Nahoana no navelan’Andriamanitra hisy ny faharatsiana?
Toko faha-11
Nahoana no navelan’Andriamanitra hisy ny faharatsiana?
1. a) Manao ahoana ny tarehin-javatra amin’izao andro izao? b) Inona no fiampangana ataon’ny sasany?
HATRAIZA hatraiza maneran-tany, dia misy famonoana olona sy fankahalana ary fikorontanana. Matetika no iharam-pahavoazana amin’izany ny tsy manan-tsiny. Misy manome tsiny an’Andriamanitra amin’ny filazana hoe: “Raha misy Andriamanitra, nahoana no leferiny ny faharatsiana?”
2. a) Iza no manao ratsy? b) Ahoana no mety hitsimbinan’ny olona tena amin’ny fahoriana?
2 Iza anefa no manao ratsy? Ny olona fa tsy Andriamanitra. Melohin’Andriamanitra ny fanaovan-dratsy. Raha ny marina dia ho nitsimbina ny tenany tamin’ny fahoriana maro ny olombelona raha nankatò ireo lalàn’Andriamanitra. Mandidy antsika mba ho tia Andriamanitra. Rarany ny famonoana olona, ny halatra, ny fijangajangana, ny fitiavan-karena fatratra, ny fimamoana mbamin’ny fanaovan-dratsy hafa miteraka fahoriana (Romana 13:9; Efesiana 5:3, 18). Nomen’Andriamanitra atidoha sy tena tanteraka Adama sy Eva ary nomeny fahafahana hifaly amin’ny fiainana amin’ny fomba feno. Tsy niriny ho ory izy mivady sy ireo zanany.
3. a) Iza no fototry ny faharatsiana? b) Inona no mampiseho fa nety ho afaka nahatohitra ny fakam-panahy avy amin’ny Devoly Adama sy Eva?
3 Satana Devoly no fototry ny faharatsiana. Tsy hoe afa-tsiny anefa Adama sy Eva. Nety ho afaka nahatohitra ny Devoly izay naka fanahy azy izy ireo. Toy ny nataon’i Jesosy olona tanteraka, dia nety ho afaka nilaza izy ireo hoe: “Mandehana hianao”! (Matio 4:10). Tsy nanao izany anefa izy ireo. Tonga tsy tanteraka àry izy ireo. Ny zanany rehetra, anisan’izany isika, dia nandova izany tsy fahatanterahana izany izay niteraka ny aretina sy ny alahelo ary ny fahafatesana (Romana 5:12). Fa nahoana no noleferin’Andriamanitra ny fahoriana?
4. Inona no manampy antsika hahatakatra ny antony amelan’Andriamanitra ny ratsy hisy vetivety?
4 Hisy angamba hilaza fa tsy misy na inona na inona manamarina
ny fileferana eo anoloan’ny faharatsiana toy izany mandritra ny taonjato maro. Mety anefa ve ny hiheverana toy izany? Moa ve ny ray aman-dreny be fitiavana tsy hamela ny zanany hampiharana fandidiana sarotra izay hanitsy kilema iray? Izany tokoa, ary amin’ny famelana ny hisian’izany fanaintainana vetivety izany no hanampian’izy ireo ny zanany hanana fahasalamana tsara kokoa amin’ny manaraka. Inona no nilana ny famelan’Andriamanitra ny ratsy hisy?RAHARAHA LEHIBE IRAY TSY MAINTSY ALAMINA
5. a) Ahoana no nanoheran’i Satana ny voalazan’Andriamanitra? b) Inona no nampanantenain’i Satana an’i Eva?
5 Ny fikomiana tamin’Andriamanitra tany Edena dia niteraka raharaha lehibe iray tsara hodinihina mba hahatakarana tsara ny antony namelan’Andriamanitra ny hisian’ny zava-dratsy. Nilaza tamin’i Adama i Jehovah mba tsy hihinana tamin’ny hazo iray tao amin’ny saha. Inona no hitranga raha mihinana izany izy? Izao no nambaran’Andriamanitra: “Ho faty tokoa hianao.” (Genesisy 2:17). Nanohana ny mifanohitra amin’izany anefa Satana. Nanosika an’i Eva hihinana tamin’io hazo nandrarana io izy. “Tsy ho faty tsy akory hianareo”, hoy izy. Ary dia nampiany koa hoe: “Fa fantatr’Andriamanitra fa amin’izay andro hihinananareo azy dia hahiratra ny masonareo, ka ho tahaka an’Andriamanitra hianareo, hahalala ny tsara sy ny ratsy.” — Genesisy 3:1-5.
6. a) Nahoana moa Eva no tsy nankatò an’Andriamanitra? b) Nilaza inona ny fihinanana tamin’ny voan’ilay hazo nandrarana?
