Tena zava-dehibe ny fivavahanao
Toko faha-3
Tena zava-dehibe ny fivavahanao
1. Inona moa no inoan’ny olona sasany momba ny fivavahana?
‘TSARA ny fivavahana rehetra’, hoy ny olona maro. ‘Lalana samy hafa fotsiny mitarika ho amin’ny toerana iray ihany izy ireny.’ Raha marina izany, dia tsy ho tena zava-dehibe ny fivavahanao, satria hilaza izany fa eken’Andriamanitra ny fivavahana rehetra. Nefa izany ve no izy?
2. a) Ahoana moa no nitondran’ny Fariseo an’i Jesosy? b) Nihambo ho nanana an’iza ho rainy moa ny Fariseo?
2 Fony Jesosy tetỳ an-tany dia nisy antokom-pivavahana fantatra tamin’ny anarana hoe Fariseo. Nanorina fandaharam-panompoam-pivavahana izy ireo ary nino fa nanana ny fankasitrahan’Andriamanitra izany. Kanefa, tamin’izany fotoana izany ihany dia nitady hamono an’i Jesosy ny Fariseo! Koa nanambara tamin’izy ireo Jesosy hoe: “Hianareo manao ny asan’ny rainareo.” Ho valiny dia hoy izy ireo: “Iray Ray izahay, dia Andriamanitra ihany.” — Jaona 8:41.
3. Inona moa no nolazain’i Jesosy ny amin’ny rain’ny Fariseo?
3 Moa Andriamanitra marina tokoa ve no rainy? Moa neken’Andriamanitra ve ny endri-panompoam-pivavahany? Tsia dia tsia tokoa! Na dia nanana ny Soratra masina aza ny Fariseo ary nieritreritra fa Jaona 8:44.
nanaraka izany, dia voafitaky ny Devoly izy. Ary nanambara toy izao tamin’izy ireo Jesosy: “Hianareo avy tamin’ny devoly rainareo, ka izay sitraky ny rainareo no tianareo hatao. Izy dia mpamono olona hatramin’ny taloha, ary tsy nitoetra tamin’ny marina, (...) mpandainga izy sady rain’ny lainga.” —4. Ahoana no niheveran’i Jesosy ny fivavahan’ireo Fariseo?
4 Mazava fa diso ny fivavahan’ireo Fariseo. Nampandroso ny tombontsoan’ny Devoly, fa tsy ny an’Andriamanitra, izy io. Koa tsy nihevitra ny fivavahan’izy ireo ho tsara i Jesosy fa nanameloka izany kosa. Hoy izy tamin’ireny Fariseo mpivavaka ireny: “Arindrinareo eo anoloan’ny olona ny fanjakan’ny lanitra; fa hianareo tsy miditra, ary izay miditra dia tsy avelanareo hiditra.” (Matio 23:13) Noho ny fanompoam-pivavahan-dison’izy ireo, Jesosy dia niantso an’ireny Fariseo ireny ho mpihatsaravelatsihy sy menarana misy poizina. Noho ny lalan-dratsin’izy ireo, dia nolazainy fa teo amin’ny lalana mankany amin’ny fandringanana izy ireo. — Matio 23:25-33.
5. Ahoana moa no nampisehoan’i Jesosy fa ireo fivavahana maro dia tsy lalana samy hafa fotsiny mitarika ho amin’ny toerana iray ihany?
5 Koa Jesosy Kristy dia tsy nampianatra fa ny fivavahana rehetra dia lalana samy hafa fotsiny mitarika ho amin’ny toeram-pamonjena iray ihany. Tao amin’ny Toriteniny malaza teo an-tendrombohitra, dia hoy Jesosy: “Midira amin’ny vavahady èty hianareo; fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny làlana izay mankany amin’ny fahaverezana ka maro ny miditra any. Fa èty ny vavahady, ary tery ny làlana izay mankany amin’ny fiainana, ka vitsy ny mahita azy.” (Matio 7:13, 14) Satria tsy nanaraka ny fanompoana an’Andriamanitra tamin’ny fomba tsara izy ireny, ny ankamaroan’ny olona dia eo amin’ny lalana mankany amin’ny fandringanana. Vitsy ihany no eo amin’ny lalana mitarika ho amin’ny fiainana.
