Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Ra Izay Tena Mamonjy Aina

Ny Ra Izay Tena Mamonjy Aina

Ny Ra Izay Tena Mamonjy Aina

Misy hevitra sasany mazava avy amin’ny fanambarana teo aloha. Na dia heverin’ny olona maro ho mamonjy aina aza ny fampidiran-dra, dia mitondra loza maro kosa izy ireny. Olona an’arivony maro no maty isan-taona vokatry ny fampidiran-dra; olona tsy tambo isaina ankoatra ireo no manjary marary mafy ary manan-takaitra noho izany. Araka izany, tena fahendrena, na dia amin’ny fijery ara-batana fotsiny aza, ny fanarahana ny baiko ao amin’ny Baiboly milaza ny ‘hifadiana ny ra’. — Asan’ny apostoly 15:28, 29.

Voaro amin’ny loza maro ny marary raha toa ka mangataka fomba fitsaboana tsy misy fampiasana ra. Ny dokotera mahay nanaiky ny fihaikana hampihatra izany tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah dia nampandroso fari-panaovan-draharaha izay sady azo antoka no mandaitra, araka ny porofoin’ny filazana ara-pitsaboana maro be. Ireo mpitsabo manome fikarakarana tsara kokoa tsy misy fampiasana ra, dia tsy mampilefitra ny fotopoto-pitsipika misy vidiny amin’ny mpitsabo akory. Maneho fanajana ny zon’ny marary hahafantatra izay mety ho loza sy soa kosa izy, mba hahafahany hisafidy amim-pahalalana tsara izay hatao amin’ny tenany sy ny fiainany.

Tsy tsotra loatra akory isika amin’io raharaha io satria fantatra fa tsy ny olona rehetra no hanaiky izany fomba fandini-javatra izany. Tsy mitovy ny fomba fijerin’ny olona raha ny amin’ny fieritreretana, ny fitsipi-pitondrantena ary ny fiheverana momba ny fitsaboana. Koa mety ho sarotra amin’ny olon-kafa, ao anatin’izany ny dokotera sasany, ny hanaiky ny fanapahan-kevitry ny marary iray hifady ny ra. Nanoratra toy izao ny mpandidy iray tany New York: “Tsy hohadinoiko mihitsy, 15 taona lasa izay, fony mbola mpitsabo tanora nanao fiofanana tao amin’ny hôpitaly aho, raha nijoro teo an-doha fandrianan’ny Vavolombelon’i Jehovah iray, izay nandeha ra mandra-pahatapitry ny ainy vokatry ny ferim-bavony. Nohajaina ny sitrapon’ilay marary ary tsy nampidirana ra izy, nefa dia mbola tsaroako ny tsy fahafahana manao na inona na inona lalina tsapako tamin’ny naha-mpitsabo ahy”.

Tsy isalasalana fa nino izy fa tokony ho namonjy ny ain’ny marary ny ra. Herintaona taorian’ny nanoratany izany anefa, dia nilaza ny The British Journal of Surgery (Oktobra 1986) fa talohan’ny nampiasana fampidiran-dra, ny lotsi-dran’ny tsinay sy ny vavony (hémorragie gastro-intestinale) dia “nahitana tahan’ny fahafatesana 2,5 isan-jato monja”. Hatramin’izay nahatonga ny fampidiran-dra ho nahazatra izay, ‘ny ankamaroan’ny fandinihana lehibe natao dia nanome tahan’ny fahafatesana 10 isan-jato’. Inona no mahatonga ny tahan’ny fahafatesana ho avo efatra heny toy izany? Nanolotra petra-kevitra ny mpikaroka fa: “Hita ho mampitsimbadika ny fahaizan’ny ra mivaingana haingana (hypercoagulabilité) eo anoloan’ny lotsi-dra ny fampidiran-dra aloha be, ka noho izany dia manamora ny fahaverezan-dra indray”. Rehefa nanda ny handray ra ilay Vavolombelona nandeha ra noho ny ferim-bavony, dia nety nampitombo tokoa ny fanantenany ho velona ny safidy nataony.