6 Tsy nankatò an’Andriamanitra i Eva satria nino an’i Satana. Nihevitra izy fa handray soa amin’ny tsy fankatoavany. Araka ny fiheverany, dia tsy hampamoaka azy sy Adama mihitsy ny Mpamorona na ho voatery hanaraka ny lalàny izy ireo. Ny tenan’izy ireo ihany no hanapaka ny amin’izay atao hoe “tsara” sy “ratsy”. Nanaraka an’i Eva i Adama ka nihinana tamin’ny voankazo nandrarana. Ny Baibolin’i Jerosalema dia manao izao famoaboasan-kevitra izao (fanamarihana ambany pejy) momba ny nanotan’ny olona tamin’Andriamanitra tamin’ny voalohany: “Izany dia fahafahan’ny tena ihany hanapaka ny amin’ny atao hoe tsara sy ratsy sy fanaovan-javatra araka izany, fitakiana fahaleovan-tena ara-pitondrantena. (...) Ny fahotana voalohany dia fanoherana ny fiandrianan’Andriamanitra.” Raha lazaina amin’ny teny hafa, izany dia fanoherana ny zon’Andriamanitra ho hany filohan’ny olona.
7. a) Nametraka fanontaniana inona ny tsy fankatoavan’ny olombelona? b) Inona avy no fanontaniana mety ny hamaliana azy mifandray amin’io fiadian-kevitra io?
7 Araka izany, rehefa nihinana tamin’ilay voankazo nandrarana Adama sy Eva dia niala tamin’ny fanapahan’Andriamanitra. Rehefa nanjary nahaleotena izy ireo dia nanapaka ny amin’ny atao hoe “tsara” na “ratsy”. Nisy fanontaniana iray lehibe nipetraka àry: Moa ve Andriamanitra manana zo ho hany filohan’ny olombelona? Raha lazaina amin’ny teny hafa, moa ve anjaran’Andriamanitra ny manapaka ny ami
n’izay atao hoe tsara sy ratsy ho an’ny olombelona? Anjarany ve ny milazalaza ny atao hoe fitondrantena tsara na ratsy? Sa ny olona no afaka manapa-tena tsara kokoa? Rehefa tarihin’i Satana amin’ny fomba tsy hita maso izy ireo, moa ve hainy ny manapaka amim-pahombiazana, tsy miankina amin’Andriamanitra? Sa ilaina ny fitarihan’Andriamanitra amin’ny fanorenana fitondram-panjakana marina iray izay hampanjaka mandrakizay ny fiadanana eto an-tany? Izany no fanontaniana nipetraka tamin’io fanoherana ny fiandrianan’Andriamanitra, ny maha-ara-dalàna ny zony ho hany filohan’ny olombelona, io.8. Nahoana moa Jehovah no tsy nandringana ireo mpikomy avy hatrany?
8 Marina fa nety ho azon’i Jehovah natao ny nanafoana ireo mpikomy telo ireo avy hatrany. Tsy misy isalasalana mihitsy ny amin’ny fahambonian’ny heriny oharina amin’ny azy ireo. Nefa moa ve ny fandringanana azy ireo no fomba tsara indrindra hanapahana ny fiadian-kevitra? Izany dia tsy ho namaly ny fanontaniana hoe hahay hanapa-tena amim-pahombiazana, tsy hiankina amin’Andriamanitra ve ny olombelona. Nametra fotoana àry Jehovah mba handaminana ilay raharaha lehibe tafiditra.
NY FANDAMINANA ILAY RAHARAHA NIPETRAKA
9, 10. Nampiseho inona ireo fiezahana nataon’ny olona mba hanapahan-tena tsy miankina amin’Andriamanitra?
9 Inona no nasehon’ny fotoana lasa raha ny amin’ny raharaha nipetraka? Moa ve ireo 6 000 taona nisian’ny Tantara nanaporofo fa nanapa-tena tamim-pahombiazana tsy nila ny fitarihan’Andriamanitra ny olombelona? Moa ve nanorina fitondram-panjakana tsara mba hahasambatra ny rehetra ny olona? Sa hamarinin’ny Tantara kosa fa tsy misy diso ireto tenin’i Jeremia mpaminany ireto: “[Tsy] an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany”? — Jeremia 10:23.
10 Tao anatin’ny taonjato maro, dia nandraman’ny olona izao karazam-pitondram-panjakana rehetra izao, nefa tsy nisy na dia iray aza nitondra filaminana sy ny tena fahasambarana. Nisy fandrosoana vita anefa, hoy angamba ny sasany. Nefa azo atao ve ny miresaka fandrosoana rehefa nosoloana baomba ataomika ny tsipìka sy ny zana-tsipìka ka miaina ao anatin’ny tahotra ady lehibe hafa iray izao tontolo izao? Marina fa mankeny amin’ny volana ny olona, nefa tsy mahay miaina amim-pihavanana eto an-tany izy. Inona no ilàny hanorina trano ary fomba raha mifandramatra ireo fianakaviana monina ao? Misy tokony hireharehana ve amin’ireo ady sy tabataba, ireo famoizana aina amam-pananana vokatry ny fitomboan’ny fahaOhabolana 19:3.
ratsiana? Tsy misy mihitsy! Toy izany anefa ny vokatra aterak’ireo fitondram-panjakana mihambo ho tsy mila an’Andriamanitra. —11. Miharihary tokoa fa mila inona ny olona?
