Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Fampidiran-dra — Tsy Mampidi-doza Ve?

Ny Fampidiran-dra — Tsy Mampidi-doza Ve?

Ny Fampidiran-dra — Tsy Mampidi-doza Ve?

Alohan’ny hanekena izay fomba fitsaboana lehibe rehetra, ny olona misaina iray dia hamotopototra izay mety ho soa sy loza avy amin’izany. Ahoana ny amin’ny fampidiran-dra? Fitaovana lehibe indrindra ampiasaina amin’ny fitsaboana izy ireny ankehitriny. Mpitsabo maro izay miahy amim-pahatsorana ireo marariny no tsy misalasala kely akory amin’ny fanomezana azy ireny ra. Izany dia nantsoina hoe fanomezana aina.

Olona an-tapitrisany maro no nanome ra na nandray izany. Nandritra ny taona 1986-1987, dia nisy mpanome ra 1,3 tapitrisa tany Kanada tamin’ny mponina miisa ho 25 tapitrisa. “[Tamin’ny] taona vao haingana kokoa nahazoana tarehimarika, dia fatrana ra eo anelanelan’ny 12 sy 14 tapitrisa eo no nampiasaina tamin’ny fampidiran-dra tany Etazonia fotsiny”. — The New York Times, 18 Febroary 1990.

“Noheverina ho manana toetra ‘majika’ foana ny ra”, hoy ny fanamarihana nataon’ny Dr. Louise J. Keating. “Nandritra ny 46 taona voalohany nampiasana azy, ny tahirin-dra dia noheverin’ny mpitsabo sy ny besinimaro ho tsy mampidi-doza kokoa noho ny tena izy marina”. (Cleveland Clinic Journal of Medicine, May 1989) Nanao ahoana ny tarehin-javatra tamin’izany ary manao ahoana izy io ankehitriny?

Na dia efa tamin’ny 30 taona lasa aza, dia nahazo fampitandremana ireo manam-pahaizana momba ny toetran’ny aretina (pathologiste) sy ny mpiasan’ny foibe fanomezan-dra hoe: “Dinamita ny ra! Mety hitondra soa na fahavoazana be dia be izy io. Ny fahafatesana vokatry ny fampidiran-dra dia mitovy amin’izay entin’ny fanoranana (anestezia) amin’ny etera na ny fandidiana ny kambontsinay (appendicectomie). Lazaina fa fahafatesana iray eo ho eo no mitranga amin’ny fampidiran-dra 1 000 ka hatramin’ny 3 000, na angamba 5 000. Ao amin’ny faritr’i Londres, dia voalaza fa fahafatesana iray no mitranga isaky ny tavoahangin-dra 13 000 nampidirina”. — New York State Journal of Medicine, 15 Janoary, 1960.

Moa ve voaesotra ny loza hatramin’izay, ka azo antoka izao ny fampidiran-dra? Raha tsorina, isan-taona dia olona ana hetsiny maro no tsy mahazaka ny ra ampidirina aminy, ary maro aminy no maty noho izany. Araka ny fanazavana tetsy aloha, izay mety ho tonga ao an-tsainao angamba dia ireo aretina entin’ny ra. Alohan’ny handinihana an’io endriny io, dia aoka hodinihintsika ireo loza sasany izay tsy dia fantatra loatra.

NY RA SY NY HERY FANEFITRA (IMMUNITÉ)

Teo am-piandohan’ny taonjato faha-20, ireo mpahay siansa dia nandalina ny fahalalan’ny olona ny maha-be kojakojany mahatalanjona ny ra. Hitany fa misy karazan-dra samy hafa. Ny fampifanarahana ny ran’ilay mpanome amin’ny an’ilay marary dia iankinan’ny aina amin’ny fampidiran-dra. Raha toa ny olona iray manana ra karazany A ka mandray ra karazany B, dia mety hisy vokany ratsy eo amin’ny liomenany (réaction hémolytique) izany. Mety hamono be dia be amin’ny liomenany izany ka hahafaty azy haingana. Na dia lasa mahazatra aza ankehitriny ny fomba fanasokajiana ny ra sy ny fampitoviana ny ra, dia mitranga ihany ny fahadisoana. Isan-taona dia misy olona maty noho ny vokany ratsy eo amin’ny liomena (globules rouges).

