Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana isika no eto?

Nahoana isika no eto?

Toko faha-7

Nahoana isika no eto?

1. Tonga amin’ny fanatsoahan-kevitra hoe ahoana moa ny olona mieritreritra tsara?

HATRAMIN’NY ela ny olona dia nanontany tena ny amin’ny dikan’ny fiainana eto an-tany. Nijery ny lanitra midadasika feno kintana izy. Nandinika ny filentehan’ny masoandro mareva-doko sy ny hatsaran-tarehin’ny any ambanivohitra izy. Ny olona misaina dia niteny anakampo fa tsy maintsy misy fikasana lehibe iray niandohan’ireo zavatra rehetra ireo. Nefa matetika izy no nanontany tena hoe inona no toerany ao amin’io fikasana io. — Salamo 8:3, 4.

2. Inona avy no fanontaniana apetraka?

2 Manontany toy izao ny ankamaroan’ny olona amin’ny fotoana iray eo amin’ny fiainana: Moa ve isika natao fotsiny hiaina fotoana fohy, handray izay azontsika raisina avy amin’ny fiainana, ary avy eo dia ho faty? Mankaiza marina moa isika? Moa ve misy zavatra bebe kokoa azontsika antenaina noho ny fihodinkodinana fohin’ny fahaterahana, ny fiainana ary ny fahafatesana? (Joba 14:1, 2) Ny hanampy antsika hahatakatra io raharaha io dia ny valin’ny fanontaniana hoe: Ahoana no nahatongavantsika teto?

FIVOARANA MIANDALANA SA FAMORONANA?

3. Inona moa ny fampianarana ny amin’ny fivoarana miandalana?

3 Any amin’ny toerana sasany dia fampianarana miely ny hoe ny zavatra rehetra hitantsika dia nipoitra ho azy teo, niseho avy amin’ny kisendrasendra na tsy nampoizina. Lazaina fa ny fiainana dia nivoatra miandalana na nitombo tao anatin’ny an-tapitrisany taona maro, avy amin’ny endriny ambany ambara-pisehon’ny olombelona tamin’ny farany. Ao amin’ny faritra maro amin’ny tany dia ampianarina ho toy ny zava-misy io tsangan-kevitra ny amin’ny fivoarana miandalana io. Nefa marina ve fa isika dia avy tamin’ny biby iray toy ny rajako izay velona an-tapitrisany taona lasa izay? Moa ve izao rehetra izao midadasika tongatonga fotsiny tamin’ny kisendrasendra?

4. Nahoana moa no afaka mino isika fa “Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany”?

4 Hoy ny Baiboly: “Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany.” (Genesisy 1:1) Ary manaiky ny zava-misy araka ny siansa fa ny lanitra, miaraka amin’ny kintany an’arivo tapitrisany maro, sy ny tanintsika, dia nanam-piandohana. Noforonina izy ireny. Ny fihetsehan’ny kintana sy ny planeta dia ara-potoana aoka izany ka na dia taona maro mialoha aza dia azo faritana marina tanteraka ny toeran’izy ireo. Ny kintana sy ny planeta dia mihetsika eo amin’izao rehetra izao araka ny lalàna sy ny fotopoto-pitsipiky ny matematika. P. Dirac, mpampianatra matematika iray any amin’ny Oniversiten’i Cambridge, dia niteny toy izao, tao amin’ny gazety Scientific American: “Ho azo atao angamba ny hamintina ny toe-javatra amin’ny filazana fa Andriamanitra dia mpanao matematika tena ambony laharana, ary nampiasa matematika tena ambony izy mba hanorenana izao rehetra izao.”

