Salamo 149:1-9

  • Hira hiderana ny fandresen’Andriamanitra

    • Mahafinaritra an’i Jehovah ny vahoakany (4)

    • Mahazo voninahitra izay tsy mivadika amin’i Jehovah (9)

149  Derao i Jah!* Mihirà hira vaovao+ ho an’i Jehovah;Derao eo anivon’ny fiangonan’ny olona tsy mivadika izy.+  2  Aoka ny Israely hifaly amin’Ilay Be Voninahitra Mpanao azy;+Aoka ny zanakalahin’i Ziona hiravoravo amin’ilay Mpanjakan’izy ireo.  3  Aoka izy ireo hidera ny anarany amin’ny dihy,+Sy hihira fiderana* ho azy, sady hively ampongatapaka no hitendry harpa.+  4  Fa mahafinaritra an’i Jehovah ny vahoakany.+ Ravahany famonjena+ ny mpandefitra.  5  Aoka ireo olona tsy mivadika hifaly noho ny voninahitra azony;Aoka izy ireo hihoby eo am-pandrianany.+  6  Aoka ho eo am-bavany ny hira fiderana an’Andriamanitra,Ary aoka hisy sabatra roa lela eny an-tanany,  7  Mba hamaliana an’ireo firenenaSy hanasaziana ny vahoaka,  8  Mba hamatorana ny mpanjakan’ireny amin’ny rojo,Sy ny olona ambony eo aminy amin’ny gadra vy,  9  Ary mba hampiharana amin’izy ireo ny didim-pitsarana voasoratra.+ Izay rehetra tsy mivadika amin’Andriamanitra no mahazo an’izany voninahitra izany. Derao i Jah!*

Fanamarihana

Na: “Haleloia!” “Jah” no fanafohezana an’ilay anarana hoe Jehovah.
Na: “hitendry mozika.”
Na: “Haleloia!” “Jah” no fanafohezana an’ilay anarana hoe Jehovah.