Mampiseho ny zava-misy fa ny raharaha ny amin’ny tsy fifanarahan’ny ra dia lasa lavitra kokoa noho ireo karazan-dra vitsivitsy ihany, izay tadiavin’ireo hôpitaly hampiarahina. Nahoana? Tao amin’ny lahatsoratra hoe “Fampidiran-dra: Fampiasana, fampiasana tafahoatra, ary voina mety hitranga” (anglisy), ny Dr. Douglas H. Posey Jr. dia nanoratra hoe: “Efa ho 30 taona izao, i Sampson dia nilazalaza ny fampidiran-dra ho toy ny fitsaboana mety hampidi-doza (. . .) [Hatreo] dia sotana (antigènes) liomena 400 fanampiny fara fahakeliny, no fantatra ary voavaka. Tsy isalasalana fa mbola hitombo isa izany, satria be kojakojany aoka izany ny fonon’ny liomena”. —Journal of the National Medical Association, Jolay 1989.

Ankehitriny ireo mpahay siansa dia mandinika ny vokatry ny ra ampidirina, eo amin’ny rafi-kery fanefitra (système immunitaire) na ny fiarovan-tenan’ny vatana. Mety hidika ho inona ho anao na ho an’ny mpianakavinao izay mila fandidiana moa izany?

Rehefa manao famindrana fo, aty na taova hafa ny dokotera, ny rafi-kery fanefitr’ilay mpandray dia mety hahatsapa ilay tambatsela (tissu) hafa, ka handà azy io. Kanefa, dia famindrana tambatsela ny fampidiran-dra. Na dia ny ra efa nampifanarahina “tamin’ny fomba nety” aza, dia mety hanafoana ny asan’ny rafi-kery fanefitra. Tamin’ny kaonferansa nataon’ireo manam-pahaizana momba ny toetran’ny aretina, dia natao ny fanamarihana fa lahatsoratra ara-pitsaboana an-jatony maro “no nampifamatotra ny fampidiran-dra tamin’ny voka-dratsy teo amin’ny hery fanefitra”. — “Mitombo ny fisehoan-javatra manohitra ny fampidiran-dra”, Medical Word News, 11 Desambra 1989.

Ny asan’ny rafi-kery fanefitra lehibe indrindra dia ny famantarana sy ny famonoana ireo sela mitondra fahafatesana (homamiadana). Moa ve ny fisakanana ny asan’ny hery fanefitry ny vatana mety hitondra homamiadana sy hitarika ho amin’ny fahafatesana? Mariho ireto filazana roa ireto.

Ilay revio hoe Homamiadana (anglisy) tamin’ny 15 Febroary 1987, dia nanome ny vokatry ny fandinihana natao tany Pays-Bas: “Tamin’ny marary voan’ny homamiadana amin’ny tsinaibe, dia nisy vokany ratsy lehibe teo amin’ny fahavelomany ny fampidiran-dra. Tamin’io antokon’olona io, dia naharitra 5 taona fanampiny ny fahavelomana ankapobe, tamin’ny 48% tamin’ireo marary nampidiran-dra ary 74% tamin’ireo marary tsy nampidiran-dra”. Ireo mpitsabo ao amin’ny oniversiten’i Kalifornia Atsimo dia nanara-maso marary zato izay nodidiana noho ny homamiadana. “Ny habetsaky ny fiverimberenan’ny homamiadan’ny lohatraoka (larynx) rehetra, dia 14% tamin’ireo tsy nandray ra ary 65% tamin’ireo nanao izany. Amin’ny homamiadan’ny ativava, ny faratenda (pharynx), ary ny orona sy ny atiorona (sinus), ny fiverimberenan’ny aretina dia 31% tamin’ireo tsy nampidiran-dra ary 71% tamin’ireo nampidirana izany”. — Annals of Otology, Rhinology & Laryngology, Martsa 1989.

