Tatitra Maneran-tany
Tatitra Maneran-tany
Mandehana Any Amin’izay Misy ny Olona
Mpanarato za-draharaha ny apostoly Petera sy ny sasany tamin’ireo niaraka taminy. Kanefa dia nisy fotoana nisasaran’izy ireo tontolon’ny alina, nefa tsy nahazoany na inona na inona. Tamin’ny toe-javatra roa toy izany, dia nilaza tamin’izy ireo i Jesosy hoe aiza no tokony handatsahany ny haratony. Nanaraka ny toromariny izy ireo, ka tamin’ireo toe-javatra roa ireo, dia nisarika hazandrano be dia be tsy toy ny nahazatra. Nanararaotra ireny toe-javatra ireny i Jesosy mba hanomezana toromarika momba ny fanompoana ho an’ny mpianany. (Lioka 5:1-11; Jaona 21:1-17). Amin’ny alalan’ny “mpanompo mahatoky sy malina” izy dia mbola manome ihany toromarika momba ny fomba hanatontosana ny fanompoana amin’ny fomba mamokatra indrindra. — Matio 24:45-47, NW.
Tamin’ny taon-dasa, ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra dia nampirisihina hanao zavatra mba hitondrana ny vaovao tsara tany amin’ny olona betsaka kokoa. Voalohany aloha, dia nantitranterina ny ilana ho mailaka hahita fahafahana hanao fanambarana isan’andro. Avy eo, dia nomena torohevitra isika hoe, raha vitsy ny olona hita tao an-tranony, dia ho fahendrena ny mieritreritra tsara ny hitory any amin’izay mety hahitana olona.
Tato anatin’ireo volana faramparany, ny teny fanevan’ireo rahalahintsika
any Peroa dia hoe: “Mandehana any amin’izay ahitana ny olona!” Tsy trano no itoriantsika, fa olona. Amin’ny maraina, na alahady izany na mandritra ny herinandro, dia maro be aoka izany no tsy ao an-tranony. Fa aiza moa izy ireo? Any am-piasana, eny amin’ny garan’aotobisy sy lamasinina, eny amin’ny arabe, any an-tsena, mipetraka eny an-jaridainam-bahoaka. Koa any àry no alehan’ireo rahalahintsika mba hahitana azy ireo.Any Meksika, dia ny fitoriana isan-trano no mbola fomba lehibe indrindra itoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Tamin’ny taon-dasa anefa, rehefa nanao ezaka ireo rahalahintsika hiresaka tamin’ny olona tany amin’izay rehetra nety ho nisy azy ireo, dia hita vao maraina teny amin’ny fiandrasana aotobisy ireo mpitory sy mpisava lalana, tany amin’ny efitrano fiandrasan’ny hopitaly, teny amin’ny arabe, tany amin’ny parking, teny amin’ny zaridainam-bahoaka. Hita mitory hatraiza hatraiza, na amin’ny fotoana inona na amin’ny fotoana inona, na andro na alina, ny Vavolombelona. Ny kongregasiona iray dia manao fandaharana dimy isan’andro mba hitorian’ny mpitory eny amin’ny arabe, izany hoe eny amin’ny fiandrasana aotobisy sy any amin’izay rehetra ivorian’ny olona mandritra ny andro. Manomboka amin’ny enina ora maraina izy ireo ary mahita olona izay mbola tsy niresaka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah mihitsy taloha. Ny lehilahy iray nohatonina teny an-dalana ho any am-piasana tamin’ny maraina, dia nahita mpitory hafa koa rehefa nandeha hody tamin’ny alina; nanapa-kevitra izy hoe angamba tokony hanasa ny iray taminy hitsidika azy tany an-tranony amin’izay izy.
Tamin’ny voalohany, ny mpitory sasany dia somary menamenatra nanatona olona ampahibemaso. Ireo izay tena nanao izany anefa dia nanomboka nahazo vokatra tsara. Hoy ny anabavy iray tany Aostralia: “Olona saro-kenatra sy tsy dia be teny aho; raha ny marina aza dia tena sarotra be amiko ny ho sahy hiteny momba ny fahamarinana rehefa misy fahafahana hanao izany. Nampirisihina hanandrana fomba hafa hitoriana aho; fantatro fa tsy maintsy nanandrana aho. Nivavaka tamin’i Jehovah momba ny fanahiako aho, ka nanapa-kevitra ny hirotsaka tamin’ilay izy. Mbola hendratrendratra ihany aho, no sady mbola niahotra, ka izany dia nanelingelina ny feon’ny fieritreretako.” Tamin’ny farany, teny ambony aotobisy, indray andro, dia nitsiky tamin’ny mpandeha iray hafa izy, ka nanomboka niresaka taminy. Ny ampitson’iny, dia nanolotra taratasy mivalona tamin’io ramatoa tanora io izy. Rehefa nifankahita indray izy ireo rehefa afaka
herinandro, dia nilaza ilay anabavy hoe handeha hampianatra Baiboly izy. Gaga izy raha naniry hiaraka taminy ilay ramatoa tanora. Tsy ela dia natomboka ny fianarana tamin’ny boky Fahalalana niaraka taminy.Hitan’ireo mpitory any Arzantina fa ny olona sasany izay tsy nandray tsara ny Vavolombelona tany an-tranony, dia niresaka tamin’izy ireo teny amin’ny arabe. Ny hany zavatra nilaina dia fanontaniana tsotra sy mifanentana tsara, toy ny hoe: “Manaiky ny fanamelohana ho faty ve ianao?” Tamin’ny toe-javatra iray hafa, ny vehivavy iray niresahana teny amin’ny arabe dia efa naniry foana ny hiresaka tamin’ny Vavolombelona, nefa tsy navelan’ny vadiny. Izao izy tsy tany an-trano izao, dia nahatsiaro ho afaka niresaka malalaka. Taorian’ny resaka lava be iray, dia nanaiky hianatra ny Baiboly tany an-tranon’ny Vavolombelona iray izy.
Nanatona fiara iray nijanona ny mpitory roa tany Etazonia, ary nanolotra gazety ho an’ny vehivavy tanora iray nipetraka tao anatiny. Hoy ny tantarain’izy ireo: “Rehefa handeha handray ireo gazety izy, dia nitomany. Hitanay fa namaky Baiboly izy. Nilaza izy fa naniry hampifaly an’Andriamanitra, nefa tsy fantany hoe tamin’ny fomba ahoana.” Hoy ilay vehivavy tamin’izy ireo: “Nivavaka aho mba hanirahan’Andriamanitra olona ho afaka hanampy ahy.” Tsy sarotra ny nanomboka fampianarana taminy.
Momba ny ezaka nataon’izy ireo hitory teny amin’ny faritany be fandraharahana, dia hoy ny nosoratan’ny Vavolombelona feno hafanam-po sasantsasany tany Nouvelle-Zélande: “Nitsidika fandraharahana 650 izahay, ka ny ankamaroan’ireo mpitantana sy tompom-barotra, na dia sahirana aza, dia nandray tsara ny fitsidihanay. Nahagaga fa maromaro tamin’izy ireo no manana Baiboly any am-piasany.”
Mandray am-po ireo fanoloran-kevitra omena ny rahalahy sasany any Aotrisy, ka mivoaka hitory amin’ny dimy ora sy sasany maraina. Mankeny amin’ny toeram-pialan-tsasatr’ireo mpamily kamiao amin’ny alina, eny akaikin’ny sisin-tany, izy ireo. Avy any Eoropa Atsinanana ny maro amin’ireo kamiao, ary mbola tsy nahare momba ny Vavolombelon’i Jehovah mihitsy ny sasany amin’ireo mpamily hatramin’izay. Mitondra zavatra vita an-tsoratra amin’ny fiteny 20 ireo rahalahy, ka ny mpitory roa na telo dia mety hahapetraka gazety 50 na 70 ao anatin’ny adiny roa monja. Na dia sarotra aza ny miverina mitsidika azy ireo, dia antenaina fa hamaka ka hitombo ny sasany amin’ireo voa. — Mpit. 11:1.
