Ny Ra — Iankinan’ny Aina
Ny Ra — Iankinan’ny Aina
Ahoana no ahafahan’ny ra mamonjy ny ainao? Tsy isalasalana fa mahaliana anao izany satria mifamatotra amin’ny ainao ny ra. Mitondra ny ôksizenina manerana ny vatanao ny ra, mamoaka ny eton’arina (gaz carbonique), manampy ny tenanao hahazaka ny fiovaovan’ny hafanana sy hiady amin’ny aretina.
Fantatra taloha elan’ny nanaovan’i William Harvey an-tsary ny rafi-pikorianan-dra, tamin’ny 1628, ny fifamatoran’ny aina sy ny ra. Ny fitsipi-pitondrantena fototra ao amin’ireo fivavahana lehibe dia mifantoka amin’ny Mpanome aina iray, izay nilaza ny heviny mihitsy momba ny aina sy ny ra. Hoy ny mpahay lalàn’ny jodaïsma sy ny kristianisma iray momba azy: “Izy ihany no manome izao rehetra izao aina sy fofon-aina ary ny zavatra rehetra. Fa Izy no ivelomantsika sy ihetsehantsika ary iainantsika”. *
Ny olona mino ny Mpanome aina iray toy izany dia matoky fa ho fahasoavantsika mandrakizay ny fitarihany. Nilazalaza azy ho ‘Ilay mampianatra anao hahita soa sady mitarika anao amin’ny làlana tokony halehanao’ ny mpaminany hebreo iray.
Izany toky omena ao amin’ny Isaia 48:17 izany dia anisan’ny Baiboly, boky iray hajaina noho ny lanjany ara-pitondrantena, izay afaka mitondra soa ho antsika rehetra. Inona no ambarany ny amin’ny fampiasan’ny olombelona ny ra? Moa ve asehony ny fomba ahafahana mamonjy ny aina amin’ny alalan’ny ra? Raha ny marina, dia mampiseho mazava ny Baiboly fa mihoatra noho ny ranoka biôlôjika be kojakojany fotsiny ny ra. Miresaka ny amin’ny ra mihoatra ny in-400 izy io ary mahatafiditra ny famonjena ny aina ny sasany amin’ireny firesahana ireny.
Tao amin’ny teny iray notononina tany am-boalohany momba izany, dia nanambara ny Mpamorona hoe: “Ny biby mihetsiketsika rehetra izay miaina dia ho fihinana ho anareo (...) Kanefa ny nofo izay mbola misy aina (dia ny rany) no aza haninareo”. Dia hoy ny nanampiny: “Fa ny ranareo kosa dia hadiniko, satria ainareo izany”, ary avy eo dia nomelohiny ny famonoana olona. (Genesisy 9:3-6). Tamin’i Noa, razambe iombonan’ny Jiosy sy ny silamo ary ny kristiana sy hajainy fatratra no nilazany izany. Ny olombelona rehetra, araka izany, no nampahafantarina fa mampiseho aina ny ra eo imason’ny Mpamorona. Izany dia tsy fameperana ara-tsakafo fotsiny. Miharihary fa tafiditra tao ny fotopoto-pitsipika ara-pitondrantena iray. Manana heviny lehibe ny ran’olombelona ka tsy tokony hampiasaina amin’ny fomba ratsy. Nanampy antsipiriany hafa ny Mpamorona tatỳ aoriana, ka avy amin’izany no ahafahantsika mahita mora foana ny raharaha ara-pitondrantena izay ampifamatorany amin’ny ra mampiseho aina.
Niresaka ny amin’ny ra indray izy rehefa nanome ny Lalàna ho an’ny Levitikosy 17:10, 11). Nohazavain’Andriamanitra avy eo izay tsy maintsy hataon’ny mpihaza iray amin’ny biby matiny: “Dia haidiny amin’ny tany ny rany ka hototofany; (...) Aza mihinana ny ran’ny nofo; fa ny rany no ain’ny nofo rehetra, ka izay rehetra mihinana azy dia haringana”. — Levitikosy 17:13, 14.