Milaza inona momba ny fampidiran-dra moa ny fandinihana toy ireny? Tao amin’ny lahatsoratra nosoratany mitondra ny lohateny hoe “Fampidiran-dra sy fandidiana homamiadana”, ny Dr. John S. Spratt dia nanao izao fanatsoahan-kevitra izao: “Angamba ilain’ny mpandidy homamiadana ny ho tonga mpandidy izay tsy mampiasa ra”. — The American Journal of Surgery, Septambra 1986.

Ny asa lehibe hafan’ny rafi-kery fanefitra ao aminao dia ny fiarovana amin’ny aretina. Noho izany, dia mora azo ny nampisehoan’ny fandinihana sasany, fa ireo marary nandray ra dia mora azon’ny aretina kokoa. Nisy fandinihana nataon’ny Dr. P. I. Tartter ny amin’ny fandidiana ny lohan’ny tsinaibe. Tamin’ireo marary nampidirana ra, dia 25% no nahazo aretina, raha 4 isan-jato no azon’izany tamin’ireo tsy nampidirana ra. Hoy ny tatitra nataony: “Ny fihomboan’ny aretina dia nampifandraisina tamin’ny fampidiran-dra nomena taloha, nandritra, na taorian’ny fandidiana (. . .) Ny mety ho nahazoana aretina taorian’ny fandidiana dia nihanitombo arakaraka ny isan’ny fatrana ra nomena”. ((The British Journal of Surgery, Aogositra 1988) Izao no nianaran’ireo olona nanatrika ny fivoriana iray nataon’ny Fikambanan’ireo foibe fanomezan-dra amerikana tamin’ny 1989: Raha 23 isan-jaton’ireo izay nampidirana ra nandritra ny fandidiana mba hanomezana azy solo-maoja (prothèse de hanche) no nahazo aretina, ireo izay tsy nomena ra dia tsy nahazo aretina mihitsy.

Nanoratra toy izao momba io vokatry ny fampidiran-dra io ny Dr. John A. Collins: “Hahatsikaiky tokoa raha ny ‘fitsaboana’ iray izay tsy ananana porofo firy fa mahasoa no hita avy eo fa hanamafy ny iray amin’ireo zava-manahirana lehibe indrindra natrehin’ireny marary ireny”. — World Journal of Surgery, Febroary 1987

TSY MITONDRA ARETINA SA MAMPIDI-DOZA?

Mampanahy ireo mpitsabo manao tsara ny asany sy ny marary maro ny aretina entin’ny ra. Aretina inona moa izany? Raha ny marina, dia tsy azo ferana ho iray monja izany; misy maro tokoa izy ireny.

Rehefa avy nandinika ireo aretina fantatra tsara kokoa ny Techniques of Blood Transfusion (1982), dia niresaka ny amin’ireo “aretina hafa mifandray amin’ny fampidiran-dra”, toy ny tety (syphilis), ny aretina azo amin’ny “cytomégalovirus”, sy ny tazo. Hoy ny nambarany avy eo: “Aretina hafa maromaro no voalaza fa mifindra amin’ny alalan’ny fampidiran-dra, ao anatin’izany ny aretina entin’ny viriosin’ny herpès, ny areti-mifindra mônôniokleôsy [viriosin’i Epstein-Barr], ny toksôplasimôzy, ny tripanôzômiazy [aretin-torimaso atsy Afrika ary ny aretin’i Chagas], ny leisimaniôzy, ny brioseliôzy [fanaviana tsy mitsaha-miovaova], ny typhus, ny filariôzy, ny kitrotro, ny aretina entin’ny otrikaretina “salmonelles” ary fanaviana entin’ny kongona avy any Colorado”.

