Orogoay
Orogoay
FONY tonga voalohany teto Orogoay ny Espaniola tamin’ny 1516, dia tsy nahita volamena na volafotsy, na ny lalana nankany Orient notadiaviny. Takatr’izy ireo anefa, rehefa nandeha ny fotoana, fa tena nety indrindra ho an’ny fiompiana ilay tany be fiakarana sy fidinana, mbamin’ny toetr’androny malefaka. Teto no nety hahazoam-bola be. Nampiasa fomba fiady fanaon’ny mpanjana-tany matetika loatra i Espaina, ka nandefa tafika hamely sy handripaka tanteraka ireo Indianina charrua teratany, ary hibodo ny tany teto. Nandritra ireo taonjato faha-17 sy faha-18, dia saika voasolon’izy ireo tanteraka ny mponina indianina teto an-toerana. Nisy mpiavy avy tany Italia sy avy tany an-tany hafa koa tonga teto, tatỳ aoriana. Noho izany, ny ankamaroan’ny mponina eto Orogoay amin’izao fotoana izao dia taranaky ny mpiavy eoropeanina, ary ny fiteny espaniola no fiteny ofisialy.
Na dia taranaky ny mpiavy eoropeanina aza ny ankabetsahan’ireo mponina maherin’ny telo tapitrisa eto, ny 10 isan-jato eo ho eo dia taranaky ny Indianina Mena Hoditra teratany, ary latsaka ny 3 isan-jato no taranaky ny andevo nentina avy tany Afrika. Tsy dia zavatra ahin’ny ankamaroan’ny Orogoayanina firy ny fivavahana. Tsy dia mahery ny fahefan’ny Eglizy Katolika eo amin’ny vahoaka, tsy toy ny ao amin’ireo tany hafa atỳ Amerika Atsimo. Raha ny marina, nanomboka teo am-piandohan’ny taonjato faha-20, dia nisy fisarahana niavaka teo amin’ny Eglizy sy ny Fanjakana. Kanefa, na dia maro aza ny mpandà ny foto-pinoana mahazatra sy ny agnôstika ary ny tsy mino an’Andriamanitra, dia sesehena ny olona mbola mino an’Andriamanitra. Fandre matetika ny filazan’izy ireo ny
toerana tanany hoe: “Mino an’Andriamanitra aho, fa ny fivavahana fotsiny no tsy inoako.”Hanao ahoana ny fihetsik’ireny olona ireny, raha tsy ampianarina ireo fanekem-pinoan’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristianina izy ireny? Hanao ahoana tokoa raha ampianarina momba ilay Andriamanitra marina sy ny fikasany feno fitiavana ary ny fifampiraharahany amin-katsaram-panahy amin’ny olombelona, voalazalaza ao amin’ny Baiboly, kosa izy ireny? Moa ve izy ireny ho anisan’ireo “zavatra faniry” raisin’Andriamanitra an-tanan-droa ao amin’ny tranony ara-panahy fanolorana fanompoam-pivavahana aminy? — Hagay 2:7, NW.
Fiandohana kely
Tamin’ny 1924, dia nisy lehilahy iray antsoina hoe Juan Muñiz, avy tany Espaina, tonga teto mba hitady olona tso-po izay ho tonga mpivavaka amin’i Jehovah. Nanasa azy i J. F. Rutherford, prezidàn’ny Watch Tower Bible and Tract Society tamin’izany fotoana izany, mba hifindra hankatỳ Amerika Atsimo ka hiandraikitra ny fitoriana ny vaovao tsara tatsy Arzantina, Paragoay, Silia, ary teto Orogoay. Tsy ela taorian’ny nahatongavany tatsy Arzantina, dia nandeha sambo, nita ny Ony Río de la Plata izy, mba hitory teto Orogoay.
Nandritra ny 43 taona nanaraka, hatramin’ny nahafatesany tamin’ny 1967, dia mpitory ny Tenin’Andriamanitra tsy nanan-tahotra i Juan Muñiz. Nampiely ny vaovao tsara nanerana ny tany maromaro atỳ Amerika Atsimo, izy, anisan’izany i Orogoay. Tsaroan’ny Vavolombelon’i Jehovah maro tamin’izany fotoana izany fa nahay nambabo ny sain’ny mpihaino nandritra ny adiny roa na adiny telo izy, nefa tsy nila naoty, fa ny Baiboliny fotsiny no nampiasainy.
Nahazo valiny ny fangatahana mpiasa maro kokoa
Fotoana fohy taorian’ny nahatongavany tatỳ Amerika Atsimo, dia tsapan’i Juan Muñiz fa be dia be ny nety ho tonga mpianatra, ka noho izany dia nilaina ny mpiasa maro. Tsy maintsy ho toy izao tsapan’i Jesosy izao koa no tsapany: “Be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy; koa amin’izany mangataha amin’ny Tompon’ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra.” (Matio 9:37, 38). Koa nilaza ny fanahiany tamin’ny Rahalahy Rutherford àry ny Rahalahy Muñiz, nifanaraka tamin’ny vavaka nataony tamin’i Jehovah, ilay “Tompon’ny vokatra”.
Ho valin’ny fangatahany, nandritra ny fivoriambe iray tany Madgeburg, Alemaina, tamin’ny 1925, dia nanontanian’ny Rahalahy Rutherford ny mpisava lalana alemà iray raha vonona hanampy atỳ Amerika Atsimo. Karl Ott no anarany. Nanaiky ilay fanendrena ny Rahalahy Ott, ary nanjary fantatra hoe Carlos Ott teo anivon’ireo rahalahy niteny espaniola. Rehefa avy nanompo kelikely tatsy Arzantina izy, dia notendrena hanketo Montevideo, renivohitr’i Orogoay, tamin’ny 1928. Nanompo teto Orogoay izy, nandritra ny folo taona nanaraka.
Nanomboka niasa avy hatrany i Carlos. Sady nazoto niasa izy no nahay namoron-kevitra. Vetivety izy dia nahita toerana tao amin’ny Arabe Río Negro, izay azony nipetrahana sy nanaovana fivoriana fianarana Baiboly tsy tapaka niaraka tamin’ny olona liana vitsivitsy. Nataony koa izay handefasana lahateny ara-baiboly tamin’ny radio. Nanaiky ny handefa ireo lahateny maimaim-poana mihitsy aza ny radio iray.
Indraindray dia niditra tao amin’ny hotely fisakafoana i Carlos, ary nanatona ny olona mbola teo am-pihinanana. Indray andro, raha ilay nitory isaky ny latabatra iny izy, dia tafahaona tamin’i José Gajek, mpivarotra alemà iray, izay nandray haingana ny fahamarinana ara-baiboly. Tsy ela dia niaraka tamin’i Carlos i José, ka tonga anisan’ireo mpitory ny vaovao tsara voalohany teto Orogoay.
Tapa-kevitra ny handray anjara manontolo andro tamin’ny fampielezana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra ny Rahalahy Gajek, ka namidiny ny tsenakeliny, ary nirotsaka tamin’ny asan’ny mpisava lalana izy. Nitety tapany lehibe tamin’i Orogoay
izy sy ny Rahalahy Ott, ka nitory isan-trano ary nanao lahateny ara-baiboly tany amin’ny tanàna sy vohitra maro. Namafy voa be dia be tao am-pon’ny Orogoayanina maro ny Rahalahy Gajek, hatramin’ny nahafatesany tamin’ny 1953. Maro tamin’ireo mpianany no tonga mpikambana ao amin’ny kôngregasiôna kristianina, ka mbola mahatoky hatramin’izao.Manaiky ny fahamarinana ny Rosianina
Nandritra ny Ady Lehibe Voalohany, dia nisy fianakaviana rosianina maromaro nifindra nanketo Orogoay ka nanorim-ponenana tany avaratra. Nanorina toeram-pambolena lehibe niroborobo izy ireo tany. Nitana koa ny fomba nentim-paharazany, dia ny fanajana ny Baiboly, izy ireo, ka namaky azy io tsy tapaka. Olona nazoto niasa sady nimpirimpirina izy ireo, ka nahaforona fiaraha-monina tsy nifandray firy tamin’ny Orogoayanina. Teo anivon’izy ireo no nahitana mpitory ny vaovao tsara tany am-boalohany iray hafa teto Orogoay. Nikifor Tkachenko no anarany.
Kôminista nafana fo i Nikifor tany Bessarabie tanindrazany. Rehefa nifindra monina nankatsy Brezila anefa izy, dia nahazo ilay bokikely hoe Aiza moa Ireo Maty? (anglisy), navoakan’ny Fikambanana Watch Tower. Takany avy hatrany fa io no fahamarinana, ary nanjary mpianatra ny Baiboly nafana fo izy. Tsy ela izy dia nanomboka nitory tamin’ny olona niteny rosianina tao amin’ny faritr’i São Paulo atsy Brezila. Natosiky ny faniriana hitory tamin’ny fitenin-drazany tamin’ireo mpiray tanindrazana taminy teto Orogoay izy, ka nanao dia 2 000 kilaometatra teo ho eo. Araka izany, tamin’ny 1938, dia tonga tao amin’ny fiaraha-monina rosianina nantsoina hoe Colonia Palma tany avaratra ny Rahalahy Tkachenko. Nanompo tamin-jotom-po aoka izany izy, hany ka tsy ela dia tapitra ny zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly tamin’ny teny rosianina nentiny.