Nanapa-kevitra ny anabavy iray tany Italia hoe eny amoron-dranomasina no ahitana ny sasany amin’ireo olona tsy hita ao an-tranony. Tany no nahitany tovolahy iray avy tany Sénégal. Nametraka ny boky L’humanité à la recherche de Dieu taminy ilay anabavy. Hoy ny nosoratany tao anatin’izy io: “Ny faniriako dia ny hahitanao an’ilay Andriamanitra marina, dia Ilay nampianatra ahy sy ny fianakaviako hanaja ny olona avy amin’ny firazanana sy ny volon-koditra ary ny fiteny rehetra.” Tapa-kevitra ilay tovolahy fa, rehefa tafaverina any Sénégal izy, dia hitady ny Vavolombelon’i Jehovah. Toy inona moa ny fahagagany nahafantatra fa, fony izy tsy teo, dia niara-nianatra tamin’ny reniny ny Vavolombelon’i Jehovah! Tsy ela dia nandray anjara tamin’ny fianarana ilay fianakaviana manontolo.
Nandamina mpitory sasantsasany hitory teo amin’ny fitobian’aotobisy an-kalamanjana iray ny mpiandraikitra ny fizaran-tany iray tany Peroa. Feno olona ilay toerana. Nisy aotobisy nilahatra hatraiza hatraiza. Mora ny nanatona ny polisy mpiandry raharaha teo, sy ireo nivarotra sakafo masaka tamin’ny mpandeha, ary ny olona tamin’ny ankapobeny. Niditra tao anaty aotobisy iray efa feno ny rahalahy iray, ary rehefa nahazo lalana tamin’ilay mpamily izy, dia nampiseho ireo gazetiny roa teny an-tanany, ka nanambara hoe: “Manana ny nomerao farany amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! aho, hovakinareo mandritra ny dianareo.” Tsy nisy niteny nandritra ny elaela, ary avy eo dia hoy ny lehilahy iray tany aoriana: “Haka roa aho.” Avy eo dia nisy iray hafa koa, ary tsy ela dia nisy hafa koa nanomboka nangataka ireo gazety, ka nanao fanomezana kely ho an’ny asa. Nanontany ilay rahalahy raha nisy naniry ny hotsidihina any amin’ny toerana halehan’izy ireo avy. Tena nisy tokoa, satria maromaro no faly nanome ny anarany sy ny adiresiny. Niteny mafy mba ho ren’ny rehetra ny ramatoa zokiolona iray, ka nanao hoe: “Aza hadinoina ny maniraka olona hitsidika ahy. Ta hahazo bebe kokoa izay lazain’ny Baiboliko mantsy aho.”
Voamariky ny mpitory iray teto Etazonia fa nisy mpianatra tao amin’ny ambaratonga faharoa niangona teo amin’ny lalana sasany teo akaikin’ny sekoly nandritra ny fotoan’ny sakafo. Niomana tsara ny mpitory sasantsasany ary avy eo dia nanatona azy ireo, ka nahazo vokatra faran’izay tsara.
Mba hahatratrarana antokon’olona sasany, dia nisy mpitory nianatra fiteny hafa. Tany amin’ireo Nosy Shetland, avy teo amin’ny
moron-tsiraka avaratr’i Ekosy, dia nianatra ny teny rosiana ny mpisava lalana roa, mba hahafahany hitory tamin’ireo tantsambo rosiana mijanona enim-bolana isan-taona mba hanjono ao amin’ireo ranomasina ireo. Mampiasa sambokely haingam-pandeha ireo mpisava lalana mba hankanesana eny amin’ireo sambo be iasan’ireo lehilahy ireo.Nanolo-tena hitory teny amin’ny seranam-piaramanidina ny anabavy mpisava lalana iray tany Hawaii. Olona maro no faly nahazo zavatra vita an-tsoratra. Tamin’ny diany voalohany tany, dia fampianarana maromaro no natomboka. Niresaka tamin’ny miaramila tanora roa, izay vao tafaverina avy tamin’ny asany tany Egypta, izy. Nilaza ny iray tamin’izy ireo fa Vavolombelona ny reniny. Tonga tany amin’ny Efitrano Fanjakana izy ary nanaiky fianarana Baiboly. Ilay miaramila faharoa dia nanana fanontaniana lalina, satria noho ny asany, dia tojo zavatra nahatonga azy hanontany tena momba ny zava-kendren’ny fiainana, izy. Tonga tany amin’ny Efitrano Fanjakana koa izy ary nangataka fianarana Baiboly.
Hitan’ny mpisava lalana iray tany Arzantina fa ahitana tombony ny fampiasana ny telefaonina mba hitoriana. Isan’andro, rehefa tafody avy any amin’ny fanompoana izy, dia miantso nomerao iray na roa. Hoy ny tantarainy: ‘Indray andro aho dia niantso nomerao iray, ary ankizivavy no namaly. Nanontany azy aho raha noheveriny fa azo natao ny nitoky tamin’olona. Nitsatotsatoka ny valin-teniny hoe: “Tsia!” Nampahalala ny tenako aho, ka nanazava fa ny zava-kendren’ny antsoko dia ny hanome toky azy fa misy olona azontsika itokiana, na dia eo aza ny toe-piainana maneran-tany. Nanizingizina izy fa tsy afaka nitoky na tamin’iza na tamin’iza, na dia tamin’ny fianakaviany aza, anisan’izany ny reniny. Nanomboka nampiasa ny Baiboly aho. Nilaza izy fa efa nanandrana namaky ny Baiboly, nefa tsy azony ny voalaza tao. Nilaza aho fa Andriamanitra sy i Jesosy dia maneho fiheverana ny olona, ary toa azy ireo koa izahay. Nanao fandaharana ny hifankahita teo am-baravaran’ny Efitrano Fanjakana izahay. Tsy tonga izy. Niantso azy avy hatrany aho, ary nanazava izy hoe voatery nampidirina hopitaly ny rainy, ary koa hoe nanandrana niantso ahy izy. Nanao fandaharana mba hifankahitana indray izahay. Tamin’io indray mitoraka io, dia tonga izy ary talanjona noho ilay fandraisana azy, indrindra fa avy tamin’ireo Vavolombelona tanora. Mianatra indroa isan-kerinandro izy izao, manao fandrosoana tsara amin’ny boky Fahalalana ary tonga amin’ny fivoriana rehetra. Izany ka vokatra faran’izay tsara, noho ny antso an-telefaonina iray!’
Mbola zava-tsarotra lehibe ihany ny fitondrana ny vaovao tsara amin’ny olona any amin’ny faritra lavitra be any Islande. Mampiasa tsara ny telefaonina ny misionera iray any amin’ny moron-tsiraka atsinanana. Mandeha mitsidika indray mandeha isam-bolana olona sasantsasany any amin’ny 300 kilaometatra izy, ary mitarika fampianarana amin’izy ireo. Mandritra ny fitsidihany tsirairay, dia manao lahateny ampahibemaso sy mitarika Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana koa izy. Avy eo, ireo olona liana ireo dia manao ny fianarany Baiboly isan-kerinandro amin’ny telefaonina. Amin’ny fampiasana zotran-telefaonina roa, sy telefaonina misy haut-parleur sy micro, dia azo atao ny miara-mianatra amin’ny olona hatramin’ny dimy any amin’ny trano telo samy hafa. Rehefa mitarika ireo fampianarana an-telefaonina ilay mpampianatra, dia manendry izay hamaly ireo fanontaniana alohan’ny hamakiana azy ireo. Samy mahazo fampaherezana be dia be avy amin’ny fianarana ny Baiboly toy izany izy rehetra. Fampianarana enina fara fahakeliny no tarihina isan-kerinandro.
