Ny Ra: Fanapahan-kevitr’iza ary Fieritreretan’iza?
Fanampiny
Ny Ra: Fanapahan-kevitr’iza ary Fieritreretan’iza?
nosoratan’i J. Lowell Dixon, M.D.
Navoaka noho ny fanomezan-dalana avy amin’ny New York State Journal of Medecine, 1988; 88:463-464, “copyright” an’ny Fikambanana ara-pitsaboana ao amin’ny Fanjakan’i New York.
Nanaiky hanokana ny fahalalany sy ny talentany ary ny fanandraman-javatra hitany ho amin’ny ady atao amin’ny aretina sy ny fahafatesana ireo mpitsabo. Ahoana anefa raha lavin’ny marary iray ny fitsaboana ampirisihana horaisiny? Izany no azo inoana fa hitranga raha Vavolombelon’i Jehovah ilay marary, ka ra manontolo na harihitra liomena, na ranon-dra (plasma), na taharon-dra kitika mampivongan-dra (plaquettes) no itsaboana.
Rehefa tonga eo amin’ny fampiasana ra, dia mety hino ny mpitsabo iray fa ny safidy ataon’ny marary ho an’ny fitsaboana tsy ampiasana ra dia hametra be dia be ny fahafahan’ny mpiasa nanokan-tena ho an’ny fitsaboana manao zavatra. Tsy tokony hohadinoina anefa fa matetika koa ny marary tsy Vavolombelon’i Jehovah no manapa-kevitra ny tsy hanaraka ny tolo-kevitry ny mpitsabo azy. Araka ny voalazan’i Appelbaum sy Roth1, dia 19 % tamin’ireo marary tany amin’ireo hôpitaly fianarana no nanda fitsaboana na fomba fitsaboana iray fara fahakeliny, na dia “nety hahatandindomin-doza ny ainy” aza ny fandavan’ny 15 % tamin’izany.
Ny fiheverana amin’ny ankapobeny fa “ny mpitsabo no mahalala tsara indrindra” no mahatonga ny ankamaroan’ny marary hanaiky ny fahaiza-manao zavatra sy ny fahalalan’ny mpitsabo azy. Nefa mety hampidi-doza amin’ny fomba mamitaka tokoa izany ho an’ny mpitsabo iray, izay manohy manao ny asany toy ny hoe zava-misy ara-tsiansa izany fiheverana izany, ka hitsabo ny marariny mifanaraka amin’izany. Marina fa manome antsika tombontsoa miavaka eo amin’ny faritry ny fitsaboana, ny fiofanana azontsika sy ny fahazoan-dalana hiasa noraisintsika, ary ny fanandraman-javatra hitantsika. Manana zo anefa ny marary tsabointsika. Ary araka ny azo inoana fa fantatsika, dia omen’ny lalàna (na dia ny Lalàm-panorenana aza) lanjany lehibe kokoa ny zo.