Isiraely fahiny. Na dia olona maro aza no manaja ny fahendrena sy ireo fitsipi-pitondrantena ao amin’izany Lalàna izany, dia vitsy aminy no mahafantatra ny amin’ireo lalàny lehibe nomeny momba ny ra. Ohatra: “Ary na iza na iza amin’ny taranak’Isiraely, na amin’ny vahiny eo aminareo, no mihinan-dra, ny Tavako dia hanandrina ny olona izay mihinan-dra, ka hofongorana tsy ho amin’ny fireneny izy. Fa ny ain’ny nofo dia amin’ny ra”. (Fantatry ny mpahay siansa ankehitriny fa nampiroborobo ny fahasalamana ny Lalàna jiosy. Nitaky izy io, ohatra, fa tokony hatao eny ivelan’ny toby sy hototofana ny fivalanana ary tsy tokony hohanina ny hena mety hitondra aretina indrindra. (Levitikosy 11: 4-8, 13; Deoteronomia 23:12, 13). Na dia nanana endrika ara-pahasalamana aza ny lalàna momba ny ra, dia mihoatra lavitra noho izany no tafiditra. Manana heviny ara-panoharana ny ra. Nampiseho ny aina nomen’ny Mpamorona izy io. Nampiseho fiankinana taminy ny olona, raha ny amin’ny aina, tamin’ny fananana fiheverana manokana ny amin’ny ra. Eny, ny antony lehibe indrindra tsy tokony hihinanan’izy ireo ra dia, noho ny fananan’izy io heviny manokana ho an’Andriamanitra, fa tsy hoe satria tsy mahasalama akory.
Namerimberina ny fandraran’ny Mpamorona ny fihinanan-dra mba hitanana ny aina, ny Lalàna . “Tsy tokony hihinana ra hianao; aidino amin’ny tany toy ny rano izany. Aza mihinana azy, mba hahita soa ianao sy ny taranakao mandimby anao, satria hanao izay mahitsy ianao”. — Deoteronomia 12: 23-25, NIV; 15:23; Levitikosy 7:26, 27; Ezekiela 33: 25. *
Mifanohitra amin’ny fomba fiheveran’ny olona sasany amin’izao andro izao, dia tsy tokony hiniana tsy ho fantatra ny lalàn’Andriamanitra momba ny ra satria fotsiny hoe misy toe-javatra ilàna fikarakarana maika mitranga. Nandritra ny andro sarotra nisian’ny ady iray, dia namono biby ny miaramila isiraelita sasany ka ‘nohaniny mbamin’ny rany’ izany. Noho ny fisian’ny toe-javatra nahamaika, moa ve azony natao ny nitana ny ainy tamin’ny ra? Tsia. Nampahatsiahy azy ireo ny mpifehy azy fa fahadisoana lehibe no nataony. (1 Samoela 14:31-35). Noho izany, tsy nilaza velively ilay Mpanome aina antsika, na dia sarobidy aza ny aina, fa azo atao tsirambina ny fari-pitsipika noferany ao anatin’ny toe-javatra mahamaika.
NY RA SY NY KRISTIANA MARINA
Aiza ny toeran’ny kristianisma momba ny raharaha famonjena ain’olona amin’ny alalan’ny ra?
Lehilahy tsy nivadika i Jesosy, ka izany no nahatonga azy ho nohajaina fatratra. Fantany fa nilaza ny faharatsian’ny fihinanan-dra ny Mpamorona ary izany lalàna izany dia nanan-kery. Noho izany, dia misy antony tsara hinoana fa tsy maintsy nanohana ny lalàna momba ny ra i Jesosy, na dia teo ambany fanerena mba hanao ny mifanohitra amin’izany aza izy. I Jesosy dia “tsy nanota akory, sady tsy nisy fitaka teo am-bavany”. (1 Petera 2:22). Toy izany no nanorenany ohatra ho an’ny mpianany, ao anatin’izany ny ohatra ny amin’ny fanajana ny aina sy ny ra. (Hodinihintsika aoriana kokoa ny hoe amin’ny ahoana ny ran’i Jesosy no tafiditra mihitsy amin’io raharaha tena lehibe misy heriny eo amin’ny fiainanao io.)