Nandray tamin-kafanam-po ireo mpamboly. Nisy fianakaviana manontolo nanomboka nianatra ka nandray ny fahamarinana. Anisan’ireo “zavatra faniry” nasaina ho ao an-tranon’i Jehovah izy ireo. Ireo zafy sy zafiafin-dry Tkachenko, ry Stanko, ry Cotlearenco, ry Gordenko, ry Seclenov, ary ry Sicalo, raha tsy hanonona afa-tsy fianakaviana vitsivitsy monja isika, no fototr’ireo
kôngregasiôna any avaratra, toa an’i Bella Unión sy i Salto ary i Paysandú. Nisy tonga mpisava lalana manokana, loholona, mpiandraikitra ny fizaran-tany, ary misionera ny sasany avy tamin’ireo fianakaviana ireo. Nitoetra ho nahatoky kosa ny Rahalahy Tkachenko, hatramin’ny nahafatesany tamin’ny 1974.Ireo Alemà enina
Noho ny fanenjehana nahery vaika nampiharina tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Alemaina Nazia, dia mpisava lalana alemà maro no nandao ny tanindrazany mba hanompo tatỳ Amerika Atsimo. Nisy enina tamin’ireny mpisava lalana ireny tonga teto Montevideo, teo am-piandohan’ny 1939. Tsy nanam-bola izy ireo, ary tsy dia nanam-pananana. Faly izy ireo nahita an’i Carlos Ott, izay tonga nitsena azy. Izy enina mianadahy ireo dia i Gustavo sy i Betty Bender, i Adolfo sy i Carlota Voss, i Kurt Nickel, ary i Otto Helle. Telo andro monja taorian’ny nahatongavany, dia efa nitory isan-trano izy ireo. Tsy nahay teny espaniola izy ireo, ka nampiasa karatra fitoriana vita pirinty tamin’ny teny espaniola. Ny hany teny espaniola hainy dia hoe “Por favor, lea esto” (“Vakio kely ity, aza fady”). Na dia voafetra aza ny teny espaniola hain’ilay antoko-mpitory alemà, dia navela teto Orogoay
izy ireo mba hikarakara ny asan’ilay Fanjakana teto, fa naverina indray nankatsy Arzantina kosa ny Rahalahy Ott.Tsy mora ireo volana vitsivitsy voalohany. Sarotra ny nianatra ilay fiteny. Tsy nahalana izy ireo no nanasa ny olona ho any amin’ny riñones (voan-kena), fa tsy hoe reuniones (fivoriana); abejas (tantely) no voateniny, nefa tokony ho hoe ovejas (ondry); ary nangataka arena (fasika) izy ireo, nefa tokony ho hoe harina (lafarinina). Izao no tsaroan’ny iray taminy: “Tena sarotra ny nitory isan-trano sy ny nitarika fampianarana Baiboly sy fivoriana, nefa ny tena tsy nahay ilay fiteny. Ankoatra izany, dia tsy nahazo fanampiana ara-bola izahay. Afaka nampiasa ireo fandraisana anjara azonay tamin’ny zavatra vita an-tsoratra voapetrakay izahay mba hivelomanay sy handoavanay ny saram-pitaterana. Soa ihany fa nahapetraka famandrihana 55 sy boky maherin’ny 1 000 ary bokikely 19 000 izahay, hatreo amin’ny faran’ny taona 1939.”
Bisikileta sy lay
Tsy mora kivy ireo Alemà enina mianadahy ireo. Tsy ela izy ireo dia nanomboka nitety an’i Orogoay mba hitoriana ny vaovao tsara tamin’ny fomba tsy nandaniam-bola indrindra araka izay azo natao: nividy bisikileta enina izy ireo. Nandeha bisikileta 615 kilaometatra nandritra ny andro maromaro i Otto Helle sy i Kurt Nickel, mba handehanana tany Colonia Palma, mba hanampy ny Rahalahy Tkachenko. Akory ny hagagany rehefa hitany fa, hay, sady tsy nahay teny espaniola no tsy nahay teny alemà ny Rahalahy Tkachenko, ary izy mirahalahy koa tsy nahay teny rosianina na dia kely aza! Tsapan’izy mirahalahy ny vokatr’izay nitranga tany amin’ny Tilikambon’i Babela. Nanapa-kevitra àry izy mirahalahy ny hitory tamin’ny teny espaniola kely mba hainy, tao amin’ny tanànan’i Salto teo akaiky, fa ny Rahalahy Tkachenko kosa nanohy nitory teo anivon’ny Rosianina. — Gen. 11:1-9.
Tetsy an-danin’izany, mba hampielezana ny hafatra ao amin’ny Baiboly tany amin’ireo tanàna sy vohitra tany atsimo, dia nanainga ry Bender ka nanao dia an-jatony kilaometatra maro tamin’ny lalana rakotra karaobato sy vovoka. Izao avy no nentiny teo amin’ny bisikiletany: lay iray, fatana kely iray, fitaovana an-dakozia, zavatra vita an-tsoratra, grafofaonina iray miaraka amin’ny kapila mirakitra
lahateny ara-baiboly, ary koa ireo fitafiana nilaina nandritra ny volana maromaro. Nitovy lanja tamin’ny olona anankiray ny lanjan’ireo fitaovana nentin’ny bisikileta tsirairay! Ireo fitaovana voafetra ireo no nentiny nisetra ny hatsiaka sy ny hafanana ary ny orana. Indraindray izy mivady dia nirobo-drano rehefa tondraka ny rano, ka tsy maintsy nilanja ny zava-drehetra teo an-tsorony mba tsy ho lena ireo boky sy ilay grafofaonina.Fitaovana tena nilaina ny lay. Ry Bender ihany no nanamboatra ny lainy mba tsy ho tantera-drano, sady nanosotra menaka sy tongolo lay an’ilay izy mba hampandosirana ny koroka. Saika tsy nino izay hitany izy mivady indray maraina, rehefa nifoha ka nahatazana ny lanitra avy tamin’ireo hirika maromaro teo amin’ny tafon’ny lainy. Nandritra ny alina, dia voasinton’ny sakafo natsiro ireo vitsika: labasy nohosorana menaka sy tongolo lay! Tsy nampoizin’ilay mpivady alemà fa hampirangorango ny vitsika ilay izy.
“Mpitsikilo nazia” hoe?
Nanjary anisan’ny olana lehibe indrindra ho an’i Gustavo sy i Betty Bender ny naha olom-pirenena alemà azy, rehefa nitory tany afovoan-tany izy mivady. Fa nahoana? Nafotaka ny Ady Lehibe Faharoa tamin’izay, ary nanao tatitra nanaitaitra momba ny fandrosoan’ny tafika alemà tany Eoropa ny radio sy ny gazety teto Orogoay. Indray mandeha, dia nilasy teo an-tsisin’ny tanàna iray ry Bender. Nambaran’ny radio fa ny Alemà dia nandatsaka mpilatsaka amin’ny elon’aina nirongo fiadiana sady nitondra bisikileta, tao aorian’ireo fahavalony. Avy hatrany dia nanatsoaka hevitra ireo mponina nisahotaka hoe mpitsikilo nazia ilay mpivady alemà nilasy teo ivelan’ny tanàna! Nankany amin’ny toeram-pilasian-dry Bender tsy nisy hataka andro ny polisy teo an-toerana mba hamotopototra ny amin’ilay raharaha, notronin’ny lehilahy maro be nitam-piadiana.
Nadinadinina i Gustavo sy i Betty. Voamariky ny polisy fa nisy zavatra sasany nosaronana labasy. Koa hendratrendratra ihany izy ireo nanontany hoe: “Inona no saronanareo amin’io labasy io?” Namaly i Gustavo hoe: “Bisikileta roa sy boky ara-baiboly.” Hita ho tsy nino azy ny polisy iray, ka nandidy azy hanaisotra ilay labasy. Tsy basy marovava no tao, fa bisikileta roa sy boky maromaro, ka nahatsiaro ho maivamaivana erỳ ireo polisy. Nanasa an-dry
Bender tamim-pisakaizana mihitsy aza izy ireo mba hipetraka tao amin’ny toerana tsara kokoa nandritra ny fitoriany tao an-tanàna, dia tao amin’ny paositry ny polisy!Nitory tamim-pahatokiana nandritra ny am-polony taona maro teto Orogoay ireo Alemà enina mianadahy ireo. Rehefa maty i Gustavo Bender tamin’ny 1961, dia niverina nankany Alemaina ny vadiny, ary nanohy ny asan’ny mpisava lalana. Maty tamin’ny 1995 ilay anabavy. Misionera teto Orogoay mandra-pahafatiny i Adolfo sy i Carlota Voss, ka i Adolfo maty tamin’ny 1993, ary i Carlota, tamin’ny 1960. Nijanona teto Orogoay koa i Kurt Nickel, hatramin’ny nahafatesany tamin’ny 1984. Tamin’ny fotoana nanoratana ity, dia mbola nanompo teto Orogoay i Otto Helle, izay efa 92 taona.
Mamoa ireo voan’ny fahamarinana
Nikaroka tamin-jotom-po an’ireo izay nety ho tonga olom-pehezin’ny Fanjakan’Andriamanitra, ireny mpitory ny vaovao tsara tany am-boalohany teto Orogoay ireny. Tamin’ny 1944, dia nisy mpitory 20 sy mpisava lalana 8 namerina tatitra teto Orogoay. Fiandohana kely izany. Mbola hisy “zavatra faniry” fanampiny anefa ho hita.
Nanomboka nanatrika fivoriana kristianina i María de Berrueta sy ireo zanany efatra, dia i Lira sy i Selva sy i Germinal ary i Líber, tamin’ny 1944. Nanomboka nitory i Lira sy i Selva, fotoana fohy taorian’izay, ary niditra tao amin’ny fanompoan’ny mpisava lalana, rehefa afaka volana vitsivitsy. Niaraka tamin’i Aida Larriera, anisan’ny mpitory voalohany tena be zotom-po teto Orogoay, izy mirahavavy. Mbola tsy nanamarika ny fanoloran-tenany tamin’ny batisa tao anaty rano anefa ry Berrueta mianakavy. Nandritra ny fitsidihana iray nataon’i Juan Muñiz avy tatsy Arzantina, dia voamariny izany zavatra hafahafa izany. Noho izany, dia natao batisa niaraka tamin’i Líber anadahiny sy i María reniny, i Lira sy i Selva, enim-bolana taorian’ny nanombohany ny fanompoana manontolo andro.