Fony nikarakara ny vadiny izay narary nandritra ny ela be ny anabavy iray tany Bahamas, dia nitory tamin’ny alalan’ny taratasy. Isa-maraina, dia naka fotoana hanoratana taratasy tamin’ny vehivavy nisoratra anarana tao amin’ny annuaire-n’ny telefaonina izy. Nampiasa fanazavana tao amin’ny boky Fanjohian-kevitra izy, ary nanolotra fampianarana Baiboly maimaim-poana tany an-tokantranon’izy ireo. Indray andro, dia niantso an’ilay anabavy ny vehivavy iray ary nilaza fa tena ho tiany tokoa ny hianatra ny Baiboly. Nilaza ilay vehivavy fa rehefa naharay ilay taratasy izy, dia nilaza tamin’ny mpiara-miasa iray hoe Andriamanitra no nilaza taminy fa nila nianatra ny Baiboly ny tenany. Na dia teo aza ny fanoherana mafy avy tamin’ny reniny sy ny mpitondra fivavahana iray, dia nanao fandrosoana tsara io vehivavy io. Nanomboka nanatrika ireo fivoriana tsy tapaka izy, niala tamin’ny fiangonany, ary natao batisa.
Manan-java-manahirana ara-pahasalamana lehibe ny anabavy iray 79 taona any ambanivohitr’i Japon. Noho ny fankasitrahany an’i Jehovah anefa, dia manao ny asan’ny mpisava lalana izy. Manao dia an-tongotra adiny roa na telo isan’andro noho ny antony ara-pahasalamana, izy, ka mampiasa tehina na miankina amin’ny posiposin-jaza. Eny an-dalana izy dia manatona ny hafa amim-pisakaizana, ary miresaka amin’ireo tantsaha eny an-tanimboly. Raisiny
amim-pitandremana ny adiresin’ireo olona liana. Ho vokany, dia olona maherin’ny 100 no anaovany lalana fizarana gazety, mahapetraka gazety 600 isam-bolana izy, manao tatitra fiverenana mitsidika 200 eo ho eo, ary mitarika fampianarana Baiboly telo.Ny mpitory sasany dia afaka nandatsaka ny haratony, amin’ny heviny ara-panahy, tao anaty rano mbola tsy nanaovana fanaratoana firy. Any Meksika, indrindra fa any amin’ireo tendrombohitra mitomandavana (sierras) any amin’ny Fanjakan’i Oaxaca, dia misy faritany sarotra tratrarina, ka noho izany dia tsy voasa firy. Any ny fiteny ampiasain’ny olona dia, tsy ny espaniola, fa ny mixe na ny mazateco, izay fitenim-paritra. Tato anatin’ireo taona faramparany, dia nisy rahalahy avy tany Tehuacán, any amin’ny Fanjakan’i Puebla, nanomboka nankany amin’ny tanàna maro samihafa any amin’io faritra io, mba hitory. Mpisava lalana 25 tonga mba hanampy no mipetraka sy miasa any amin’io faritra io ankehitriny, ary misy mpisava lalana maharitra 15 avy any an-toerana koa any. Miharihary ny vokatra tsara azo, satria misy kongregasiona 13 any ankehitriny.
Ny mpivady iray nonina tany ampita nandritra ny 28 taona, dia nangataka hisotro ronono talohan’ny fotoana, ka niverina tany Philippines mba hanao ny asan’ny mpisava lalana. Mila adiny iray isaky ny mandeha ny dia avy eo an-tranony ao Cavite City mankany Trece Martires, izay mila fanampiana manokana. Mendrika ny hanaovana ny ezaka ve izany? Herintaona sy tapany lasa izay, dia tsy nisy afa-tsy mpitory 19 tao amin’ilay kongregasiona. Ankehitriny izy mivady dia mitarika fampianarana Baiboly 28, ary vao haingana ilay kongregasiona manontolo dia nanao tatitra fampianarana 98. Izany ka faritany tena mamokatra tokoa!
Maro amin’ireo rahalahintsika no niasa tany amin’ny faritra nila fanampiana tao amin’ny taniny aloha, vao nifindra tany an-tany hafa. Ohatra, tao anatin’ireo taona vitsivitsy lasa, dia 40 eo ho eo (rahalahy sy anabavy mpitovo, sy mpivady tanora, ary fianakaviana manontolo) no nifindra nankany Honduras, avy teto Etazonia sy avy tany Kanada, Frantsa, Alemaina, Espaina, Soeda ary Japon. Maro tamin’izy ireo no nifindra avy tany Québec. Nifindra nankany Québec mantsy izy ireo teo aloha, mba hanampy tany. Rehefa voaorina tsara anefa ny asa tany amin’io faritr’i Kanada io, dia nanomboka nitady “faritra fanaratoana” vaovao izy ireo. Ary ao amin’io saha vaovao io izy ireo dia mahita vokatra tsara dia tsara.
Afrika
Tao amin’ny taratasiny voalohany ho an’ny Korintiana, dia hoy ny nosoratan’ny apostoly Paoly: “Fa isika tsy nandray ny fanahin’izao tontolo izao, fa ny Fanahy Izay avy amin’Andriamanitra, mba ho fantatsika izay zavatra nomen’Andriamanitra antsika.” (1 Kor. 2:12). Tena niharihary marina io fanahy, na toe-tsaina, io teo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah any Afrika, ary nampiavaka azy ireo tamin’ny tontolo tia tena sy nikorontana nanodidina azy.
Ny fialanalanana sy ny tsy fizahan-tavan’olona ary ny fitiavana asehon’ny Vavolombelon’i Jehovah dia manintona ny olona ho amin’ny Tenin’i Jehovah sy ny fandaminany. Momba izany, dia hoy ny nosoratan’ny rahalahy iray any Zaïre: “Ao amin’ny tanànan’i Monigi, eo amoron’i Goma, na ny Hutu na ny Tutsi dia tsy mandeha miangona any amin’ireo fiangonan’ny Tontolo Lazaina fa Kristiana intsony, mba tsy hotafihin’ilay foko hafa rehefa ao am-piangonana! Koa satria efa niverina tany Rwanda ny ankamaroan’ireo mpitsoa-ponenana, ireo mponina tavela ao amin’ireo tanàna roa mifanakaiky ireo dia mahafantatra fa ny hany toerana iarahan’ny Hutu sy ny Tutsi amim-pihavanana dia ny Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Noho izany, dia maro amin’izy ireo no mangataka fianarana Baiboly.”
Rehefa avy nanao ady an-trano nandritra ny 30 taona i Angola, dia manomboka mahita fandriampahalemana voafetra. Mahay mampiasa izany tsara ny Vavolombelon’i Jehovah, mba hitoriana momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Any amin’ny faritra sasany, dia mahavariana ny fandraisan’ny olona. Efa-taona taorian’ny fitsidihany farany, dia afaka nitsidika kongregasiona iray any amin’ny faritanin’i Uíge any avaratra, amin’izay ny mpiandraikitra ny fizaran-tany. Natao ny fandaharana ny amin’ny lahateny ampahibemaso, ary nientan-kafaliana ireo mpitory 75 nahita mpanatrika 794! Tany atsimon’ilay tany, dia nisy tranon’ny misionera naorina tany Benguela sy Namibe. Ny mpanatrika ny Fahatsiarovana dia nisy 108 394, nefa ny mpitory 28 969 monja, koa be dia be àry ny zavatra tsy maintsy hatao.
Teny an-dalana hody avy nanao fanompoana teny amin’ny saha, ny anabavy mpisava lalana iray ao Addis-Abeba, any Etiopia. Teo am-baravaran’ny trano iray, dia nisy vehivavy iray niampofo ny zanany. Tampoka teo, dia nikofokofoka mafy ilay zaza efa-taona mandra-pahafany sy mandra-piantsampiny teny amin’ilay anabavintsika, ka ny tanany nitsotra mba harahabaina. Tsy fantatr’ilay fianakaviana ilay anabavintsika, nefa nanararaotra ilay fahafahana izy mba hanatonana ny renin’ilay zaza ary nanontany raha afaka niresaka tao an-trano izy ireo. Raha vao nanomboka nitory momba ny fanantenana ny amin’ilay Fanjakana ilay mpisava lalana, dia nitomany ilay vehivavy. Rehefa nanontaniana ny antony izy, dia nilaza fa efa niomana hamono tena amin’ny fihinanana poizina izy. Vao avy nivavaka tamin’Andriamanitra, nanontany azy ny antony nahafoizany azy, izy, rehefa nanintona ny sain’ilay anabavintsika ilay zaza. Nanomboka nitantara ireo zava-nanahirana azy maro ilay vehivavy. Nampionona azy ilay anabavintsika, ary izany dia nitarika avy hatrany ho amin’ny fampianarana Baiboly. Na dia teo aza ny fanoheran’ny fianakaviany, dia mandroso tsara ao amin’ny fahamarinana izy.
