Mika 6:1-16
6 Mba henoy re ny tenin’i Jehovah e!
Mitsangàna, ka ento eo anatrehan’ny tendrombohitra ny adinao any amin’ny fitsarana,Ary ataovy ren’ny havoana ny feonao.+
2 Henoy ny adin’i Jehovah any amin’ny fitsarana, ry tendrombohitra,Sy ianareo fototra mafy iorenan’ny tany!+Fa miady amin’ny vahoakany any amin’ny fitsarana i Jehovah,Ary toriny ny Israely.+
3 “Fa inona no nataoko taminao, ry vahoakako?
Ary inona no nataoko ka nandreraka anao?+
Lazao àry izay fahadisoako.
4 Nitondra anao niakatra avy tany Ejipta aho,+Ary nanavotra anao avy tany amin’ny toerana nanandevozana anao.+Naniraka an’i Mosesy sy Arona ary Miriama+ mba ho any aminao koa aho.
5 Ry vahoakako, mba tsarovy re ny zavatra nangatahin’i Balaka mpanjakan’i Moaba e,+Sy izay navalin’i Balama zanak’i Beora azy!+Tadidio koa izay nitranga tany Sitima+ ka hatrany Gilgala,+Dia ho fantatrao fa ara-drariny ny zavatra ataon’i Jehovah.”
6 Inona no hoentiko rehefa manatona an’i Jehovah aho,
Ary inona no hoentiko rehefa miankohoka eo anatrehan’ilay Andriamanitra any ambony?
Fanatitra dorana manontolo ve no hoentiko rehefa manatona azy aho,Sa zanak’omby vao herintaona?+
7 Ho tian’i Jehovah ve ny ondrilahy an’arivony,Na ny menaka hoatran’ny renirano mikoriana?+
Ny zanako lahimatoa ve no homeko noho izaho nikomy,Sa izay naterako no homeko noho izaho nanota?+
8 Ry zanak’olombelona, efa nolazainy taminao izay tsara.
Ary inona moa no takin’i* Jehovah aminao,
Afa-tsy ny hanao ny rariny*+ sy tsy hivadika,*+Sady hanetry tena+ rehefa miara-mandeha amin’ny Andriamanitrao?+
9 Tonga hatrany an-tanàna ny antson’i Jehovah,Ka hatahotra ny anarany* ny olona manam-pahendrena.
Ekeo ny famaizana sy ilay nanome azy.*+
10 Mbola misy ao an-tranon’ny ratsy fanahy ve ny harena azony tamin’ny ratsy,Sy ny efaha* famarana nohakelezina, izay maharikoriko?
11 Madio* ve aho raha mampiasa mizana mandainga,Sy manana kitapo misy vatomizana tsy marina?+
12 Fa mahery setra be ny mpanankarenany,Mandainga ny mponina ao aminy,+Ary mamitaka ny lelan’izy ireo.+
13 “Dia hokapohiko ianao ka hataoko maratra,+Ary ho lasa tsy misy mponina ao aminao satria ianao nanota.
14 Dia hihinana ianao nefa tsy ho voky,Ka mbola ho noana be ihany.+
Izay zavatra alainao mba hotehirizina dia tsy ho voatahirinao akory,Ary izay mba voatahirinao dia havelako hopotehin’ny fahavalonao.
15 Hamafy ianao nefa tsy hijinja.
Hanitsakitsaka oliva ianao nefa tsy hampiasa ny menaka azo avy aminy,Ary hanao divay vaovao nefa tsy hisotro akory.+
16 Manaraka ny lalàn’i Omry sy izay rehetra nataon’ny taranak’i Ahaba mantsy ianareo,+Sady manaiky ny toroheviny.
Hosaziko ianareo ka hihorohoro ny olona mahita an’izay manjo anareo,Ary hisioka haneso an’ireo mponina ao aminareo ny olona.+Dia holatsain’ny firenena hafa ianareo.”+
Fanamarihana
^ Na: “hampiseho fitiavana ka sady ho tsara fanahy no tsy hivadika.” Abt: “ho tia fitiavana tsy mivadika.”
^ Na: “hanao izay mahitsy; tsy hiangatra.”
^ Na: “angatahin’i.”
^ Abt: “ny anaranao.”
^ Na: “Henoy ny tsorakazo sy ilay nanendry azy.”
^ Na: “Tsy manan-tsiny.”