Iza moa Andriamanitra?
Toko faha-4
Iza moa Andriamanitra?
1. a) Andriamanitra inona avy moa no nivavahan’ny olona? b) Fiavahana inona moa no ataon’ny Baiboly amin’ny hoe “andriamanitra” sy “Andriamanitra”?
MANERAN-TANY dia misy andriamanitra maro ivavahana. Ao amin’ireo fivavahana shintoista, bodista, hindoa ary ara-poko dia misy andriamanitra an-tapitrisany maro. Ny andriamanitra toa an’i Zeosy sy Hermesy dia nivavahana tamin’ny andron’ireo apostolin’i Jesosy. (Asan’ny apostoly 14:11, 12) Koa manaiky ny Baiboly fa “misy andriamanitra maro”, nefa milaza koa izy fa “iray ihany Andriamanitra, dia ny Ray, Izay nihavian’ny zavatra rehetra”. (I Korintiana 8:5, 6) Raha anontaniana ianao hoe, ‘Iza moa io Andriamanitra io?’ inona no holazainao?
2. Fomba fihevitra samy hafa inona moa no ananan’ny olona momba an’Andriamanitra?
2 ‘Izy io dia ny Tompo’, hoy ny valintenin’ny maro. Na koa mety hilaza izy ireny hoe: ‘Izy io dia Fanahy any an-danitra’. Ny diksionera iray dia miantso an’Andriamanitra hoe: “Ny Fisiana Tampony”. Rehefa anontaniana ny olona sasany hoe: ‘Iza no anaran’Andriamanitra?’ dia mamaly hoe, ‘Jesosy’. Ny hafa dia tsy mihevitra an’Andriamanitra ho toy ny olona, fa ho toy ny hery matanjaka izay manatrika hatraiza hatraiza. Ary ny sasany aza dia misalasala raha misy ny Andriamanitra iray. Afaka matoky ve isika fa misy izy?
MISY MARINA TOKOA ANDRIAMANITRA
3. Ahoana moa no nampisy ny trano iray?
3 Rehefa mijery trano tsara tarehy iray ianao, moa ve efa mba nanontany tena ianao hoe iza no mpanorina azy io? Raha misy milaza aminao fa tsy nisy nanorina ilay trano, fa tonga fotsiny ho azy teo ilay izy, moa ve hino izany ianao? Tsia dia tsia tokoa! Araka ny nolazain’ny mpanoratra iray ao amin’ny Baiboly, “ny trano rehetra dia samy nisy mpanao azy”. Fantatry ny olona rehetra izany. Koa tsy azontsika ekena àry ve ny fanatsoahan-kevitra ara-dalàna nomen’ilay mpanoratra ny Baiboly hoe: “Izay nanao ny zavatra rehetra kosa dia Andriamanitra”? — Hebreo 3:4.
4. Ahoana no nampisy ireo kintana an’arivo tapitrisany maro?
4 Hevero izao rehetra izao miaraka amin’ny kintana an’arivo arivo tapitrisany. Kanefa izy rehetra dia mivoivoy eny amin’ny lanitra araka ny lalàna izay mihazona azy ao amin’ny fifandraisana lavorary amin’izy samy izy. “Iza no nahary ireny?” hoy ny fanontaniana napetraka fahiny ela. Misy heviny ny valiny nomena. “Izay mamoaka ny antokony araka ny isany Isaia 40:26) Tsy isalasalana fa ho hadalana ny hiheverana fa niforona ho azy teo fotsiny ireo kintana an’arivo tapitrisany maro ary nahaforona tsy nisy fitarihana, ireo fandaharan-kintana lehibe izay mivezivezy amin’ny filaminana mahatalanjona aoka izany! — Salamo 14:1.
sy miantso azy rehetra amin’ny anarany avy”. (5. a) Azo atao ve ny manantena fa raha izy fotsiny no eo, ireo tapatapany aminy dia ho tafatambatra mba hahaforona fitotoan-kena iray? b) Mampiseho inona izany raha ny amin’izao rehetra izao misy antsika?
5 Tsy afaka nitranga fotsiny ho azy teo io izao rehetra izao voalamina amin’ny fomba mahatalanjona io. Nilaina ny Mpamorona hendry iray manana hery lehibe (Salamo 19:1, 2) Ny mpanao tao-zavatra iray izay nanontaniana ny amin’ny antony ninoany an’Andriamanitra dia nanazava fa tao amin’ny tranony fanaovan-taozavatra dia nila roa andro ny zazavavy iray mba hianarana ny fomba fanambàrana ireo tapany 17 amin’ny fitotoan-kena iray. “Mpanamboatra antsy tsotra fotsiny aho”, hoy izy. “Nefa fantatro izao, fa na dia hanetsiketsika ireo tapany 17 amin’ny fitotoan-kena iray ao anatin’ny koveta lehibe iray mandritra ireo 17 000 tapitrisa taona hanaraka aza ianao dia tsy hahazo na oviana na oviana fitotoan-kena iray.” Izao rehetra izao, ao anatin’izany ireo endri-piainana maro eto an-tany, dia be kojakojany lavitra noho ny fitotoan-kena iray. Raha ny milina toy izany aza mitaky mpanamboatra mahay iray, dia afaka mahazo antoka isika fa nilaina ny Andriamanitra Tsitoha iray mba hamorona ny zavatra rehetra. Moa ve tsy izy no tokony homena voninahitra noho izay nataony? — Apokalypsy 4:11; Asan’ny apostoly 14:15-17; 17:24-26.