Raha ny marina, dia tsy mitsaha-mitombo ny lisitr’ireny aretina ireny. Mety ho efa namaky lohateny lehibe toy izao ve ianao: “Aretin’i Lyme azo taorian’ny fampidiran-dra? Tsy azo inoana loatra, nefa velom-panahiana ireo manam-pahaizana”. Hatraiza no tsy mampidi-doza ny ra avy amin’olona iray voaporofo fa manana an’io otrikaretina io ao amin’ny rany? Ny antokon’olona tompon’andraikitra amin’ny fahasalamana dia nanontaniana raha toa ka hanaiky handray ra toy izany izy ireo. “Izy rehetra dia namaly hoe ‘tsia’, na dia tsy nisy taminy aza nanoro hevitra ny amin’ny hanariana ny ran’ireny karazana mpanome ireny”. Ahoana no tokony ho fihevitry ny sarambaben’olona ny amin’ny tahirin-dra izay tsy eken’ny manam-pahaizana akory ny handray azy? — The New York Times, 18 Jolay 1989.

Ny antony faharoa tokony hampiahiahy dia ny hoe, ny ra angonina ao amin’ny tany iray ihanahan’ny aretina sasany dia mety hampiasaina lavitra avy ao, hany ka na ny besinimaro na ny mpitsabo any dia samy tsy voaomana amin’ny loza. Amin’izao andro itomboan’ny fivezivezena izao, ao anatin’izany ny fifindran’ireo mpitsoa-ponenana sy ny mpiavy, dia mitombo ny mety hisian’ny aretina tsy mahazatra ao amin’ny zavatra avy amin’ny ra.

Ankoatra izany, dia nampitandrina toy izao ny manam-pahaizana iray momba ny areti-mifindra: “Tokony hosivanina ny tahirin-dra mba hiarovana amin’ny fifindran’ny aretina izay tsy noheverina ho mifindra tany aloha, ka ao anatin’ireny ny leucémie (homamiadan’ny ra), ny “lymphome malin” ary ny hadalana (na aretin’i Alzheimer)”. — Transfusion Medicine Reviews, Janoary 1989.

Na dia mampihoron-koditra toy inona aza ireny loza ireny, dia miteraka tahotra mbola lehibe kokoa ny hafa.

NY FIHANAHAN’NY SIDA

“NY SIDA dia nanova mandrakizay ny fomba fijerin’ny dokotera sy ny marary momba ny ra. Ary tsy ratsy izany hevitra izany, hoy ny nambaran’ireo dokotera tafavory tao amin’ny Fikambanana amerikana momba ny fahasalamana tamin’ny kaonferansa iray momba ny fampidiran-dra”. — Washington Post, 5 Jolay 1988.

Ny fihanahan’ny SIDA (syndrome d’immunodéficience acquis) dia nanaitra tamin-kery ny olona tamin’ny loza, dia ny hahazoana areti-mifindra avy amin’ny ra. Olona an-tapitrisany maro ankehitriny no voa. Mihanaka tsy azo sakanana izy io. Ary saiky 100 isan-jato ny habetsaky ny olona matiny.

Ny mahatonga ny SIDA dia ny viriosin’ny tsy fahampian’ny hery fanefitry ny olombelona (VIH), izay mety haelin’ny ra. Tamin’ny 1981 no nahafantarana ny loza môderina ny amin’ny SIDA. Ny taona nanaraka ihany, dia efa fantatr’ireo manam-pahaizana momba ny fahasalamana fa azo inoana ho mety hifindra amin’ny alalan’ny zavatra avy amin’ny ra ilay viriosy. Ankehitriny, dia ekena fa ela vao nanao zavatra ny indostrian’ny ra, na dia efa azo nampiasaina aza ny fanaovana fitsapana mba hamantarana ny fisian’ny mpisetra (anti-corps) HIV ao amin’ny ra. Tamin’ny 1985, tamin’ny farany, vao natomboka ny fanaovana fitsapana ny ran’ny mpanome *, nefa na dia tamin’izay aza dia tsy nampiharina tamin’ireo zavatra vita amin’ny ra efa voatahiry izany.

