Izay Raketin’ilay Boky
Izay Raketin’ilay Boky
Ny olona iray miditra voalohany ao amin’ny tranomboky iray dia mety ho sanganehana mahita ireo filaharam-boky ao. Rehefa omena fanazavana kely momba ny fomba filaharan’ireo boky anefa izy, tsy ela dia mahay mitady izay ilainy. Toy izany koa, ny fitadiavanao boky ao amin’ny Baiboly dia ho mora kokoa, rehefa takatrao ny fomba filaharan’ireo zavatra raketiny.
NY TENY hoe “Baiboly” dia avy amin’ilay teny grika hoe bi·bliʹa, izay midika hoe “horonana papyrus” na “boky.”1 Ny Baiboly, raha ny tena izy, dia fitambaram-boky iray misy boky 66 samy hafa, izay naharitra 1 600 taona teo ho eo ny fanoratana azy, teo anelanelan’ny 1513 T.K. sy ny 98 A.K. tany ho any.
Ireo boky 39 voalohany, tokony ho ny telo ampahefatry ny zavatra raketin’ny Baiboly, dia fantatra amin’ny hoe Soratra Hebreo, satria nosoratana tamin’io teny io ny ankamaroany. Azo zaraina ho telo mazàna ireo boky ireo: 1) Ara-tantara, Genesisy ka hatramin’ny Estera, boky 17; sy 2) Miendrika Tononkalo, Joba ka hatramin’ny Tonon-kiran’i Solomona, boky 5; ary 3) Ara-paminaniana, Isaia ka hatramin’ny Malakia, boky 17. Ireo Soratra Hebreo dia mahafaoka ny tantaran’ny tany sy ny olombelona tany am-boalohany, ary koa ny tantaran’ny firenen’ny Israely fahiny hatrany amin’ny nahaterahany ka hatreo amin’ny taonjato fahadimy T.K.
Ireo boky 27 farany dia fantatra amin’ny hoe Soratra Grika Kristianina, satria nosoratana tamin’ny teny grika, dia ny fiteny niraisam-pirenena tamin’izay. Voalamina araka ny foto-kevitra toy izao izy ireo: 1) ireo boky ara-tantara 5—ireo Filazantsara sy ny Asan’ny Apostoly, sy 2) ireo taratasy 21, ary 3) ny Apokalypsy. Ireo Soratra Grika Kristianina dia mifantoka amin’ireo fampianarana sy asan’i Jesosy Kristy sy ny mpianany tamin’ny taonjato voalohany.