PERSONA TENA MISY VE ANDRIAMANITRA?
6. Nahoana moa isika no afaka matoky fa persona tena misy Andriamanitra?
6 Raha milaza ny ankamaroan’olona fa mino an’Andriamanitra izy, dia maro no tsy mihevitra azy ho toy ny persona tena misy. Izany ve no izy? Eny, azo atao ny mijery fa ao amin’izay misy fahaizana dia misy saina. Ohatra, mety hilaza isika hoe, ‘Mikorontana ny saiko.’ Ary fantatsika fa ao amin’izay misy saina dia misy atidoha iray ao anatin’ny vatana iray manam-bika voafaritra. Koa ny saina lehibe tompon’andraikitra amin’ny famoronana rehetra àry dia ny an’ilay Persona lehibe, dia Andriamanitra Tsitoha. Na dia tsy manana vatana ara-nofo aza izy dia manana vatana ara-panahy iray. Manana vatana ve ny persona ara-panahy iray? Eny, hoy ny Baiboly: “Raha misy tena araka ny fomban’aina [ara-batana, MN], dia misy araka ny fombam-panahy [ara-panahy, MN] koa.” — I Korintiana 15:44; Jaona 4:24.
7. a) Inona moa no mampiseho fa manana fonenana Andriamanitra? b) Inona no mampiseho fa manana tena izy?
7 Satria Andriamanitra dia persona iray manana vatana ara-panahy, dia tokony hanana fonenana izy. Milaza amintsika ny Baiboly fa ny lanitra no ‘fonenan’Andriamanitra’. (I Mpanjaka 8:43) Lazaina amintsika koa fa “Kristy [dia] niditra (...) ho any an-danitra tokoa, mba hiseho eo anatrehan’Andriamanitra ankehitriny ho antsika”. (Hebreo 9:24) Hovalian-tsoa amin’ny fiainana any an-danitra miaraka amin’Andriamanitra ny olombelona sasany, ka handray vatana ara-panahy amin’izay fotoana izay. Hahita an’Andriamanitra izy ireo avy eo, araka ny filazan’ny Baiboly, ary ho sahala aminy koa. (I Jaona 3:2) Izany koa dia mampiseho fa persona Andriamanitra, ary manana vatana izy.
8, 9. a) Ahoana no azon’ny ohatra ny amin’ny foiben-kerim-baratra iray ampisehoana ny hery lasa lavitr’Andriamanitra? b) Inona moa ny fanahy masin’Andriamanitra, ary inona no azony atao?
8 Nefa mety hisy hanontany hoe: ‘Raha persona tena misy, izay monina ao amin’ny toerana iray any an-danitra Andriamanitra, ahoana no ahafahany mahita ny zavatra rehetra izay mitranga na aiza na aiza? Ary ahoana no ahazoana mahatsapa ny heriny ao amin’ny faritra tsirairay eo amin’izao rehetra izao?’ (II Tantara 16:9) Ny hoe maha-persona an’Andriamanitra dia tsy mametra velively ny heriny na ny fahalehibeazany. Tsy tokony hampihena koa ny fanajantsika Azy izany. (I Tantara 29:11-13) Mba hanampiana antsika hahatakatra izany, dia hevero ny vokatra lavitry ny foiben-kerim-baratra iray.
9 Ny foiben-kery iray dia manana toerana iray ao amin’ny tanàna iray na eo akaikiny. Nefa ny herim-baratra dia zaraina eran’ilay faritany manontolo, manome hazavana sy hery. Toy izany koa amin’Andriamanitra. Any an-danitra izy. (Isaia 57:15; Salamo 123:1) Kanefa ny fanahiny masina, ny heriny miasa tsy hita maso, dia mety ho tsapa hatraiza hatraiza, manerana izao rehetra izao manontolo. Tamin’ny alalan’ny fanahiny masina no namoronan’Andriamanitra ny lanitra, ny tany ary ny zava-miaina rehetra. (Salamo 33:6; Genesisy 1:2; Salamo 104:30) Mba hamoronana ireo zavatra ireo dia tsy nilain’Andriamanitra ny nanatrika ara-bakiteny. Afaka mandefa ny fanahiny izy, dia ny heriny miasa, mba hanao izay rehetra tiany na dia lavitra be aza izy. Mahatalanjona izany raha Andriamanitra! — Jeremia 10:12; Daniela 4:32 [4:35, MN].
