazo no notapahinao,+ fa zioga vy kosa no hataonao solony.” 14  Fa izao no tenin’i Jehovah Tompon’ny tafika, Andriamanitry ny Israely: “Hasiako zioga vy eo amin’ny vozon’ireny firenena rehetra ireny, mba hanompoan’izy ireny an’i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona, ka tsy maintsy hanompo azy izy ireny.+ Na ny bibidia aza homeko azy.”’”+ 15  Dia niteny tamin’i Hanania+ mpaminany i Jeremia mpaminany hoe: “Henoy ny teniko, azafady, ry Hanania! Tsy naniraka anao i Jehovah, fa nampino lainga an’ity vahoaka ity ianao.+ 16  Izao àry no lazain’i Jehovah: ‘Hesoriko tsy ho eny ambonin’ny tany ianao. Amin’ity taona ity ianao dia ho faty, satria mampirisika ny olona hikomy amin’i Jehovah.’”+ 17  Koa maty tamin’ny volana fahafito tamin’iny taona iny ihany i Hanania mpaminany.

Fanamarihana

Abt: “taonan’ny andro.”
Na: “Ho tanteraka anie izany!”