Mariho izay niseho, taona maro taorian’ny nahafatesan’i Jesosy, rehefa nitranga ny fanontaniana iray, na tokony hitandrina ny lalàna rehetra nomena ny Isiraely ny olona tonga kristiana iray na tsia. Nodinihina tao amin’ny fivorian’ny kolejy foiben’ny kristiana izany, anisan’izy ireo ny apostoly. I Jakoba, rahalahin’i Jesosy iray reny taminy, dia naka teny tao amin’ireo soratra nisy didy momba ny ra, izay nomena an’i Noa sy ny firenen’Isiraely. Tokony mbola hihatra amin’ny kristiana ve ny didy toy ireny? — Asan’ny apostoly 15:1-21.
Nalefa tany amin’ny kongregasiona rehetra ny fanapahan-kevitra noraisina tao amin’io fivoriana io: Tsy nila nitandrina ny fehezan-dalàna nomena tamin’ny alalan’i Mosesy ny kristiana, nefa “tsy maintsy” ‘mifady ny hena aterina amin’ny sampy sy ny ra sy ny zavatra kendaina [hena tsy nalatsa-dra] ary ny fijangajangana izy ireo’. (Asan’ny apostoly 15:22-29). Tsy nanolotra didy ara-pombafombam-pivavahana na ara-tsakafo fotsiny ireo apostoly. Ilay didy dia nanorina fitsipi-pitondrantena fototra, izay nankatoavin’ireo kristiana voalohany. Teo amin’ny folo taona teo ho eo tatỳ aoriana, dia neken’izy ireo fa mbola tokony “hifady ny hena aterina amin’ny sampy sy ny ra (...) ary ny fijangajangana” foana izy ireo. — Asan’ny apostoly 21:25.
Fantatrao fa olona an-tapitrisany maro no mandeha any am-piangonana. Azo inoana fa manaiky ny ankamaroan’izy ireo fa mahafaoka ny tsy fanompoan-tsampy sy ny tsy fandraisana anjara amin’ny fahalotoam-pitondrantena lehibe ny fitsipi-pitondrantena kristiana. Kanefa, tsara homarihina fa nametraka ny fifadiana ra ho anisan’ny fari-pitsipika ambony mitovy amin’ny fanalavirana an’ireo fanao ratsy ireo ny apostoly. Nifarana toy izao ny didy nalefan’izy ireo: “Raha mahatandrin-tena hifady izany hianareo, dia ho soa. Veloma hianareo”. — Asan’ny apostoly 15:29.
Takatra nandritra ny ela fa mihatra foana ny didin’ny apostoly. Niresaka i Eusèbe ny amin’ny vehivavy tanora iray tany akaikin’ny faran’ny taonjato faharoa izay nanazava, talohan’ny nahafatesany teo ambany fampijaliana, fa “tsy mahazo mihinana na dia ny ran’ny biby tsy misaina aza” ny kristiana. Tsy nampiasa izay zo ho faty izy. Niriny ny ho velona nefa tsy ta hanaiky lembenana raha ny amin’ny fotopoto-pitsipika arahiny izy. Moa ve ianao tsy manaja ireo izay mametraka ny fotopoto-pitsipika ho ambony noho ny tombontsoany manokana?
Hoy ny fanatsoahan-kevitra nataon’i Joseph Priestley, mpahay siansa: “Toa adidy ho an’ny taranany rehetra ny fandrarana tsy hihinana ra nomena an’i Noa (...) Raha hazavaintsika amin’ny fampiharan’ny kristiana voalohany azy [ny] fandraran’ny apostoly, izany hoe tamin’ireo izay toa sarotra inoana fa tsy ho nahazo tsara ny toetra sy ny halehiben’izany, dia tsy afaka ny tsy hanatsoaka hevitra isika fa tokony ho didy hentitra sady mandrakizay izany; satria nandritra ny taonjato maro, dia tsy nisy kristiana nihinan-dra mihitsy”.
AHOANA NY AMIN’NY FAMPIASANA RA AMIN’NY FITSABOANA?
Moa ve voafaoka ao anatin’ny fandraran’ny Baiboly momba ny ra ireo fampiasana azy ara-pitsaboana, toy ny fampidiran-dra, izay azo antoka fa tsy fantatra tamin’ny andron’i Noa sy i Mosesy ary ireo apostoly?