KARAZANA PERSONA MANAO AHOANA ANDRIAMANITRA
10. Inona moa ny fomba iray ahazoantsika mahafantatra an’Andriamanitra?
10 Moa ve Andriamanitra ny karazana persona ho tiantsika bebe kokoa raha fantatsika tsara izy? ‘Angamba ho izany’, hoy ny mety ho fiteninao, ‘nefa noho isika tsy afaka mahita an’Andriamanitra, ahoana no hahafantarantsika ny momba azy?’ (Jaona 1:18) Fomba tokana no asehon’ny Baiboly rehefa milaza izy hoe: “Fa ny fombany tsy hita, dia ny heriny mandrakizay sy ny mah’Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao, fa fantatra amin’ny zavatra nataony”. (Romana 1:20) Ireo zavatra noforonin’Andriamanitra àry dia afaka manampy antsika hahatakatra hoe sahala amin’inona Andriamanitra, raha mandinika marina tokoa sy mieritreritra azy ireny isika.
11. Inona moa no azontsika ianarana momba an’Andriamanitra avy amin’ireo zavatra nataony?
11 Araka ny efa hitantsika, ny fijerena ny lanitra feno kintana dia manambara amintsika ny fahalehibeazan’Andriamanitra sy ny heriny miezinezina! (Salamo 8:3, 4; Isaia 40:26) Diniho koa ny tany. Napetrak’Andriamanitra eo amin’ny lanitra izy io mba handraisany ny hafanana sy ny hazavana antonony avy amin’ny masoandro. Ary diniho ny fihodinkodinan’ny rano. Milatsaka mba handena ny tany ny orana. Ny rano dia mikoriana mankany amin’ireo renirano, izay mivarina mankany an-dranomasina. Ny masoandro dia manainga ny rano avy amin’ny ranomasina ho toy ny etona, izay milatsaka ho toy ny orana mba handena indray ny tany. (Mpitoriteny 1:7) Misy fihodinkodinana mahatalanjona maro aoka izany izay nampiasain’Andriamanitra mba hanomezana sakafo, fialofana ary ny zavatra rehetra izay ilain’ny olona sy ny biby! Ary manambara inona amintsika moa ireo zava-mahatalanjona rehetra ireo raha ny amin’ny hoe karazana persona manao ahoana Andriamanitra? Fa izy dia Andriamanitra manana fahendrena lehibe ary tena malala-tanana izy sy miahy ireo zavaboariny. — Ohabolana 3:19, 20; Salamo 104:13-15, 24, 25.
12. Inona moa no ampianarin’ny tenanao manokana anao momba an’Andriamanitra?
12 Diniho ny tenanao manokana. Miharihary fa natao hanao mihoatra noho ny miaina fotsiny izy io. Novolavolaina tamin’ny fomba mahatalanjona mba tena hifaly amin’ny fiainana izy io. (Salamo 139:14) Ny masontsika dia afaka mahita, tsy mainty sy fotsy ihany, fa loko koa, ary izao tontolo izao dia feno loko isan-karazany mahafaly. Afaka mandre fofon-javatra sy tsiron-javatra isika. Koa tsy fiasana ilaina fotsiny àry ny fihinanana; mety hahitam-pahafinaretana izany. Ny vavahadin-tsaina toy ireny dia tsy hoe faran’izay ilaina mba hahavelomana, nefa dia fanomezana avy amin’ny Andriamanitra iray be fitiavana, malala-tanana ary feno fiheverana izy ireny. — Genesisy 2:9; I Jaona 4:8.
13. Inona moa no ianaranao momba an’Andriamanitra avy amin’ny fomba fifandraisany amin’ny olombelona?
13 Ny fijerena ny fifandraisan’Andriamanitra amin’ny taranak’olombelona koa dia mampiseho hoe karazan’Andriamanitra manao ahoana izy. Manana fiheverana mahery ny fahamarinana izy. Tsy mankasitraka kokoa foko iray izy. (Asan’ny apostoly 10:34, 35) Mamindra fo sy be hatsaram-po koa izy. Ny Baiboly dia miresaka ny amin’ny fifandraisany tamin’ny firenen’Isiraely, izay nafahany tamin’ny fanandevozana tany Egypta: “Andriamanitra kosa be famindrampo, (...) nahatsiaro Izy fa nofo ihany ireo”. Kanefa matetika ny Isiraelita no tsy nankatò, ary nampalahelo an’Andriamanitra izany. Hoy ny voalazan’ny Baiboly: “Nampalahelo Azy [ireo] (...) ka nampalahelo ny Iray Masin’ny Isiraely.” (Salamo 78:38-41; 103:8, 13, 14) Etsy andanin’izany dia faly Andriamanitra rehefa mankatò ireo lalàny ny mpanompony. (Ohabolana 27:11) Lazalazain’Andriamanitra koa izay tsapany rehefa tsy maintsy mijaly noho ireo fahavalony ny mpanompony: “Izay mikasika anareo dia mikasika ny anakandriamasony.” (Zakaria 2:13 [2:8, MN]) Moa ve ianao tsy voatosika ho tia Andriamanitra iray izay manana firaiketam-po toy izany ho an’ny olombelona ambany sy tsy misy vidiny avy amin’ny foko sy ny firenena rehetra? — Isaia 40:22; Jaona 3:16.