Mbola nanampy io mpandidy io hoe: “Nampiova ny fomba fijerin’ny tena zavatra ny fandehan’ny fotoana sy taorian’ny nitsaboana marary maro, ary hitako ankehitriny fa ny fifampitokiana eo amin’ny marary sy ny mpitsabo azy, ary ny adidy hanaja ny sitrapon’ilay marary no zava-dehibe lavitra noho ny haitao ara-pitsaboana vaovao manodidina antsika. (. . .) Mahavariana fa namela toerana ho an’ny fanajana lalina ny finoana tsy azo hozongozonin’izany marary miavaka izany ny tsy fahafahana manao na inona na inona lalina tsapako”. Nanao izao fanatsoahan-kevitra izao ilay mpitsabo: ‘Mampahatsiahy ahy izany fa tokony hanaja foana ny sitrapo manokana sy ara-pivavahana ananan’ny marary aho, na manao ahoana na manao ahoana fihetseham-poko na ny mety ho vokany’.

Angamba efa takatrao ny zavatra izay, araka “ny fandehan’ny fotoana sy taorian’ny nitsaboana marary maro” vao neken’ny mpitsabo maro. Na dia eo aza ny fikarakarana tsara indrindra ara-pitsaboana ao amin’ny hôpitaly ary fomba indrindra, dia maty ihany ny olona amin’ny farany. Mety maty ny olona na ampidiran-dra na tsia. Isika rehetra dia mihantitra ary manatona ny fiafaran’ny fiainana. Tsy hoe fanekena tsotra ny anjara tsy azo sakanana akory izany fa fahitana ny zava-misy kosa. Zava-misy eo amin’ny fiainana ny fahafatesana.

Mampiseho ny zava-misy fa, na ho ela na ho haingana, ny olona tsy manaja ny lalàn’Andriamanitra momba ny ra dia matetika iharam-pahavoazana; ny sasany aza dia maty noho ny ra. Ary tsy hoe tsy manam-pahataperana akory ny fiainan’ireo tsy maty. Noho izany, tsy mamonjy aina amin’ny fomba tsy manam-pahataperana ny fampidiran-dra.

Tsara tokoa ny ataon’ny ankamaroan’ny olona izay mandà ny handray ra, noho ny antony ara-pivavahana sy/na ara-pitsaboana, nefa manaiky fitsaboana mahasolo ra. Mety hanalava ny fiainany taona maro izy araka izany, kanefa tsy ho mandrakizay.

Ny maha-tsy tanteraka ny olona rehetra sy ny hoe mihamaty izy dia mitarika antsika ho amin’ny fahamarinana fototra momba izay lazain’ny Baiboly ny amin’ny ra. Ho hitantsika ny fomba ahafahan’ny ra mamonjy aina tokoa — dia ny aintsika — amin’ny fomba maharitra, raha takatsika sady ankasitrahantsika izany fahamarinana izany.

NY HANY RA MAMONJY AINA

Araka ny efa nomarihina teo aloha kokoa, Andriamanitra dia nilaza tamin’ny taranak’olombelona iray manontolo fa tsy tokony hohanina ny ra. Nahoana? Satria mampiseho ny aina ny ra. (Genesisy 9: 3-6). Nanome fanazavana fanampiny momba izany izy tao amin’ny Lalàna nomeny ny Isiraely. Naidina teo amin’ny alitara iray ny ran’ny biby natao fanatitra tamin’ny fotoana nankatoavana ny Lalàna. (Eksodosy 24:3-8). Ireo lalàna tao amin’io fehezan-dalàna io dia nitarika ny saina ho amin’ny tsy fahatanterahan’ny olona rehetra; mpanota izy ireo, araka ny ilazan’ny Baiboly azy. Nilaza tamin’ny Isiraelita Andriamanitra fa tamin’ny alalan’ny fanatitra biby natolotr’izy ireo ho azy, dia niaiky ny amin’ny ilàna hanaronana ny fahotany izy ireo. (Levitikosy 4:4-7, 13-18, 22-30) Marina aloha fa izany no nangatahin’Andriamanitra hataon’ny Isiraelita tamin’izany fotoana izany, nefa tsy izany no angatahiny amin’ireo mpivavaka marina aminy amin’izao andro izao. Na izany aza, dia misy heviny tena lehibe ho antsika izany ankehitriny.