6. Inona moa no azontsika avy amin’ny fijerena ny fanompoam-pivavahan’ny firenen’Isiraely?
Deoteronomia 7:25) Nanao sorona ny zanany ho an’ny andriamaniny ireny olona ireny, ary nanaraka fanao maloto momba ny lahy sy ny vavy, anisan’izany ny fandrian’ny lehilahy amin’ny lehilahy. (Levitikosy 18:20-30) Nomen’Andriamanitra baiko ny Isiraelita mba hanalavitra ireo fanao ireo. Rehefa tsy nankatò izy ireny ary nanompo andriamani-kafa dia nosaziny. (Josoa 24:20; Isaia 63:10) Tena zava-dehibe àry ny fivavahan’izy ireo.
6 Ny fijerena ny fomba nifandraisan’Andriamanitra tamin’ny firenen’Isiraely dia manazava ny maha-zava-dehibe ny hanompoana an’Andriamanitra amin’ny fomba ankasitrahany. Nampitandrina ny Isiraelita Andriamanitra mba hanalavitra ny fivavahan-dison’ireo firenena nanodidina azy. (NY FIVAVAHAN-DISO AMIN’IZAO ANDRO IZAO?
7, 8. a) Inona moa no toerana notanan’ny fivavahana nandritra ireo ady lehibe? b) Ahoana no fihevitrao izay tsapan’Andriamanitra momba izay nataon’ny fivavahana nandritra ny fotoan’ny ady?
7 Ahoana ny amin’ireo fivavahana an-jatony maro amin’izao andro izao? Tsy isalasalana ny fanekenao fa zavatra maro atao amin’ny anaran’ny fivavahana no tsy ankasitrahan’Andriamanitra. Nandritra ireo ady lehibe faramparany, mbola tsaroan’ny sisa tsy maty an-tapitrisany maro amin’izao fotoana izao, ireo fivavahana tany amin’ny andaniny roa dia namporisika ny vahoakany mba hamono olona. “Vonoy ny Alemàna — vonoy re izy ireo”, hoy ny evekan’i Londres. Ary, tany amin’ilay andaniny hafa, ny arsevekan’i Cologne dia niteny tamin’ny Alemàna hoe: “Mandidy anareo amin’ny anaran’Andriama
nitra izahay, mba hiady hatramin’ny indray mitete farany amin’ny ranareo mba ho fanajana sy voninahitry ny tanintsika.”8 Koa namono katolika ny katolika niaraka tamin’ny fankasitrahan’ireo filohany ara-pivavahana, ary nanao toy izany koa ny protestanta. Niaiky toy izao ny mpitondra fivavahana atao hoe Harry Emerson Fosdik: “Na dia tao anatin’ireo trano fiangonanay aza dia nasianay ireo sainan’ny ady. (...) Tamin’ny sisiny iray amin’ny vavanay dia nidera ilay Andrian’ny fiadanana izahay ary tamin’ny sisiny hafa dia nankalaza ny ady.” Ahoana no fihevitrao izay tsapan’Andriamanitra momba ny fivavahana iray izay mihambo ho manao ny sitrapony nefa mankalaza ny ady?
9. a) Ahoana moa no fihetsiky ny olona maro teo anoloan’ireo heloka bevava nataon’ny mpikambana amin’ny fivavahana samihafa? b) Rehefa mitady ho anisan’izao tontolo izao ny fivavahana, inona moa no tokony hotsoahintsika avy amin’izany?