MOA VE JESOSY NO ANDRIAMANITRA SA NY TRINITE IRAY?
14. Inona moa ny fampianaran’ny Trinite?
14 Iza moa io Andriamanitra mahatalanjona io? Milaza ny olona sasany fa Jesosy no anaran’izy io. Ny hafa dia milaza fa Trinite iray izy io, na dia tsy miseho ao amin’ny Baiboly aza ny teny hoe “trinite”. Araka ny fampianaran’ny Trinite, dia misy persona telo ao amin’ny Andriamanitra iray, izany hoe, misy “Andriamanitra iray, Ray, Zanaka ary Fanahy Masina”. Fandaminana ara-pivavahana maro no mampianatra izany, na dia miaiky aza izy ireo fa “zava-miafina” izany. Moa ve marina ny fiheverana toy ireny?
15. Ahoana no ampisehoan’ny Baiboly fa Andriamanitra sy Jesosy dia persona roa miavaka izay tsy mitovy?
15 Eny, moa ve Jesosy mba efa nilaza fa Andriamanitra izy? Tsia, tsy nanao izany na oviana na oviana izy. Ao amin’ny Baiboly kosa dia antsoina hoe “Zanak’Andriamanitra” izy. Ary hoy izy: “Ny Ray dia lehibe noho Izaho.” (Jaona 10:34-36; 14:28) Nanazava koa Jesosy fa nisy zavatra sasany izay tsy fantany na ny anjely fa Andriamanitra irery no nahafantatra azy. (Marka 13:32) Ankoatr’izany, indray mandeha Jesosy dia nivavaka tamin’Andriamanitra hoe: “Aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.” (Lioka 22:42) Raha Jesosy no ilay Andriamanitra Tsitoha, dia tsy ho nivavaka tamin’ny tenany izy, sa tsy izany? Raha ny marina, taorian’ny fahafatesan’i Jesosy dia milaza ny Soratra masina hoe: “Izany Jesosy izany dia efa natsangan’Andriamanitra”. (Asan’ny apostoly 2:32) Araka izany ilay Andriamanitra Tsitoha sy Jesosy dia persona roa miavaka tsara. Na dia taorian’ny nahafatesany sy ny nitsanganany ary ny niakarany ho any an-danitra aza, Jesosy dia mbola tsy nitovy tamin’ny Rainy. — I Korintiana 11:3; 15:28.
16. Na dia resahina ho “Andriamanitra” aza Jesosy, inona moa no mampiseho fa tsy izy no Andriamanitra Tsitoha?
16 ‘Nefa moa ve Jesosy tsy antsoina hoe andriamanitra ao amin’ny Baiboly?’ hoy ny mety ho fanontanian’ny olona iray. Marina izany. Kanefa Satana dia antsoina koa hoe andriamanitra. (II Korintiana 4:4) Ao amin’ny Jaona 1:1, izay manisy firesahana an’i Jesosy ho toy “ny Teny”, ny fandikan-teny sasany amin’ny Baiboly dia manao hoe: “Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin’Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra.” Nefa mariho fa ny andininy faha-2 dia milaza fa ny Teny dia “tao amin’Andriamanitra [niaraka tamin’Andriamanitra, MN] tamin’ny voalohany”. Ary na dia nisy olona nahita an’i Jesosy aza, ny andininy faha-18 dia milaza fa “tsy nisy nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana”. Koa hitantsika àry fa ny fandikana sasany ny andininy voalohany dia manome ny hevitra mahitsin’ilay fiteny tany am-boalohany rehefa amakiana hoe: “Ny Teny tao amin’Andriamanitra, ary ny Teny dia araka an’Andriamanitra”, na “andriamanitra iray”, izany hoe, ny Teny dia mahery sahala amin’Andriamanitra. (Bible du Centenaire) Mazava fa tsy Jesosy no Andriamanitra marina. Raha ny marina, Jesosy dia niresaka ny amin’ny Rainy ho toy ny “Andriamanitro” sy “Andriamanitra tokana sady marina”. — Jaona 20:17; 17:3.
17. Ahoana moa no anaporofoan’ny filatsahan’ny fanahy masina teo amin’ireo mpanaraka an’i Jesosy fa tsy persona iray izy io?