Ny tenan’Andriamanitra mihitsy no nanazava ny fotopoto-pitsipika tamin’ny nanorenana ireny fanatitra ireny: “Fa ny ain’ny nofo dia amin’ny ra; ary nomeko anareo izany hatao ambonin’ny alitara hanao fanavotana ho an’ny ainareo, fa ny ra no manao fanavotana, satria aina izany. Koa izany no nilazako tamin’ny Zanak’Isiraely hoe: Aza misy mihinan-dra”. — Levitikosy 17:11, 12.

Tamin’ny andro firavoravoana nantsoina hoe Andro Fanavotana teo amin’ny Isiraely fahiny, ny mpisoronabe dia naka ny ran’ireo biby natao fanatitra ka nitondra izany tao amin’ny tapany masina indrindra tamin’ny tempoly, izay foiben’ny fanompoam-pivavahana tamin’Andriamanitra. Naseho tamin’ny fomba ara-panoharana tamin’ny fanaovan’ny mpisoronabe izany, fa nangatahina tamin’Andriamanitra ny hanaronany ny fahotan’ny olona. (Levitikosy 16:3-6, 11-16). Tsy tena nanala ny fahotana rehetra akory ireny fanatitra ireny, ka izany no tsy maintsy namerimberenana azy isan-taona. Kanefa nanorina ohatra misy heviny izany fomba nampiasana ny ra izany.

Fampianarana lehibe iray ao amin’ny Baiboly ny hanomezan’Andriamanitra sorona tanteraka iray amin’ny farany, izay hanao fanavotana amin’ny fomba feno ho an’ny fahotan’ny mpino rehetra. Izany dia antsoina hoe avotra, ary mifantoka amin’ny soron’ilay Mesia nambara mialoha na Kristy.

Manohatra ny anjara asan’i Mesia amin’izay natao tamin’ny Andro Fanavotana ny Baiboly: “Fa Kristy kosa, rehefa tonga Mpisoronabe ny amin’ny zavatra tsara ho avy, dia namaky teo amin’ny tabernakely lehibe lavitra sady tsara lavitra, izay tsy nataon-tànana, (...) tsy mba nitondra ran’osilahy sy ran-janak’omby Izy, fa ny ran’ny tenany, dia niditra indray mandeha ho any amin’ny fitoerana masina [ny lanitra] ka nahazo fanavotana mandrakizay. Ary saiky diovina amin’ny ra avokoa ny zavatra rehetra araka ny lalàna; fa raha tsy misy ra alatsaka, dia tsy misy famelan-keloka”. — Hebreo 9: 11, 12, 22.

Manjary mazava àry ny antony tokony hananantsika ny fomba fijerin’Andriamanitra momba ny ra. Mifanaraka amin’ny zony amin’ny maha-Mpamorona, dia noferany ny hany fomba hampiasana azy. Angamba nahita soa ara-pahasalamana ny Isiraelita tamin’ny andro fahiny tamin’ny tsy fihinanana ram-biby na ran’olona, nefa tsy izany no zava-dehibe indrindra. (Isaia 48:17). Tsy maintsy nohalaviriny ny fitanana ny ainy tamin’ny alalan’ny ra, tsy hoe satria voalohany indrindra tsy mahasalama ny fanaovana ny mifanohitra amin’izany, fa satria indrindra indrindra fahavetavetana eo imason’Andriamanitra kosa izany. Tsy maintsy nifady ny ra izy ireo, tsy hoe satria voaloto izy io, fa satria sarobidy kosa izy io mba hahazoana famelan-keloka .

Nanazava toy izao momba ny avotra ny apostoly Paoly: “Izy [Kristy] no ananantsika fanavotana amin’ny rany, dia ny famelana ny fahadisoantsika, araka ny haren’ny fahasoavany”. (Efesiana 1:7) Nadika tamin’ny fomba nety hoe “ra” ny teny grika tany am-boalohany hita eto, nefa diso ny fandikan-tenin’ny Baiboly maro be raha nanolo azy tamin’ny teny hoe “fahafatesana”. Noho izany, mety tsy ho takatry ny mpamaky ny fanamafisana atao amin’ny fomba fijerin’ny Mpamorona mikasika ny ra sy ny vidiny ara-pisoronana mifamatotra amin’izy io.