“Notohanan’ny hatsaram-pon’i Jehovah tamin’izay tsy mendrika akory izahay, ka tsy nivadika na oviana na oviana tamin’izany fanoloran-tena izany”, hoy i Lira. Nasaina hanatrika ny Sekolin’
i Gileada izy tamin’ny 1950. Voatendry ho misionera tatsy Arzantina izy, ary nanompo tao nandritra ny 26 taona. Niverina teto Orogoay izy tamin’ny 1976. Nanatrika ny Sekolin’i Gileada koa i Selva, niaraka tamin’ny vadiny, tamin’ny 1953. Notendrena hanketo Orogoay izy mivady, ary mpiandraikitra ny fizaran-tany teto ny vadiny. Nanohy nanompo tamim-pahatokiana i Selva, hatramin’ny nahafatesany tamin’ny 1973. Nanambady i Líber, ary namelona ankohonana. Nahazo tombontsoam-panompoana maro koa izy. Prezidàn’ny fikambanana ara-dalàna nampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Orogoay, dia ny Sociedad La Torre del Vigía, izy, hatramin’ny nahafatesany tamin’ny 1975. Inona no nitranga tamin’i Germinal? Nitsahatra tsy nifanerasera tamin’ny vahoakan’i Jehovah izy. Rehefa afaka 25 taona teo ho eo anefa, dia nitsimoka tao am-pony indray ny voan’ny fahamarinana. Loholona ao amin’ny kôngregasiôna iray eto Montevideo izy ankehitriny.Tonga ireo misioneran’i Gileada
Nitsidika voalohany an’i Orogoay i Nathan H. Knorr sy i Frederick W. Franz, avy tany amin’ny foibe maneran-tanin’ny Fikambanana, tamin’ny Martsa 1945. Loharanom-pampaherezana ho an’ny rehetra izy mirahalahy. Nisy rahalahy hafa iray koa, dia i Russell Cornelius, tonga teto Orogoay tokony ho tamin’izay fotoana izay ihany. Tsy tonga mba hitsidika fotsiny ny Rahalahy Cornelius. Ravoravo ireo rahalahy fa izy no voalohany nahazo diplaoman’i Gileada izay voatendry hanketo Orogoay. Tsy nahay afa-tsy teny espaniola vitsivitsy monja izy tamin’izany fotoana izany, kanefa tapa-kevitra ny hianatra. Tao anatin’ny iray volana sy tapany, dia afaka nanao ny lahateniny ampahibemaso voalohany tamin’ny teny espaniola izy! Hita ho fanampiana sarobidy teo amin’ny fampandrosoana ny asan’ilay Fanjakana teto Orogoay izy.
Tamin’io taona io ihany, dia nandefa misionera 16 fanampiny ny Fikambanana. Anabavy mbola tanora avokoa izy ireo. Tsy ela dia voamariky ny olona teto Montevideo izy ireo, ary nilaza ny gazety iray hoe nisy “anjely mavo volo manao makiazy” nidina avy tany an-danitra nanketo Montevideo! Nanomboka nitory tamin-jotom-po sy tamin-kafanam-po avy hatrany ireo anabavy. Hita niharihary ny vokatry ny fanompoany. Niakatra be ny isan’
ny mpanatrika ny Fahatsiarovana: 31 tamin’ny 1945, ary tonga 204 tamin’ny taona nanaraka. Tatỳ aoriana, dia nalefa tany amin’ireo tanàna tany afovoan-tany ny maromaro tamin’ireo misionera ireo. Notahin’i Jehovah ny ezaka nataon’izy ireo tany amin’ny faritany mbola tsy nitoriana ny vaovao tsara mihitsy hatramin’izay.Maherin’ny 80 ny misionera nanompo teto Orogoay, rehefa nandeha teny ny taona. Mbola eto amin’ny toerana nanendrena azy ihany i Ethel Voss, i Birdene Hofstetter, i Tove Haagensen, i Günter Schönhardt, i Lira Berrueta, ary i Florence Latimer. Nandany maherin’ny 20 taona tamin’ny toerana nanendrena azy ny tsirairay avy amin’izy ireo. Maty teo am-perinasa i William, vadin’ny Anabavy Latimer, rehefa avy nanao ny fanompoan’ny misionera nandritra ny 32 taona. Tamin’ny asa fitetezam-paritany no nandaniany ny ankamaroan’ireo taona ireo.
Fivoriana iray voaro tsara
I Jack Powers, izay nahazo diplaoma tamin’ny kilasin’i Gileada voalohany, dia nanomboka nanompo teto Orogoay tamin’ny 1 May 1945. Tsy nety sasatra izy sy i Jane vadiny nampandroso ny tombontsoan’ilay Fanjakana teto, hatramin’ny taona 1978. Voatery nandao an’i Orogoay mantsy izy mivady tamin’izay mba hikarakara ny ray aman-dreniny efa osa tany Etazonia. Tsaroan’i Jack ny fisehoan-javatra iray tsy hay hadinoina, izay nitranga fony izy teto Orogoay. Tamin’ny 1947, dia tonga tao Rivera, tanàna iray any avaratra, any akaikin’ny sisin-tanin’i Brezila, i Jack. Na dia tsy nisy mpitory aza teo an-toerana, dia nijanona iray volana nitoriana nanerana ilay tanàna izy, nampian’ny rahalahy iray avy tatsy Brezila. Nahapetraka maherin’ny 1 000 tamin’ilay bokikely hoe Un seul monde, un seul gouvernement tamin’ny teny espaniola izy.
Nanapa-kevitra izy ny hanao fivoriana ampahibemaso teo amin’ny Kianja Plaza Internacional, mba hamaranana iny volana iny. Araka izany anarany izany, dia teo afovoan’ny sisin-tany iraisan’i Brezila sy i Orogoay no nisy ny Plaza. Rehefa avy nampahafantatra ny besinimaro momba ilay fivoriana izy mirahalahy nandritra ny andro maromaro, dia naka toerana teo amin’ny Plaza, nanantena fa hisy olona sesehena hirohotra hihaino ilay lahateny. Tsy ela dia nisy polisy 50 nitam-piadiana tonga teo mba hitandro ny filaminana
nandritra ilay fivoriana. Firy ny mpanatrika? Nisy 53 tamin’ny fitambarany: izy mirahalahy sy olona iray liana tamin’ny foto-kevitr’ilay lahateny ary ireo polisy 50. Nilamina sy tena voaro tsara tokoa ilay fivoriana!Nanendry misionera dimy ho ao Rivera ny Fikambanana, ny taona nanaraka. Tsy ela taorian’ny nahatongavan’ireo misionera, dia nanao fivoriana tao Rivera i Nathan H. Knorr sy i Milton G. Henschel, avy tany amin’ny foiben’ny Fikambanana, ary 380 ny mpanatrika. Olona maro izay nandray tsara ny hafatra momba ilay Fanjakana no hita tao Rivera, rehefa nandeha teny ny taona. Misy kôngregasiôna roa marisika ao amin’io faritany io ankehitriny.
Mpiara-monina roa liana ta hahafanta-javatra
Iray amin’ireo tanàna lehibe indrindra any afovoan’i Orogoay i Salto, izay eo amin’ny morony atsinanan’ny Ony Orogoay. Faritra fambolena mahavokatra, izay malaza amin’ireo karazam-boasariny, izy io. Namokatra tamin’ny heviny ara-panahy koa i Salto, satria misy kôngregasiôna dimy ao amin’io faritra io. Tamin’ny 1947 anefa, dia vao nanomboka nikaroka ireo “zavatra faniry” ho an’i Jehovah ireo misionera tao Salto.
Tamin’io taona io, i Mabel Jones, iray tamin’ireo anabavy misionera 16 tonga tamin’ny 1945, dia niakatra nankao Salto niaraka tamin’ny misionera hafa, nandritra ny herinandro maromaro. Tonga tao izy ireo mba hanaitra ny fahalianan’ny olona ho amin’ilay fivoriambe hatao tao. Nandinika an’i Mabel tamim-pahalianana ny roa
tamin’ny mpiara-monina taminy, dia i Carola Beltramelli sy i Catalina Pomponi naman’izy io. Indray asabotsy tolakandro, rehefa nody avy nanompo teny amin’ny saha i Mabel, dia nohatonin’izy mirahavavy mpiara-monina taminy ka nametrahany fanontaniana ara-baiboly. Izao no tsaroan’i Catalina Pomponi: “Nanana fanontaniana maro momba ny fivavahana nanitikitika ny saiko foana aho. Izany no antony nanombohako namaky samirery ny Baiboly. Nanjary nahafantatra zavatra maro aho. Anisan’izany, ohatra, ny hoe tokony hatao mitokana, fa tsy ho hitan’ny hafa, ny vavaka atao amin’Andriamanitra. Taorian’izany, dia matetika aho no nandohalika nivavaka tamin’Andriamanitra mba hahazo ny hevitry ny Baiboly. Rehefa niresaka taminay voalohany i Mabel Jones, dia tsaroanay toy ny hoe nisy zavatra nanarona ny masonay nesorina. Rehefa tonga tany an-trano aho, dia nandohalika nisaotra an’Andriamanitra. Ny ampitson’iny, dia nanatrika ny lahateny ampahibemaso tany amin’ilay fivoriambe izahay sy i Carola.”Na dia teo aza ny fanoheran’ny vadiny avy, dia nandroso haingana izy mirahavavy mpiara-monina tamin’i Mabel, ka natao batisa. Voatendry ho mpisava lalana manokana i Catalina Pomponi, tatỳ aoriana. Nandritra ny fanompoany manontolo andro namokatra izay naharitra 40 taona mahery, dia nanampy olona 110 ho tonga Vavolombelon’i Jehovah vita batisa izy. Mpitory ilay Fanjakana be zotom-po koa i Carola Beltramelli, satria nanampy olona maherin’ny 30 ho tonga hatramin’ny batisa. Tonga mpisava lalana ny zanaka roa lahin’i Carola. Nanana tombontsoa nanatrika ny Sekolin’i Gileada i Delfos, lahimatoany, ary nanampy teo amin’ny fiandraiketana ny sampana, nanomboka tamin’ny 1970.