Taorian’izany, dia nomena toky ny sarambabem-bahoaka hoe: ‘Azo antoka izao ny tahirin-dra’. Kanefa, nambara tatỳ aoriana fa manana “fe-potoana fikotrehana” mampidi-doza ny SIDA. Rehefa voa ny olona iray, dia mety handalo ny volana maromaro vao mamokatra mpisetra mety ho hita izy. Noho izy tsy mahalala fa mampiantrano ilay viriosy ny tenany, dia mety hanome ra, izay ho nanaovana tsikera nefa tsy nahitana na inona na inona izy. Efa nitranga izany. Nisy olona voan’ny SIDA taorian’ny nandraisany ra toy izany!

Mbola nihanampahatahotra kokoa ny tarehin-javatra. The New England Journal of Medecine (1 Jona 1989) dia niresaka ny amin’ny “aretina misoko mangina entin’ny VIH”. Voamarina fa mety hitondra ny viriosin’ny SIDA ny olona aman-taonany maro, nefa tsy ho hita amin’ny alalan’ny fanaovana fitsapana tsy mivantana fanao ankehitriny izany. Ho tian’ny sasany ny hanamaivana ireny ho toy ny fisehoan-javatra mitranga mahalana, nefa porofoiny kosa “fa ny loza ny amin’ny mety hifindran’ny SIDA amin’ny alalan’ny ra sy ny taharony (composants) dia tsy azo foanana tanteraka”. (Patient Care, 30 Novambra 1989) Ny fanatsoahan-kevitra mampanahy dia ny hoe: Ny fanaovana fitsapana miiba (test négatif) dia tsy azo vakina ho toy ny filazam-pahasalamana tsara. Firy anefa no mbola ho voan’ny SIDA amin’ny alalan’ny ra?

TSY IZAY IHANY VE? LOZA HAFA INONA NO MBOLA MIANDRY?

Tsy hita ao anatin’ny indray andro daholo ny vokatry ny raharaha dinihina iray; amin’ny raharaha sarotra ny amin’ny ra, dia tsy misy mahafantatra hoe loza mahafaty firy no mbola mety haterany.

Ny viriosin’ny SIDA dia nantsoina hoe VIH, nefa nomen’ny manam-pahaizana sasany ny anarana hoe VIH-1 izy io ankehitriny. Nahoana? Satria nahita viriosin’ny SIDA karazany hafa (VIH-2) izy ireo. Mety hiteraka soritraretina SIDA izy io ary mihanaka aoka izany any amin’ny faritra sasany. Ambonin’izany, izy io dia “tsy hitan’ireo fanaovana fitsapana ny SIDA fampiasa atỳ foana”, hoy ny filazan’ny The New York Times (27 Jona 1989) “Ireo zavatra hita vao haingana (...) dia vao mainka manasarotra ny fahazoan’ireo foibe fanomezan-dra antoka, fa tsy mampiahiahy ny fanomezan-dra”.

Fa ahoana ny amin’ireo havana lavitry ny viriosin’ny SIDA? Ny vaomiera iray notendren’ny prezidà (Etazonia) dia nanambara fa ny iray amin’ireny viriosy ireny “dia heverina ho mahatonga ny “leucémie” sy ny “lymphome malin” eo amin’ny lymphocytes-T ary aretina mafy eo amin’ny rafi-pitatitra (maladie neurologique)”. Efa ao amin’ireo mponina mpanome ra io viriosy io ary mety haelin’ny ra. Manana zo hanontany tena tokoa ny olona raha toa ka mandaitra ny fanasivanana ataon’ireo foibe fanomezan-dra ny amin’ireny viriosy hafa ireny?