Eo amin’ny rindrin’ny ankamaroan’ireo hôpitaly amerikana, dia ahitana ny taratasy mampiseho ny “Zon’ny marary”. Ny iray amin’ireny zo ireny dia ny fanekena atao amim-pahalalana tsara, izay ho marina kokoa angamba ny hiantsoana azy hoe safidy atao amim-pahalalana tsara. Rehefa avy nampahafantarina an’ilay marary ny mety ho vokatr’ireo fitsaboana samy hafa (na ny fandavana izany fitsaboana izany), dia izy no mifidy izay hekeny hatao aminy. Ao amin’ny hôpitaly Albert Einstein, any Bronx (New York), ny votoatin-kevitra amin’ny fomba fanaovan-javatra momba ny fampidiran-dra sy ny Vavolombelon’i Jehovah dia manambara hoe: “Izay marary rehetra ampy taona sy tsy voasakana hampiasa ny fahaizany dia manana zo handa fitsaboana, na inona na inona vokany manimba entin’izany fandavana izany ho an’ny fahasalamany”.2
Raha mety hanambara ny fanahiany momba ny fitsipi-pitondrantena sy ny andraikiny ny mpitsabo, dia nosoritan’ny tribonaly kosa ny maha-ambony ny safidim-pon’ny marary.3 Nambaran’ny fitsarana ambony any New York fa “ny zon’ny marary hamaritra ny fizotran’ny fitsaboana azy [no] tena lehibe (...). Tsy azo heverina ho meloka ho nandika ny andraikiny ara-dalàna na amin’ny lafin’ny asa ny mpitsabo [iray] rehefa hajainy ny zo handa fitsaboana ananan’ny marary ampy taona iray afaka manao zavatra”.4 Nomarihin’io fitsarana io koa fa “na dia zava-dehibe aza ny tsy fivadihana amin’ny fitsipi-pitondrantena mifehy ny asan’ny mpitsabo, dia tsy afaka mihoatra ny zo fototra ananan’ny tsirairay hamafisina eto izany. Ny zavatra ilaina sy ny fanirian’ilay olona no ambony indrindra, fa tsy izay takin’ny fitambaran’olona”.5
Rehefa mandà tsy handray ra ny Vavolombelona iray dia mety hanenjika an’ireo mpitsabo ny fieritreretany rehefa misaintsaina ny tsy fahafahany hanao izay heveriny ho tsara indrindra izy. Ny angatahin’ilay Vavolombelona amin’ireo mpitsabo manao tsara ny asany anefa dia ny hanomezany fitsaboana solony tsara indrindra amin’ilay toe-javatra. Matetika isika no voatery hanova ny fomba fitsaboana ampiasaintsika mba hampifanarahana izany amin’ny toe-javatra, toy ny fiakaran’ny tosi-dra, ny tsy fahazakana antibiôtika tena mafy, na ny tsy fisian’ny fitaovana sasany lafo vidy. Amin’ny marary Vavolombelona, dia angatahina ireo mpitsabo mba hikarakarany ny zava-manahirana ara-pitsaboana na ara-pandidiana mifanaraka amin’ny safidim-po sy ny fieritreretan’ilay marary, ary ny fanapahan-keviny ara-pitondrantena sy ara-pivavahana hifady ra.
Tatitra maro be momba ny fandidiana lehibe natao tamina marary Vavolombelona no mampiseho fa azon’ny mpitsabo maro atao ny manaiky, amim-pieritreretana tsara sy amim-pahombiazana, ny fangatahana tsy hampiasa ra. Tamin’ny 1981, ohatra, i Cooley dia nandinika indray fandidiana amin’ny fo sy ny lalan-dra 1 026, ny 22 % tamin’izany natao tamin’ankizy tsy ampy taona. Tonga tamin’ny fanatsoahan-kevitra izy “fa ny mety hisian’ny loza amin’ny fandidiana tamin’ny antokona marary Vavolombelon’i Jehovah dia tsy tena ambony loatra noho ny tamin’ny marary hafa”.6 I Kambouris7 dia nanao tatitra momba ny fandidiana lehibe natao tamina Vavolombelona, izay ny sasany taminy dia “tsy nanaovana ny fandidiana nilainy maika noho ny nandavany ny handray ra”. Nanambara toy izao izy: “Talohan’ny fandidiana dia nomena antoka ny marary rehetra fa na inona na inona toe-javatra hiseho ao amin’ny efitrano fandidiana dia hohajaina ny zavatra inoany ara-pivavahana. Tsy nisy vokany manimba mihitsy izany fomba fanaovan-javatra izany.”
