Levitikosy 2:1-16
-
Fanatitra varimbazaha (1-16)
2 “‘Raha misy olona manolotra fanatitra varimbazaha+ ho an’i Jehovah, dia tokony ho lafarinina tsara toto izany, ary horarahany menaka sy hasiany ditin-kazo manitra eo amboniny.+
2 Dia hoentiny any amin’ireo mpisorona zanakalahin’i Arona izany. Ary hakan’ny mpisorona eran’ny tanan’ila ilay lafarinina tsara toto misy menaka sy ny ditin-kazo manitra rehetra. Ary hodorany eo ambony alitara izany mba hidona-tsetroka, ho santionany amin’ilay fanatitra.*+ Fanatitra atao anaty afo izany, mba ho hanitra mahafinaritra* an’i Jehovah.
3 Dia ho an’i Arona sy ny zanany lahy ny ambin’ilay fanatitra varimbazaha,+ ho zavatra masina indrindra+ avy amin’ny fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah.
4 “‘Raha fanatitra varimbazaha nandrahoina tao anaty lafaoro no aterinao, dia tokony hatao amin’ny lafarinina tsara toto izany. Mofo boribory* tsy misy lalivay* sady nafangaro menaka no hatolotrao, na mofo fisaka tsy misy lalivay sady nohosorana menaka.+
5 “‘Raha fanatitra varimbazaha nandrahoina tao anaty lasitra no aterinao,+ dia tokony hatao amin’ny lafarinina tsara toto tsy misy lalivay sady nafangaro menaka.
6 Hotapatapahina izany ary horarahanao menaka.+ Fanatitra varimbazaha izany.
7 “‘Raha fanatitra varimbazaha nendasina tao anaty lapoaly no aterinao, dia tokony hatao amin’ny lafarinina tsara toto nasiana menaka.
8 Hoentinao any amin’i Jehovah ny fanatitra varimbazaha natao tamin’ireo. Dia hatolotra ny mpisorona izany, ka hoentiny eo akaikin’ny alitara.
9 Hakan’ny mpisorona ilay fanatitra varimbazaha, ho santionany amin’ilay fanatitra.*+ Ary hodorany eo ambony alitara izany mba hidona-tsetroka, ho fanatitra atao anaty afo, mba ho hanitra mahafinaritra* an’i Jehovah.+
10 Dia ho an’i Arona sy ny zanany lahy ny ambin’ilay fanatitra, ho zavatra masina indrindra avy amin’ny fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah.+
11 “‘Tsy tokony hasiana lalivay izay fanatitra varimbazaha hatolotrareo ho an’i Jehovah,+ satria na ny lalivay na ny tantely* dia tsy tokony hodoranareo hidona-tsetroka ho fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah.
12 “‘Azonareo atolotra ho fanatitra voaloham-bokatra ho an’i Jehovah ireo,+ nefa tsy tokony hoentina eo amin’ny alitara mba hahazoana hanitra mahafinaritra.*
13 “‘Tokony hasiana sira daholo ny fanatitra varimbazaha haterinao. Aza avela tsy hisy siran’ny fifaneken’Andriamanitrao ilay fanatitra varimbazaha. Tokony hanolotra sira miaraka amin’ny fanatitrao rehetra ianao.+
14 “‘Raha fanatitra varimbazaha avy amin’ny voaloham-bokatra no atolotrao ho an’i Jehovah, dia tokony ho voa vaovao* natono izany, ary nototoina nefa tsy natao vovony. Ho fanatitra varimbazaha avy amin’ny voaloham-bokatrao izany.+
15 Horarahanao menaka ilay izy, ary hasianao ditin-kazo manitra eo amboniny. Fanatitra varimbazaha izany.
16 Hodoran’ny mpisorona mba hidona-tsetroka izany ho santionany amin’ilay fanatitra,*+ izany hoe hodorany ny ampahany amin’ny voa voatoto sy ny menaka sy ny ditin-kazo manitra rehetra. Ho fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah izany.
Fanamarihana
^ Na: “ho ampahany ahatsiarovana (na misolo) an’ilay fanatitra.”
^ Na: “mampitony.” Abt: “mitondra fitsaharana ho.”
^ Misy lavaka eo afovoany.
^ Na: “leviora; renikoba.”
^ Na: “mampitony.” Abt: “mitondra fitsaharana ho.”
^ Na: “ampahany ahatsiarovana (na misolo) an’ilay fanatitra.”
^ Zava-mamy avy amin’ny voankazo, fa tsy avy amin’ny renitantely.
^ Na: “mampitony.” Abt: “mitondra fitsaharana.”
^ Na: “salohy maitso.”
^ Na: “ampahany ahatsiarovana (na misolo) an’ilay fanatitra.”