Salamo 53:1-6

  • Hoatran’ny ahoana ny adala

    • “Tsy misy izany Jehovah izany” (1)

    • “Tsy misy manao ny tsara” (3)

Ho an’ny mpitarika; atao Mahalata.* Maskila* nataon’i Davida. 53  Ny adala* miteny anakampo hoe: “Tsy misy izany Jehovah izany.”+ Tena ratsy sy maharikoriko ny tsy rariny ataony;Tsy misy manao ny tsara izy ireo.+  2  Andriamanitra anefa mitazana ny zanak’olombelona avy any an-danitra,+Mba hahitana raha misy olona lalin-tsaina ka mitady an’i Jehovah.+  3  Nivily nankany amin’ny lalan-diso izy rehetra;Ratsy toetra daholo izy ireo. Tsy misy manao ny tsara,Na iray aza.+  4  Tsy mba misy tonga saina ve ny mpanao ratsy? Arapany ny vahoakako, ka hohaniny hoatran’ireny mihinan-kanina ireny. Tsy mba miantso an’i Jehovah izy ireo.+  5  Hatahotra be anefa izy ireo,Dia tahotra izay mbola tsy tsapany hatramin’izay.*Fa haparitak’Andriamanitra ny taolan’izay manafika anareo.* Hataonareo afa-baraka izy ireo satria efa nolavin’i Jehovah.  6  Enga anie ka ho avy ao Ziona+ ny famonjena ny Israely! Rehefa ampodin’i Jehovah ny vahoakany lasa babo,Dia hifaly i Jakoba, ary hiravoravo i Israely.

Fanamarihana

Jereo F.T.
Jereo F.T.
Na: “tsy ampy saina.”
Na mety hoe “hatahotra izy ireo nefa tsy misy zavatra mampahatahotra akory.”
Abt: “mitoby mba hanafika anareo.”