Joba 33:1-33

  • Nanarin’i Eliho i Joba satria nihevi-tena ho marina (1-33)

    • Nahita vidim-panavotana (24)

    • Hiverina indray ny herin’ny fahatanorany (25)

33  “Henoy anefa izao ny teniko, ry Joba, azafady indrindra;Henoy daholo izay lazaiko.   Mihainoa, azafady, fa hisoka-bava hiteny aho;Tsy maintsy hiteny ny lelako.*   Amin’ny fo madio no itenenako,+Ary izay fantatro no lazaiko amim-pahatsorana.   Ny fanahin’Andriamanitra no nanao ahy,+Ary ny fofonain’ilay Mahery Indrindra no nanome aina ahy.+   Valio aho raha azonao atao;Resaho amiko ny hevitrao, ka miomàna hiaro ny tenanao.   Fa hoatr’anao ihany aho eo anatrehan’ilay tena Andriamanitra;Tanimanga koa no namolavolana ahy.+   Koa tsy tokony hatahotra be ahy ianao,Ary tsy tokony hanavesatra anao izay holazaiko.   Reko anefa izay nolazainao.Henoko foana ianao niteny hoe:   ‘Madio aho, tsy nandika lalàna;+Madio aho, tsy nanao fahadisoana.+ 10  Mahita antony hanoherana ahy foana anefa Andriamanitra;Ataony toy ny fahavalony aho.+ 11  Gejainy amin’ny gadra hazo* ny tongotro;Arahiny maso ny diako rehetra.’+ 12  Tsy marina anefa izany teninao izany, ka hovaliako ianao: Lehibe lavitra noho ny olombelona mety maty Andriamanitra.+ 13  Nahoana ianao no mitaraina momba Azy?+ Satria ve hoe tsy nisy novaliany ny teninao?+ 14  Fa tsy indray tsy indroa Andriamanitra no miteny,Nefa tsy misy miraharaha. 15  Miteny ao amin’ny nofy izy, na ao amin’ny fahitana amin’ny alina,+Rehefa renoky ny torimaso ny olona,Ka matory eo am-pandrianany. 16  Dia sokafany ny sofin’izy ireo,+Ary antitranteriny* amin’izy ireo ny toromarika omeny, 17  Mba hahatonga ny olona hiala amin’ny fanao ratsy,+Sy hiarovana azy tsy hirehareha.+ 18  Miaro ny olona* tsy ho any an-davaka* Andriamanitra,+Miaro ny ainy tsy ho fatin’ny sabatra.* 19  Mananatra ny olona koa ny fanaintainany eo am-pandriananySy ny fijaliany tsy an-kiato noho ny taolany manakotsako, 20  Ka mankaloiloy azy* ny mofo,Ary tsy tiany na dia ny sakafo matsiro aza.+ 21  Mihalany ny nofony ka tsy misy hojerena,Ary lasa mitrakitraky* izao ny taolany nefa tsy hita izany taloha. 22  Mihamanatona ny lavaka* izy;*Mihamanakaiky an’ireo mifofo ny ainy izy.* 23  Fa raha misy iraka* alefa any aminy,Mpiaro iray ao anatin’ny arivo,Mba hampahafantatra ny olona an’izay mahitsy, 24  Dia hiantra azy Andriamanitra, ka hilaza hoe:‘Aza avela ho lasa any an-davaka*+ izy! Efa nahita vidim-panavotana aho!+ 25  Aoka ho tsara* noho ny an’ny tanora ny nofony,+Ary aoka hiverina aminy indray ny heriny tamin’ny fahatanorany.’+ 26  Hitalaho amin’Andriamanitra+ izy, ka hahazo sitraka aminy,Dia hihorakoraka sy ho faly izy rehefa mahita ny tarehiny,Ary heken’Andriamanitra ho marina indray ny olombelona mety maty. 27  Hilaza* amin’ny olona izany lehilahy izany hoe:‘Efa nanota aho+ sady nanao ny tsy rariny,Nefa tsy nahazo an’izay sahaza ahy.* 28  Navotany tsy ho lasa any an-davaka* aho,*+Ka hahita ny mazava ny aiko.’ 29  Ataon’Andriamanitra tokoa izany rehetra izany,Ataony indroa na intelo ho an’ny olona, 30  Mba hampiverina azy tsy ho any an-davaka,*Ka ho afaka hanazava azy ny hazavan’ny fiainana.+ 31  Henoy ny teniko, ry Joba! Henoy aho. Aoka ianao hangina, fa mbola hiteny aho. 32  Raha manan-kolazaina anefa ianao, dia valio aho. Mitenena, fa te hanaporofo aho hoe manana ny marina ianao. 33  Raha tsy manan-kolazaina kosa ianao, dia mihainoa ahy;Aoka ianao hangina, fa hampianatra fahendrena anao aho.”

Fanamarihana

Abt: “ny lelako sy ny lanilaniko.”
Na: “boloky hazo.” Jereo F.T.
Abt: “asiany tombo-kase.”
Na: “fitaovam-piadiana (lefom-pohy).”
Na: “am-pasana.”
Na: “ainy.”
Abt: “ny ainy.”
Na: “miharihary.”
Na: “fasana.”
Na: “ny ainy.”
Na: “ny ainy.”
Na: “anjely.”
Na: “am-pasana.”
Na: “salama kokoa.”
Abt: “Hihira.”
Na mety hoe “tsy nisy soa azoko tamin’izany.”
Na: “am-pasana.”
Na: “ny aiko.”
Na: “am-pasana.”