17 Raha ny amin’ny “Fanahy Masina”, ilay lazaina fa Persona fahatelo amin’ny Trinite, dia efa hitantsika hoe tsy persona iray izy io fa ny hery miasan’Andriamanitra. Nilaza Jaona Mpanao batisa fa Jesosy dia hanao batisa amin’ny fanahy masina, dia tahaka ny nanaovan’i Jaona batisa tamin’ny rano. Araka izany, toy ny tsy maha-persona iray ny rano no tsy maha-persona iray ny fanahy masina. (Matio 3:11) Tanteraka izay nambaran’i Jaona rehefa nilatsaka teo amin’ireo mpanaraka an’i Jesosy nivory tao Jerosalema ny fanahy masina, taorian’ny nahafatesany sy ny nitsanganany. Hoy ny Baiboly: “Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra”. (Asan’ny apostoly 2:4) Moa ve “feno” persona iray izy ireo? Tsia, fa feno ny hery miasan’Andriamanitra izy. Ahariharin’ny zava-misy araka izany fa tsy fampianarana ao amin’ny Baiboly ny Trinite. Raha ny marina, talohan’ny nandiavan’i Jesosy ny tany dia efa nisy andriamanitra nivavahana mitambatra tsitelotelo, na trinite, tamin’ny toerana toa an’i Egypta sy Babylona fahiny.
NY ANARAN’ANDRIAMANITRA
18. a) Moa ve “Andriamanitra” no anarana manokan’Andriamanitra Tsitoha? b) Iza moa no anarany manokana?
18 Tsy isalasalana fa manana anarana ny olona rehetra fantatrao. Andriamanitra koa dia manana anarana manokana mba hampiavaka Salamo 83:18 dia vakintsika toy izao: “Ary aoka ho fantany fa Hianao irery ihany, Izay atao hoe Jehovah, no Ilay Avo Indrindra ambonin’ny tany rehetra.” Hita koa ao amin’ny ankamaroan’ny Baiboly ny anaran’Andriamanitra eo amin’ny Apokalypsy 19:1-6, ao anatin’ny fitenenana hoe “Haleloia”. Ny dikan’io dia hoe “derao Jah”, endri-panafohezana ny hoe Jehovah.
azy amin’ny hafa rehetra. ‘Moa ve tsy “Andriamanitra” no anarany? hoy ny mety ho fanontanian’ny sasany. Tsia, satria ny hoe “Andriamanitra” dia anaram-boninahitra fotsiny, toy ny hoe “prezidà”, “mpanjaka” ary “mpitsara”. Fantatsika ny anaran’Andriamanitra avy ao amin’ny Baiboly, izay isehoany eo amin’ny im-7000. Ohatra, ao amin’ny Fandikan-teny malagasy, ny19. Nahoana moa ny sasany no gaga mahita ny anaran’Andriamanitra ao amin’ny Baiboliny?
19 Gaga ny olona sasany rehefa mahafantatra fa hita ao amin’ny Baiboly ny anaran’Andriamanitra. Ny antony dia satria mahalana ny Baibolin’izy ireo no mampiasa azy io mihitsy. Mandrakariva izy io dia soloana amin’ny hoe “ny Mandrakizay” na “TOMPO” sy “ANDRIAMANITRA” amin’ny sora-baventy mba hampiavahana azy amin’ny anarana iombonana hoe “Tompo” sy “Andriamanitra”. — Jereo ny Salamo 110:1, Fandikan-teny eokiomenikan’ny Baiboly.
20. a) Nahoana moa ny anaran’Andriamanitra no tsy nampiasaina matetika? b) Tokony hampiasaina ve izy io?
20 “Nefa, hoy ny mety ho fanontanianao, nahoana ny anaran’Andriamanitra no tsy hita ao amin’izay nisehoany tao amin’ny soratra tany am-boalohany? Nahoana izy io no nosoloana tamin’ny hoe ny Mandrakizay sy TOMPO?” Ao amin’ny sasin-teniny, ny American Standard Version dia manazava ny antony ampiasany ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah, sy ny antony tsy nampiasana ilay anarana nandritra ny fotoana ela: “Taorian’ny fandinihana amim-pitandremana, ireo mpanao fanavaozana amerikana dia tonga tamin’ny famaranan-kevitra iombonana fa ny finoanoam-poana jiosy iray, izay nihevitra ny anaran’Andriamanitra ho masina loatra ka tsy tokony
hotononina, dia tsy tokony hanapaka intsony eo amin’ny fandikan-teny anglisy na ny hafa. (...) Io anarana manokana io, miaraka amin’ny zava-masina rehetra mifandray aminy, dia naverina amin’ny laoniny ankehitriny ao amin’ny soratra masina izay ananany zo tsy azo lavina.” Eny, ireo olona izay nandika ny Baiboly ho amin’ny teny anglisy dia nahatsapa fa tsy tsara ireo antony namelana ny anaran’Andriamanitra. Koa naveriny tao anatin’ny Baiboly izy io teo amin’ireo toerany ara-dalàna.21. Inona moa no ambaran’ny Baiboly katolikan’i Douay momba ny anaran’Andriamanitra?