5. Ahoana moa no ampisehoan’ny vatantsika olombelona fa noforonina isika fa tsy vokatry ny fivoarana miandalana?

5 Manambara ny Baiboly hoe: “Aoka ho fantatrareo fa Jehovah no Andriamanitra; Izy no nanao antsika, ary Azy isika [fa tsy ny tenantsika, MN]”. (Salamo 100:3) Ny vatantsika olombelona dia mampiseho fikasana mahatalanjona aoka izany, hany ka voatosika hiteny tamin’Andriamanitra toy izao ny mpanoratra Baiboly iray: “Hidera Anao aho; fa mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy (...) Ny tenako [taolako, MN] tsy niafina taminao, fony natao tao amin’ny miafina aho (...) Ny masonao efa nahita ahy na dia fony tsy mbola ary fady aza aho; voasoratra teo amin’ny bokinao avokoa ny andro voatendry”. (Salamo 139:14-16) Mitombo eo an-kibon-dreniny amin’ny fomba mahatalanjona ny zazakely iray. Hoy ny gazety Newsweek momba izany: “Fahagagana tsotra fotsiny izao izany.” Avy eo dia manampy izy hoe: “tsy misy teknika ahazoana mamaritra ny fotoan’ny fahatorontoronina. Tsy misy manam-pahaizana afaka mamantatra ireo hery mampitolagaga mandresy amin’izay mba hampitomboana ireo taova sy fitambaran-kozatra be dia be amin’ny olona mbola torontoronina.”

6. Nahoana moa no ara-dalàna ny hinoantsika ny famoronana fa tsy ny fivoarana miandalana?

6 Eritrereto ny amin’izao rehetra izao midadasika toy izany koa ny tenantsika manokana miaraka amin’ny fanamboarana sy fikasana azy mahatalanjona. Ny fisainana ara-dalàna dia tokony hilaza amintsika fa ireo zavatra ireo dia tsy nivoatra miandalana na tongatonga tamin’izao fotsiny. Tsy maintsy nanana Mpamolavola hevitra, Mpamorona, izy ireo. Hevero ny zavatra hafa hitantsika manodidina antsika. Rehefa ao an-tranonao ianao, dia manontania tena hoe: Moa ve ny biraoko, ny jiroko, ny farafarako, ny sezako, ny latabatro, ireo rindrina na ny trano mihitsy koa aza, nivoatra miandalana? Sa nila mpanamboatra izy ireo? Mazava ho azy fa nisy olona manan-tsaina tsy maintsy nanamboatra azy ireny! Ahoana àry no ilazana fa ny izao rehetra izao be kojakojany kokoa misy antsika sy ny tenantsika dia tsy nanana mpanamboatra? Ary raha nametraka antsika eto Andriamanitra, dia azo antoka fa nanana antony nanaovana izany izy.

7. a) Ahoana moa no nampisehoan’i Jesosy fa nino ny famoronana izy? b) Porofo hafa inona moa no ananantsika fa olona tena nisy i Adama?

7 Izao no nolazain’i Jesosy mihitsy momba ny lehilahy sy ny vehivavy voalohany: “Izay nahary azy tamin’ny voalohany dia nahary azy ho lahy sy vavy, ka dia nanao hoe: ‘Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny; ary dia ho nofo iray ihany izy roroa”. (Matio 19:4, 5) Eto Jesosy dia naka teny avy tao amin’ny Genesisy 1:27 sy 2:24 mifandray amin’ny famoronana an’i Adama sy Eva. Tamin’izany dia notondroiny fa marina io fitantarana ao amin’ny Baiboly io (Jaona 17:17). Ny Baiboly koa dia miantso an’i Enoka ho “ilay fahafito nandimby an’i Adama”. (Joda 14) Raha ohatra ka tsy olona tena nisy i Adama, ny Baiboly dia tsy ho nanavaka azy tamin’io fomba manokana io. — Lioka 3:37, 38.

