Mifanaraka Amin’ny Siansa ve io Boky Io?
Mifanaraka Amin’ny Siansa ve io Boky Io?
Tsy nihevitra foana ny siansa ho toy ny sakaizany ny fivavahana. Tamin’ireo taonjato teo aloha, ny teolojianina sasany dia tsy nety nanaiky ireo zavatra hitan’ny siansa, rehefa noheverin’izy ireo fa nandrahona ny hevitra nomeny ho an’ny Baiboly izany zavatra izany. Tena fahavalon’ny Baiboly tokoa ve anefa ny siansa?
RAHA nanaiky ireo fomba fihevitra ara-tsiansa neken’ny ankamaroan’ny olona tamin’ny androny ireo mpanoratra ny Baiboly, dia ho boky feno tsy fahamarinana ara-tsiansa mibaribary no ho vokany. Kanefa ireo mpanoratra dia tsy nampandroso hevitra diso sy tsy ara-tsiansa toy izany. Mifanohitra amin’izany aza fa nanoratra fanambarana maromaro izay tsy vitan’ny hoe mitombina ara-tsiansa izy ireo, fa nitsipaka mivantana koa ireo fiheverana neken’ny olona tamin’izany andro izany.
Manao ahoana ny bikan’ny tany?
Nahasanganehana ny olombelona efa hatramin’ny an’arivony taona maro io fanontaniana io. Ny fiheverana ankapobe tamin’ny andro fahiny dia hoe fisaka ny tany. Ny Babyloniana, ohatra, dia nino fa izao tontolo izao dia boaty na efitra iray, ka ny tany no gorodony. Ireo pretra mpanaraka ny Vedas tany Inde dia nihevitra fa fisaka ny tany ka ny ilany iray aminy ihany no nisy mponina. Ny foko iray tsotra dia tsotra tany Azia dia nihevitra ny tany ho lovia fisaka goavana.
Tamin’ny taonjato fahenina T.K., i Pythagore, filozofa grika, dia efa nanao teoria hoe satria boribory toy ny bola ny volana sy ny masoandro, dia tsy maintsy ho bola koa ny tany. Nitovy hevitra tamin’izany i Aristote (taonjato fahefatra T.K.) tatỳ aoriana, ka nanazava fa voaporofon’ny fanakonam-bolana ny maha bola ny tany. Mibiloka tokoa mantsy ny aloky ny tany eo amin’ny volana amin’izay.
Kanefa, ny hevitra ny amin’ny tany fisaka (ka ny ilany ambony ihany no misy mponina) dia tsy nanjavona tanteraka. Nisy tsy nety nanaiky ilay fanatsoahan-kevitra mazava nateraky ny maha boribory ny tany—ny fisian’ny toeramifandaka. * Nihomehy an’io hevitra io mihitsy aza i Lactance, mpiaro ny finoana kristianina tamin’ny taonjato fahefatra. Hoy ny fanjohian-keviny: “Dia hisy olona tsy manan-tsaina ve, ka hino fa misy olona izay ambony noho ny lohany ny tongony? ... fa mitombo mitsingoloka ny zavamaniry sy ny hazo? fa mirotsaka mankany ambony ny orana sy ny orampanala ary ny havandra?”2
Ny hevitra ny amin’ny toeramifandaka dia miteraka olana iray ho an’ny teolojianina sasany. Ny teoria sasany dia nilaza fa, raha nisy mponina tany amin’ireo toeramifandaka, dia tsy ho afaka hanana fifandraisana tamin’ny olombelona fantatra tamin’izay koa izy ireo, satria hoe nidadasika loatra ny ranomasina ka tsy nahafahana nandeha sambo, na satria hoe nisy faritra nahamay tsy azo naleha nanodidina ny ekoatera. Koa taiza àry no nety ho niavian’ireo mponin’ny toeramifandaka, raha nisy izy ireo? Very hevitra ny teolojianina sasany, ka naleony
nino fa tsy nety ho nisy mponina tany amin’ireo toeramifandaka. Naleony mihitsy aza nino, sahala amin’ny hevitra naroson’i Lactance, fa ny tany dia tsy afaka ny ho bola akory, raha ny tena izy!Na dia izany aza, dia mbola nanjaka ihany ny hevitra ny amin’ny tany boribory toy ny bola, ka tamin’ny farany dia nekena hatraiza hatraiza. Teo am-piandohan’ny andron’ny fanaovana dia ana habakabaka tamin’ny taonjato faha-20, anefa vao azon’ny olombelona natao ny nankany amin’ny faritra lavitra tany amin’ny habakabaka mba hahitana mivantana fa bola ny tany. *