Na dia tsy nisy tamin’izany fotoana izany aza ny fitsaboana amin’ny andro ankehitriny misy fampiasana ra, dia tsy hoe vaovao akory ny fampiasana azy ho fanafody. Nandritra ny 2 000 taona teo ho eo, tany Egypta sy tany an-toeran-kafa, “ny ra dia noheverina ho toy ny fanafody mahery amin’ny habokana”. Nanambara ny mpitsabo iray ny amin’ny fitsaboana natao tamin’ny zanakalahin’i Esara-Hadona mpanjaka raha teo an-tendron’ny haitao ny firenena asyriana: “[Ny zanakalahin’ny mpanjaka] dia mihatsara; afaka ny ho faly ny mpanjaka tompoko. Nanomboka ny andro faha-22 dia nomeko ra hosotroina [izy], hisotro [izany] mandritra ny 3 andro izy. Mandritra ny 3 andro fanampiny dia homeko (ra izy) ho fanafody anaty”. Nanana fifandraisana tamin’ny Isiraelita i Esara-Hadona. Kanefa, noho ny Isiraelita nanana ny Lalàn’Andriamanitra, dia tsy hisotro ra velively ho toy ny fanafody izy ireo.
Moa ve ny ra nampiasaina ho fanafody tamin’ny andron’ny Romana? Nitatitra ilay natioralista atao hoe Pline (niara-belona tamin’ireo apostoly) sy i Aretê mpitsabo tamin’ny taonjato faharoa fa nentina nitsaboana ny androbe ny ran’olombelona. Tatỳ aoriana i Tertullien dia nanoratra hoe: “Jereo ireo izay migoka ny ra mbola mafanan’ireo olo-meloka, tamin’ny ady tao amin’ny kianja filalaovana (...) mba ho sitrana amin’ny androbe”. Nampifanoheriny izy ireo sy ny kristiana, izay “tsy mba nihevitra ny ram-biby ho toy ny sakafony akory (...) Toloranareo saosisy mizihitra ra ny kristiana ho fisedrana azy. Fantatrareo tsara anefa fa voarara eo amin’izy ireo [izany]”. Koa naleon’ny kristiana voalohany nisetra ny fahafatesana toy izay hihinan-dra.
“Ny ra amin’ny endriny mahazatra kokoa dia (...) nampiasaina foana ho toy ny foto-javatra tamin’ny fitsaboana sy ny majika”, hoy ny fitantaran’ny boky hoe Nofo sy ra (anglisy). “Tamin’ny 1483, ohatra, ny mpanjaka frantsay Louis faha-11 dia teo am-pialana aina. ‘Niharatsy isan’andro ny fahasalamany, ary tsy nahasoa azy na tamin’inona na tamin’inona ny fanafody na dia hafahafa aza; nanantena mafy ny ho sitrana mantsy izy tamin’ny alalan’ny ran’olombelona, nalainy avy tamin’ny zaza sasany ka nateliny’ ”.
Ahoana ny amin’ny fampidiran-dra? Ny fanandramana azy io dia nanomboka tany akaikin’ny fiandohan’ny taonjato faha-16. I Thomas Bartholin (1616-1680), mpampianatra anatômia tao amin’ny Oniversiten’i Copenhague, dia naneho ny fanoherany toy izao: ‘Ireo izay tia mampiasa ny ran’olombelona ho fanafody anaty amin’ny aretina dia miharihary fa mampiasa azy amin’ny fomba ratsy ary manao fahotana lehibe. Melohina ny mpihinan’olona. Nahoana no tsy haharikoriko antsika ireo izay mandoto ny lalan-kaniny amin’ny ran’olombelona? Mitovy ny fandraisana ran’olon-kafa avy amin’ny mpamerindra notapahina, na amin’ny alalan’ny vava izany na amin’ny alalan’ny fitaovana fampidiran-dra. Tokony hatahotra ny lalàn’Andriamanitra mandrara ny fihinanana ra ireo namorona an’io fomba fiasa io’.
Araka izany, nahatsapa ny olona nisaina tao anatin’ireo taonjato lasa fa ny lalàna ao amin’ny Baiboly dia nihatra tamin’ny fandraisana ra amin’ny mpamerindra, toy ny niharan’izany tamin’ny fihinanana azy amin’ny vava. Nanao izao fanatsoahan-kevitra izao i Bartholin: “Mitovy ihany ny zava-kendrena, dia ny hoe: velomina na sitranina amin’io ra io ny vatana tsy salama iray, na manao ahoana na manao ahoana fomba andraisana [ra]”.