Atỳ amin’ny tanin’ny maté
Nitsidika estancias maromaro ireo misionera, teo am-pitetezany ny ambanivohitra. Ny estancia dia toeram-piompiana lehibe niompiana omby sy ondry. Olona tso-piaina sy tia mandray vahiny ny olona mipetraka ao amin’ireo estancias. Fanaon’izy ireo tokoa ny mandray an-tanan-droa ny Vavolombelona amin’ny fanolorana azy ny maté, izay zava-pisotro nentim-paharazana, atao ao anaty kaopy vita amin’ny karazana voatavomonta. Ny maté dia dite mahamay trohina tsikelikely amin’ny bombilla, izay metaly lavalava loaka ny atiny, ary misy tantavana ny tendrony ambany. Ho
an’ny Orogoayanina, dia mila ho fombafomba mihitsy ny fanomanana sy ny fampandrosoana ny maté. Rehefa vonona ilay dite, dia ampitampitaina amin’ny olona ilay kaopy, ka bombilla iray ihany no ikambanan’ny rehetra.Alao sary an-tsaina ny fihetsiky ny misionera rehefa nasaina voalohany hiara-misotro amin’ny rehetra ny maté. Nihomehy ireo tompon-trano nahita ny misionera nihivingivina teo am-pisotroana ilay ranon-javatra maitsomaitso mangidy. Rehefa avy nanandrana voalohany ny sasany, dia nanapa-kevitra fa izay no voalohany sady farany. Nolavina tamim-pahalalam-pomba ny fanasana hisotro maté tatỳ aoriana.
‘Raha mampiasa sary ianareo, dia tsy hiverina intsony aho’
Nisy misionera maromaro voatendry ho ao amin’ny tanànan’i Tacuarembó, any avaratra. Voahodidin’ny estancias lehibe sy toeram-pambolena hafa io tanàna io. Tamin’ny 1949, dia nahazo fanasana hanatrika lahateny ampahibemaso tao amin’ny Efitrano Fanjakana i Gerardo Escribano, mpamboly tanora iray nanana fanontaniana maro momba ny fiainana. Nanaiky ilay fanasana izy, saingy nanome izao fepetra iray izao: “Raha mampiasa sary ianareo, na asaina mamerina vavaka aho, dia tsy hiverina intsony aho.”
Faly i Gerardo fa tsy nahita sary na fombafomba tao amin’ny Efitrano Fanjakana. Lahateny araka ny Soratra Masina, izay namelona indray ny fahalianany tamin’ny Baiboly, kosa no nankafiziny. Nanohy nanatrika ireo fivoriana izy, ary rehefa nandeha ny fotoana, dia tonga mpanompon’i Jehovah vita fanoloran-tena sy batisa. Nahazo tombontsoam-panompoana maro izy, rehefa nandeha teny ny taona, toy ny fanaovana ny asan’ny mpisava lalana manokana sy ny asan’ny fizaran-tany ary ny asan’ny distrika. Maherin’ny 83 taona no nanaovan’ny Rahalahy Escribano sy i Ramona vadiny ny fanompoana manontolo andro, raha atambatra. Nanomboka tamin’ny 1976, dia anisan’ny Komitin’ny Sampana ny Rahalahy Escribano, niaraka tamin’i Delfos Beltramelli sy i Günter Schönhardt. I Günter dia misionera avy tany Alemaina, izay nandray anjara lehibe teo amin’ny fampandrosoana ara-panahy ireo kôngregasiôna manodidina ny sampana, hatramin’ny taona maro.
Mitombo ny vokatra
“Be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy”, hoy i Jesosy. (Matio 9:37, 38). Nanjary nisy heviny manokana ireo teny ireo teo amin’ny fiainan’ireo misionera teto Orogoay, izay faritany nidadasika be. Rehefa nandeha teny ny taona, dia nanjary niharihary fa nanohana sy nitahy ny ezaka nataon’ireo mpiasany i Jehovah.
Tamin’ny 1949, fony tonga nitsidika fanindroany ny Rahalahy Knorr sy ny Rahalahy Henschel, dia nisy 592 tafavory teto Montevideo mba hihaino ilay lahatenin’ny Rahalahy Knorr hoe “Efa Lasa Lavitra Tsy Araka ny Iheveranao Azy ny Fotoana!” Nisy 73 natao batisa tamin’io fotoana io. Nisy kôngregasiôna 11 nanerana an’i Orogoay, tamin’izany fotoana izany. Folo taona tatỳ aoriana, nandritra ny fitsidihany faninefany, dia nandaha-teny teo anoloan’ny mpanatrika maherin’ny 2 000 teto Montevideo, ny Rahalahy Knorr. Nisy mpitory 1 415 sy kôngregasiôna 41 teto Orogoay, tamin’izany fotoana izany.
Nampiavaka ireo taona 1950 ny fitomboan’ny isan’ny kôngregasiôna nanerana an’i Orogoay. Mbola maro ihany anefa no voatery nivory tany an-tranon’olona manokana. Ny tompon-trano iray, ohatra, dia nahita hevitra ka nanisy kodiarana ny fanaka rehetra tao amin’ny efitra fandraisam-bahininy. Noho izany, rehefa tonga ny fotoana hanalalahana ny toerana mba hanaovana ny fivorian’ny kôngregasiôna, ny hany zavatra nataony dia ny nanakorisa ireo fanaka hiala. Ny kôngregasiôna hafa iray kosa dia nivory tao amin’ny efitra kely iray anoloana tao an-tranon’olona manokana. Arakaraka ny nitomboan’ilay kôngregasiôna no nanesorana ireo rindrina nampisaraka ireo efitra mba hivorian’ireo olona maro kokoa. Tatỳ aoriana, dia nesorina ny ankamaroan’ireo rindrina, ary nanaiky hipetraka tao amin’ny toerana kely kokoa tany aoriana tao amin’ilay trano, ilay fianakaviana.
Ilay sarimihetsika hoe La Société du monde nouveau en action dia fitaovana iray niavaka. Tena nanampy mba hampahafantarana ny olona teto Orogoay momba ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy io. Tonga teto Orogoay io sarimihetsika io tamin’ny 1955. Nandeha nankany afovoan-tany i Líber Berrueta tamin’io taona io, ka nampiseho ilay sarimihetsika tamin’ny olona maherin’ny 4 500. Olona maro izay tsy dia tena liana tamin’ny asantsika teo aloha, no
voatosika hiara-mianatra ny Baiboly amin’ny Vavolombelon’i Jehovah.Biraon’ny sampana vaovao
Rehefa nihanitombo haingana ny isan’ny mpitory, dia nanjary niharihary fa nilaina ny toerana sahaza ho an’ny biraon’ny sampana sy ny tranon’ny misionera. Trano samihafa no nohofana mba hampiasaina ho amin’izany, rehefa nandeha teny ny taona. Tonga anefa ny fotoana hividianana tany hanorenana ny tranon’ny Fikambanana. Kanefa, lafo loatra ny tany teo afovoan’i Montevideo, renivohitra. Toa tsy nanan-tsafidy afa-tsy ny hividy tany lavitra kokoa, tany an-tsisin’ny tanàna, izahay. Noho izany, dia novidina ny tany lehibe iray tamin’ny 1955. Nekena ireo drafitsarin’ny fanorenana, ary vonona hanomboka hiasa teo amin’ilay toerana ireo mpiasa. Tamin’izay indrindra, dia taitra ireo rahalahy nahafantatra fa nanapa-kevitra ny hanitatra ny arabe lehibe iray ny fitondram-panjakana teo an-toerana, ka hanapaka eo amin’ilay tany vao azo mihitsy izy io!
Inona no tokony hataon’izy ireo? Natao ny fifampiraharahana tamin’ireo manam-pahefana. Vahaolana naroson’ireo manam-pahefana ny hividianany ny tanin’ny Fikambanana. Latsaka noho ny nividianan’ireo rahalahy azy tany am-boalohany anefa ny tian’ireo manam-pahefana haloa. Tsy ampy hividianana tany toy ilay teo ilay vola.
“Nisy fotoana nanatsoahanay hevitra hoe angamba tsy fotoana tian’i Jehovah hanorenana tamin’izay”, hoy ny tsaroan’i Jack Powers. “Tsy ela anefa dia takatray tsara kokoa ny hevitr’ireto tenin’i Paoly ao amin’ny Romana 11:34 ireto: ‘Iza no nahalala ny sain’i Jehovah? ary iza no mpanolo-tsaina Azy?’ Nanipy hevitra ny manam-pahefana iray fa angamba azonay natao ny nanakalo ilay taninay tamin’ny tanim-panjakana iray tsy nampiasaina. Tany iray nitovy habe tamin’ny anay no natolony anay. Tsara toerana tokoa ilay izy fa teo afovoan’i Montevideo, teo amin’ny Lalana Francisco Bauzá. Tsy nisalasala izahay nanaiky ilay fanolorana. Rehefa heverina mantsy, dia lafo vidy lavitra noho ilay novidinay teo aloha ilay tany, ary tsy voatery nandoa vola fanampiny izahay, na dia ariary aza! Eny tokoa, nitantana ny raharaha ho tombontsoan’ny vahoakany ny tanan’i Jehovah!”
Nandray fanapahan-kevitra ny mpanao mari-trano iray
Nandroso ny fanorenana ny biraon’ny sampana, teo ambany fitarihan’i Justino Apolo, mpanao mari-trano fanta-daza. Vao nanomboka nianatra ny Baiboly niaraka tamin’ny misionera iray i Justino. “Efa niriko foana ny hahita ny fahamarinana momba an’Andriamanitra”, hoy ny tsaroan’i Justino. “Notezaina tao amin’ny Fivavahana Katolika aho, kanefa rehefa nandeha teny ny taona, dia nihadiso fanantenana aho. Mbola tsaroako tsara mihitsy ny andro nankanesako tany am-piangonana mba hanomanana ny mariaziko. Nanontany ahy ilay mompera hoe: ‘Jiro firy no tianao hirehitra ato am-piangonana, mandritra ny fanamasinana ny mariazinao? Arakaraka ny hamaroan’ny jiro mirehitra mantsy ny vola haloanao, kanefa azo antoka fa hampiaiky volana ireo namanao ianao.’ Mazava ho azy fa niriko hahafinaritra ny mariaziko. Koa nangataka jiro maro àry aho. Nanontany indray ilay mompera nony avy eo hoe: ‘Karipetra mena sa fotsy no tianao?’ Ny fahasamihafany? ‘Mazava ho azy fa hanasongadina kokoa ny akanjon’ilay ampakarina ny karipetra mena, kanefa avo roa heny ny sarany’, hoy ny fanazavan’ilay mompera. Avy eo dia noresahiny ny amin’ny fihirana ny ‘Ave Maria’. ‘Olona iray sa amboarampeo no tianao hihira azy io?’ Dia nanohy nivarotra tamiko fombafomba maro samihafa ilay mompera.