11 Aoka isika hiaiky. Tsy nahomby tamin’ny fomba mampahonena ny fiezahan’ny olombelona hanapa-tena tsy miankina amin’Andriamanitra. Nandentika ny olombelona tao anatin’ny fahoriana izany. “Misy andro anapahan’ny olona ny namany ka ampidirany loza aminy”, hoy ny Mpitoriteny (8:9). Raha tsorina dia tsy afaka manapa-tena tsy misy fitarihan’Andriamanitra ny olona. Nataon’Andriamanitra ao amin’ny olombelona ny filana hihinana sy hisotro, nefa koa ny filana hankatò ireo lalàny. Raha tsy miraharaha izany ny olona dia hahita fahasahiranana tsy misy hafa amin’ny raha manao tsirambina ny fisotroana sy ny fihinanana izy. — Ohabolana 3:5, 6.
NAHOANA NO MIANDRY ELA BE TOY IZAO?
12. Nahoana Andriamanitra no namela fotoana lava toy izao alohan’ny hanapahana io raharaha io?
12 “Nefa hisy hilaza angamba hoe nahoana Andriamanitra no niandry 6000 taona teo ho eo mba hanapahana io raharaha io? Tsy azo natao ve ny nandamina azy aloha kokoa?” Raha nisalovana Andriamanitra taloha, dia nety ho nampangaina ho tsy namela ny olombelona hanandrana hanapaka. Araka izany dia nanana fotoana nalalaka ny olona mba hamoronana fandaharam-pitondram-panjakana ho afaka hanome fahafahampo amin’izay ilain’ny vahoakany sy hanao fikarohana ara-tsiansa mety hitondra fanambinana ho an’ny rehetra. Nandramany izao karazam-pitondram-panjakana rehetra izao ary nalaza ny fandrosoana vitany teo amin’ny lafiny ara-tsiansa. Voafehiny ny ataoma ary tonga hatreny amin’ny volana izy. Nefa moa ve ireny zava-bita ireny nanamora ny famoronana fandehan-javatra vaovao iray nahatonga ny olona ho sambatra?
13. a) Na dia tao aza ny fandrosoana ara-tsiansa vitan’ny olombelona, manao ahoana ny tarehin-javatra amin’izao andro izao? b) Manaporofo inona izany?
13 Tsy izany velively! Moa ve efa hita ny fahoriana toy ny amin’izao andro izao? Nitombo aoka izany ny heloka bevava, ny fandotoana, ny ady, ny tokantrano rava, hany ka araka ny fiheveran’ireo manam-pahaizana, dia tandindomin-doza na dia ny fisian’ny olombelona aza. Eny, rehefa 6000 taona teo ho eo no nahaleovan-tena ka tampony maro no tratran’ny siansa, dia madiva handringan-tena ny olombelona. Miharihary fa tsy hain’ny olona ny manapa-tena tsy misy an’Andriamanitra! Azo atao ve ny manome tsiny an’Andriamanitra noho ny tsy namelany fotoana ampy mba hanapahana ny fiadian-kevitra? Tsia.
14. Nahoana isika no amporisihina handinika raharaha lehibe hafa iray napetrak’i Satana?
14 Tena nisy antony tokoa namelan’Andriamanitra ny olona tapahin’i Satana hampanjaka ny ratsy hatramin’ny ela be toy izany. Tamin’ny fikomiany, Satana dia nametraka fanontaniana hafa iray izay mitaky fotoana koa ny famaliana azy. Ny fandinihana an’io raharaha io dia hanazava koa ny antony namelan’Andriamanitra ny zava-dratsy hisy. Tokony hitana ny sainao rehetra io foto-dresaka io satria mahakasika anao manokana.
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 100]
Misy antony amelan’ny reny iray ny zanany hampiharana fandidiana sarotra. Manana antony tsara amelana ny olona hijaly vetivety koa Andriamanitra.
[Sary, pejy 101]
Tamin’ny fihinanana tamin’ny voankazo nandrarana, dia niala tamin’ny fanapahan’Andriamanitra Adama sy Eva. Nanomboka nanapaka ny amin’izay atao hoe tsara na ratsy izy ireo.
[Sary, pejy 103]
Ao amin’ny olombelona ny filana hihinana sy hisotro, nefa koa ny filana hotarihin’Andriamanitra.