8. Fiheverana inona momba ny fiandohan’ny olombelona moa no tsy ampianarin’ny Baiboly?

8 Ny olona sasany dia milaza fa nampiasa ny fandaharam-pivoarana miandalana Andriamanitra mba hamoronana ny olombelona. Milaza izy ireny fa Andriamanitra dia namela ny olona hivoatra miandalana, ary rehefa nahatratra tanjona iray izy dia nametrahany fanahy tao aminy. Nefa tsy hita na aiza na aiza ao amin’ny Baiboly io hevitra io. Milaza kosa aza ny Baiboly fa ny zavamaniry sy ny biby dia noforonina “samy araka ny karazany avy”. (Genesisy 1:11, 21, 24) Ary mampiseho ny zava-misy fa ny karazan-javamaniry na biby iray, rehefa mandeha ny fotoana, dia tsy miova ho karazana hafa iray. Azo atao ny mahita filazalazana bebe kokoa mba hanaporofoana fa tsy vokatry ny fivoarana miandalana isika ao amin’ilay boky hoe La Vie: Comment est-elle apparue? Evolution ou Création?

NY FOMBA NAMORONAN’ANDRIAMANITRA NY OLONA

9. a) Ahoana moa no ilazalazan’ny Baiboly ny famoronana ny olona? b) Inona moa no nitranga rehefa nitsoka ny “fofonaina mahavelona” tao amin’ny vavoron’ny olona Andriamanitra?

9 Andriamanitra dia namorona ny olona avy tamin’ny tany mba hiaina eto an-tany, araka ny voalazan’ny Baiboly hoe: “Ary vovo-tany no namoronan’i Jehovah Andriamanitra ny olona, ary nofofoniny fofonaina mahavelona ny vavorony; dia tonga olombelona [fanahy velona, MN] izy.” (Genesisy 2:7) Azontsika jerena avy amin’izany fa ny olona dia noforonin’Andriamanitra mivantana. Tamin’ny asa famoronana manokana, dia nanao ny olona ho persona feno sy manontolo Andriamanitra. Rehefa notsofin’Andriamanitra tao amin’ny vavorony ny “fofonaina mahavelona”, dia feno rivotra ny avokavoky ny olona. Nefa mihoatra noho izany no vita. Tamin’izany no nanomezany ny aina tao amin’ny vatan’ny olona. Io herim-piainana io dia hohazonin’ny fofonaina na karakarainy.

10. Inona moa ny fanahy olombelona, ary ahoana no namoronana azy?

10 Mariho anefa fa tsy milaza ny Baiboly hoe nanome fanahy ny olona Andriamanitra. Milaza kosa izy fa taorian’ny nampiainan’Andriamanitra ny olona dia “tonga olombelona [fanahy velona, MN] izy”. Koa ny olona àry dia fanahy, toy ny maha-dokotera ny lehilahy iray izay lasa dokotera. (I Korintiana 15:45) Tsy ny “vovo-tany” izay namoronana ny vatana ara-nofo akory no fanahy. Tsy milaza koa ny Baiboly hoe ny “fofonaina mahavelona” no fanahy. Mampiseho kosa ny Baiboly fa ny fitambaran’ireo zavatra roa ireo no nitarika ny ‘fahatongavan’ny olona ho fanahy velona’.

11. Toe-javatra inona voalaza ao amin’ny Baiboly momba ny fanahy olombelona moa no mampiseho fa tsy mety ho zavatra tsy hita maso izay afaka miaina ivelan’ny olona izy io?

11 Satria ny fanahy olombelona dia ny olona mihitsy, dia tsy mety ho zavatra iray tsy hita maso izay velona ao anatin’ny vatana na afaka mandao ny vatana izany. Amin’ny teny fohy, ny Baiboly dia mampianatra fa ianao no fanahinao. Ohatra, ny Baiboly dia miresaka ny amin’ny fanirian’ny fanahy hihinana sakafo ara-nofo, amin’ny filazana hoe: “Maniry hihinan-kena ny fanahinao”. (Deoteronomia 12:20) Milaza koa izy fa ny fanahy dia manana ra mikoriana ao anatin’ireo lalan-drany, satria izy dia miresaka ny amin’ny “ran’ny olona [fanahy, MN] malahelo izay tsy manan-tsiny”. — Jeremia 2:34.