Ny foto-kevitry ny Baiboly dia mihodinkodina amin’ny hoe maty tamin’ny naha-sorom-panavotana lavorary azy i Kristy, nefa tsy nitoetra foana tao amin’ny fahafatesana. Natsangana ho any an-danitra i Jesosy Kristy, araka ny môdely naorin’Andriamanitra tamin’ny Andro Fanavotana, mba “hiseho eo anatrehan’Andriamanitra ankehitriny ho antsika”. Tany no nanolorany ny vidin’ny rany natao sorona. (Hebreo 9:24). Manantitrantitra ny Baiboly fa tsy maintsy halavirina izay fanaovan-javatra rehetra mety hitovy amin’ny ‘fanitsakitsahana ny Zanak’Andriamanitra sy fanaovana ny rany ho zavatra tsy masina’. Amin’izany fomba izany ihany, no hitanantsika fifandraisana tsara sy milamina amin’Andriamanitra. — Hebreo 10:29; Kolosiana 1:20.

MIFALIA AMIN’NY FIAINANA NOVONJENA TAMIN’NY RA

Manjary manana fanajana lalina indrindra ny amin’ny vidiny mamonjy aina isika rehefa mahazo tsara izay ampianarin’Andriamanitra momba ny ra. Milazalaza an’i Kristy ho ilay “tia antsika ka namaha antsika ho afaka amin’ny fahotantsika tamin’ny rany” ny Soratra masina. (Apokalypsy 1:5; Jaona 3:16). Eny, afaka mahazo famelana feno sy maharitra ny fahotantsika isika amin’ny alalan’ny ran’i Jesosy. Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Koa mainka aza ny hamonjeny antsika ho afaka amin’ny fahatezerana ankehitriny, rehefa nohamarinina tamin’ny rany isika”. Izany no fomba maharitra ahafahana mamonjy ny aina amin’ny alalan’ny ra. — Romana 5:9; Hebreo 9:14.

Nanome toky i Jehovah Andriamanitra taloha ela be, fa amin’ny alalan’i Kristy “no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany”. (Genesisy 22:18) Anisan’izany fitahiana izany, ny famerenana indray ny tany ho paradisa. Tsy hijaly intsony noho ny aretina sy ny fahanterana ary na dia noho ny fahafatesana aza ny olombelona mino amin’izay; hifaly amin’ny fitahiana mihoatra lavitra noho izay azon’ny fanampiana voafetra omen’ny mpitsabo ankehitriny izy ireo. Manana izao fampanantenana kanto izao isika: “Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha”. — Apokalypsy 21:4.

Fahendrena tokoa àry ny handraisana am-po ny zavatra rehetra andidian’Andriamanitra! Anisan’izany ny fankatoavana ny baikony momba ny ra, ny tsy fampiasana azy amin’ny fomba ratsy na dia amin’ny toe-javatra sarotra ara-pitsaboana aza. Amin’izay isika dia tsy ho velona ho an’izao fotoana izao fotsiny. Hasehontsika kosa fa manana fiheverana ambony mikasika ny fiainana isika, ao anatin’izany ny fahatsinjovana ny fiainana mandrakizay ho avy ao anatin’ny fahatanterahan’olombelona.

[Efajoro, pejy 25]

Nandà ny hitana ny ainy amin’ny alalan’ny ra ny vahoakan’Andriamanitra, tsy hoe satria tsy mahasalama ny fanaovana izany, fa satria izany fahavetavetana, tsy hoe satria voaloto ny ra, fa noho ny maha-sarobidy azy io kosa.

[Sary, pejy 24]

“Izy [Jesosy] no ananantsika fanavotana amin’ny rany, dia ny famelana ny fahadisoantsika”. — Efesiana 1:7

[Sary, pejy 26]

Manokatra ny lalana ho amin’ny fiainana tsy hanam-pahataperana sy hitondra fahasalamana ao amin’ny paradisa iray eto an-tany ny famonjena aina amin’ny alalan’ny ran’i Jesosy