Asan’ny apostoly 15:28, 29.)8 Noho izany, raha toa ny mpitsabo iray mitady haka ny andraikitra ka manapaka ny hanao tsinontsinona ireo finoana ara-pivavahana lalina sady efa notanan’ilay marary hatry ny ela, dia mety hampahonena ny vokany. Nomarihin’ny papa Joany Paoly II fa ny fanerena olona iray handika ny fieritreretany “no famelezana maharary indrindra ampitondraina ny fahamendrehan’olombelona. Mbola ratsiratsy kokoa noho ny famonoana ara-batana izany amin’ny heviny sasany”.9
Rehefa Vavolombelon’i Jehovah ilay marary, ankoatra ny raharaha ny amin’ny safidy, dia tafiditra koa ny fieritreretana. Tsy ny fieritreretan’ilay mpitsabo ihany no tokony hoheverina amin’izany. Ahoana ny amin’ny fieritreretan’ilay marary? Ny Vavolombelon’i Jehovah dia mihevitra fa fanomezan’Andriamanitra ny aina asehon’ny ra. Inoany ny didin’ny Baiboly milaza fa tsy maintsy ‘mifady (...) ra’ ny kristiana. (Raha noho ny antony ara-pivavahana no andavan’ny Vavolombelon’i Jehovah tsy handray ra, dia mihamaro kokoa ny marary tsy Vavolombelona mifidy ny tsy handray ra noho ny mety hitondrany loza toy ny SIDA, ny “hépatite” tsy A- tsy B na ny voka-dratsiny eo amin’ny hery fanefitry ny tena. Angamba isika hampiseho aminy ny fomba fijerintsika mifandray amin’ny hoe, na toa kelikely kokoa ny loza toy ireny na tsia raha oharina amin’ny soa azo. Kanefa, araka ny anasoritan’ny Fikambanan’ny mpitsabo amerikana azy, dia ny marary “no mitsara farany ny amin’ny hoe hanaiky izay mety ho vokatry ny fitsaboana na ny fandidiana asain’ny dokotera ataony ve izy, sa hisetra ny vokatry ny fandavana izany. Izany no zo voajanaharin’ny olona tsirairay, izay eken’ny lalàna”.10
Mifandray amin’io, dia nanintona ny saina ho amin’ny raharaha ny amin’ny mety ho loza sy soa i Macklin11 momba ny Vavolombelona iray “izay nisetra fahaverezan-dra nety hahafaty nefa tsy nandray ra”. Hoy ny mpianatra ho mpitsabo iray: “Tsy niova ny fandehan’ny fahafahany misaina. Inona no ataonao rehefa misy zavatra inoana ara-pivavahana manohitra ny hany loharanom-pitsaboana azo atao?” Hoy ny fanjohian-kevitr’i Macklin: “Mety hino mafy tokoa isika fa manao fahadisoana io lehilahy io. Mino anefa ny Vavolombelon’i Jehovah fa ny fanekena fampidiran-dra (...) dia [mety] hahazoany fanamelohana mandrakizay. Nampiofanina mba hamakafaka ny mety ho loza sy soa amin’ny fitsaboana isika, nefa raha ampifandanjainao amin’ny fanamelohana mandrakizay ny androm-piainana sisa eto an-tany, dia maka endrika hafa dia hafa ilay famakafakana.”
Ao amin’ity nomeraon’ny Journal ity, ry Vercillo sy Duprey12 dia miresaka ny amin’ny raharaha Osborne mba hampisongadinana fa mahasoa ny hahazoan’ireo olona karakaraina antoka ny amin’ny tsy fananany ahiahy, nefa ahoana no nandaminana an’io raharaha io? Nahakasika lehilahy iray naratra mafy, nanan-janaka roa tsy ampy taona, izy io. Nanapa-kevitra ny tribonaly fa raha maty izy dia hisy mpikambana ao amin’ny fianakaviana hikarakara ireo zanany amin’ny lafiny ara-nofo sy ara-panahy. Koa toy ny tamin’ny fisehoan-javatra13 hafa vao haingana àry, ny tribonaly dia tsy nihevitra ny tombontsoam-panjakana ho manan-kery hanamarina ny fanafoanana ny fisafidianana fitsaboana ataon’ny marary; ny fisalovanan’ny fitsarana mba hanomezan-dalana hampiasa fitsaboana lavina tanteraka àry, dia tsy azo hamarinina14. Tamin’ny fitsaboana solony dia sitrana ilay marary, ary afaka nanohy nikarakara ny ankohonany.
