Nomery 36:1-13

  • Lalàna momba ny vehivavy mpandova (1-13)

36  Dia nanatona an’i Mosesy sy ireo mpiadidy teo amin’ny Israelita ny lohan’ny fianakaviamben’ny* taranak’i Gileada, zanak’i Makira,+ zanak’i Manase, avy tamin’ny fianakaviamben’ny taranak’i Josefa. 2  Dia hoy izy ireo: “Nomen’i Jehovah didy ny tompoko mba hizara ny tany ho lovan’ny Israelita amin’ny alalan’ny antsapaka.+ Nodidian’i Jehovah koa ny tompoko mba hanome ny lovan’i Zelofada rahalahinay ho an’ny zanany vavy.+ 3  Raha manambady lehilahy avy amin’ny foko hafa amin’ny Israelita anefa izy ireo, dia hesorina amin’ny lovan’ny razambenay ny lovan-dry zareo, ka hitambatra amin’ny lovan’ny fokon’izay olona ho vadiny. Dia hesorina amin’ny lova nomena anay tamin’ny antsapaka izany. 4  Ary rehefa tonga ny Jobily+ ho an’ny vahoakan’Israely, dia hatambatra amin’ny lovan’ny fokon’izay olona ho vadiny ny lovan-dry zareo, ka hesorina amin’ny lovan’ny fokon’ny razambenay.” 5  Dia notenenin’i Mosesy ny Israelita, araka ny baikon’i Jehovah, hoe: “Marina izany tenin’ny fokon’ny taranak’i Josefa izany. 6  Izao àry no didin’i Jehovah ho an’ny zanakavavin’i Zelofada: ‘Afaka manambady an’izay tiany izy ireo, nefa tokony ho ao amin’ny fianakavian’ny fokon’ny rainy ihany. 7  Tsy misy lova tokony hafindrafindra foko eo amin’ny Israelita, fa samy tokony hitazona ny lovan’ny fokon’ny razambeny izy ireo. 8  Izay anisan’ny taranaky ny fokon’ny rainy ihany no tokony ho vadin’ny zanakavavy rehetra manana lova eo amin’ny fokon’ny Israely.+ Amin’izay dia samy hitazona ny lovan’ny razambeny ny Israelita. 9  Tsy misy lova tokony hafindrafindra foko eo amin’ny Israelita, fa samy tokony hitazona ny lovany avy ny fokon’ny Israely.’” 10  Dia nanao an’izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy ny zanakavavin’i Zelofada.+ 11  Nanambady an’ireo zanaky ny rahalahin-drainy àry i Mahala sy Tirza sy Hogla sy Milka ary Noa, zanakavavin’i Zelofada.+ 12  Lasa vadin’ny lehilahy tao amin’ny fianakavian’ny taranak’i Manase, zanak’i Josefa, izy ireo. Amin’izay dia hijanona ao amin’ny fokon’ny fianakavian’ny rainy ihany ny lovan’izy ireo. 13  Ireo no didy sy didim-pitsarana nomen’i Jehovah ny Israelita tamin’ny alalan’i Mosesy, teo amin’ny lemaka karakaina any Moaba, teo akaikin’ny Reniranon’i Jordana, tandrifin’i Jeriko.+

Fanamarihana

Abt: “fianakaviamben’ireo fianakavian’ny.”