Ary inona no lazain’ny Baiboly momba io raharaha io? Tamin’ny taonjato fahavalo T.K., fony nanjaka ilay fiheverana hoe fisaka ny tany, taonjato maro talohan’ny nanaovan’ireo filozofa grika teoria hoe mety ho boribory toy ny bola ny tany, ary an’arivony taona maro talohan’ny nahitan’ny olona avy teny amin’ny habakabaka fa bolan-tany ny planetantsika, dia hoy ny nambaran’i Isaia, mpaminany hebreo, tamim-pahatsorana mahavariana: “Izy no mipetraka [eo ambonin’ny faribolan’ny tany, NW].” (Isaia 40:22) Ny teny hebreo hoe chugh, izay nadika eto hoe ‘faribolana’, dia mety hadika koa hoe “bola.”3 Ny fandikan-tenin’ny Baiboly hafa dia amakiana hoe “ny andohalambon’ny tany”, (Kat.), sy hoe “ny tany boribory.”—Moffatt. *
I Isaia, mpanoratra ny Baiboly, dia nanalavitra ireo hevi-dravina fahita momba ny tany. Ny nataony kosa dia ny nanoratra fanambarana iray izay tsy natahotra ny fandrahonan’ny fandrosoana ara-tsiansa.
Inona no mihazona ny tany?
Tamin’ny andro fahiny, dia very hevitra ny olombelona noho ny fanontaniana hafa momba ny tany (cosmos): Inona no iankinan’ny tany? Inona no mihazona ny tany sy ny masoandro ary ny kintana? Tsy nahalala izay atao hoe lalàna momba ny hery misinton’ny tany, nofaritan’i Isaac Newton sy natonta tamin’ny 1687, izy ireo. Tsy fantatr’izy ireo ilay hevitra hoe mihantona amin’ny tsy misy eny amin’ny habakabaka babangoana ireo tenan-javatra eny amin’ny lanitra, raha ny tena izy. Noho izany, ny fanazavan’izy ireo matetika dia toa nilaza fa nisy zavatra azo notsapain-tanana nihazona ny tany sy ireo tenan-javatra hafa, hihevaheva.
Ohatra, ny teoria tranainy iray, angamba avy tamin’ny mponin’ny nosy iray, dia hoe ny tany dia voahodidin’ny rano ary koa hoe nitsinkafona tao amin’ireo rano ireo izy io. Ny Hindoa dia nihevitra fa ny tany dia nanana fanorenana maromaro nifanaingina. Niankina tamin’elefanta efatra izy io; ireo elefanta kosa nitsangana teo ambonin’ny sokatra goavambe iray; ilay sokatra teo ambonin’ny bibilava makadiry iray; ary ilay bibilava nihorona dia nitsinkafona teo amin’ny rano nahenika hatraiza hatraiza. I Empédocle, filozofa grika tamin’ny taonjato fahadimy T.K., dia nino fa ny tany dia niankina tamin’ny tambolin-drivotra iray ary io tambolin-drivotra io kosa no nahatonga ireo tenan-javatra teny amin’ny lanitra hihetsika.
Ny anisan’ireo fiheverana nanan-kery indrindra dia ny an’i Aristote. Na dia nanao teoria aza izy hoe bola ny tany, dia tsy nanaiky kosa izy hoe ho afaka ny hihantona teny amin’ny habakabaka babangoana izy io. Tao amin’ilay asa sorany hoe On the Heavens (Momba ny Lanitra), mba hampisehoana fa tsy marina ny hoe miankina amin’ny rano ny tany, dia hoy izy: “Tsy mety amin’ny maha rano ny rano, na amin’ny maha tany ny tany, ny hihantonan’izy ireo eny amin’ny rivotra: tsy maintsy misy zavatra iankinany.”4 Koa inona àry no ‘iankinan’ny’ tany? I Aristote dia nampianatra fa ny masoandro sy ny volana ary ny kintana dia niraikitra tamin’ny ivelan’ny bola vaingana, mangarangarana. Nifampiditra ireo bola, ka ny tany—tsy nihetsika—no teo afovoany indrindra. Rehefa nihodina tao anatin’izy samy izy ireo bola, ireo zavatra teo ambonin’izy ireo—ny masoandro sy ny volana ary ireo planeta—dia nihetsika nanerana ny lanitra.