Moa ve tsy marina fa ny ankamaroany be dia be amin’ireo aretina natrehin’ireo mpitsabo, na azo inoana fa hatrehiny, dia azo tsaboina tsy misy ra? Izay nianarantsika sy fantatsika tsara indrindra dia ny momba ny zava-manahirana ara-pitsaboana, kanefa ireo marary dia olombelona samy manan-javatra heverina ho sarobidy sy zava-kendrena tsy tokony hodian-tsy hita. Izy no mahafantatra tsara indrindra momba ny laharam-pahamehana ho an’ny tenany manokana, ny mari-pitondrantena sy fieritreretany manokana, izay manome heviny ny fiainany.
Mety hisedra ny fahaizantsika ny fanajana ny fieritreretana ara-pivavahan’ireo marary Vavolombelon’i Jehovah. Nefa arakaraka ny iatrehantsika an’io zava-tsarotra io no anoritantsika ireo fahafahana sarobidy izay ankamamintsika rehetra. Araka ny nosoratan’i John Stuart Mill dia hoe: “Tsy misy fitambaran’olona azo atao hoe afaka, na toy inona na toy inona mety ho endri-pitondram-panjakana ao aminy, raha tsy hajaina amin’ny ankapobeny ireny fahafahana ireny, (. . .). Ny tsirairay no mpiambina ny fahasalaman’ny tenany manokana na ara-batana, na ara-tsaina sy ara-panahy. Mahazo tombony be lavitra ny olombelona amin’ny famelana ny tsirairay avy hiaina araka izay hitany fa tsara ho an’ny tenany toy izay hanery ny tsirairay hiaina araka izay heverin’ny hafa rehetra fa tsara”.15
[BOKY NANOVOZANA]
1. Appelbaum PS, Roth LH: Patients who refuse treatment in medical hospitals. JAMA 1983; 250:1296-1301.
2. Macklin R: The inner workings of an etihcs committee: Latest battle over Jehovah’s Witnesses. Hastings Cent Rep 1988; 18(1):15-20.
3. Bouvia v Superior Court, 179 Cal App 3d 1127, 225 Cal Rptr 297 (1986); In re Brown, 478 So 2d 1033 (Miss 1985).
4. In re Storar, 438 NYS 2d 266, 273, 420 NE 2d 64, 71 (New York 1981).
5. Rivers v Katz, 504 NYS 2d 74, 80 n 6, 495 NE 2d 337, 343 n 6 (New York 1986).
6. Dixon JL, Smalley MG: Jehovah’s Witnesses. The surgical/ethical challenge. JAMA 1981; 246:2471,2472.
7. Kambouris AA: Major abdominal operations on Jehovah’s Witnesses. Am Surg 1987; 53:350-356.
8. Les Témoins de Jéhovah et la question du sang. Brooklyn, NY, Watchtower Bible and Tract Society, 1977, pp.1-64.
9. Pope denounces Polish crackdown. New York Times, January 11, 1982, p. A9.
10. Office of the General Counsel: Medicolegal Forms with Legal Analysis. Chicago, American Medical Association, 1973, p. 24.
11. Kleiman D: Hospital philosopher confronts decisions of life. New York Times, January 23, 1984, pp. B1, B3.
12. Vercillo AP, Duprey SV: Jehovah’s Witnesses and the transfusion of blood products. NY State J Med 1988; 88:493, 494.
13. Wons v Public Health Trust, 500 So 2d 679 (Fla Dist Ct App) (1987); Randolph v City of New York, 117 AD 2d 44, 501 NYS 2d 837 (1986); Taft v Taft, 383 Mass 331, 446 NE 2d 395 (1983).
14. In re Osborne, 294 A 2d 372 (DC Ct App 1972).
15. Mill JS: On liberty, in Adler MJ (ed.): Great Books of the Western World. Chicago, Encyclopaedia Britanica, Inc, 1952, vol. 43, p. 273.