9 Noho ireo heloka bevava nataon’ny fivavahana maro samihafa tamin’ny anaran’Andriamanitra tao anatin’ny tantara, dia olona an-tapitrisany maro amin’izao andro izao no niala tamin’Andriamanitra sy Kristy. Manome tsiny an’Andriamanitra izy ireny noho ny ady ara-pivavahana mahatsiravina toy ireo nifanaovan’ny katolika sy ny miozilimana ary nantsoina hoe kroazada, ny ady nifanaovan’ny miozilimana sy ny hindoa, ary ny ady nifanaovan’ny katolika sy protestanta. Ampahatsiahiviny ny famonoana ny Jiosy tamin’ny anaran’i Kristy sy ireo “inquisitions” katolika feno halozana. Kanefa, na dia nilaza ho nanana an’Andriamanitra ho Rainy aza ireo filoha ara-pivavahana tompon’andraikitra tamin’ireny heloka bevava nahatsiravina ireny, moa ve izy ireo tsy zanaky ny Devoly ihany, tsy misy hafa amin’ireo Fariseo izay nomelohin’i Jesosy? Satria Satana no andriamanitr’ity izao tontolo izao ity, moa ve tsy tokony hanampo isika fa mifehy koa ireo fivavahana arahin’ny olona eo amin’izao tontolo izao izy? — II Korintiana 4:4; Apokalypsy 12:9.
10. Inona moa no zavatra sasany atao amin’ny anaran’ny fivavahana ka tsy ankasitrahanao?
10 Tsy isalasalana fa zavatra maro atao amin’ny anaran’ny fivavahana amin’izao andro izao no tsy heverinao ho ara-dalàna. Mandrakariva ianao dia mety handre ny amin’olona izay manana fomba fiaina tena maloto ara-pitondrantena, nefa mbola ekena ho toy ny mpikambana hajaina ao amin’ny fiangonany. Angamba aza filoha ara-pivavahana izany. Milaza ny sasany aminy fa ny fandrian’ny lehilahy amin’ny lehilahy sy ny fananana firaisan’ny lahy sy ny vavy nefa tsy mpivady dia tsy ratsy. Nefa mety ho fantatrao fa tsy milaza izany ny Baiboly. Raha ny marina dia nosazin’Andriamanitra ho faty ny Isiraely olony satria nanaraka fanao toy ireny. Noho izany antony izany ihany no nandravany an’i Sodoma sy Gomora. (Joda 7) Tsy ho ela dia hanao toy izany koa izy amin’ny fivavahan-diso rehetra amin’ny andro ankehitriny. Ao amin’ny Baiboly, ny fivavahana toy izany dia aseho toy ny vehivavy janga noho ny fifandraisany maloto amin’ireo “mpanjakan’ny tany”. — Apokalypsy 17:1, 2, 16.
FANOMPOAM-PIVAVAHANA ANKASITRAHAN’ANDRIAMANITRA
11. Inona moa no takina amin’ny fanompoam-pivavahantsika mba haneken’Andriamanitra izany?
11 Satria tsy ankasitrahan’Andriamanitra ny fivavahana rehetra, dia ilaintsika ny manontany tena hoe: ‘Moa ve aho manompo an’Andriamanitra amin’ny fomba ankasitrahany?’ Ahoana no ahafantarantsika raha manao izany isika? Tsy olona iray, fa Andriamanitra, no mpitsara izay atao hoe fanompoam-pivavahana marina. Koa mba haneken’Andriamanitra ny fanompoam-pivavahantsika, dia tokony hifototra mafy amin’ny Tenim-pahamarinan’Andriamanitra, dia ny Baiboly, izany. Isika dia tokony hanana fihetseham-po tsy misy hafa amin’ilay mpanoratra ny Baiboly izay niteny hoe: “Aoka Andriamanitra no ho marina, fa ny olona rehetra kosa ho mpandainga”. — Romana 3:3, 4.
12. Nahoana moa Jesosy no nilaza fa tsy nankasitrahan’Andriamanitra ny fanompoam-pivavahan’ireo Fariseo?
12 Tsy nihevitra toy izany ireo Fariseo tamin’ny taonjato voalohany. Nanorina ny zavatra inoany sy ny lovantsofiny manokana izy ireo ary nanaraka izany fa tsy ny Tenin’Andriamanitra. Inona no vokatr’izany? Hoy Jesosy tamin’izy ireo: “Foananareo ny tenin’Andriamanitra noho ny fampianarana voatolotra anareo. Ry mpihatsaravelatsihy, Matio 15:1-9; Isaia 29:13) Koa raha maniry ny fankasitrahan’Andriamanitra isika, dia ilaina ny hahazoantsika antoka fa izay inoantsika dia mifanaraka amin’ireo fampianaran’ny Baiboly.