NAHOANA ANDRIAMANITRA NO NAMETRAKA NY OLONA ETO

12. Inona moa no fikasan’Andriamanitra ny amin’ny olombelona teto an-tany?

12 Tsy fikasan’Andriamanitra ny hahafaty an’i Adama sy Eva aorian’ny fotoana kely sy ny hiainany any an-toeran-kafa. Tokony hijanona eto izy mba hikarakara ny tany sy ny zava-miaina rehetra ao aminy. Hoy ny Baiboly hoe: “Andriamanitra nitso-drano azy hoe: Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy; ary manjakà amin’ny hazandrano ao amin’ny ranomasina sy ny voro-manidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin’ny tany.” (Genesisy 1:28; 2:15) Adama sy Eva, toy izany koa ireo zanaka rehetra izay hananany, dia nety ho sambatra mandrakizay teto an-tany, amin’ny fanaovana ireo zavatra nirin’Andriamanitra hataony.

13. a) Ahoana no mety hahasambatra antsika? b) Inona moa no hanome heviny marina tokoa ho an’ny fiainantsika?

13 Mariho fa ‘nitso-drano azy Andriamanitra’. Tena niahy ireo zanany teto an-tany izy. Tamin’ny naha-Ray be fitiavana azy àry dia nomeny azy ireo ny toromarika izay hahasoa azy ireo. Ho nahita fahasambarana izy ireo tamin’ny fanarahana izany. Fantatr’i Jesosy ny amin’io, koa nilaza izy taty aoriana hoe: “Sambatra (...) ny mihaino ny tenin’Andriamanitra ka mitandrina izany.” (Lioka 11:28) Nitandrina ny tenin’Andriamanitra i Jesosy. “Izaho manao izay sitrany mandrakariva”, hoy ny teniny. (Jaona 8:29) Izany indrindra no anton’ny fisiantsika eto: Ny hanana fiainana feno sy sambatra amin’ny fanarahana ny sitrapon’Andriamanitra. Hanome heviny marina tokoa ho an’ny fiainantsika ankehitriny ny fanompoana an’i Jehovah. Ary amin’ny fanaovana izany dia hametraka ny tenantsika eo amin’ny laharana mba hahavelomana mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany isika. — Salamo 37:11, 29.

NAHOANA NO MIHANTITRA SY MATY ISIKA?

14. Tamin’ny tsy fankatoavana ny didin’Andriamanitra, inona moa no nataon’i Adama sy Eva?

14 Nefa ankehitriny dia mihantitra sy maty isika rehetra. Nahoana? Araka ny voamarika tao amin’ny toko teo aloha, izany dia noho ny fikomian’i Adama sy Eva. Jehovah dia nametraka tamin’izy ireo fitsapana iray izay nampiseho fa nilaina ny hankatoavan’izy ireo an’Andriamanitra. Hoy izy tamin’i Adama: “Ny hazo rehetra eo amin’ny saha dia azonao ihinanana ihany; fa ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia aza ihinanana, fa amin’ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa hianao.” (Genesisy 2:16, 17) Tamin’ny fihinanana avy amin’io hazo io, Adama sy Eva dia niodina tamin’ny Rain’izy ireo any an-danitra ary nanda ny fitarihany. Tsy nankatò izy ireo ary naka izay tsy azy. Nety ho velona mandrakizay tamim-pahasambarana tao amin’ny paradisa iray izy, tsy nahita fahantrana na fijaliana, nefa izao izy dia nampitsingerina tamin’ny tenany ny sazin’ny fahotana. Io sazy io dia ny tsy fahatanterahana sy ny fahafatesana. — Romana 6:23.