Mety hanampy anao hahatakatra ny toerana ara-pivavahana tsy miova tanan’ny Vavolombelon’i Jehovah izany fijerena amin’ny ankapobeny izany. Mihevitra ny aina ho sarobidy tokoa izy, ary mitady fikarakarana ara-pitsaboana tsara. Nefa tapa-kevitra ny tsy handika ny fari-pitsipika izay tsy miova noferan’Andriamanitra izy ireo: Ireo izay manaja ny aina ho toy ny fanomezana avy amin’ny Mpamorona, dia tsy manandrana mampaharitra ny ainy amin’ny fihinanana ra.
Kanefa, hatramin’ny taona maro dia nolazaina fa mamonjy aina ny ra. Mety hisy mpitsabo hitantara ny amin’ny toe-javatra nahaverezan’ny olona iray ra be dia be, kanefa nihatsara haingana taorian’izany rehefa nampidirana ra. Mety hanontany tena àry ianao hoe: ‘Amin’ny ahoana no maha-fahendrena izany na tsia eo amin’ny lafin’ny fitsaboana?’ Misy porofo ara-pitsaboana atolotra mba hanohanana ny fitsaboana amin’ny alalan’ny ra. Araka izany, manana adidy amin’ny tenanao ianao hahalala ny zava-misy, mba hanaovanao fisafidianana amim-pahalalana tsara momba ny ra.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 3 I Paoly izany, ao amin’ny Asan’ny apostoly 17:25, 28.
^ feh. 9 Nosoratana tao amin’ny Koràna tatỳ aoriana ny fandrarana mitovy amin’izany.
[Efajoro, pejy 4]
“Ny fitsipika aorina eto amin’ny fomba hentitra sy voalamina tsara [ao amin’ny Asan’ny apostoly 15] dia lazaina hoe tena ilaina, ary manome ny porofo mahery indrindra fa araka ny hevitry ny apostoly dia tsy fandaharana vetivety fotsiny izany na fepetra vonjimaika”. — Profesora Édouard Reuss, Oniversiten’i Strasbourg.
[Efajoro/Sary, pejy 5]
IMartin Luther dia nanintona ny saina ho amin’ny zavatra tafiditra tamin’ny didin’ny apostoly: “Ankehitriny raha toa isika mitady eglizy iray mifanaraka amin’izany kaonsily izany, (...) dia tsy maintsy mampianatra sy manantitrantitra fa hatreto dia tsy tokony hisy zanak’andriana, tompo, mponina an-tanàna na tantsaha hihinana ran-gisa, diera, serfa, na kisoa andrahoina ao anaty ra (...) Ary ny mponina an-tanàna sy ny tantsaha dia tokony hifady ny saosisy misy ra sy ny ‘ boudin’ indrindra”.
[Sary nahazoan-dalana]
Woodcut nataon’i Lucas Cranach
[Efajoro, pejy 6]
“Ny fomba fijerin’Andriamanitra sy ny olona zavatra dia tena samy hafa dia samy hafa. Izay heverintsika ho zava-dehibe dia matetika no tsy misy dikany amin’ny fiheveran’ny fahendrena tsy hita lany; ary izay toa hitantsika ho tsinontsinona dia matetika no tena zava-dehibe amin’Andriamanitra. Toy izany no izy hatramin’ny fiandohana”. — “An Enquiry Into the Lawfulness of Eating Blood”, Alexander Pirie, 1787.
[Sary, pejy 3]
Medicine and the Artist by Carl Zigrosser/Dover Publications
[Sary, pejy 4]
Tamin’ny fivoriana nanan-tantara iray, ny kolejy foiben’ny kristiana dia nanamafy fa ny lalàn’Andriamanitra momba ny ra dia mbola mihatra
[Sary, pejy 7]
Na inona na inona vokany, ny kristiana voalohany dia tsy nety nandika ny lalàn’Andriamanitra ny amin’ny ra
[Sary nahazoan-dalana]
Hoso-doko nataon’i Gérôme, 1883, Walters Art Gallery, Baltimore