marina ny naminanian’Isaia anareo hoe: ‘Ity firenena ity manaja Ahy amin’ny molony; fa ny fony kosa lavitra Ahy. Koa foana ny ivavahan’ireo amiko, raha mampianatra didin’olombelona ho fampianarana izy.’ ” (13. Inona moa no nolazain’i Jesosy fa tokony hataontsika mba hankasitrahan’Andriamanitra antsika?
13 Tsy ampy ny ilazantsika fa mino an’i Kristy isika ary avy eo dia manao izay heverintsika fa mety. Faran’izay ilaina ny hahitantsika izay sitrapon’Andriamanitra ny amin’ilay raharaha. Nasehon’i Jesosy izany tao amin’ny Toriteniny teo an-tendrombohitra rehefa nilaza izy hoe: “Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko Izay any an-danitra.” — Matio 7:21.
14. Nahoana moa Jesosy no mety hihevitra antsika ho toy ny “mpanao meloka” na dia nanao “asa tsara” aza isika?
14 Mety hanao mihitsy izay heverintsika fa “asa tsara aza isika, ary hanao ireny amin’ny anaran’i Kristy. Kanefa tsy hisy vidiny ireny rehetra ireny raha tsy manao ny sitrapon’Andriamanitra isika. Ho eo amin’ny toeran’ireo resahin’i Kristy manaraka toy izao isika: “Maro ny hanao amiko amin’izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin’ny anaranao va izahay? ary tsy efa namoaka demonia tamin’ny anaranao va izahay? ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin’ny anaranao va izahay? Ary dia hambarako aminy Matio 7:22, 23) Eny, mety hanao zavatra iray heverintsika ho tsara isika — ary mety hisaotra sy hidera antsika noho izany aza ny olon-kafa — nefa raha tsy manao izay lazain’Andriamanitra fa tsara isika dia hoheverin’i Jesosy ho toy ny “mpanao meloka”.
marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory hianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko, hianareo mpanao meloka.” (15. Nahoana moa ny fihetsika nasehon’ny olona tany Beria fahiny no fahendrena ny hanarahantsika azy?
15 Satria fivavahana maro amin’izao andro izao no tsy manao ny sitrapon’Andriamanitra, dia tsy azontsika heverina tsotra fotsiny fa ireo fampianaran’ny fandaminana ara-pivavahana izay ikambanantsika dia mifanaraka amin’ny Tenin’Andriamanitra. Ny ho fampiasan’ny fivavahana iray ny Baiboly fotsiny dia tsy manaporofo fa ireo zavatra ampianariny sy ataony dia ao amin’ny Baiboly. Zava-dehibe ny handinihan’ny tenantsika raha ao amin’ny Baiboly izany na tsia. Noderaina ireo olona tao amin’ny tanànan’i Beria satria, rehefa avy nitory tamin’izy ireo ny apostoly Paoly kristiana, dia nanamarina tao amin’ny Soratra masina izy ireo mba hahazoana antoka fa marina ny zavatra nambarany tamin’izy ireo. (Asan’ny apostoly 17:10, 11) Tokony hifanaraka amin’ny Baiboly amin’ny lafiny rehetra ny fivavahana izay ankasitrahan’Andriamanitra; tsy hanaiky ny tapany sasany amin’ny Baiboly izy io ary hanilika ny tapany hafa. — II Timoty 3:16.
TSY AMPY NY FAHATSORANA FOTSINY
16. Inona moa no nolazain’i Jesosy mba hampisehoana fa ny fahatsorana dia tsy ampy mba hankasitrahan’Andriamanitra ny olona iray?