21 Ao anefa ireo izay milaza amim-panoherana fa ny teny hoe “Jehovah” dia tsy tokony hampiasaina satria izy io tsy tena ny anaran’Andriamanitra. Ohatra, ny Fandikan-tenin’i Douay (katolika) izay tsy mampiasa ny anaran’Andriamanitra ao anatiny, dia milaza toy izao eo amin’ny fanamarihany ambany pejy momba ny Eksodosy 6:3: “Noforonin’ny mpandinika Baiboly sasany ny anarana hoe Jehovah (...) ny tena fanononana ilay anarana, izay ao amin’ny soratra hebreo, noho ny tsy fampiasana azy naharitra ela, dia very tanteraka ankehitriny.”
22. a) Ahoana no ampisehoana ny anaran’Andriamanitra amin’ny fiteny hebreo? b) Nahoana moa no misy zava-manahirana eo amin’ny fahafantarana ny fomba nanononana ny anaran’Andriamanitra tany am-boalohany?
22 Eny, araka ny ambaran’ilay Baiboly katolika eto, ny anaran’Andriamanitra dia miseho ao amin’ny soratra hebreo, fiteny izay nanoratana ny boky 39 voalohany ao amin’ny Baiboly. Ao ilay anarana dia aseho amin’ny litera hebreo efatra hoe YHWH. Fahiny ny teny hebreo dia nosoratana tsy nisy zanatsoratra, dia litera toy ny a, e, i, o sy y izay manampy antsika hanome ny feo mety ho an’ireo teny. Ny zava-manahirana àry amin’izao andro izao dia ny tsy ananantsika fomba hamantarana marina hoe zanatsoratra inona no nampiasain’ny Hebreo niaraka tamin’ireo renisoratra YHWH.
23. Amin’ny ahoana ny fanononana ny “hvn” ho an’ny hoe “havoana” no afaka manampy antsika hahatakatra ny zava-manahirana eo amin’ny fanononana ny anaran’Andriamanitra?
23 Mba hanampiana antsika hahatakatra ilay zava-manahirana dia hevero ny teny hoe “havoana”. Aoka hatao hoe nanomboka nosoratana foana tamin’ny “hvn” izany, ary rehefa nandeha ny fotoana dia tsy notononina intsony mihitsy ilay teny. Ahoana àry no hahafantaran’ny olona iray velona 1000 taona atỳ aoriana ny fomba fanonona ny hoe “hvn” rehefa hitany nosoratana izany? Satria tsy mbola nahare izany mihitsy notononina izy ary tsy fantany hoe zanatsoratra inona no tao amin’ilay teny, dia azo antoka fa tsy hahafantatra izany izy. Mitovy amin’izany amin’ny anaran’Andriamanitra. Tsy tena fantatra marina ny fomba nanononana azy, na dia mihevitra aza ny mpandinika Baiboly
sasany fa marina ny hoe “Yahweh”. Kanefa, ny endriny hoe “Jehovah” dia nampiasaina nandritra ny taonjato maro ary miely bebe kokoa.24. a) Mba ho ara-dalàna, nahoana moa no mety ny hampiasantsika ny anaran’Andriamanitra? b) Rehefa jerena ny Asan’ny apostoly 15:14, nahoana moa no zava-dehibe ny hampiasana ny anaran’Andriamanitra?
24 Kanefa tokony hampiasa ny anaran’Andriamanitra ve isika, na dia tsy afaka hiteny izany tsy misy hafa amin’ny fomba nanononana azy tany am-boalohany aza isika? Eny, ampiasaintsika ny anaran’olon-kafa ao amin’ny Baiboly, na dia tsy tenenintsika amin’ny fomba nanononana azy ireny tamin’ny teny hebreo tany am-boalohany aza. Ohatra, tononina hoe “Yesh’ua” ny anaran’i Jesosy amin’ny teny hebreo. Toy izany koa dia mety ny hampiasana ny anaran’Andriamanitra, izay aseho ao amin’ny Baiboly, na tononintsika hoe “Yahweh”, “Jehovah”, izy io na amin’ny fomba hafa iray mahazatra ao amin’ny fiteninao. Ny ratsy dia ny tsy fetezana hampiasa ilay anarana. Nahoana? Satria ireo izay tsy mampiasa azy io dia tsy ho azo tondroina ho anisan’ireo izay nalain’Andriamanitra ho ‘olona ho an’ny anarany’. (Asan’ny apostoly 15:14) Tsy hoe tokony hahafantatra ny anaran’Andriamanitra fotsiny isika fa hidera izany eo anatrehan’ny hafa koa, toy ny nataon’i Jesosy fony izy tetỳ an-tany. — Matio 6:9; Jaona 17:6, 26.
ANDRIAMANITRA IRAY MANANA FIKASANA
25. a) Zavatra inona momba an’Andriamanitra moa no mety ho sarotra amintsika ny mahatakatra azy? b) Inona moa no nanosika an’i Jehovah hanomboka hamorona?
