Salamo 129:1-8

  • Nisy namely fa tsy resy

    • Menatra ireo mankahala an’i Ziona (5)

Hira Fiakarana. 129  “Namely ahy foana izy ireo hatramin’izaho mbola tanora!”+ —Aoka ny Israely hilaza hoe—  2  “Namely ahy foana izy ireo hatramin’izaho mbola tanora;+Tsy naharesy ahy anefa izy ireo.+  3  Nataon’ny mpiasa tany toy ny tany asaina ny lamosiko;+Nataony lava be ny vava asany.”  4  Manao ny rariny anefa i Jehovah;+Tapatapahiny ny tadin’ny ratsy fanahy.+  5  Ho menatra ary hiverin-dalana ka ho afa-barakaIzay rehetra mankahala an’i Ziona.+  6  Ho toy ny ahitra eny amin’ny tafo izy ireo,Izay malazo nefa mbola tsy nongotana akory.  7  Tsy mahafeno ny tanan’ny mpijinja ireny,Na ny sandrin’ny mpanangona amboara.  8  Tsy hilaza ny mpandalo hoe: “Hotahin’i Jehovah anie ianareo!Mitso-drano anareo amin’ny anaran’i Jehovah izahay.”

Fanamarihana