“Natao mariazy tao am-piangonana tokoa àry aho. Nanorisory be ahy anefa ny fitiavan-tombony ara-bola teo amin’ny fivavahana. Rehefa nanomboka niara-nianatra tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho, dia niharihary ny fahasamihafana. Vetivety dia takatro fa nahita ny fahamarinana aho.”
Rehefa avy nianatra Baiboly am-bolana maro i Justino, raha mbola niasa tamin’ny fanorenana ny Betela sy nifanerasera tamin’ny Vavolombelona, dia takany fa tsy maintsy nandray fanapahan-kevitra izy. Rehefa vita ilay trano, tany amin’ny faramparan’ny taona 1961, dia nandray fanapahan-kevitra tsara ilay mpanao mari-trano ka natao batisa. Loholona i Justino ankehitriny, ary nanampy tamin’ny fanorenana Efitrano Fanjakana maherin’ny 60 teto Orogoay izy.
Mitohy ny fanitarana ny sampana
Natao ny 28 Oktobra 1961 ilay fitokanana nahafaly, dia ny fitokanana ilay trano vaovao kanto. Nisy toerana malalaka ho an’ireo birao, ho an’ny fitahirizana zavatra vita an-tsoratra, sy ho an’ny Efitrano Fanjakana iray mampiadana, tao ambany rihana. Nisy efitra fatoriana sivy tao ambony rihana ho an’ireo misionera sy mpiasa ao amin’ny birao.
Toa afaka niatrika ny fitomboana nampoizina ho amin’ireo taona ho avy ilay Betela vaovao, raha ireo mpitory 1 570 narisika teto Orogoay tamin’izany fotoana izany no nojerena. Haingana tsy araka ny nampoizina anefa ny fitomboana. Nampiana rihana roa ny tranon’ny sampana tamin’ny 1985, ka nanjary avo roa heny ny habeny.
Vao haingana izao ny Fikambanana no nahazo tany hafa iray tsara dia tsara eo an-tsisin’ny tanànan’i Montevideo. Efa lasa lavitra ny fanorenana ny tranon’ny sampana vaovao mbamin’ny Efitrano Fivoriambe iray. Antenaina ho vita amin’ny 1999 ilay tetik’asa, omban’ny fanampian’ny ekipa iray voaforon’ny mpiasa iraisam-pirenena.
Fampiofanana mpiandraikitra
Mba hikarakarana ny fitomboan’ny isan’ny “zavatra faniry” teto Orogoay, dia tsy tranon’ny sampana fotsiny no nilaina, fa mpiandry be fiahiana koa. Teo anelanelan’ny taona 1956 sy 1961, dia nitombo avo roa heny ny isan’ny mpitory, ary nisy kôngregasiôna 13 vaovao niforona. Hita ho fandaharana feno fitiavana sy tonga tamin’ny fotoana nilana azy indrindra tokoa ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana! Rehefa nanomboka ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana tamin’ny 1961, dia rahalahy maro nanana andraikitra tao amin’ireo kôngregasiôna no nanao fandaharana mba hanatrehana ilay fianarana iray volana. Maro tamin’izy ireo no tsy maintsy nanao dia lavitra, ary ny sasany saika namoy ny asany mihitsy aza mba hanatrehana ilay fianarana manontolo.
Teto Montevideo no nanaovana ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana. Nipetraka tao Dolores, 300 kilaometatra avy eto, ohatra, i Horacio Leguizamón. Rehefa nangataka fahazoan-dalana tsy hiasa mandritra ny iray volana tamin’ny mpampiasa azy izy, dia
nilazana fa tsy azo nekena izany. Nohazavain’ny Rahalahy Leguizamón fa zava-dehibe taminy ilay fampiofanana, ka niriny ny hanatrika azy io, na dia hamoizany ny asany aza izany. Gaga izy, andro vitsivitsy tatỳ aoriana, rehefa nandre ny fanapahan-kevitr’ilay mpampiasa azy hanao zavatra maningana, ka hamela azy hanatrika ilay sekoly nefa tsy hamoy ny asany.Mendrika ny nisahiranana be toy izany ve ilay sekoly? “Mbola tsy nahita zavatra toy izany mihitsy izahay”, hoy ny tsaroan’ny mpianatra iray. “Nahatonga anay hahatsiaro ho toy ny tao amin’ny tontolo vaovao, nandritra ny iray volana, ny fiarahana tamin’ny rahalahy matotra avy tamin’ny faritra rehetra nanerana an’i Orogoay. Nanjary ampy fitaovana tsara izahay tao amin’ilay sekoly mba hiatrehana ny zava-tsarotra entin’ny fiandrasana ny andian’ondry amin’ny fomba mandaitra, omban’ny fanohanana feno fitiavan’ny fandaminan’i Jehovah hita maso.”
Nanampy Kristianina matotra an-jatony maro hanjary ho ampy fitaovana tsara kokoa ilay Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana. Fanatanjahana ireo kôngregasiôna no vokatr’izany, indrindra fa tamin’ny fotoana naha mafy kokoa ireo olana teo amin’ity tontolo tranainy ity.
Mahantra nefa manankarena ara-panahy
Araka ny voalazan’ny mpahay tantara momba an’i Orogoay, dia nanamarika ny fiandohan’ny fitambotsoran’ny toe-karen’ilay firenena ireo taona 60. Nihanihena ny vidin’ireo vokatra fanondrana hatramin’izay, toy ny henan’omby sy ny hoditra ary ny volonondry, teo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Nisy banky sy orinasa lehibe maromaro nanjary bankirompitra, ka nahatonga olona an’arivony maro ho tsy an’asa. Nampanahy ny olona
ny fisondrotan’ny vidim-piainana tsy voafehy, ny fihenan’ny sandam-bola tampoka, ny fitomboan’ny hetra, sy ny fahasahiranana teo amin’ny fahazoana sakafo sy zavatra fototra nilaina teo amin’ny fiainana.Nisy vokany lehibe teo amin’ny lafiny sosialy ilay krizy ara-toe-karena. Nitombo be ny heloka bevava, satria nihanahantra ny saranga anelanelany maro an’isa. Ny tsy fahafaham-po dia nitarika ho amin’ny fihetsiketsehana nateti-piseho, ary feno herisetra mihitsy aza indraindray, ho fanoheram-pahefana. Orogoayanina an’arivony maro, indrindra fa ny tanora, no lasa nankany an-tany hafa mba handosirana ilay krizy niharatsy haingana.
Tetsy an-danin’izany, tao anatin’ny fandaminan’i Jehovah, ireo taona 60 dia nitondra fitomboana ara-panahy, izay mampahatsiahy izao voalaza ao amin’ny Isaia 35:1, 2 izao: “Ravoravo ny efitra sy ny tany karankaina, ary ny tani-hay mifaly sy mamony tahaka ny lilia. Mamony be dia be izy, eny, mifaly sy mihoby izy”. Nisy kôngregasiôna vaovao 15 niforona teo anelanelan’ny taona 1961 sy 1969, ary nahatratra tampon’isa 2 940 ny tontalin’ny isan’ny mpitory teto Orogoay.
Neken’ny fanjakana ireo fitsipika nitondrana ny fikambananay ara-dalàna, fantatra hoe Sociedad La Torre del Vigía, tamin’ny 9 Desambra 1965. Afaka nahazo fahazoan-dalana manokana sy fahazoan-dalana tsy handoa haba tamin’ny fanontana sy ny fanafarana ary ny fizarana Baiboly sy zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly, izahay, tamin’ny alalan’io fitaovana io. Afa-tsy izany koa, dia afaka nahazo tany sy afaka nanorina Efitrano Fanjakana izahay, noho ny toeranay ara-dalàna teo anatrehan’ny fanjakana.
Ilay “fivoriambe lehibe”
Hotsaroana foana ho ny taonan’ilay “fivoriambe lehibe” ny taona 1967. Nisy Vavolombelona 400 teo ho eo, solontena avy tany Etazonia sy Eoropa, anisan’izany i F. W. Franz sy i M. G. Henschel, tonga nanatrika ilay fivoriambe. Mpanatrika 3 958 no sambany vao nahita fampisehoana tantara ara-baiboly nanaovan’ny mpilalao fitafiana toy ny fahiny. Sambany koa ireo rahalahy vao afaka nampiasa ny Palacio Peñarol, kianja mifefy
malalaka, izay nanaovana ny lanonana lehibe teo amin’ny lafiny sosialy sy zavakanto ary fanatanjahan-tena teto Montevideo.Maro tamin’ireo rahalahy teto an-toerana no nanao ezaka be mba hiantohana ny saran-dalana sy ny filasiany. Nandritra ny enim-bolana, ny anabavy iray dia nikarama nanasa lamban’olona mba hanangonam-bola hanaovana ny diany. Ny anabavy hafa iray, izay notoherin’ny vadiny noho izy Vavolombelon’i Jehovah, dia nanangona ny vola nilaina, tamin’ny nanaovany gilasy fanalana hetaheta, izay namidiny tamin’ny mpiara-monina taminy.