25 Tsy nanam-piandohana mihitsy Jehovah ary tsy hanam-piafarana mihitsy, na dia mety ho sarotra amin’ny saintsika aza ny mahatakatra izany. Izy no “Mpanjaka tsy manan-taloha”. (Salamo 90:2; I Timoty 1:17) Talohan’ny nanombohany namorona dia irery tanteraka teo amin’izao rehetra izao midadasika Jehovah. Kanefa tsy nety ho nanirery izy, satria feno ao amin’ny tenany izy ary tsy ory na inona na inona. Ny fitiavana no nanosika azy hanomboka hamorona, hanome ny fiainana ho an’ny hafa mba hifaliany. Ireo zavaboary voalohan’Andriamanitra dia persona ara-panahy tahaka ny tenany ihany. Nanana fandaminana lehibe voaforon’ny zanaka any an-danitra izy na dia talohan’ny nanomanana ny tany ho an’ny olombelona aza. Jehovah dia nikasa ny mba hahitan’izy ireo fahafinaretana lehibe amin’ny fiainana sy ny asa izay nomeny hataon’izy ireo. — Joba 38:4, 7.
26. Nahoana moa no afaka matoky isika fa ho tanteraka ny fikasan’Andriamanitra ny amin’ny tany?
26 Rehefa voaomana ny tany, Jehovah dia nametraka mpivady iray, Adama sy Eva, tao amin’ny faritra iray amin’ny tany efa natao paradisa. Ny fikasany dia ny hananan’izy ireo zanaka izay hankatò azy sy hivavaka aminy, ary hanitatra izany paradisa izany manerana ny tany Genesisy 1:27, 28) Araka ny efa nianarantsika anefa, dia voasakantsakana izany fikasana lehibe izany. Nifidy ny tsy hankatò an’Andriamanitra i Adama sy Eva, ary tsy tanteraka ny fikasan’Andriamanitra. Nefa ho tanteraka izany, satria ny tsy fahavitan’i Jehovah izay kasainy hatao dia hilaza faharesena ho azy. Ary tsy hety ho izany na oviana na oviana! “Hefaiko ny sitrapoko rehetra”, hoy ny ambarany. “Sady efa niteny izany Aho no hahatanteraka azy koa”. — Isaia 46:10, 11.
rehetra. (27. a) Nahoana moa no tompon’andraikitra eo anatrehan’Andriamanitra isika? b) Koa fanontaniana inona no tokony hoeritreretintsika amin’ny fomba lalina?
27 Hitanao ve hoe aiza ny toeranao ao amin’ny fikasan’Andriamanitra? Izany dia tsy amin’ny fanaovana tsotra fotsiny izay irinao hatao tsy misy fiheverana izay sitrapon’Andriamanitra. Izany no nataon’i Satana sy Adama ary Eva. Fantatr’izy ireo izay sitrapon’Andriamanitra nefa tsy nanao izany izy. Ary noheverin’Andriamanitra ho tompon’andraikitra izy ireo. Moa ve isika tompon’andraikitra koa eo anatrehan’Andriamanitra? Eny, satria izy no Loharanon’ny fiainantsika. Miankina aminy ny fiainantsika. (Salamo 36:9; Matio 5:45) Hatraiza àry no iainantsika mifanaraka amin’ny fikasan’Andriamanitra ny amintsika? Tokony hieritreritra lalina ny amin’izany isika, satria miankina amin’izany ny fahafahantsika ho velona mandrakizay.
NY FOMBA HIVAVAHANA AMIN’ANDRIAMANITRA
28. Fanampiana inona moa no nampiasain’ny olona sasany mba hivavahana amin’Andriamanitra?
28 Zava-dehibe ny fomba ivavahantsika amin’Andriamanitra. Tokony hivavaka amin’ny fomba izay lazainy isika, na dia mety ho samy hafa amin’ny fomba nampianarina antsika aza izany. Ohatra, fomban’ny olona sasany ny mampiasa sary eo amin’ny fanompoam-pivavahany. Mety hilaza izy ireny fa tsy mivavaka amin’ilay sary, nefa ny
fahitana sy fikasihana izany dia manampy azy ireny hivavaka amin’Andriamanitra. Kanefa irin’Andriamanitra ve ny hivavahantsika aminy amin’ny fanampian’ny sary?29. Ahoana moa no ampisehoan’ny Baiboly fa ratsy ny mampiasa sary eo amin’ny fanompoam-pivavahana?
29 Tsia, tsy iriny izany. Ary noho izany antony izany no nilazan’i Mosesy tamin’ny Isiraelita fa Andriamanitra dia tsy niseho tamin’izy ireo tamin’ny endrika hita maso. (Deoteronomia 4:15-19) Raha ny marina, ny iray amin’ny Didy Folo dia manao hoe: “Tsy hanao sarin-javatra voasokitra ho anao na sary fampisehoana ny zavatra (...) Tsy hiankohoka eo anatrehan’ireny na hanompo azy akory hianao”. (Eksodosy 20:4, 5, Kat) Jehovah irery no tokony hivavahana. Matetika ny Baiboly no mampiseho fa ratsy ny manao sary iray na ny miankohoka eo anoloany, na koa ny manolotra fankalazana ho an’olona iray na zavatra iray afa-tsy Jehovah. — Isaia 44:14-20; 46:6, 7; Salamo 115:4-8.
