Salamo 115:1-18
115 Aza izahay, Jehovah ô, aza izahay*Fa ny anaranao no omena voninahitra+Satria be fitiavana sy tsy mivadika ianao ary mendri-pitokisana.+
2 Nahoana ireo firenena no dia hilaza hoe:
“Aiza izay mba Andriamanitr’ireo?”+
3 Any an-danitra ny Andriamanitray,Ary ataony izay rehetra tiany.
4 Volafotsy sy volamena ny sampin’izy ireo,Sady asa tanan’olombelona.+
5 Manam-bava ireny sampy ireny, fa tsy miteny;+Mana-maso, fa tsy mahita;
6 Manan-tsofina, fa tsy maheno;Manana orona, fa tsy mandre fofona;
7 Manan-tanana, fa tsy mahatsapa;Manan-tongotra, fa tsy mandeha;+Ary tsy mahavoaka feo ny tendany.+
8 Ho lasa hoatr’ireny ny olona manao azy,+Sy izay rehetra matoky azy.+
9 Matokia an’i Jehovah,+ ry Israely ô!—Izy no mpanampy sy ampingan’izy ireo.+
10 Matokia an’i Jehovah, ry taranak’i Arona+ ô!—Izy no mpanampy sy ampingan’izy ireo.
11 Ianareo izay matahotra an’i Jehovah, matokia an’i Jehovah.+—Izy no mpanampy sy ampingan’izy ireo.+
12 Mahatsiaro antsika i Jehovah, ka hitahy antsika;Hotahiny ny taranak’Israely;+Hotahiny ny taranak’i Arona.
13 Hotahiny izay rehetra matahotra an’i Jehovah,Na ny kely na ny lehibe.
14 Hataon’i Jehovah mitombo isa ianareo,Dia ianareo sy ny zanakareo.*+
15 Hitahy anareo anie i Jehovah,+Ilay Mpanao ny lanitra sy ny tany.+
16 Ny lanitra dia an’i Jehovah,+Fa ny tany kosa nomeny ho an’ny zanak’olombelona.+
17 Tsy midera an’i Jah ny maty,+Dia izay midina any amin’ny fahafatesana.*+
18 Fa isika kosa hidera an’i JahManomboka izao ka ho mandrakizay.
Derao i Jah!*
Fanamarihana
^ Na: “Tsy mendrika hahazo na inona na inona izahay, Jehovah ô, tsy mendrika hahazo na inona na inona.”
^ Abt: “zanakalahinareo.”
^ Abt: “any amin’ny fahanginana.”
^ Na: “Haleloia!” “Jah” no fanafohezana an’ilay anarana hoe Jehovah.