Nanao ahoana ny akon’ilay fivoriambe teo amin’ireo mpitantan-draharaha tao amin’ilay kianja? Nilaza toy izao ny iray tamin’izy ireo: “Mbola tsy ohatra izao mihitsy ny Palacio Peñarol hatramin’izay: sady madio be no tsy mamofona!” Nampiaiky volana aoka izany an’ireo mpitantan-draharaha ny filaminan’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny fahaizany mandamin-javatra, hany ka nomeny ny biraony manokana mba hampiasain’ireo rahalahy nitantan-draharaha tamin’ilay fivoriambe. Taorian’izay, dia nampiasaina tamin’ny fivoriamben’ny distrika maro ilay kianja hatramin’ny 1977. Niova anefa ny fihetsiky ny fitondram-panjakana nanoloana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’io taona io, ka nandritra ny taona maromaro tatỳ aoriana, dia nampiharana fameperana ny fahafahan’ny Vavolombelona nanao fivoriambe.
“Malina toy ny bibilava”
Teo am-piandohan’ireo taona 1970, dia niharatsy ny toe-karen’i Orogoay. Nihamateti-piseho ny tsy fankatoavana ny fitondrana. Nivadika ho rotaka nandravaravana zavatra sy feno herisetra ny fihetsiketsehan’ny mpiasa sy ny mpianatra. Nanomboka nipoitra tany an-tanàn-dehibe ny andia-mpiady anaty akata nirongo fiadiana. Niely patrana ny horohoro rehefa nandroba sy nanafika tamin’ny baomba sy namely ary nangalatra olona ireny andia-mpiady ireny. Nihanahazo vahana ny tafika teo anivon’izany fisafotofotoana izaitsizy izany, ka nandray ny fitondrana tamin’ny 1973.
Nampihatra fitondrana henjana ny miaramila. Voarara ny asan’ny antoko politika sy ny sendikà rehetra. Nampiharana sivana henjana ny fampahalalam-baovao. Tsy azo natao ny fivoriana ampahibemaso raha tsy nahazoan-dalana avy tamin’ny manam-pahefana aloha. Voafetra be ny fahalalahan’ny isam-batan’olona. Ahoana no nahafahan’ireo rahalahy ‘nitory ny teny’, na dia tao anatin’izany vanim-potoana sarotra izany aza? — Ampitahao amin’ny 2 Timoty 4:2, NW.
Izao no tsaroan’ny Rahalahy Escribano: “Tamin’izany fotoana izany, dia tsy maintsy nampihatra ireto tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 10:16 [NW ] ireto mbola tsy nisy toy izany izahay: ‘Indro! Izaho maniraka anareo ho tahaka ny ondry eo ampovoan’ny amboadia; noho izany, dia misehoa ianareo ho malina tahaka ny bibilava, kanefa koa ho tsotra tahaka ny voromahailala.’ Nifanaraka tamin’izany, dia nomen’ny Fikambanana toromarika haingana ny loholona rehetra mba hahazoan’ny mpitory ny fampiofanana nilainy mba hanohizana tamin-jotom-po ny asa fitoriana — saingy tamim-pahamalinana sy tamim-pahaiza-mitsara zavatra izao.”
Nisy mpitondra fivavahana sy antokom-pivavahana nanohana ireo mpikomy. Noho izany, dia nanjary niahiahy fatratra an’izay rehetra nety ho antokom-pivavahana, anisan’izany ny Vavolombelon’i Jehovah, ilay fitondrana miaramila vaovao. Vokatr’izany, dia Vavolombelona maro no voasambotra teny am-pitoriana isan-trano, nanerana an’i Orogoay. Nafahana avy hatrany anefa izy ireo, tamin’ny ankapobeny, rehefa avy nampiseho ny zavatra vita
an-tsoratra ara-baiboly nentiny sy nanazava ny asa nataony. Taorian’ireo fisamborana maro voalohany ireo, dia nihevitra ireo rahalahy fa fahendrena ny tsy nisehoseho firy rehefa nandeha nitory, fa nitsinjara ho vitsy kokoa.Nanaiky an-kolaka ny asa fitoriana isan-trano nataon’ny Vavolombelona ireo miaramila, tamin’ny fisehoan-javatra sasany. Indray mandeha, dia niezaka hanampy mihitsy aza izy ireo, fa araka ny fombany. Nisy andia-miaramila nisafo ny faritra nitorian’ny anabavy iray. Tao amin’ny trano iray, rehefa avy nampaneno ny sonnerie ilay anabavy, dia nipoitra teo amin’ny varavarankely tao amin’ny rihana voalohany ilay tompon-trano. Tsy nampiseho fahalalam-pomba mihitsy ny fomba nilazany tamin’ilay anabavy mba handeha. Nahita izay nitranga ny miaramila iray, ka avy hatrany dia nanambana an’ilay tompon-trano tamin’ny basimarovavany, ary nandidy azy hidina ka handray tsara an’ilay anabavy. Voatery nanaiky ilay tompon-trano.
Toerana hanaovana fivoriambe
Tamin’ny Jona 1947, dia naharay filazana avy tamin’ny fitondram-panjakana ny biraon’ny sampana. Notakiny ny hisehoan’ireo rahalahy tompon’andraikitra teo anatrehan’ny sekreteran’ny Fitsarana Tampony. Iray tamin’ireo rahalahy ireo ny Rahalahy Beltramelli. Izao no tsaroany: “Natahotahotra izahay, satria fantatray fa nanana fahefana handrara eo no ho eo ny asanay ny fitondrana miaramila, raha izany no tiany. Nahatsiaro ho maivamaivana erỳ anefa izahay rehefa nohazavain’ilay manam-pahefana taminay fa te hividy ny trano iray nampiasaina ho Efitrano Fanjakana ny fitondram-panjakana! Nanolo-kevitra mihitsy aza izy ireo ny hanampy anay hahazo toerana sahaza hafa iray hatao Efitrano Fanjakana. Vokatr’izany, dia afaka nividy ny sinema Lutecia teto Montevideo izahay. Tsara toerana mihitsy ilay izy, satria eo amin’ny arabe lehibe iray. Ary ampy tsara ilay vola azonay avy tamin’ny fitondram-panjakana mba hanovana ilay sinema ho Efitrano Fanjakana vaovao.”
“Niaiky izahay fa nisy fitarihan’i Jehovah tamin’izany”, hoy ny Rahalahy Beltramelli namisavisa ny lasa. “Omby olona efa ho 1 000 ny efitra lehibe tao amin’ilay sinema. Tsy hatao Efitrano Fanjakana ho an’ilay faritra fotsiny izy io, fa hatao Efitrano Fivoriambe koa,
izay tena nilaina mafy noho ny fameperana vaovao momba ireo fivoriambe.”Araka izany, nandritra ny taona maro, dia nampiasaina tamin’ny fivoriamben’ny fizaran-tany isan-kerinandro ilay sinema taloha, na dia hoe Efitrano Fanjakana ho an’ny kôngregasiôna teo an-toerana aza no nahafantarana azy tamin’ny fomba ofisialy. Nianatra ny ho malina ireo rahalahy tamin’ireny fivoriana lehibe ireny. Tsy nisehoseho araka izay azo natao izy ireo rehefa niditra sy nivoaka ilay trano, ary nametraka ny fiarakodiany tany amin’ny toerana nifanalavitra teny amin’ny manodidina.
Fotoana hanorenana
Na dia nandritra izany fe-potoana nisamboaravoara izany aza, dia loharanom-pifaliana lehibe ny fitomboana tsy an-kijanona teo amin’ny isan’ny mpitory ilay Fanjakana, ary koa ny fiforonan’ny kôngregasiôna vaovao. Hatreo amin’ny taona 1976, dia nitombo maherin’ny 100 isan-jato ny isan’ny mpitory, tao anatin’ny folo taona latsaka. Nitondra zava-tsarotra koa anefa izany: Aiza no hasiana ireo olona vaovao maro be ireo tao amin’ireo Efitrano Fanjakana efa tranainy, izay nohofana ny ankamaroany? “Ny zavatra rehetra samy manana ny fotoany avy”, hoy i Solomona Mpanjaka nahazo tsindrimandry. Nisy 85 ireo kôngregasiôna, nefa 42 monja ireo Efitrano Fanjakana. Toa nazava àry fa tonga ny ‘fotoana hanorenana’ Efitrano Fanjakana. — Mpit. 3:1-3, NW.
Tao anatin’ny krizy ara-bola anefa ilay firenena manontolo, ary tsy nanana tahirim-bola ampy mba hanorenana ireo kôngregasiôna. Ho avy aiza àry ny vola? Izao no tsaroan’i Delfos Beltramelli, mpandrindra ny sampana: “Nandritra izany fe-potoana izany, dia tsapanay ny fiasan’ny tanan’i Jehovah sy ny fitiavan’ny vahoakany. Nahafahan’ny sampana nampisambo-bola araka izay nilain’ireo kôngregasiôna teto Orogoay ny fanomezana tamim-pahalalahan-tanana avy tamin’ny rahalahy naneran-tany.”