30. a) Inona moa no nambaran’i Jesosy sy ny apostoliny ka mampiseho fa ratsy ny fampiasana sary? b) Araka ny Deoteronomia 7:25, tokony hatao ahoana moa ny sary?
30 Araka ny mety ho nanampoizantsika azy àry, Jesosy dia tsy nampiasa na oviana na oviana sary teo amin’ny fanompoam-pivavahana. “Andriamanitra dia Fanahy”, hoy ny fanazavany, “ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin’ny fanahy sy ny fahamarinana”. (Jaona 4:24) Nanao zavatra nifanaraka tamin’io torohevitra io ireo mpanara-dia voalohany an’i Jesosy ka tsy nisy nampiasa sary ho toy ny fanampiana eo amin’ny fanompoam-pivavahana. Nanoratra tokoa Paoly apostoly hoe: “Finoana no andehanantsika, fa tsy fahitana”. (II Korintiana 5:7) Ary nampitandrina Jaona apostoliny hoe: “Arovy ny tenanareo amin’ny sampy.” (I Jaona 5:21) Nahoana moa raha mijery manodidina ny tranonao ary manontany tena raha manaraka io torohevitra io ianao? — Deoteronomia 7:25.
31. a) Na dia mety tsy ho takatsika aza ny anton’ny lalàna iray nomen’Andriamanitra, inona moa no hanosika antsika hankatò izany? b) Inona moa no tokony hiezahantsika mba hatao, ary fanasana inona no tokony hekentsika?
31 Ny fanompoana an’i Jehovah, ilay Mpamorona, amin’ny fomba atorony dia azo antoka fa hitondra ho antsika ny tena fahasambarana. (Jeremia 14:22) Asehon’ny Baiboly fa mahatsara antsika ireo fepetra takiny, ary mitsinjo ny hahasoa antsika mandrakizay. Marina fa mety hisy fotoana, noho ny fahalalantsika sy ny fanandramantsika voafetra, tsy hankamamiantsika amin’ny fomba feno ny antony maha-zava-dehibe aoka izany ny lalàna iray nomen’Andriamanitra na koa ny fomba iasan’izany marina tokoa ho an’ny tombontsoantsika. Kanefa ny finoantsika mafy orina fa mahalala be lavitra noho isika Andriamanitra dia tokony hanosika antsika hankatò azy an-tsitrapo tanteraka. (Salamo 19:7-11) Aoka àry isika hanao ny fiezahana rehetra mba hianatra izay rehetra azontsika ianarana momba an’i Jehovah ka hanaiky ny fanasany manao hoe: “Avia, ka aoka hiondrika sy hiankohoka isika; aoka isika handohalika eo anatrehan’i Jehovah, Mpanao antsika; fa Izy no Andriamanitsika; ary olona fiandriny sy ondry tandremany isika.” — Salamo 95:6, 7.
[Fanontaniana]
[Efajoro, pejy 42]
Toerana efatra izay ahitana ny anaran’Andriamanitra ao amin’ny Fandikan-teny malagasy.
3 ary tamin’ny anarako hoe ANDRIAMANITRA TSITOHA no nisehoako tamin’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, fa ny anarako hoe JEHOVAH tsy mbola nahafantarany Ahy.
18 Ary aoka ho fantany fa Hianao irery ihany, Izay atao hoe Jehovah, No Ilay Avo Indrindra ambonin’ny tany rehetra.
2 Indro, Andriamanitra no famonjena ahy; Dia hatoky aho, fa tsy mba hatahotra; Fa Jehovah Tompo no heriko sy fiderako, Fa efa famonjena ahy Izy.
4 Matokia an’i Jehovah mandrakizay, Fa Jehovah Tompo no Vatolampy mandrakizay.
[Sary, pejy 34, 35]
Raha manana mpanao ny trano iray, (...) dia azo antoka fa tsy maintsy manana Mpanao koa izao rehetra izao be kojakojany kokoa.
[Sary, pejy 39]
Satria nivavaka tamin’Andriamanitra i Jesosy, nangataka mba hanaovana ny sitrapon’-Andriamanitra, fa tsy ny azy, dia tsy nety ho persona iray ihany izy roa ireo.
[Sary, pejy 40, 41]
Ahoana no hetezan’ny fanahy masina ho persona iray, rehefa nameno mpianatra eo amin’ny 120 izy tamin’ny fotoana iray ihany?
[Sary, pejy 45]
Mety ve ny mampiasa sary eo amin’ny fanompoam-pivavahana?