Raha ny marina, dia ny ampitso no hilaza hoe viriosy firy entin’ny ra no mamitsaka ao amin’ireo tahirin-dra. Nanoratra ny Dr. Harold T. Meryman fa “mety hampanahy kokoa noho ireo fantatra ireo mbola tsy fantatra. Ho sarotra ny hampifandray ny fampidiran-dra amin’ireo viriosy mifindra, izay aman-taonany maro ny fikotrehany ary mbola ho sarotra kokoa ny fahitana azy ireo. Azo antoka fa ny antokon’ny HTLV no voalohany fotsiny amin’izy ireny, izay miseho etỳ ivelany”. (Transfusion Medecine Reviews, Jolay 1989) “Toy ny hoe tsy ampy ny fahoriana entin’ny fifindran’ny SIDA, (...) ka loza maro hafa mety hitranga naroso na voalazalaza fa entin’ny fampidiran-dra, no nanintonana ny saina nandritra ireo taona 1980. Tsy ilaina ny fahaizana maka sary an-tsaina lehibe vao ho afaka haminany ny amin’ny fisian’ny aretina lehibe entin’ny viriosy sy ny fifindrany amin’ny alalan’ny fampidiran-dra mifanentana”. — Limiting Homologous Exposure: ALternative Strategies, 1989.

Maro aoka izany ny loza efa namely tampoka, koa nanoro hevitra ny Foibe amerikana mpanara-maso ny aretina mba hanaovana “fitandremana tsy misy fanavahana”. Izany hoe ‘tokony hoheverin’ireo mpiasa mikarakara ny fitsaboana ho toy ny mety hamindra ny VIH sy mpitondra aretina hafa avy amin’ny ra daholo ny marary’. Misy antony tsara, raha eo am-piheverana indray ny fomba fijeriny momba ny ra ireo mpiasa mikarakara ny fitsaboana sy ny sarambaben’olona .

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 27 Tsy afaka milaza isika fa nanaovana fitsapana ny ra rehetra hatramin’izao. Ohatra, voalaza fa teo am-piandohan’ny 1989, dia 80 isan-jato teo ho eo tamin’ireo foibe fanomezan-dra tany Brezila no tsy teo ambany fanaraha-mason’ny fitondram-panjakana, na nanaovana fitsapana raha nisy SIDA.

[Efajoro, pejy 8]

“Na dia noraisina aza ireo fepetra fitandremana maromaro (...) dia nitranga ny voka-dratsy teo amin’ny 7% tamin’ny marary nampidirana ra na zavatra avy amin’ny ra, nandritra na koa taorian’ny fampidiran-dra”. — Nederlands Tijdschrift voor Geneeskunde (Revio momba ny fitsaboana any Pays-Bas), tamin’ny 3 Novambra 1984.

[Efajoro, pejy 9]

Ilay mpahay siansa danoa atao hoe Niels Jerne dia anisan’ireo nahazo ny loka Nobel mikasika ny fitsaboana tamin’ny 1984. Rehefa nanontaniana ny amin’ny antony nandavany fampidiran-dra izy, dia nanambara hoe: “Ny ran’olona iray dia toy ny peta-tondrony — tsy misy mihitsy karazana ra roa mitovy tanteraka”.

[Efajoro, pejy 10]

NY RA, NY ATY POTIKA TANTERAKA, ARY . . .

“Hafahafa fa ny SIDA entin’ny ra (...) dia mbola tsy fandrahonana lehibe noho ny aretina hafa — ‘hépatite’ (aretina mafy mahazo ny aty) ”, hoy ny fanazavana nataon’ny Washington Post.