Toa araka ny fandrindran-kevitra ny fanazavan’i Aristote. Raha tsy niraikitra mafy tamin-javatra tokoa ireo tenan-javatra eny amin’ny lanitra, ahoana moa no hahafahany hihevaheva eny? Nekena ho toy ny zava-misy nandritra ny 2 000 taona teo ho eo ireo fomba fihevitr’i Aristote, izay nohindrahindraina be. Araka ny The New Encyclopædia Britannica, tamin’ny taonjato faha-16 sy faha-17, ireo fampianarany dia “nisandratra ka
tonga toy ny foto-pampianarana ara-pivavahana” teo imason’ny eglizy.5Noho ny famoronana ny teleskaopy, ireo astronoma dia nanomboka nisalasala momba ny teorian’i Aristote. Na dia izany aza, dia tsy nety nahita ny valiny izy ireo mandra-panazavan’i Sir Isaac Newton fa ireo planeta dia mihantona eny amin’ny habakabaka babangoana, ka voahazona eo amin’ny lalana ihodinany noho ny hery tsy hita maso iray—ny hery misinton’ny tany. Toa tsy nampino ilay izy, ary sarotra tamin’ireo mpiara-miasa tamin’i Newton ny hino fa nety ho foana, tsy nisy zavatra ny ankabeazan’ny habakabaka. *6
Inona no lazain’ny Baiboly momba io fanontaniana io? Efa ho 3 500 taona lasa izay, ny Baiboly dia nanambara mazava tsy nisy ohatra izany fa ny tany dia mihantona “amin’ny tsy misy.” (Joba 26:7) Amin’ny teny hebreo tany am-boalohany, ny teny nadika hoe “tsy misy” (beli-mahʹ) ampiasaina eto, dia midika ara-bakiteny hoe “tsy misy na inona na inona.”7 Ny Contemporary English Version dia mampiasa ilay teny hoe “eo amin’ny habakabaka babangoana.”
Planeta iray mihantona “eo amin’ny habakabaka babangoana”—tsy izany velively no niheveran’ny ankamaroan’ny olona ny tany tamin’izany andro izany. Kanefa, nihoatra lavitra ny fahalalana tamin’ny androny ilay mpanoratra ny Baiboly, ka nirakitra an-tsoratra fanambarana iray izay mitombina ara-tsiansa.
Ny Baiboly sy ny siansa momba ny fitsaboana—Mifanaraka ve izy ireo?
Ny siansa momba ny fitsaboana maoderina dia nampianatra antsika zavatra be dia be momba ny fielezan’ny aretina sy ny fisorohana azy. Ireo fandrosoana teo amin’ny fitsaboana tamin’ny taonjato faha-19 dia nitarika ho amin’ny fampiasana antiseptique—fahadiovana mba hampihenana ny fahazoana aretina—teo amin’ny fitsaboana. Tena nanaitra ny vokany. Nihena be ny isan’ny olona azon’aretina sy maty aloha be.
Ireo dokotera fahiny anefa dia tsy nahatakatra tamin’ny fomba feno ny fomba fielezan’ny aretina. Tsy nahita ny naha-zava-dehibe ny fitandremam-pahadiovana mba hisorohana ny aretina, koa izy ireo. Tsy mahagaga raha maro tamin’ireo fanaony ara-pitsaboana no ho toa baribariànina, raha araka ny fari-pitsipika maoderina.