Nilaina koa ny mpiasa mahay, ary nisy nanolo-tena ny Vavolombelona teto Orogoay. Maro no nanao izay hahafahany hatrany mba hanampiana tamin’ny fanorenana Efitrano Fanjakana tany amin’ny toerana samy hafa. Anisan’ireo mpiasa an-tsitrapo tsy nety sasatra i Avelino Filipponi. Nandray anjara tamin’ny fanorenana
ny sampana ny Rahalahy Filipponi sy i Elda vadiny tamin’ny 1961, ary taorian’izany, dia nanompo tamin’ny naha mpisava lalana manokana izy mivady. Mpiandraikitra ny fizaran-tany ny Rahalahy Filipponi nanomboka tamin’ny 1968. Voatendry hanampy teo amin’ny fanorenana Efitrano Fanjakana koa izy, nandritra ny taona maromaro, ka ny nataony dia ny nanome fanampiana sy fitarihan’ny matihanina tamin’ireo tetik’asa fanorenana.“El Plomito”
Tsaroan’ny Rahalahy Filipponi ny zava-nitranga sasany nahakasika ny fanorenana Efitrano Fanjakana: “Tany amin’ny toerana rehetra nanorenanay Efitrano Fanjakana, dia tena nampiaiky volana foana an’ireo mpiara-monina sy mpandalo ny hafanam-po sy ny zotom-pon’ny mpiasa Vavolombelona. Teo amin’ny toeram-panorenana iray, dia nisy zazalahy kely iray enin-taona nonina teny akaiky. Tsy Vavolombelona izy io, ary tonga nitsidika isan’andro ka niangavy mba havela hiasa. Nisisika mafy mihitsy izy, hany ka nanjary fantatra hoe el plomito, izay fiantsoana eto an-toerana midika hoe ‘ilaikely manorisory’. Nandeha teny ny taona, ary tsy nahare vaovao momba ilay zazalahy intsony izahay. Tamin’ny fivoriambe iray anefa, dia nanatona ahy ny rahalahy iray ary nanontany hoe: ‘Rahalahy Filipponi! Tadidinao ve i “el plomito”? Izaho ange izy iny e! Vita batisa aho, roa taona lasa izay.’ ” Niharihary fa voavoly tao amin’io zazalahy kely io ny voan’ny fahamarinana, nandritra ny fanorenana ilay Efitrano Fanjakana.
Misy Efitrano Fanjakana iray ho an’ny mpitory 129 eto ankehitriny, izany hoe Efitrano Fanjakana 81, amin’ny fitambarany. Tsy isalasalana fa notahin’i Jehovah ny fanorenana toerana sahaza hanaovan’ny vahoakany fanompoam-pivavahana eto Orogoay.
Fivoriambe mba hanampiana ireo mifanila aminay
Nisy fitondrana miaramila koa naorina tatsy Arzantina, izay tany mifanila aminay atsy andrefana. Nakaton’ny fanjakana ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana sy ireo Efitrano Fanjakana tao. Noho izany, dia nanomboka notsinjaraina ho antokon’olom-bitsy ireo rahalahy niara-nivory tatsy Arzantina. Afaka nanao fivoriambe ampahibemaso, tsy nisy fanakantsakanana avy tamin’ny fanjakana, anefa izy ireo, tamin’izany fotoana izany. Ahoana no netezan’Rom. 1:12, NW.
izany? Tamin’ny fiampitana ny sisin-tany mba hanaovana ny fivoriambeny teto Orogoay! Ireo rahalahy teto Orogoay no nandamina ireny fivoriana lehibe ireny, saingy ireo rahalahy avy tatsy Arzantina no nanao ny ankamaroan’ireo anjara. Tombontsoa manokana ny nanome filasiana ho an’ireo rahalahy an’arivony maro avy tatsy Arzantina. “Fifampaherezana” nanatanjaka finoana no vokatr’izany. —Fivoriambe iray tsy hay hadinoina ilay natao tao amin’ny Palacio Peñarol, nanomboka ny 13 ka hatramin’ny 16 Janoary 1977. Efa ho 7 000 ny mpanatrika, izay rahalahy sy anabavy avy teto Orogoay sy avy tatsy Arzantina nifangaro. Teo am-pifaranan’ilay fivoriambe, dia niara-nihira fiderana an’i Jehovah ny mpanatrika rehetra. Nifandimby nihira ireo mpanatrika: nihira andininy iray ny avy tatsy Arzantina raha mbola nangina ny avy teto Orogoay, ary avy eo dia nifamadika indray. Farany, dia niara-nihira ny andininy farany ny rehetra. Nanganohano ny ranomason’ny maro, satria sady faly fa tafaraka tao amin’ilay fivoriambe, no nalahelo fa tsy maintsy hanao veloma an’ireo rahalahy malalany.
Ny 13 Janoary 1977 anefa, raha mbola natao tao amin’ny Palacio Peñarol io fivoriambe lehibe io, dia nisy gazety fanta-daza iray, izay nirona hanohana ny Eglizy Katolika, namoaka lahatsoratra teo amin’ny pejy voalohany nanana izao matoam-baovao izao: “Vavolombelon’i Jehovah: Fotorana Tsara ny Fanomezan-dalana Azy”. Nomelohin’ilay lahatsoratra ny toerana tanan’ny Vavolombelona raha ny amin’ny fanevam-pirenena. Nantitranterin’izy io fa nandrara ny asanay ny fitondram-panjakana tatsy Arzantina, ary nety hitranga koa izany teto Orogoay. Fotoana fohy taorian’ny nivoahan’ilay lahatsoratra, dia tsy nanome fahazoan-dalana hanaovanay fivoriambe intsony ny fitondrana.
Nihamafy ny fameperana
Tamin’ny 1975, dia nanao fampielezan-kevitra natao hampitomboana ny fitiavan-tanindrazana sy ny fanindrahindram-pirenena ny fitondrana miaramila. Niteraka fahasahiranana ho an’ny rahalahy maro io fanindrahindram-pirenena io, noho izy ireo niezaka mafy hihazona ny fialanalanany kristianina. Niezaka ‘handoa ho an’i Kaisara izay an’i Kaisara, fa ho an’Andriamanitra izay an’Marka 12:17). Nisy Vavolombelona tanora maro noroahin’ny sekoly, satria tsy nety nitsaoka ny fanevam-pirenena, noho ny feon’ny fieritreretany. Rahalahy maro no niaritra fitondrana ratsy sy fanesoana be dia be tany am-piasany. Namoy ny asany mihitsy aza ny Vavolombelona sasany, noho ny fialanalanany.
Andriamanitra’ kosa izy ireo. (Nanao andry maso akaiky ny Vavolombelona ny manam-pahefana teo an-toerana, tany amin’ny tanàna sy vohitra kely tany afovoan-tany. Tamin’ny toe-javatra sasany, dia nitsidika Efitrano Fanjakana ny mpitsikilom-panjakana, ka mody niseho ho olona liana. Noho izany no nahatakaran’ireo rahalahy fa nilaina ny ho malina bebe kokoa. Nohalavirin’ireo rahalahy ny niresaka momba ny fialanalanana tao amin’ireo fivoriana, ka tamin’izany no nisorohany izay nety ho fifandonana tamin’ny manam-pahefana.
Indray mandeha, dia tonga nitsidika Efitrano Fanjakana iray ny mpitsikilo iray toy izany, talohan’ny hanombohan’ny fivoriana indrindra. Nanontany ny rahalahy iray izy hoe: “Amin’ny firy ny kôngregasiôna no hanao ny hira anio?” Mety hanondro hiram-pirenena na hiram-pivavahana ny teny espaniola hoe himno. Fantatr’ilay rahalahy fa mpitsikilo ilay lehilahy, ka hoy ny navaliny: “Intelo: eo am-panombohan’ny fivoriana, eo antenatenany, ary amin’ny farany.” Mazava ho azy fa ny hiran’ilay Fanjakana no tian’ilay rahalahy horesahina. Lasa avy hatrany ilay mpitsikilo, afa-po tanteraka tamin’ny fiheverany fa hanao ny hiram-pirenena intelo ireo rahalahy mandritra ilay fivoriana.
Voasambotra nefa sambatra
Indraindray ny polisy dia nanao bemidina tao amin’ny Efitrano Fanjakana, teo antenatenan’ny fivoriana indrindra, ka nisambotra ny mpanatrika rehetra. Avy eo dia nofotorana ny rahalahy sy ny anabavy tsirairay. Fahafahana tsara dia tsara nanaovan’ireo rahalahy fanambarana tamin’ny polisy maro izany. Rehefa avy nanaovana famotorana, izay mazàna no naharitra ora maromaro, ny rehetra, dia nafahana. — Ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 5:41.
Tao amin’ny Kôngregasiôna Florida, any avaratr’i Montevideo, dia nanana anjara tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika ny Anabavy Sely Assandri de Núñez. Nasainy i Mabel mpiara-monina
taminy mba hihaino ilay anjarany. Mbola tsy nitsidika Efitrano Fanjakana mihitsy i Mabel talohan’izay. Nanao bemidina tao amin’ilay fivoriana ny polisy tamin’io alina io, ka nisambotra ny olona rehetra, anisan’izany i Mabel. Rehefa avy notanana nandritra ny ora maromaro i Mabel, dia nataon’ny vadiny izay hanafahana azy. Nanaitra tao aminy fahalianana marina tamin’ny fampianaran’ny Vavolombelon’i Jehovah, io fisehoan-javatra nampahatahotra io. Tsy ela taorian’izay, dia nanomboka nianatra Baiboly sy nanatrika fivoriana izy. Vavolombelon’i Jehovah vita fanoloran-tena sy batisa i Mabel ankehitriny.Na dia teo aza ireo fameperan’ny fitondrana miaramila nandritra ny efa ho 12 taona, dia nisy olona tso-po nirohotra tsy an-kijanona nankao amin’ny fandaminan’i Jehovah. Nisy mpitory 3 791 teto Orogoay tamin’ny 1973. Tamin’ny 1985, rehefa nifarana iny fotoan-tsarotra iny, dia tafakatra ho 5 329 io tarehimarika io, ka fitomboana maherin’ny 40 isan-jato izany! Tsy isalasalana fa nitahy ny vahoakany i Jehovah, nandritra izany fotoam-pahoriana izany.
Fivoriambe tsy nisy fameperana
Tamin’ny Martsa 1985, dia naorina ny fitondrana demokratika, ary nesorina ny fameperana rehetra. Nanomboka tamin’izay, dia afaka nandray anjara tamin-kalalahana tamin’ny fitoriana sy fampianarana momba ilay Fanjakana ny vahoakan’i Jehovah. Afaka nanao fivoriamben’ny fizaran-tany sy fivoriamben’ny distrika tamin-kalalahana izao ireo rahalahy. Dibo-kafaliana ireo rahalahy sy anabavy fa afaka nihaona indray tamin’ireo mpiara-mivavaka taminy avy tany amin’ny faritra lavitra teto Orogoay. Nampahery erỳ ny nahita fa nitoetra ho tsy nivadika koa ireo rahalahiny, ary mbola nanompo an’i Jehovah tamim-pahatokiana hatrany!