16 Nefa mety hisy hanontany hoe: ‘Raha manana fahatsorana ny olona iray ao amin’ny zavatra inoany, moa ve tsy hankasitraka azy Andriamanitra na dia diso aza ny fivavahany?’ Eny, nilaza Jesosy fa tsy hankasitrahany ny “mpanao meloka” na dia nihevitra aza izy ireo fa nanao izay mahitsy. (Matio 7:22, 23) Koa ny fahatsorana fotsiny dia tsy hankasitrahan’Andriamanitra koa. Indray mandeha dia hoy Jesosy tamin’ireo mpanara-dia azy: “Ho avy ny andro, ka hataon’izay rehetra mamono anareo fa manatitra fanompoam-pivavahana ho an’Andriamanitra izy.” (Jaona 16:2) Ny mpamono ny kristiana toy ireny dia mety hino amim-pahatsorana fa nanompo an’Andriamanitra izy tamin’izany, nefa mazava ho azy fa tsy toy izany izy ireny. Tsy ankasitrahan’Andriamanitra ny nataon’izy ireny.
17. Na dia tso-po aza i Paoly, inona moa no nataony talohan’ny hahatongavana ho kristiana?
17 Talohan’ny hahatongavany ho kristiana, ny apostoly Paoly dia nanampy tamin’ny famonoana an’i Stefana. Taty aoriana, dia nitady fomba hamonoana kristiana maro kokoa izy. (Asan’ny apostoly 8:1; 9:1, 2) Nanazava izany toy izao i Paoly: “Fa nanenjika ny fiangona n’Andriamanitra efa izay tsy izy aho ka nandrava azy; ary nandroso tamin’ny fivavahan’ny Jiosy mihoatra noho ny maro izay indray mihira amiko eo amin’ny fireneko aho ka fatra-pitana ny fampianarana voatolotry ny razako indrindra.” (Galatiana 1:13, 14) Eny, tso-po i Paoly, nefa tsy nahatonga ny fivavahany ho marina izany.
18. a) Inona moa ny fivavahan’i Paoly fony izy nanenjika ny kristiana? b) Nahoana moa Paoly sy ny hafa no nila nanova ny fivavahany tamin’ny androny?
18 Tamin’izany fotoana izany Paoly dia mpikambana tamin’ny fandehan-javatra ara-pivavahana jiosy, izay nanda an’i Jesosy Kristy, koa dia mba nolavin’Andriamanitra avy eo. (Asan’ny apostoly 2:36, 40; Ohabolana 14:12) Mba hahazoana ny fankasitrahan’Andriamanitra àry dia nilain’i Paoly ny niova fivavahana. Nanoratra koa momba ny hafa izay nanana “zotom-po ho an’Andriamanitra” izy — dia ireo izay tso-po nefa tsy nankasitrahan’Andriamanitra satria tsy niorina tamin’ny fahalalana marina an’Andriamanitra sy ireo fikasany ny fivavahan’izy ireny. — Romana 10:2, 3.
19. Inona moa no mampiseho fa tsy mety ho marina avokoa ny fampianarana ara-pivavahana rehetra?
19 Tsy mety ho marina avokoa ny fampianarana ara-pivavahana rehetra eo amin’izao tontolo izao. Ohatra, na manana fanahy izay mbola velona aorian’ny fahafatesan’ny vatana ny olombelona na tsy manana izany izy. Na haharitra mandrakizay ny tany na tsy haharitra izy. Na hamarana ny faharatsiana Andriamanitra na tsy hanao izany izy. Tsy mety hisy fahamarinana karazany roa, rehefa tsy mifanaraka amin’ny hafa ny anankiray. Ny anankiray na ilay hafa no marina, fa tsy izy roa. Ny finoana amim-pahatsorana zavatra iray, sy ny fampiharana izany finoana izany, dia tsy hahatonga azy ho marina raha tena diso izany.