15. Ahoana moa no nahazoantsika ny fahotantsika avy tamin’i Adama?

15 Fantatrao ve ny fomba nahazoantsika ny fahotana avy tamin’i Adama? Taorian’ny nahatongavan’i Adama ho tsy tanteraka, dia namindra tamin’ny zanany rehetra izany tsy fahatanterahana izany sy ny fahafatesana izy. (Joba 14:4; Romana 5:12) Ho fanampiana anao hahatakatra ilay raharaha, dia hevero izay mitranga rehefa misy mpanao mofo manao mofo ao anatin’ny lasitra iray misy mivohitra ao aminy. Hisy marika hiseho eo amin’ny mofo rehetra izay masahina ao amin’izany lasitra izany. Nanjary sahala amin’io lasitra io i Adama, ary sahala amin’ilay mofo isika. Nanjary tsy tanteraka izy rehefa nandika ny lalàn’Andriamanitra. Toy ny hoe naharay mivohitra iray na marika ratsy iray izy. Koa rehefa nanan-janaka izy, dia nandray io marika mitovy io izy rehetra, dia ny ota sy ny tsy fahatanterahana.

16, 17. Ahoana moa no ampisehoan’ny iray amin’ny fahagagana nataon’i Jesosy fa ny aretina dia tonga teo amin’ny fianakavian’olombelona noho ny fahotana?

16 Marary isika ary mihantitra amin’izao fotoana izao noho ny fahotana izay noraisintsika rehetra avy tamin’i Adama. Mampiseho izany ny iray tamin’ireo fahagagana nataon’i Jesosy. Raha mbola nampianatra tao amin’ny trano izay nitoerany i Jesosy, dia nisy vahoaka betsaka niangona ka tsy nisy olon-kafa afaka nisisika nankao an-trano. Rehefa nitondra lehilahy nalemy iray natory teo amin’ny fandriana ny lehilahy efatra, dia hitan’izy ireo fa tsy afaka hiditra tao an-trano izy. Koa nankany an-tampon-trano izy ireo, nandoahany izany, ary nampidininy ilay fandriana sy ilay lehilahy nalemy, hatreo anilan’i Jesosy.

17 Rehefa hitan’i Jesosy ny halehiben’ny finoan’izy ireo, dia hoy izy tamin’ilay lehilahy nalemy: “Voavela ny helokao”. Nefa ny sasany tamin’ny olona teo dia tsy nihevitra hoe afaka namela heloka i Jesosy. Koa niteny Jesosy hoe: “Mba ho fantatrareo fa ny Zanak’olona manana fahefana etỳ ambonin’ny tany hamela heloka, dia lazaiko aminao (hoy Izy tamin’ilay mararin’ny paralysisa): Mitsangàna, betao ny fandrianao, ka modia any an-tranonao. Dia nitsangana izy ka nambeta ny fandriany niaraka tamin’izay ary niala teo anatrehan’ny olona rehetra”. — Marka 2:1-12.

18. Karazana ho avy inona moa no azon’ny mpanompon’Andriamanitra antenaina?

18 Hevero kely ny mety ho vokatr’izany herin’i Jesosy izany ho antsika! Eo ambany fanapahan’ny fanjakan’Andriamanitra, Kristy dia ho afaka hamela ny fahotan’ny olona rehetra izay tia sy manompo an’Andriamanitra. Milaza izany fa ny rofy sy ny fanaintainana ary ny aretina rehetra dia hesorina. Tsy misy olona voatery hihantitra sy ho faty! Endrey fa fanantenana mahatalanjona izany ho an’ny ho avy! Eny, marina tokoa fa misy zavatra bebe kokoa azontsika antenaina noho ny hoe teraka, miaina fotoana fohy ary avy eo dia maty! Amin’ny fanohizana mianatra ny amin’Andriamanitra sy amin’ny fanompoana azy, dia ho afaka marina tokoa hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany isika.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 69]

Maro no manontany tena ny amin’ny dikan’ny fiainana.

[Sary, pejy 70]

Moa ve nivoatra miandalana ireo zavatra ireo, sa natao?

[Sary, pejy 75]

Ny fitantaran’ny Baiboly ny amin’ny fanasitranan’i Jesosy ilay malemy dia mampiseho fa marary ny olona noho ny fahotan’i Adama.