Ny iray amin’ireo soratra ara-pitsaboana tranainy indrindra dia ny Horonana Papyrus Ebers, izay manambatra ireo fahalalana ara-pitsaboana ejipsianina, vita tamin’ny 1550 T.K. tany ho any. Io horonana io dia mirakitra fomba fitsaboana 700 eo ho eo ho an’ny fanaintainana maro samihafa, “hatramin’ny kaikitra voay ka hatramin’ny fanaintainana eo amin’ny hohon-tongotra.”8 Hoy ny ambaran’ny The International Standard Bible Encyclopaedia: “Ny fahalalana ara-pitsaboan’ireny dokotera ireny dia niankina tamin’ny hitan’ny maso fotsiny, sy toy ny majika indrindra indrindra ary tsy ara-tsiansa velively.”9 Ny ankamaroan’ireo fomba fitsaboana dia tsy nisy vokany fotsiny, fa ny sasany taminy kosa dia faran’izay nampidi-doza. Voalaza tao amin’ny taratasim-panafody iray, ohatra, fa tokony hasiana fivalanana mifangaro zavatra hafa eo amin’ny fery, mba hitsaboana azy.10
Io soratra misy fomba fitsaboana ejipsianina io dia nosoratana tokony ho tamin’ny fotoana nanoratana ireo boky voalohany ao amin’ny Baiboly, izay nirakitra ny Lalàn’i Mosesy. I Mosesy, izay teraka tamin’ny 1593 T.K., dia nobeazina tany Ejipta. (Eksodosy 2:1-10) Anisan’ny ankohonan’i Farao izy, ka “nampianarina ny fahendrena rehetra nananan’ny Egyptiana.” (Asan’ny Apostoly 7:22) Nahafantatra tsara ireo “mpanao fanafody” tao Ejipta izy. (Genesisy 50:1-3) Moa ve nanan-kery teo amin’ny asa sorany ireo fanao ara-pitsaboan’izy ireo, izay na tsy nisy vokany na nampidi-doza?
Deoteronomia 23:14) Izany dia fomba fitandroam-pahasalamana tena nandroso be. Nisakana ny rano tsy ho voaloto izany, ary niaro tamin’ny shigellose entin’ny lalitra sy ny aretim-pivalanana hafa izay mbola maka ain’olona an-tapitrisany maro ihany isan-taona any amin’ireo tany izay mampahonena ny tsy fisian’ny fitandremam-pahadiovana.
Tsia. Mifanohitra amin’izany aza fa ny Lalàn’i Mosesy dia nirakitra fitsipi-pitandremana ara-pahadiovana izay nihoatra lavitra ny fahalalana tamin’ny androny. Ohatra, ny lalàna iray momba ireo toby miaramila dia nitaky ny handevenana ny fivalanana lavitra ny toby. (Ny Lalàn’i Mosesy dia nirakitra fitsipi-pitandremana ara-pahadiovana hafa izay niaro ny Israely tamin’ny fielezan’ny aretina. Ny olona iray voa, na nahina ho voan’ny areti-mifindra iray dia natokana. (Levitikosy 13:1-5) Tsy maintsy nodiovina talohan’ny nampiasana azy indray, na nariana, ireo fitafiana na fitaovana nifandray tamin’ny biby iray maty ho azy (angamba noho ny aretina). (Levitikosy 11:27, 28, 32, 33) Izay rehetra nikasika faty iray dia noheverina ho tsy madio ka tsy maintsy nanaraka fandaharam-pidiovana iray, tamin’ny fanasana ny fitafiany sy tamin’ny fandroana. Nandritra ilay fe-potoam-pahalotoana naharitra fito andro izy dia tsy maintsy niezaka mba tsy hifampikasoka tamin’ny hafa.—Nomery 19:1-13.
Io fitsipi-pitandremana ara-pahadiovana io dia mampiharihary fahendrena izay tsy nananan’ireo mpitsabon’ireo firenena nanodidina, tamin’izany andro izany. An’arivony taona maro talohan’ny nianaran’ny siansa momba ny fitsaboana ny fomba ielezan’ny aretina, ny Baiboly dia efa nanoratra fomba fitandroam-pahasalamana araka ny antonona ho fiarovana amin’ny aretina. Tsy mahagaga raha afaka nilaza i Mosesy fa niaina hatramin’ny 70 na 80 taona ireo Israelita tamin’ny ankapobeny, tamin’ny androny. *—Salamo 90:10.
Mety hanaiky ianao fa marina ara-tsiansa ireo fanambarana ara-baiboly teo aloha ireo. Misy fanambarana hafa koa anefa ao amin’ny Baiboly izay tsy azo porofoina ara-tsiansa. Moa ve izany voatery hidika fa mifanipaka amin’ny siansa ny Baiboly?
Fanekena ny tsy azo porofoina
Tsy voatery ho tsy marina akory ny fanambarana iray tsy voaporofo. Ny porofo ara-tsiansa dia voafetran’ny fahaizan’ny olombelona hahita porofo ampy sy hilaza ny hevitra marin’ireo zava-misy ananany. Ny fahamarinana sasany anefa dia tsy azo porofoina, satria tsy misy porofo voatahiry, satria manjavozavo na mbola tsy hita ny porofo, na satria tsy ampy ny fahafahana sy ny fahaizana ara-tsiansa mba hanatsoahana hevitra iray tsy azo ravana. Sao dia izany àry no izy momba ny fanambarana ara-baiboly sasany izay tsy ananantsika porofo fizika?