20. Raha ny amin’ny fivavahana, ahoana moa no mety hanarahantsika ny “sarintanin’ny lalana” marina?
20 Ahoana no tokony ho tsapanao raha omena ny porofo fa diso izay inoanao? Ohatra, aoka hatao hoe ao anatin’ny fiarakodia iray ianao, handeha ho any amin’ny toerana iray vao voalohany. Manana sarintanin’ny lalana ianao, nefa tsy naka fotoana mba handinihana izany tamim-pitandremana. Nisy nilaza taminao ny lalana tokony haleha. Matoky azy ianao, ka mino amim-pahatsorana fa marina ny lalana natorony anao. Nefa aoka hatao hoe tsy marina izany. Ahoana raha misy manondro anao ny fahadisoana? Ahoana, amin’ny fijerena ny sarintaninao manokana, raha asehony fa eo amin’ny lalana diso ianao? Moa ve ny avonavona na ny kiry hanakana anao tsy hiaiky fa eo amin’ny lalana diso ianao? Eny, raha fantatrao avy amin’ny fandinihanao ny Baibolinao àry fa mandeha eo amin’ny lalana ara-pivavahana diso ianao, dia maniria hiova. Halaviro ny lalana malalaka mankany amin’ny fandringanana; mandehana amin’ny lalana ety mankany amin’ny fiainana!
ILAINA NY FANAOVANA NY SITRAPON’ANDRIAMANITRA
21. a) Ho fanampin’ny fahafantarana ny fahamarinana, inona moa no ilaina? b) Inona moa no hataonao raha ianaranao fa tsy ankasitrahan’Andriamanitra ny zavatra sasany ataonao?
21 Zava-dehibe ny hahafantarana ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Kanefa tsy misy vidiny izany fahalalana izany raha tsy mivavaka amin’Andriamanitra amin’ny fahamarinana ianao. (Jaona 4:24) Ny fampiharana ny fahamarinana, ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra, izany no misy vidiny. “Maty (...) ny finoana, raha tsy misy asa.” (Jakoba 2:26) Mba hankasitrahan’Andriamanitra azy àry, ny fivavahanao dia tsy hoe tokony hifanaraka tanteraka amin’ny Baiboly fotsiny fa tokony hampiharina koa eo amin’ny asa rehetra amin’ny fiainana. Noho izany, raha ianaranao fa manao izay lazain’Andriamanitra fa ratsy ianao, moa ve vonona ny hiova ianao?
22. Soa inona moa no mety hifaliantsika ankehitriny sy amin’ny ho avy, raha manaraka ny fivavahana marina isika?
22 Misy fitahiana lehibe miandry anao raha manao ny sitrapon’Andriamanitra ianao. Na dia ankehitriny aza dia handray fitahiana ianao. Ny fanarahana ny fivavahana marina dia hahatonga anao ho olona tsaratsara kokoa — lehilahy, lehilahy vady na ray tsaratsara kokoa, vehivavy, vehivavy vady na reny tsaratsara kokoa, zanaka tsaratsara kokoa. Izany dia hamokatra ao aminao ireo toetra araka an’Andriamanitra izay hahatonga anao hiavaka amin’ny hafa satria manao izay marina ianao. Nefa mihoatra noho izany aza, hilaza izany fa ho tsara toerana ianao mba handray ireo fitahian’ny fiainana mandrakizay ao anatin’ny fahasambarana sy ny fahasalamana tonga lafatra ao amin’ny paradisa vaovao eto an-tany. (II Petera 3:13) Tsy misy iadian-kevitra ny amin’izany — tena zava-dehibe ny fivavahanao!
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 25]
Moa ve nanompo an’Andriamanitra ireo filoha ara-pivavahana izay nitady hamono an’i Jesosy?
[Sary, pejy 26, 27]
Ny ankamaroan’ny olona dia eo amin’ny lalana malalaka mankany amin’ny fandringanana, hoy Jesosy. Vitsy ihany no eo amin’ny lalana ety mankany amin’ny fiainana.
[Sary, pejy 28, 29]
“Manaiky fa mahalala an’Andriamanitra izy, nefa mandà Azy amin’ny asany”. — Titosy 1:16.
Amin’ny teny
Amin’ny atao
[Sary, pejy 30]
Noho ny finoana samy hafa, Paoly dia nandray anjara tamin’ny fitoraham-bato an’i Stefana mpianatr’i Kristy.
[Sary, pejy 33]
Raha teo amin’ny lalana diso ianao, moa ve ny avonavona na ny kiry hanakana anao tsy hiaiky izany?