Taiza anefa no nety hahitanay toerana hanaovana fivoriambe ho an’ny mpanatrika nampoizina fa ho maherin’ny 10 000? Tsy nisy sahaza izao ireo toerana nampiasaina teo aloha. Teto indray, dia namaly ny vavaka nataonay i Jehovah. Nandritra ireo taona nanapahan’ilay fitondrana miaramila, dia nisy kianja filalaovam-baolina vaovao iray, ny Estadio Charrúa, naorina teo amin’ny Parque Rivera, izay iray amin’ny zaridainam-panjakana lehibe indrindra eto Montevideo. Na dia tsy nampiasaina afa-tsy tamin’ny fanatanjahan-tena
aza ilay kianja, dia afaka nanofa azy io izahay mba hanaovanay fivoriambe iray ho an’i Orogoay manontolo, tamin’ny Desambra 1985. Nanomboka tamin’izay, ireo manam-pahefana teto an-toerana dia tena vonona hamela anay hampiasa ilay kianja isan-taona mba hanaovanay fivoriambe, izay matetika no nisy mpanatrika maherin’ny 13 000.Fanambarana niavaka ny fivoriamben’ny fizaran-tany iray natao tao amin’ny kianjan’ny tanànan’i Treinta y Tres, tamin’ny Desambra 1990. Tazana tsara avy tao anatin’ny fiangonana katolika iray ilay kianja, izay feno hipoka Vavolombelon’i Jehovah. Nanondro avy teo am-baravarankely ny mompera indray maraina, ka nilaza tamin’ireo mpiangona hoe: “Hitanareo ve hoe firy ny olona voangon’ny Vavolombelon’i Jehovah? Ahoana no ahazoany olona maro be toy izao? Manan-javatra izay tsy anananareo Katolika izy ireo, dia ny toe-tsaina tia fitoriana ny filazantsara! Mihamihena isan’andro ny isantsika, satria tsy mandeha mitory toy ny ataon’izy ireo isika. Na hanomboka hitory ny filazantsara toy ny ataon’ny Vavolombelona isika, na ho faty ny Eglizintsika.”
Fiasana faritany mitokana
Tamin’ireo taona 1980, dia nisy ezaka manokana natao mba hitondrana ny vaovao tsara tany amin’ny faritra mitokana indrindra eto Orogoay. Nandritra ny fitsidihany isan-taona ny toerana iray any amin’ny tapany avaratratsinanana, ny rahalahy sasantsasany dia nametraka boky maromaro tao amin’ny vohitra iray antsoina hoe Cuchilla de Caraguatá. Ny taona nanaraka, ireo Vavolombelona dia nitsidika lehilahy iray tao izay nilaza fa tsy hihaino ny hafatra nentin’izy ireo, satria efa nanana ny fahamarinana. “Vavolombelon’i Jehovah aho!”, hoy ny nambarany. Tsy tao an-tanàna izy tamin’ny fotoana nitorian’ny Vavolombelona tao tamin’ny taona teo aloha. Rehefa nody anefa izy, dia namaky ilay zavatra vita an-tsoratra voapetraka, ary dia nanatsoaka hevitra fa io no fahamarinana. Nandeha nitety ilay vohitra izy nilaza tamin’ny rehetra fa Vavolombelon’i Jehovah ny tenany izao. Misy kôngregasiôna kely ao amin’io vohitra io, amin’izao fotoana izao.
Na dia nipetraka lavitra aza i Berta de Herbig, tao amin’ny tanànan’i Dolores, dia nahatakatra fa zava-dehibe ny fanatrehana
fivoriana tsy tapaka. Nandeha an-tongotra 11 kilaometatra izy mbamin’ny zanany enina nankany amin’ny Efitrano Fanjakana. Matetika izy no tonga adiny iray eo ho eo talohan’ny hanombohan’ny fivoriana. Nisy heriny lehibe teo amin’ireo zanany ny ohatra tsara nomeny ny amin’ny fiaretana sy ny fahatapahan-kevitra. Ankehitriny, taona maro taorian’ny nanompoany tamim-pahatokiana, dia marisika ao amin’ny fahamarinana ny zanany efatra. Ny iray amin’izy ireo, i Miguel Ángel, izay tonga mpisava lalana tatỳ aoriana, dia nandeha bisikileta 58 kilaometatra, mba hankanesana tany amin’ny groupe isolé iray any La Charqueada-Cebollatí. Ny zanany lahy iray hafa, i Daniel, dia mpisava lalana manokana ao amin’ny tanànan’i Treinta y Tres amin’izao fotoana izao.Fifandraisana tsara kokoa
Nandritra ny taona maro, dia nanamavo ny Vavolombelon’i Jehovah ny ankamaroan’ny mpiasan’ny fahasalamana matihanina teto Orogoay, satria tsy nahatakatra ny fihetsik’izy ireo ny amin’ny fifadiana ny fampiasana ra. (Asa. 15:28, 29). Hopitaly maro be teto no tsy nety nandray Vavolombelon’i Jehovah. Ny hafa nety nandray Vavolombelona mba hodidiana, nefa avy eo dia nandroaka azy, talohan’ny hanaovana ilay fandidiana indrindra, satria tsy nanaiky fampidiran-dra ireo Vavolombelona. Nandritra ny taona vitsivitsy farany anefa, dia nihatsara tokoa ny fifandraisan’ny dokotera sy ny Vavolombelona.
Tamin’ny 1986, dia nandamina fivoriambe iray ny Hopitaly Foibe de las Fuerzas Armadas mba hiaraha-midinika momba ny fomba fitsaboana hafa tsy ampiasana ra ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah. Novoriny ny olo-malaza maromaro teo amin’ny sehatry ny fitsaboana sy ny fandidiana, ary koa ny mpahay lalàna momba ny fitsaboana. Nanome fanazavana sy fanoloran-kevitra ho an’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny hopitaly ny Vavolombelon’i Jehovah. Vokatr’io fivoriana manokana io, dia dokotera maro teto Orogoay no niova fihetsika nanoloana ny Vavolombelona. Ankehitriny izy ireo dia vonona hitsabo ny Vavolombelona sy hanaja ny fiheverany momba ny ra miorina amin’ny Baiboly.
Tatỳ aoriana, dia nisy fivoriana maromaro nanaovana antso avo hatraiza hatraiza, natao teto Montevideo aloha, ary tany amin’ny
tanàna hafa nony avy eo. Nisy manam-pahaizana fanta-daza niaiky fa noho ny fanampian’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia nianatra teknika vaovao ho an’ny fitsaboana tsy misy fampidiran-dra izy ireo. Ny profesora iray momba ny fitsaboana ampiasana ra, dia nilaza hoe: “Nianatra zavatra betsaka izahay, ary nanitsy ny fomba fihevitray, noho ny fanampian’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nifandona imbetsaka tamin’izy ireo izahay tamin’ny lasa, satria tsy takatray tsotra izao ny fiheverany. Hitanay anefa ankehitriny fa tamin’ny lafiny maro, dia marina foana ny azy ireo. Miharihary fa nisoroka fahasahiranana maro izy ireo, noho ny tsy netezany handray ra.”Tsy very maina ny asan’izy ireo
Azo lazaina tokoa fa tsy very maina ny asa mafy nataon’ireo mpitory ilay Fanjakana be zotom-po teto Orogoay, nandritra ireo taona 1920 sy hatramin’ireo taona 1940. Nisy mpitory ilay Fanjakana be zotom-po vitsy dia vitsy avy tany ivelany, nanangona sy nampianatra “zavatra faniry” an’arivony maro teto amin’ity tany kanto misy havoana be fiakarana sy fidinana ity. (Hagay 2:7, NW ). Misy mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra maherin’ny 10 000 eto Orogoay ankehitriny. Manana loholona efa ho dimy isaky ny kôngregasiôna, amin’ny antsalany, ireo kôngregasiôna maherin’ny 135. Tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana farany indrindra, natao tamin’ny Martsa 1998, dia nisy loholona 656 sy mpanampy amin’ny fanompoana 945 nanatrika azy io. Saika manana ny Efitrano Fanjakanany avokoa ny kôngregasiôna rehetra, ka naorin’ireo rahalahy ihany ny ankamaroany, nampian’ny fanohanana ara-bola avy tamin’ny Fikambanana.
Tato anatin’ireo 20 taona farany, dia nitombo maherin’ny avo roa heny ny isan’ny mpitory, ary misy fanantenana tsara fa mbola hitombo izany amin’ny hoavy. Raha mbola mihazona ireo rivotry ny fahoriana lehibe mihamanatona i Jehovah, dia hanohy hanasa ny hafa toy izao ny Vavolombelon’i Jehovah eto Orogoay: “Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr’i Jehovah, ho any an-tranon’Andriamanitr’i Jakoba, mba hampianarany antsika ny amin’ny làlany, ka handehanantsika amin’ny atorony”. — Isaia 2:3; Apok. 7:1.
[Sary, pejy 224]
[Sary, pejy 227]
Juan Muñiz
[Sary, pejy 229]
Nitoetra tao amin’ny lay namboarin’ny tenany ihany izy ireo, ary nitety an’i Orogoay tamin’ny bisikileta mba hitory (avy eo ankavia miankavanana): Kurt Nickel, Gustavo sy Betty Bender, Otto Helle
[Sary, pejy 235]
Mpitory orogoayanina tany am-boalohany (avy eo ankavia miankavanana): María de Berrueta, Carola Beltramelli, Catalina Pomponi
[Sary, pejy 237]
Misionera mbola manompo eto Orogoay: 1) Florence Latimer, 2) Ethel Voss, 3) Birdene Hofstetter, 4) Lira Berrueta, 5) Tove Haagensen, 6) Günter Schönhardt
[Sary, pejy 243]
Tranon’ny sampana vaovao teo an-dalam-panorenana tamin’ny 1998
[Sary, pejy 245]
Komitin’ny Sampana (avy eo ankavia miankavanana): Günter Schönhardt, Delfos Beltramelli, Gerardo Escribano