Nitady ny fahamarinana i Stella, mpianatra tany amin’ny oniversite any Nizeria. Efa Pentekotista hatramin’ny taona vitsivitsy izy, ka nihevitra fa nahita ny fivavahana marina. Nanapa-kevitra ny hanoratra boky iray izy, mba hampisehoana fa diso ny fivavahana hafa rehetra. Kanefa, rehefa nanao lisitr’ireo fivavahana lehibe nanodidina azy izy, dia nahita fa tsy nahalala firy momba ny Vavolombelon’i Jehovah. “Hanatrika ny fivorian’izy ireo mandritra ny telo volana aho, mba hahafantarako momba azy ireo”, hoy izy anakampo. Tamin’io faran’ny herinandro io izy dia nankany amin’ny fivoriamben’ny
fizaran-tany iray. Tamin’ny faran’ny fandaharana, dia efa nanomboka nisalasala momba ny fivavahany izy. Ny herinandro nanaraka izy dia tany amin’ny Efitrano Fanjakana teo an-toerana. Namaky bokin’ny Vavolombelona betsaka araka izay hitany koa izy. Taorian’ny fivoriana fahatelo, dia nanatona ny iray tamin’ireo loholon’ny kongregasiona izy, ka nanao hoe: “Ataovy batisa aho, ranadahy, fa efa anisanareo aho izao.” Nanazava ilay rahalahy fa nisy zavatra tsy maintsy fantany, alohan’ny hahafahana hanao batisa azy. Avy eo izy dia nanome azy boky iray hianarany. Namaky azy io tao anatin’ny roa andro i Stella, ary avy eo dia niverina nankany amin’ilay loholona, ka nanao hoe: “Vitako ilay boky, ranadahy, fa ataovy batisa aho.” Nandamina ny hiarahan’ny anabavy iray hianatra taminy ilay loholona, ary volana vitsivitsy tatỳ aoriana, dia tena natao batisa tokoa i Stella.Ireo rahalahintsika any Mali dia mahatakatra fa anisan’ireo fandaharana nataon’Andriamanitra tamin-katsaram-panahy ho an’ny mpanompony ny fivoriana kristiana. Tian’izy ireo ho takatr’ireo olona vao liana koa izany, hany ka mikely aina izy ireo mba tsy hahatsiarovan’ireo vaovao ho sadaikatra. Hoy ny nosoratan’ny iray tamin’ireo vaovao ireo: “Rehefa nitsidika ny Efitrano Fanjakana voalohany aho, dia taitra mafy noho ireo endrika falifaly rehetra sy noho ilay fitiavana naseho ahy. Tara aho, ka nipetraka irery. Avy hatrany, dia nisy mpivady tanora nanolotra ahy Baiboly sy Ny Tilikambo Fiambenana iray. Taorian’ilay fivoriana, dia saika ny rehetra tao amin’ilay Efitrano Fanjakana no nanatona ahy sy namihina ny tanako ary nahatonga ny fitsidihako ho nahafinaritra indrindra. Rehefa nandao an’ilay efitrano aho, dia nitondra boky telo — ny Baiboly Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao, Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany, ary Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany. Tamin’io takariva io ihany aho dia nanomboka namaky, ary nahafantatra voalohany fa ny anaran’Andriamanitra dia hoe Jehovah.”
Tany am-pianarana, tany Sierra Leone, dia nadalain’ireo mpiara-mianatra taminy tsy an-kijanona i Stephen, satria tsy niditra tamin’ny resak’izy ireo momba ny fahalotoam-pitondran-tena eo amin’ny lahy sy ny vavy, no sady tsy nanao fijangajangana. Tsy fantany fa nisy mpiara-mianatra taminy nanoratra taratasim-pitiavana nosoniavin’izy ireo tamin’ny anarany ary nalefan’izy ireo tany amin’ny ankizivavy iray tao am-pianarana. Nanatona azy ilay ankizivavy ka nanao hoe: “Voaraiko ny taratasinao ary manaiky aho, nefa ianao tsy nanatona ahy nivantana.” Taitra ilay rahalahy ary namaly fa tsy nanoratra na
inona na inona taminy izy. Ny ampitson’iny izy dia nitondra ny bokiny Manontany ny Tanora — Valiny Mandaitra tany am-pianarana. Namory an’ilay ankizivavy sy ireo mpiara-mianatra taminy izy ka niara-nandinika tamin’izy ireo ilay foto-kevitra hoe “Ny Maha-lahy sy ny Maha-vavy ary ny Fari-pitondran-tena”. Tatỳ aoriana, dia mbola namerina ilay izy indray ireo iray kilasy taminy. Nampiasa ny boky Manontany ny Tanora indray ilay rahalahintsika tanora, mba hiaraha-manjohy hevitra tamin’izy ireo momba ny fitondran-tena kristiana. Niala tsikelikely tamin’ny fianarana ny ankamaroan’ireo “mpampijalijaly” ireo, araka ny fiantsoany azy ireo. Ny vitsy tavela amin’izy ireo dia manaja azy fatratra azy noho ny fifikirany amin-kerim-po amin’ny fari-pitsipi-pitondran-tena.Ireo mpitory any Swaziland dia mahita fa mora ny mametraka ny boky Fahalalana. Ny mpisava lalana iray dia nanoratra momba ny vehivavy iray izay nampianariny toko sivy tamin’ilay boky tao anatin’ny fianarana folo monja. Momba io mpianatra io, dia hoy izy: “Tsy nahafoy na dia fivorian’ny kongregasiona iray aza izy, hatramin’ny fianarany voalohany. Eto Swaziland, dia mahalana vao misy asa, hany ka rehefa tolorana asa iray ianao, na dia karama vary masaka aza, dia tsy mandà. Nanasa an’ilay mpianatro hiaraka taminy ho any amin’ny casino teo an-toerana ny mpifanila trano taminy. Nisy fanadinadinana olona hanao ny asan’ny mpamory vola mantsy tany. Nanda ilay mpianatro, ka nilaza fa tsy naniry hahafoy ny fianarany Baiboly ny harivan’iny izy. Nanolotra ny handoa ny vidin’ny taksia àry ilay mpifanila trano, mba hahatongavany ara-potoana tamin’ny fianarany. Mbola tsy nanaiky ihany ilay mpianatro. Rehefa nilaza izany tamiko izy, dia nanontaniako hoe nahoana izy no nihevitra fa tsy afaka niasa tao amin’ny casino ny Kristiana. Nilaza tamiko izy fa, avy tamin’izay efa nianarany tamin’ny fianarany ny Baiboly, dia tsy mankasitraka ny filokana i Jehovah. Hoy ny teny nanampiny: ‘Koa satria aho tia an’i Jehovah sy maniry hanao ny sitrapony, ahoana no hahafahako hiasa ao amin’ny casino?’ ” Mbola nandalina ihany ilay mpisava lalana hoe: “Manome karama tsara anie ry zareo e, ary ho afaka hividy ireo zavatra ilainao ianao. Tsy hahatakatra izany ve i Jehovah?” Nampiseho ny boky Fahalalana ilay mpianatra ary nilaza tamin’ilay mpisava lalana fa hitany tao amin’ny Matio 6:33 fa hikarakara azy sy hanampy azy amin’ny zava-manahirana azy foana i Jehovah, raha mametraka azy eo amin’ny toerana voalohany ny tenany.
Azia sy Ireo Nosin’i Pasifika
Ny sampana any India dia manara-maso saha midadasika — tokony ho ny ampahenin’ny mponina amin’ny tany. Tamin’ny Jolay izy ireo dia nanao tatitra ny tampon’isany faha-23 nisesy teo amin’ny isan’ny mpitory. Ny fampitomboana ny asa tao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fandikan-teny dia ahazoana zavatra vita an-tsoratra amin’ny fiteny maro kokoa, ka ny sasany amin’ireo dia ampiasain’olona an-tapitrisany maro. Ny boky Fahalalana dia natao pirinty tamin’ny fiteny 11 ampiasaina any India, tamin’ny herintaona. Ny bokikely Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika? dia natonta tamin’ny fiteny 20.