Eny, olona maro be no narary mafy ka maty noho io karazana aretina io, izay mbola tsy nahitana fitsaboana voafaritra tsara. Araka ny U.S.News & World Report (1 May 1989), dia sahabo ho 5 isan-jato tamin’ireo nomena ra tany Etazonia no voan’ny “hépatite” — izany hoe olona 175 000 isan-taona. Antsasak’izy ireo eo ho eo no manjary taizan’ilay aretina, ary fara fahakeliny 1 amin’ny 5 no voan’ny “cirrhose” na ny homamiadana mahazo ny aty. Tombanana ho 4 000 ny maty noho izy io. Eritrereto ange ny lohateny lehibe hovakinao amin’ny gazety raha toa ka mianjera ny fiaramanidina lehibe iray mpitatitra olona, ka maty avokoa ny mpandeha rehetra ao. Mitovy amin’ny fiaramanidina lehibe feno iray mianjera isam-bolana anefa ny olona 4 000 maty!

Fantatr’ireo mpitsabo hatramin’ny ela fa ny “hépatite” malefaka iray (karazany A) dia niely tamin’ny alalan’ny sakafo na ny rano maloto. Nahita endriny mafimafy kokoa aelin’ny ra izy ireo taorian’izany, kanefa tsy nanana fomba fitsapana ny ra tamin’izy io izy ireo. Hitan’ny mpahay siansa kinga ny fomba fitsirihana ireo “soritra” avelan’io viriosy (karazany B) io tamin’ny farany. Tany am-piandohan’ireo taona nanomboka tamin’ny 1970, dia nanaovana fitsapana ny ra tany amin’ny tany sasany. Toa hita fa azo antoka ny tahirin-dra ary toa namirapiratra erỳ ny hoavin’ny ra! Izany tokoa ve anefa no izy?

Tsy ela dia nazava fa olona an’arivony maro nomena ra nanaovana fitsapana no voan’ny “hépatite” ihany. Maro taminy, rehefa osa noho ny aretina, no nampahafantarina fa potika tanteraka ny atiny. Kanefa, nahoana izany no nitranga raha natao tsikera ny ra nampidirina taminy? Nisy endrika “hépatite” hafa nantsoina hoe “hépatite” non A-non B (NANB) tao amin’ilay ra. Nandritra ny folo taona dia namely ny fampidiran-dra izy io — teo anelanelan’ny 8 sy 17 isan-jaton’ireo nampidirana ra tany Isiraely, Italia, Japana, Espaina, Soeda ary Etazonia no voany.

Taorian’izany, dia novakina ny lohateny an-gazety toy ny hoe “Voatokana ihany rehefa ela ny ela ilay viriosy miafin’ny “hépatite” non A-non B (NANB)”; “Fandresena ny aretina iray tao amin’ny ra”. Ny hevitr’izany indray dia hoe ‘Tratra ilay fototr’aretina tsy mora azo’! Nampahafantarina ny besinimaro tamin’ny Aprily 1989, fa misy ny fanaovana fitsapana ho an’ny NANB, izay antsoina hoe “hépatite” C ankehitriny.

Mety hanontany tena ianao raha lasa aloha loatra izany fahatsapana fanamaivanana izany. Raha ny marina, dia niresaka ny amin’ny viriosy iray hafan’ny “hépatite” vao niova ireo mpikaroka italiana, ka toa tompon’andraikitra amin’ny ampahatelon’ny “hépatites” izy io. Nanao izao fanamarihana izao ny Harvard Medical School Health Letter (Novambra 1989): “Ny manam-pahefana sasany dia manahy fa tsy A, B, C, ary D fotsiny ny abidy manontolon’ny viriosin’ny “hépatite”; mbola mety hisy hafa hipoitra”. Nanambara ny The New York Times (13 Febroary 1990) hoe: “Ahiahin’ny manam-pahaizana mafy ny fisian’ny viriosy hafa mitondra “hépatite”; raha hita izy ireny, dia hantsoina hoe “hépatite” E ary toy izany hatrany”.

Moa ve ireo foibe fanomezan-dra voatery hikaroka fanaovana fitsapana maromaro kokoa mba hahatonga ny ra ho azo antoka? Raha nilaza ny zava-manahirana momba ny ho vidin’izany ny talen’ny Vokovoko Mena amerikana, dia nanao izao fanazavana mampanahy izao: “Tsy afaka ny hampitombo foana ny fanaovana fitsapana tsotra izao izahay ho an’ny mpamindra aretina tsirairay izay miely”. — Medical World News, 8 May 1989.

