Jeremia 45:1-5

  • Hafatr’i Jehovah ho an’i Baroka (1-5)

45  Izao no teny nolazain’i Jeremia mpaminany tamin’i Baroka+ zanak’i Neria, tamin’izy nanoratra tao anaty boky ny teny notononin’i Jeremia,+ tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Joiakima+ zanak’i Josia, mpanjakan’ny Joda: 2  “Izao no lazain’i Jehovah Andriamanitry ny Israely momba anao, ry Baroka: 3  ‘Niteny ianao hoe: “Idiran-doza aho ity fa nampian’i Jehovah alahelo ny fijaliako! Reraky ny mitaraina aho sady tsy mba mety milamin-tsaina.”’ 4  “Koa lazao amin’i Baroka hoe: ‘Izao no tenin’i Jehovah: “Horavako izay efa naoriko, ary hongotako izay efa namboleko, dia ilay tany manontolo.+ 5  Ianao anefa mitady* zavatra lehibe ho anao. Aza mitady an’izany intsony.”’ “‘Fa hahatonga loza amin’ny olona* rehetra+ aho’, hoy i Jehovah, ‘nefa homeko ho babonao* kosa ny ainao,+ na aiza na aiza halehanao.’”

Fanamarihana

Na: “manantena.”
Abt: “nofo.”
Na: “havelako ho avotra.”