Iny taona iny no nahitana voalohany ny iray tamin’ireo bokikelintsika miloko tanteraka, nivoaka tamin’ny teny asamasey, khasi, konkani (devanagari), manipuri ary tibetana. Mba hahatratrarana olona 250 tapitrisa any amin’ny faritra atsinanana sy avaratra-atsinanana amin’ilay tany, dia nanehoana fiheverana manokana ny valo tamin’ireo fiteny lehibe indrindra, izay tsy ahitana firy, na ahitana na inona na inona, amin’ireo zavatra vita an-tsoratsika. Ireo rahalahy dia miezaka mafy mifanaraka amin’ilay fampanantenana ara-paminaniana hoe hisy olona avy amin’ny ‘firenena rehetra sy ny fokom-pirenena ary ny samy hafa fiteny’, hahazo ny fankasitrahan’i Jehovah eo Apok. 7:9, 10.
anoloan’ny seza fiandrianany, rehefa hifarana ny fandehan-javatra tranainy. —Ireo vidéos-n’ny Fikambanana dia manampy ny olona hianatra momba ny haben’ny asa ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tapa-kevitra ny hampiasa tsara io fandaharana io ny mpivady iray tany Aostralia, ka nanao lisitr’ireo olona ho azony ampisehoana ireo vidéos samy hafa. Ny anisan’ireo faly nahita ny iray, na mihoatra, tamin’izy ireo dia ny dokoterany, ny mpikarakara ny kaontiny, ny mpanatitra ny taratasiny, ny iray tamin’ireo misioneran’ny Fivavahana Lazaina fa Kristiana hitany tamin’ny fanasana iray, ary ny mpitondra fivavahana teo an-toerana iray. Tao anatin’ny fotoana fohy, io mpivady io dia afaka nampiseho ny vidéo Fandaminana tamin’olona 70, ny vidéo Prophéties tamin’olona 35, ary ny vidéo Purple Triangles tamin’olona 19. Valo tamin’ireo nahita ireo vidéos izao no mianatra ny boky Fahalalana, ary ny efatra amin’ireo izao dia mpitory.
Noho ny fanerena hanaraka ny fomba fiaina nentim-paharazan’ny fianakaviana, dia sarotra amin’ireo olona liana ao amin’ny foko sasany any amin’ny Nosy Salomon ny manaiky ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Ohatra, ny vehivavy iray nanaiky hianatra ny Baiboly tsy ela dia niharan’ny faneren’ny maro be tamin’ireo havany. Araka ny fomba fanao any, dia mety tsy hisy farany ny fitsidihan’ny havana ny fianakaviana iray. Matetika izy ireo no mameno ny trano no sady manantena ny homena sakafo koa. Kanefa, nanohy nianatra ilay vehivavy, tamin’ny alalan’ny bokikely Mifalia Amin’ny Fiainana eto An-tany Mandrakizay! Gaga izy indray andro, raha nanaiky hianatra ny vadiny, izay manam-pahefana ao amin’ny fitondram-panjakana. Tsy ela dia hitan’ilay rangahy fa nila fianaram-pianakaviana mifototra amin’ny Baiboly izy ireo, ary ireo havana tonga nitsidika dia nampiana mba hahatakatra fa tsy tokony hohelingelenina izany fianarana izany. Nianaran’ireo havana ireo koa fa tsy nahazo nitsako betela, na nifoka sigara, na nisotro labiera be loatra intsony izy ireo tao an-tranony. Tsy ela dia nihena ny isan’ireo mpitsidika tsy tapaka. Fantatry ny olona ny vadin’io ramatoa io, ary gaga izy ireo nahita ireo fiovana. Tonga mpitory vita batisa io rahalahintsika vaovao io, ka mandany ora maro izarana ny fahamarinana amin’ny olona maniry hahafantatra hoe: “Fa inona moa io fivavahana io?” Mbola manao fandrosoana tsara koa ny vady aman-janany.
Rehefa nisy Vavolombelona nanomboka niresaka tamin’i Rémy
sy ilay ankizivavy niarahany nipetraka, tany Tahiti, dia mpikambana tao amin’ny club-na kick-boxing izy. Efa naharesy tamin’ny adin-dalao maro izy, ary ho vokany, dia voafantina mba hifaninana tany ampita. Nahatsiaro tena ho tsy nisy naharesy izy. Niloka tany amin’ny casino izy ary nifamaly tamin’ilay sakaizany, tao an-trano. Niavaka noho ny fizahozahoana ny fomba fijeriny zavatra. Ho afaka hanampy olona toy izany ve ny fahamarinana? Na dia teo aza ny fanoheran’ny fianakaviany, dia nanaiky hianatra izy. Namolavola tsikelikely ny fomba fijeriny zavatra ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Niala tamin’ny asany izay nifanipaka tamin’ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly izy, nahafoy ny kick-boxing ary namela ny filokana. Nihanahalana ny fifamaliana tao an-trano. Nisora-panambadiana ara-dalàna izy, ary niova tanteraka ny fomba fijeriny ny fiainana. Sarobidy aminy izao ireo zavatra ara-panahy izay noraisiny ho an’ny tenany sy ny fianakaviany, vokatry ny fahazoany fahalalana momba an’i Jehovah, ilay Andriamanitra marina.I Thongpliu dia anabavy iray any Thaïlande izay tsy nahita fianarana firy. Kanefa, noho izy mpisava lalana maharitra, dia manome ho an’ny fanompoana an’i Jehovah, toerana lehibe eo amin’ny fiainany izy. Rehefa nankany amin’ny Efitrano Fanjakana izy indray alahady tolakandro, dia nahita fa nisokatra ny varavaran’ny trano lehibe iray. Tsy nisy olona foana tao isaky ny nitsidika tao izy taloha. Nisikina herim-po i Thongpliu, nanatona an’ilay vavahady ary niantso ny tompon-trano. Faly ilay ramatoa tompon-trano nandray gazety roa. Rehefa niverina nitsidika azy i Thongpliu, dia nanontanian’ilay vehivavy hoe hatraiza ny fianarana vitany. Rehefa namaly izy hoe tsy nahavita afa-tsy hatramin’ny T4, dia talanjona ilay ramatoa, ka nanontany hoe: “Ary nahoana ianao no mahalala zavatra be dia be izay tsy fantatro? Izaho anefa nahazo diplaoma tany amin’ny oniversite.” Tsy nafeniny koa fa rehefa tao anatin’ny fiarany misy climatiseur ny tenany, dia nandalo imbetsaka an’i Thongpliu nandeha an-tongotra teo ambany masoandro nigaingaina. Avy eo dia hoy ny teny nanampiny: “Tsy fantatro izay toerana nalehanao, fa toa sambatra sady afa-po foana erỳ no fahitako anao. Izaho mety ho toa sambatra etỳ ivelany, nefa raha mijery akaiky kokoa ianao, dia hahamarika fa tsy sambatra aho. Tsy maintsy ho ny fahalalanao ny Baiboly no mahatonga anao ho sambatra. Tianao ve ny hitondra Baiboly ho ahy, sy hampianatra azy io ahy?”
Eoropa
Teo am-pitoriana isam-baravarana tany Lettonie, dia nahita an’i Svetlana, izay nihaino ny famakian’izy ireo ny Jaona 17:3, ny mpitory roa. Nasehon’izy ireo ny fomba fianarana ny Baiboly tamin’ny alalan’ny boky Fahalalana. Taorian’ilay fianarana, dia nanontany azy izy ireo hoe rahoviana no tiany hanohizana ilay izy. “Rahampitso”, hoy ny navaliny tamim-pahalalam-pomba. Taorian’ny fianarana tsirairay, rehefa nanontaniana momba ny fotoana nanaraka izy, dia namaly hoe: “Rahampitso.” Niara-nandinika toko iray tao amin’ny boky Fahalalana, isaky ny fianarana izy ireo.
