Joba 26:1-14

  • Ny valin-tenin’i Joba (1-14)

    • ‘Toy izany ve no mba anampianao ny tsy manan-kery?’ (1-4)

    • ‘Ahanton’Andriamanitra eo amin’ny tsy misy ny tany’ (7)

    • ‘Vao ampahany kely amin’ny zava-bitan’Andriamanitra’ (14)

26  Namaly i Joba hoe: 2  “Hoatr’izany ve no mba anampianao ny tsy manan-kery? Hoatr’izany ve no mba amonjenao ny sandrin’ny lany hery?+  3  Torohevitra mipoapoaka tokoa no nomenao ho an’ny tsy manam-pahendrena!+ Tsy nihafihafy mihitsy ianao nampideradera ny fahendrenao!*  4  Fa iza no tianao hiresahana e,Ary iza no nampirisika anao hiteny hoatr’izany?*  5  Tora-kovitra ny maty tsy mahavita na inona na inona;Mbola ambany noho ny rano sy ny zavaboary monina ao izy ireo.  6  Mihanjahanja eo anatrehan’Andriamanitra* ny Fasana,*+Ary tsy misarona ny toerana mahalò ny nofo.*  7  Velariny eo amin’ny babangoana ny lanitra avaratra,*+Ary ahantony eo amin’ny tsy misy ny tany.  8  Fonosiny ao anaty rahony ny rano,+Mba tsy ho triatra ny rahona noho ny havesaran’ny rano;  9  Takonany mba tsy ho hita ny seza fiandrianany,Ka velariny hanarona an’izany ny rahony.+ 10  Asiany faritra ny faravodilanitra* eny ambony rano;+Asiany fefy manasaraka ny mazava sy ny maizina. 11  Mihozongozona ny andrin’ny lanitra;Tsy nahateny izy ireo noho ny fananaran’Andriamanitra. 12  Ataony misamboaravoara ny ranomasina noho ny heriny,+Ary potipotehiny ny biby ngezabe any an-dranomasina*+ noho izy mahira-tsaina. 13  Ataony mampahadio ny lanitra ny fofonainy;*Manatrobaka bibilava sarotra samborina* ny tanany. 14  Vao ampahany kely amin’ny zava-bitany ihany izany;+Vao bitsibitsika ihany no henontsika momba azy! Koa iza no mahatakatra ny kotroka mafy avy aminy?”+

Fanamarihana

Na: “Tena nataonao niharihary be mihitsy hoe mahalala ny tokony hatao ianao!”
Abt: “Ary fofonain’iza (fanahin’iza) no mivoaka avy aminao?”
Abt: “anatrehany.”
Jereo F.T.
Na: “i Abadona.”
Abt: “ny avaratra.”
Abt: “ny faribolana.”
Abt: “i Rahaba.”
Na: “ny rivotra.”
Na: “mitsoriaka.”