Ohatra, ny firesahan’ny Baiboly momba ny faritra iray tsy hita maso misy mponina ara-panahy dia tsy azo porofoina—na porofoina ho tsy marina—ara-tsiansa. Marina koa izany ny amin’ireo fahagagana voatonona ao amin’ny Baiboly. Tsy ampy ny porofo mazava avy amin’ny fianarana ny toetran’ny tany ny amin’ny Safodrano tamin’ny andron’i Noa, mba hahafa-po ny olona sasany. (Genesisy, toko faha-7) Tsy maintsy manatsoaka hevitra avy amin’izany ve isika fa tsy nitranga izy io? Afaka mampanjavozavo ireo zava-niseho ara-tantara ny fotoana sy ny fiovana. Koa tsy nety ho voafafan’ny fiovan’ny toetran’ny tany nandritra ny an’arivony taona maro àry ve ny maro tamin’ireo porofo ny amin’ny Safodrano?
Ekena fa mirakitra fanambarana izay tsy azo porofoina, na porofoina ho tsy marina, amin’ny alalan’ny porofo fizika misy, ny Baiboly. Tokony hahagaga antsika ve anefa izany? Tsy boky fianarana siansa akory ny Baiboly. Boky milaza ny marina anefa izy io. Efa nandinika porofo mahery isika, nahitana fa olona nahitsy sy nilaza ny marina ireo mpanoratra azy. Ary rehefa manonona raharaha mifandray amin’ny siansa izy ireo, ny zavatra lazainy dia araka ny marina no sady tsy ahitana velively taratr’ireo teoria “ara-tsiansa” fahiny, izay hita ho hevi-dravina fotsiny, tatỳ aoriana. Tsy fahavalon’ny Baiboly àry ny siansa. Misy antony tsara hanombanana izay lazain’ny Baiboly amin’ny saina tsy miangatra.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 7 “Ny hoe toeramifandaka ... dia toerana roa mifanipaka ohatra ny atsimo sy avaratra eto amin’ny bolan-tany. Ny tsipika mahitsy iray hampifandray azy ireo dia handalo eo afovoan’ny tany. Ny teny hoe toeramifandaka dia midika hoe tongotra mifandaka, amin’ny teny grika. Ny olona roa hitsangana eo amin’ny toeramifandaka dia hifanakaiky indrindra eo amin’ny faladiany.”1—The World Book Encyclopedia.
^ feh. 9 Mba hanomezana filazana teknika marina kokoa, ny tany dia bola iray, saingy somary fisaka ny tendrony.
^ feh. 10 Fanampin’izany, dia ny zavatra boribory toy ny bola ihany no hita ho toy ny faribolana avy amin’ny faritra rehetra. Ny kapila na diska fisaka dia ho hita matetika kokoa ho toy ny atody, fa tsy faribolana.
^ feh. 17 Ny fiheverana nanjaka tamin’ny andron’i Newton dia hoe izao rehetra izao dia feno ranoka—“lasopy” kosmika—ary koa fa nisy tambolin-drano tao amin’ilay ranoka nampihodina ireo planeta.
^ feh. 27 Tamin’ny 1900, ny halavam-piainana nampoizina tany amin’ny tany maro tany Eoropa sy tany Etazonia dia latsaka ny 50 taona. Nanomboka tamin’izay, dia nitombo be izy io, tsy noho ny fandrosoana teo amin’ny fahafahana mifehy ny aretina ihany, fa noho ny fitandremam-pahadiovana sy ny toeram-ponenana tsara kokoa.
[Teny notsongaina, pejy 21]
Tsy voatery ho tsy marina akory ny fanambarana iray tsy voaporofo
[Sary, pejy 18]
An’arivony taona maro talohan’ny nahitan’ny olombelona avy teny amin’ny habakabaka fa bolan-tany ny planetantsika, ny Baiboly dia efa niresaka momba ny “faribolan’ny tany”
[Sary, pejy 20]
I Isaac Newton dia nanazava fa voahazona eo amin’ny lalana ihodinany noho ny hery misinton’ny tany, ireo planeta