Rehefa afaka folo andro, dia nibanjina an’ilay nitarika an’ilay fianarana izy, ka nanao hoe: “Maniry ny ho olona matahotra an’Andriamanitra aho, ka inona no tokony hataoko?” Nanaiky ilay torohevitra nomena izy, ka nanao avy hatrany ireo fivorian’ny kongregasiona ho tapany lehibe teo amin’ny fiainany sy ny an’ireo zanany. Tamin’ny fivoriany fahatelo izy dia nanomboka nanome valin-teny. Vita tao anatin’ny iray volana sy iray andro ny boky Fahalalana. Rehefa nianatra ny toko faha-12 izy, dia nanary ireo bokiny momba ny spiritisma. Teo amin’ny toko faha-14, dia nampitsahatra ny fangalarana rehetra nataony izy ka nanomboka nandoa ny saran-dalany rehefa nandeha lamasinina. Hoy izy: “Taorian’ny
fianarana tsirairay aho dia nahatsiaro tena ho mihamadio hatrany.” Rehefa nahavita ny toko faha-15 izy, dia nanomboka fianaram-pianakaviana, na dia sarotra ihany aza ilay izy tamin’ny voalohany. Ny toko faha-18 dia nampiaiky an’i Svetlana fa zavatra tena ilaina ny fanompoana eny amin’ny saha sy ny batisa.Talohan’ny nianarany ny fahamarinana, dia nanana fiainana feno fanaranam-po i Svetlana. Taorian’ny fanandraman-javatra iray izay nahasosotra mafy azy, dia nanapa-kevitra ny hamela izany rehetra izany izy, nefa dia nisy banga teo amin’ny fiainany. Kanefa niova izany, rehefa nanomboka nahazo fahalalana an’i Jehovah izy. Ankehitriny, dia hoy izy: “Faly be aho. (...) Tia an’i Jehovah sy ireo anadahy aho, ary manantena fa ho afaka hiaina ao amin’ny Paradisa izaho sy ireo zanako.” Rehefa afaka iray volana monja, dia tonga mpitory tsy vita batisa izy, ary tamin’ny fivoriambe tamin’ny teny rosiana tany Riga, dia natao batisa izy.
I Ryan, ankizilahy 12 taona tany Grande-Bretagne, dia tsy maintsy nanomana famelabelarana hatao tao an-dakilasy, momba ny foto-kevitra hoe “Ilay Olona Mahatalanjona Ahy Indrindra”. Fahafahana tsara hanao fanambarana re izany! Nanapa-kevitra ny hiresaka momba an’i Jesosy Kristy i Ryan. Niomana tsara izy ary nanao famelabelarana folo minitra, izay nanononany andinin-teny mba hanohanana ireo hevitra nohazavainy. Teo am-pamaranana, dia nanolotra ny boky Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany ho an’izay liana izy. Ireo boky roa nentiny dia nisy nandray avy hatrany, ary nisy nanafatra dimy hafa. Nitondra boky enina tany am-pianarana izy ny ampitson’iny, nahapetraka azy ireo, ary nahazo fanafarana boky enina hafa koa. Ny ampitson’iny izy dia nitondra boky fito, nizara azy ireo ary mbola nangatahana boky roa hafa koa.
Tany amin’ireo Nosy Féroé, ny mpianatra sasany dia nasaina nanao entimody izay nitaky ny hanangonany fanazavana momba ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy ampy no sady diso ny zavatra nananan’ilay sekoly. Rehefa nanolo-tena hitondra fanazavana hampiasain’izy ireo ny Vavolombelona tanora iray, dia noraisina an-tanan-droa ny fanolorany. Nanome ilay vidéo hoe Ny Vavolombelon’i Jehovah — Ilay Fandaminana ao Ambadik’ilay Anarana an’ilay mpampianatra koa izy. Nasehon’izy io tamin’ilay kilasy manontolo
ilay izy, ary tatỳ aoriana, tamin’io herinandro io ihany, dia naseho tamin’ny kilasy hafa koa.Rehefa nanomboka nianatra ny fahamarinana ny lehilahy tanora iray tao amin’ny polisy tany Gresy, dia tojo fanoherana mafy avy tamin’ny havany. Nitondra ny vadin’io lehilahy io tany amin’ny pretra sy tany amin’ny teolojiana ary avy eo dia tany amin’ny eveka ny rafozan-dahiny. Nampirisika an’ilay vehivavy hisaraka tamin’ny vadiny ilay eveka ary nampanantena ny hitady vady hafa ho azy. Rehefa tafaverina tany amin’ny vadiny ilay vehivavy, dia nahita fa nanatsara ny fitondran-tenan’ny vadiny ny fianarany. Nandinika ny fitondran-tenan’ireo Vavolombelona nifaneraseran’ny vadiny koa izy. Niara-nianatra taminy àry izy, nefa nanapa-kevitra samirery ny ray aman-dreniny ny hampanao batisa ny zanakavavin’izy mivady kely tao amin’ny Eglizy Ortodoksa Grika. Nandrahona ny hikapoka ny vinantolahiny ny rain’ilay vehivavy. Niaraka tamin’ny mpianakavy roa hafa àry izy, dia nankany amin’ny Efitrano Fanjakana mba hampisy korontana. Kanefa, nisinda ilay kotaba, rehefa niandany mafy ho amin’ny fahamarinana ilay lehilahy sy ny vadiny. Samy natao batisa izy mivady. Ankehitriny dia mianatra ny Baiboly ilay rafozan-dahiny sy ny vadiny. Ilay zaodahiny, izay anisan’ny nampisy korontana tany amin’ny Efitrano Fanjakana, dia natao batisa koa, niaraka tamin’ny vadiny.
Mba hanavaozana ny pasipaorony hahafahany hivoaka an’i Bolgaria mba hanatrika ny fivoriamben’ny distrika tany Romania tamin’iny taona iny, niaraka tamin’ny reniny sy ny raibeny ary ny renibeny, i Blagomira, ankizivavy sivy taona, dia nila ny sonian-drainy, izay nandao ny fianakaviana talohan’ny nahatongavan’izy ireo ho Vavolombelona. Hentitra ny fandavan’ilay rainy tsy hanohana ny fanirian’io zanany vavy kely io. Niantso azy matetika mba hahazoana ny fanekeny i Blagomira, nefa very maina foana izany. Tsy nampoizina fa ny alatsinainin’ny herinandron’ny fivoriambe, dia nitsidika an’ilay fianakaviana ny zokiny vavy, ary nilaza tamin’ny renibeny fa hanaiky hanao sonia ilay fangatahana pasipaoro ny rainy. Tsy nilaza zavatra hafa izy, fa nandeha. Tsy nisy nahafantatra hoe rahoviana na tamin’ny fomba ahoana no hanaovan’ilay rainy ilay sonia. Rehefa tafody avy tany amin’ny fanompoana i Blagomira sy ny reniny, ka nahare ilay vaovao, dia niara-nivavaka hoe: “Raha sitraponao, Jehovah ô, ny hiarahanay ho any amin’ny fivoriambe,
dia mba ampio izahay, raha sitrakao. Hiandry any amin’ny birao fangatahana pasipaoro izahay rahampitso maraina.” Mba hahazoana antoka fa izy ireo no ho voalohany tany, dia nitondra seza kely roa izy mianaka, ary niala tao an-trano tamin’ny efatra ora sy sasany maraina. Rehefa afaka kelikely, dia nandeha an-tongotra tany amin’ny tranon-drainy, izay tsy lavitra teo, i Blagomira. Nanoroka an-drainy izy, ary nangataka hoe: “Dada a, ho avy ve ianao? Efa niandry teo anoloan’ilay birao efa hatramin’ny dimy sy folo izahay sy i Neny, anikeheo maraina.” Niakanjo avy hatrany ny rainy ary niaraka tamin’ilay zanany vavy mba hanao sonia ireo taratasy. Nahatalanjona fa vonona ny ampitson’iny ihany ilay pasipaoro, ara-potoana tsara mba hahafahana hanao ilay dia ny ampitso maraina! Nanampy an-janany ilay reniny hahatakatra fa izany dia porofo mazava ny amin’ny fisian’i Jehovah sy ny fitiavany an’i Blagomira. Nilaza izy fa izany dia vao mainka tokony hanamafy ny fanapahan-kevitr’i Blagomira hanompo azy mandrakizay. Taorian’ilay fivoriambe, i Blagomira dia nanao fanomezana an’ilay boky vaovao hoe Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana an-drainy.Rehefa nitory teny amin’ny arabe ny mpisava lalana manokana iray tany Polonina, dia nahita ramatoa tanora iray izay nanasa azy ho any an-tranony, ary nanoro azy ny fomba hahatongavana tany mihitsy aza. Kanefa, rehefa tonga tamin’ilay fotoana nifanaovana ilay Vavolombelona, dia tsy nisy nanokatra ilay varavarana, na dia nahare olona tao anatiny aza izy. Rehefa nandao an’ilay laharan-trano ilay anabavintsika, dia nitory tamin’ny rangahy be taona iray nampiseho fahalianana. Tamin’ny fitsidihany nanaraka, dia fianarana nahafinaritra be no natomboka niaraka tamin’io lehilahy io sy ny vadiny. Kanefa, mbola nanapa-kevitra ny hitsidika indray an’ilay ramatoa tanora ilay anabavy. Nijery an’ireo naotiny izy, ka nahita fa tsy izy ilay laharan-trano nalehany teo aloha. Nandeha haingana tany amin’ilay adiresy marina izy, ary dia faly ilay ramatoa nahita azy. Rehefa nanomboka niala tsiny ilay anabavy, dia hoy ilay vehivavy: “Nilazako ny vadiko hoe nanasa Vavolombelon’i Jehovah aho. Niandry anao izy mba handroaka anao. Tena natahotra aho ary nivavaka tao an’efitranoko mba tsy hahatongavanao, nefa faly be aho fa tonga ianao androany.” Izao ilay anabavy dia manana fampianarana Baiboly tsara roa, ary mino fa ireo anjely no nahatonga izany.