Mety ho diso na dia ny fanaovana fitsapana ny “hépatite” B aza; olona maro no mbola voan’izy io amin’ny alalan’ny ra. Ankoatra izany, moa ve afa-po amin’ny fanaovana fitsapana momba ny “hépatite” C ny olona? Nasehon’ny Journal of the American Medical Association (5 Janoary 1990) fa mety ho lasa ny herintaona alohan’ny hahitana mpisetra amin’ilay aretina amin’ny alalan’ny fanaovana fitsapana. Ao anatin’izany fotoana izany, dia mety ho simba ny atin’ireo olona nampidirana ra ka hahafaty azy.

[Efajoro/Sary, pejy 11]

Ny aretin’i Chagas dia mampiseho hoe amin’ny fomba ahoana no itondran’ny ra aretina amin’ny mponina mipetraka lavitra. Ny “Medical Post” (16 Janoary 1990) dia nilaza fa ‘nanjary aretina mitaiza olona 10 ka hatramin’ny 12 tapitrisa any Amerika latina izy io’. Izany dia nanjary nantsoina hoe “ny iray amin’ireo loza lehibe indrindra mety hitranga vokatry ny fampidiran-dra any Amerika atsimo”. Ilay “bibikely mpamono” dia manaikitra ilay olona matory azony eo amin’ny tarehy, mitsentsitra ny rany, ary mamela ny malotony ao amin’ilay ratra. Mety hitondra ilay aretin’i Chagas mandritra ny taona maro ilay olona voa (ao anatin’izany fotoana izany dia mety hanome ny rany izy) alohan’ny fihomboan’ny aretina mahatonga aretim-po mahafaty.

Nahoana izany no tokony hampanahy ny olona monina any amin’ny kôntinanta lavitra? Nanao tatitra momba ny marary voan’ny aretin’i Chagas taorian’ny nandraisany ra tao amin’ny “New York Times” (23 May 1989), ny Dr. L. Altman, ka ny iray taminy dia maty. Nanoratra i Altman hoe: “Mety ho nisy ny fisehoan-javatra hafa tahaka izany tsy hita noho [ny dokotera atỳ] tsy mifankazatra amin’ny aretin’i Chagas, na noho ny tsy fahatsapana fa afaka miely amin’ny alalan’ny fampidiran-dra izy io”. Eny, ny ra dia mety ho tonga mpitatitra aretina hatrany lavitra.

[Efajoro, pejy 12]

Ny Dr. Knud Lund-Olesen dia nanoratra hoe: “Koa satria (. . .) ny olona sasany ao anatin’ny antokon’ireo ahiahina indrindra ho mety hitondra loza no manolo-tena hanome ny rany, satria tsy maintsy atao ny fitsapana azy ireny amin’ny SIDA, dia heveriko fa misy antony tokony hisalasalana momba ny fanekena handray fampidiran-dra. Ireo Vavolombelon’i Jehovah dia nanda azy io efa hatramin’ny taona maro. Moa ve izy ireo namotopototra ny hoavy?” — “Ugeskrift for Læger” (Doctors’ Weekly), 26 Septambra 1988.

[Sary, pejy 9]

Taorian’ny nitifirana azy, dia velona ihany ny Papa. Rehefa nivoaka ny hôpitaly izy, dia voatery naiditra tany indray nandritra ny roa volana, satria “nijaly mafy”. Nahoana? Voan’ny aretina nety hahafaty, azo avy tamin’ny “cytomégalovirus” nentin’ny ra nampidirina taminy izy

[Sary nahazoan-dalana]

UPI/Bettmann Newsphotos

[Sary, pejy 12]

Ny viriosin’ny SIDA

[Sary nahazoan-dalana]

CDC, Atlanta, Ga.