Ireo Tanin’i Amerika
Hitan’ny rahalahy iray tany Kanada fa tena sarotra taminy ny nampahalala ny tenany ho Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny toeram-piasany, sy ny nitory tsy ara-potoana. Nivavaka momba izany anefa izy, nisikina herim-po ary dia nanomboka nanao ilay izy. Tsy nanaiky ny ezaka nataony ireo mpiara-miasa taminy tamin’ny voalohany, nefa ny fanononana ny amin’ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty dia nitarika ho amin’ny fampianarana Baiboly iray. Ny harivan’iny, dia nivavaka ilay rahalahy hoe: “Jehovah ô, mampanantena aho fa tsy hamela fahafahana handeha ka tsy hiresahako amin’ireo mpiara-belona amiko, intsony mihitsy. Hoheveriko ho toy ny rahalahiko sy anabaviko ho avy foana izy ireo.” Izany tokoa no nataony. Tany amin’ny toeram-piasany nanaraka, dia nanome azy ny anaram-bositra hoe Mosesy ireo mpiasa, noho ny fitoriany tamin-jotom-po nandritra ny ora fisakafoana sy ny fiatoana. Mampiasa tsara ilay vidéo-n’ny Fikambanana hoe Ny Vavolombelon’i Jehovah — Ilay Fandaminana ao Ambadik’ilay Anarana izy. Teo am-piandohan’iny taon-dasa iny, dia olona 394 tany amin’ny toeram-piasany no nahita ilay vidéo, ary tsy tafiditra amin’izany ny fianakavian’izy ireo sy ny naman’izy ireo. Manana lisitry ny olona maro hafa maniry hahita azy io ihany koa izy. Rehefa 14 taona no niasany tao amin’io orinasa
io, dia afaka nanampy olona 34 ho tonga amin’ny batisa ilay rahalahintsika.Tany Silia, dia nisy ezaka manokana natao nandritra ny fahavaratra mba hahatratrarana faritra lavitra be. Fianakaviana maro no nandany ny fotoam-pialan-tsasany tamin’io fomba io. Nahita olona nangetaheta ny fahamarinana izy ireo. Olona tokony ho 30 000 no mipetraka any amin’ny nosy kely maro any atsimon’ilay tany. Niezaka mafy hahatratra azy ireo tamin’ny fiaramanidina ireo rahalahy. Tany amin’izay nahafahany, dia nipetraka tamin’ny tany izy ireo, ary nitory. Tany amin’izay tsy nahafahany nipetraka tamin’ny tany, dia nanidina teo ambonin’ireo tanàna kely izy ireo, ary nandatsaka fonosan’entana nisy gazety roa. Izany dia mba hahafahan’ny olona any koa hahafantatra izay nokasain’i Jehovah hatao amin’ny alalan’ny Fanjakany.
Any amin’ny Repoblika Dominikana, dia tsy mahalana ny hoe feno hafanam-po aoka izany momba izay ianarany ireo mpianatra ny Baiboly, ka manomboka mitarika fampianarana amin’ny hafa koa ny tenany, na dia alohan’ny hanekena azy ho mpitory tsy vita batisa aza. Rehefa avy nanatrika ireo fivoriana tany amin’ny tanàn-dehibe iray nandritra ny volana vitsivitsy ny rangahy iray, dia niverina nankany amin’ny tanànany tany an-tendrombohitra, ary nanomboka nizara izay nianarany tamin’ny hafa. Rehefa tonga teo amin’io faritany “tsy nisy niasa” io ny mpisava lalana roa, dia nifandimby nilaza taminy ireo tompon-trano hoe efa nahare momba ireo zavatra noresahin’ireo mpisava lalana avy tamin’i Radhamés, izy ireo. Tamin’ny farany, dia nahita an’i Radhamés ireo rahalahy. Talohan’ny nanombohan’i Radhamés sy ny fianakaviany ny fianarany ny Baiboly, dia nitondra an’ireo mpisava lalana hitsidika ny sasany tamin’ireo nampianariny aloha izy. Samy vita batisa izao izy sy ny vadiny.
Tany Yacuiba, any Bolivia, ny fivavahana ara-pilazantsara iray tany an-toerana dia nandamina ny hampisehoan’ny televiziona iray sarimihetsika izay niharihary fa nataon’ny mpivadi-pinoana. Rehefa nodinihina ny vokatra ratsin’io fandaharana io, ireo loholona dia nanapa-kevitra ny hitsidika televiziona roa sy nanolotra ny handoa vola mba hampisehoan’izy ireo tamin’ny besinimaro ny vidéos Ny Vavolombelon’i Jehovah — Ilay Fandaminana ao Ambadik’ilay Anarana sy La Bible: un livre historique et prophétique. Rehefa avy nahita ireo vidéos-n’ny Fikambanana ny tompon’ny radio iray, dia tezitra noho ilay fampisehoana diso tao amin’ilay fandaharan’ireo mpivadi-pinoana, ka
nanolotra ny handefa fampandrenesana maimaim-poana ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah, momba ny fivoriamben’ny distrikan’izy ireo efa akaiky. Be dia be tsy araka ny nahazatra ny mpanatrika, ary olona tso-po maro no nanomboka nametraka fanontaniana feno fahatsoram-po, rehefa nitsidika azy ny Vavolombelona, teny amin’ny fanompoana.Naniry handamina fianarana momba ny fianakaviana sy ny fitsipi-pitondran-tena ho an’ny mpiasany ireo mpitantana tao amin’ny orinasa lehibe iray tany Ekoatera. Nanontany pretra sasany ny talen’ny birao mikarakara ny mpiasa, nefa tsy nahazo vokany. Rehefa nahare izany ny Vavolombelona iray, dia nitsidika an’ilay tale, ary nampiseho azy ny lisitr’ireo foto-kevitra resahin’ireo gazetintsika. Nanohina an’ilay tale izany, ka nifidy foto-kevitra telo izy ary nandamina fandaharana adiny roa ho an’ireo mpiasa rehetra, izay nozaraina ho antoko fito nisy olona 30 avy. Rahalahy nahay telo no nitarika ireo fotoam-pivoriana. Nasaina mba hiteny sy hametraka fanontaniana ny mpanatrika. Rehefa noresahina ny fanaovana ny marina, dia nilaza ny mpiambina iray hoe hety ny mangalatra ao anatin’ny toe-javatra sasany. Nitovy hevitra taminy ny iray hafa, ka nanao hoe: “Raha marary ny reniko ka tsy manam-bola aho, dia ho voatery hangalatra. Sa tokony hamela azy ho faty fotsiny eo aho?” Ho valiny, dia nilaza tamin’izy ireo momba ny raim-pianakaviana tanora iray izay tsy nahaloa hofan-trano telo volana, ilay rahalahy. Niray tamin’antokona mpandroba izy ary nisy namono nandritra ny fanandramana hangalatra iray, ka namela vady sy zaza kamboty telo. “Etsy an-danin’izany kosa”, hoy ny nohazavain’ilay rahalahintsika, “ny olona manao ny marina dia mazàna no manana namana tsara izay hanampy azy ao anatin’ny zava-tsarotra.” Tamin’ny faran’ny fotoam-pivoriana tsirairay, dia maro no naneho fankasitrahana. Ny hafa namela ny anarany sy ny adiresiny ary nangataka an’ireo rahalahy mba hitsidika azy. Nanolotra boky Fiainam-pianakaviana maimaim-poana ho an’izay rehetra naniry hahazo iray, ireo mpitantana. Olona 66 no namela ny anarany. Koa naranty tao an-dalantsara àry ny boky Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany, ary avy eo dia ny boky Manontany ny Tanora — Valiny Mandaitra. Tamin’ny fotoana nanoratana izao fanandraman-javatra izao, dia mbola nisy olona nanafatra boky ihany. Tena nanohina an’ireo mpitantana ilay fanazavana azo nampiharina, ka naniry handamina fotoam-pivoriana iray hafa izy ireo, taorian’ny enim-bolana.
Tany Paragoay, ny mpisava lalana iray dia nametraka ny boky Fahalalana tamin’ny vehivavy iray nampiseho fahalianana, nefa nanova
resaka rehefa notolorana fianarana Baiboly. Tatỳ aoriana, dia nilaza tamin’ilay mpisava lalana izy fa tsy nifanaraka tamin’izay ninoany ny zavatra naseho azy avy tao amin’ny Baiboly, ka noho izany, dia tsy naniry ny hanohizan’ilay Vavolombelona hitsidika azy izy. Kanefa, volana vitsivitsy tatỳ aoriana, rehefa nitondra nomerao manokana tamin’ny Mifohaza! ilay mpisava lalana, dia hita ho toy ny hoe tsy nahandry ny hiverenan’ilay anabavy ilay vehivavy. Nanazava izy fa voavakiny ny boky Fahalalana, fa nahafinaritra ilay izy ary koa fa efa niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny mpifanila trano telo izy, niorina tamin’izay nianarany tao amin’ny toko faha-16 tamin’ilay boky. Rehefa niverina niaraka tamin’ny vadiny ilay anabavintsika, dia efa niandry ilay vehivavy. Kanefa, tsy natao tao an-tranony ny fianarana, fa nitondra azy ireo tany amin’ny tranon’ilay mpifanila trano taminy ilay vehivavy. Nanatrika ireo fitsidihana voalohany io mpifanila trano io. Niaraka tamin’io mpifanila trano io izy ireo nankany amin’ny tranon’ilay mpifanila trano faharoa, ary avy eo, izy dimy mianadahy ireo dia nankany amin’ilay trano fahatelo, ary dia efa niandry an’ilay fianarana Baiboly koa ilay ramatoa tao. Samy mandroso tsara izy rehetra ireo.Teo am-pitoriana isan-trano, dia nandondòna teo amin’ny varavarana iray ny anabavy mpisava lalana iray tany Orogoay. Ankizivavy kely no tonga teo am-baravarana. Tsy tao an-trano ny ray aman-dreniny, koa nitory tamin’ilay ankizivavy kely, izay tena nampiseho fahalianana, àry ilay anabavintsika. Tamin’ny faran’ilay fitsidihana, dia nanolotra fampianarana Baiboly tsy tapaka tamin’ilay ankizivavy kely ilay Vavolombelona, nefa nilaza taminy mba hanontany ny ray aman-dreniny aloha. Hanao ahoana ny fihetsiky ny ray aman-dreniny? Gaga be ilay mpitory, raha nilaza ilay reniny fa tsy hampaninona mihitsy ny hiarahany mianatra amin’ny zanany vavy kely. Nanontany koa anefa izy raha nahazo nandray anjara tamin’ilay izy koa ny mpianakavy hafa rehetra. Mazava ho azy fa eny! Koa ankehitriny, dia mpikambana efatra amin’io fianakaviana io no itarihana fampianarana Baiboly tsy tapaka — ka izany rehetra izany dia noho ny fitoriana tamin’ny ankizivavy kely iray.
Notombanana fa eto amin’ny kontinentan’i Etazonia, dia misy olona marenina maherin’ny roa tapitrisa, izay mifandray amin’ny hafa amin’ny alalan’ny Baikon’ny Moana amerikana. Misy zava-tsarotra maro hita eo am-panatanterahana ny fanompoana amin’ny olona mampiasa ny baikon’ny moana. Misy mpisava lalana manao dia hatramin’
ny 300 kilaometatra isan’andro mba hitsidihana olona valo na sivy, nefa ny maro amin’ireo dia mety tsy ho ao an-trano akory. Ilana fahaiza-manombo-javatra ny fahitana ireo olona marenina ao amin’ny faritany. Any amin’ny tanàna sasany izay mikarakara fisehoan-javatra ho an’ny marenina, ireo mpitory kinga amin’ny baikon’ny moana dia efa nahazo lalana hanangana latabatra na trano heva nampirantiana tamin’ny fomba nanintona an’ireo zavatra vita an-tsoratsika natao ho an’ny marenina. Nametraka televiziona sy magnétoscopes koa izy ireo mba hampisehoana ireo vidéos-ntsika mivoaka amin’ny Baikon’ny Moana amerikana. Izany dia miteraka fahafahana tsara dia tsara hahita olon-kafa koa amin’ireo mponina marenina, sy hametraka zavatra vita an-tsoratra amin’izy ireo, ary hanao fandaharana hitsidihana azy ireo any an-tranony. Tamin’ny fety iray toy izany, dia nahazo ny anarana sy ny adiresin’olona 40 izay mbola tsy hitany talohan’io, ireo rahalahy.Ny iray tamin’ireo fisehoan-javatra lehibe tany Guyana tamin’iny taon-dasa iny dia ny fankalazana tao anatin’ny iray andro, ny fampakaram-badin’ny mpivady 79 nanatrika ireo fivorian’ny Kongregasiona Baramita. Nanao ny lahatenim-panambadiana, izay nadika tamin’ny fiteny caraïbe, ny mpikambana iray tao amin’ny Komitin’ny Sampana, ary avy eo dia samy namerina tamin’ny feo avo ny voadim-panambadiany, tamin’ny fiteny caraïbe, ny mpivady tsirairay. Nahoana no voatosika hivady ireo mpivady 79 ireo? Satria nanova ny fomba fijeriny ny fiainany ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Teo anatrehan’i Jehovah sy ny vavolombelona maro, izy ireo dia nanaiky ny hiara-mipetraka amin’ny vady iray ihany, sy ny hanaraka ny fari-pitsipiky ny Baiboly momba ny fanambadiana manan-kaja. Telo andro tatỳ aoriana, dia olona 41, ka ny ankamaroany dia anisan’ireo mpivady vao avy nivady ireo, no nanatona ny mpampianatra azy, ka naneho ny faniriany ho tonga mpitory tsy vita batisa.
Ireo mponina caraïbes ao amin’io faritra io dia tapa-kevitra ny hianatra zavatra betsaka araka izay azo atao momba an’i Jehovah sy ny fandaminany, ka hanao izany haingana araka izay azo atao. Mandeha an-tongotra mandritra ny adiny roa, telo, na mahery, izy ireo mba hankanesana any amin’ireo fivoriana isan-kerinandro. Vitsy dia vitsy no tonga tara, na dia mandeha amin’ny lalan-kely any anaty ala mikirindro ahitany renirano, tigra, bibilava misy poizina, sy ny toy izany, aza izy ireo. Maro be aoka izany no maniry hianatra ny fahamarinana momba an’Andriamanitra, hany ka mitarika fampianarana Baiboly amin’ny mpianatra 40 na 70 indray miaraka, ireo Vavolombelona.