Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fampiharihariana ny Zava-miafina Momba Ilay Hazo Lehibe

Fampiharihariana ny Zava-miafina Momba Ilay Hazo Lehibe

Toko Fahenina

Fampiharihariana ny Zava-miafina Momba Ilay Hazo Lehibe

1. Inona no nitranga tamin’i Nebokadnezara Mpanjaka, ary fanontaniana inona avy no apoitran’izany?

NAVELAN’I Jehovah ho tonga mpanapaka natanjaka indrindra eran-tany i Nebokadnezara Mpanjaka. Noho izy mpanjakan’i Babylona, dia nananany avokoa izay zavatra ara-nofo rehetra niriny — harem-be sy hanim-py tondraka ary lapa kanto iray. Tampoka teo anefa dia nampietrena izy. Nanjary voa ny sain’i Nebokadnezara, ka lasa toy ny biby izy! Nesorina avy teo amin’ny latabatra sy ny fonenan’ny mpanjaka izy, ka niaina tany an-tsaha ary niraoka ahitra toy ny omby. Inona no nitarika ho amin’io loza io? Ary nahoana izany no tokony hahaliana antsika? — Ampitahao amin’ny Joba 12:17-19; Mpitoriteny 6:1, 2.

MANKALAZA NY AVO INDRINDRA NY MPANJAKA

2, 3. Inona no nirin’ny mpanjakan’i Babylona ho an’ny olom-peheziny, ary ahoana no fiheverany momba ilay Andriamanitra Avo Indrindra?

2 Tsy ela taorian’ny nahasitranany tamin’iny fahavoazan’ny sainy tanteraka iny, dia nandefa tatitra nahavariana momba izay nitranga, nanerana ny faritra niadidiany, i Nebokadnezara. Nanome tsindrimandry an’i Daniela mpaminany mba hirakitra an-tsoratra araka ny marina tsara ireny fisehoan-javatra ireny i Jehovah. Manomboka toy izao izany: “Nebokadnezara mpanjaka nampitondra teny ho any amin’ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra, izay monina amin’ny tany rehetra, nanao hoe: Hitombo anie ny fiadananareo. Sitrako ny hanambara ny famantarana sy ny fahagagana izay nataon’Andriamanitra Avo Indrindra tamiko. Akory ny halehiben’ny famantarany! Ary akory ny herin’ny fahagagany! Ny fanjakany dia fanjakana mandrakizay, ary ny fanapahany dia hahatratra ny taranaka fara mandimby.” — Daniela 3:31-33.

3 ‘Nonina tamin’ny tany rehetra’ ny olom-pehezin’i Nebokadnezara — nahafaoka ny ankabeazan’izao tontolo izao araka ny Baiboly ny empirany. Hoy ilay mpanjaka momba ny Andriamanitr’i Daniela: “Ny fanjakany dia fanjakana mandrakizay”. Tena nankalaza an’i Jehovah nanerana ny Empira Babylonianina tokoa ireo teny ireo! Ambonin’izany, dia fanindroany izao no nampisehoana tamin’i Nebokadnezara fa ny Fanjakan’Andriamanitra irery ihany no ‘mitoetra mandrakizay’. — Daniela 2:44.

4. Ahoana no nanombohan’ireo ‘famantarana sy fahagagana’ nataon’i Jehovah, nifandray tamin’i Nebokadnezara?

4 Inona moa ireo ‘famantarana sy fahagagana’ nataon’ilay “Andriamanitra Avo Indrindra”? Izany dia nanomboka tamin’ny zavatra nitranga tamin’ny tenan’ilay mpanjaka, izay nitantara toy izao: “Izaho Nebokadnezara niadana tao an-tranoko ary faly finaritra tao an-dapako. Nanonofy zavatra nahatahotra aho ka nieritreritra teo am-pandriako, ary ny fahitan’ny lohako dia naharaiki-tahotra ahy.” (Daniela 4:1, 2). Inona no nataon’ilay mpanjaka babylonianina momba io nofy nanelingelina azy io?

5. Ahoana no fiheveran’i Nebokadnezara momba an’i Daniela, ary nahoana?

5 Nampiantso an’ireo olon-kendrin’i Babylona i Nebokadnezara ka nilaza ilay nofy tamin’izy ireo. Akory anefa ny tsy fahaizan’izy ireo! Tena tsy nahay nilaza ny hevitr’ilay nofy izy ireo. Hoy ny teny nanampin’ilay fitantarana: “Nony farany dia niditra teo anatrehako kosa Daniela, izay atao hoe Beltesazara, araka ny anaran’andriamanitro, sady misy fanahin’ireo andriamanitra masina ao anatiny; ary ny nofy dia nambarako teo anatrehany”. (Daniela 4:3-5). Beltesazara no anaran’i Daniela tao an-dapa, ary ilay andriamani-diso nantsoin’ilay mpanjaka hoe “andriamanitro” dia nety ho i Bela na i Nebo na i Mardoka. Nino andriamanitra maro i Nebokadnezara, ka nihevitra an’i Daniela ho nanana ny “fanahin’ireo andriamanitra masina”. Ary noho i Daniela nitana ny toeran’ny mpanapaka ny olon-kendrin’i Babylona rehetra, dia niantso azy hoe “lehiben’ny ombiasy” ilay mpanjaka. (Daniela 2:48; 4:6; ampitahao amin’ny Daniela 1:20.) Mazava ho azy fa tsy nandao ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah mba hanao sikidy akory i Daniela nahatoky. — Levitikosy 19:26; Deoteronomia 18:10-12.

HAZO GOAVAM-BE IRAY

6, 7. Ahoana no hilazalazanao izay hitan’i Nebokadnezara tao amin’ny nofiny?

6 Inona ilay nofy nampahatahotra nonofisin’ilay mpanjaka babylonianina? “Fa izao no fahitan’ny lohako teo am-pandriako”, hoy i Nebokadnezara, “Nijery aho, ka, indro, nisy hazo teo afovoan’ny tany, ary fatratra ny hahavony. Nihalehibe sy nihahery io hazo io, ary ny hahavony nipaka tamin’ny lanitra, ary ny fijery azy dia hatrany amin’ny faran’ny tany rehetra. Tsara tarehy ny raviny, ary betsaka ny voany, sady teo aminy no nisy hanina ho an’ny rehetra; teny ambaniny no nialokalofan’ny bibi-dia, ary teny amin’ny sampany no nitoeran’ny voro-manidina, ary ny nofo rehetra nahazo hanina avy aminy.” (Daniela 4:7-9). Misy milaza fa nahafinaritra an’i Nebokadnezara ireo hazo sedera vaventin’i Liban, ka nandeha nijery azy ireo izy, ary nampitondra vatan-kazo avy taminy nankany Babylona. Mbola tsy nahita ny nitovy tamin’ilay hazo nonofisiny mihitsy anefa izy. Nitana toerana ambony dia ambony “teo afovoan’ny tany” izy io, ka hita naneran-tany ary namoa aoka izany, hany ka nanome hanina ho an’ny nofo rehetra.

7 Be lavitra noho izany anefa no noraketin’ilay nofy, satria hoy ny teny nanampin’i Nebokadnezara: “Nijery tamin’ny fahitan’ny lohako teo am-pandriako aho, ka, indro, nisy mpiambina masina anankiray nidina avy tany an-danitra. Niantso mafy izy ka nanao hoe: Kapao io hazo io, dia rantsano; ahintsano ny raviny, ary aelezo ny voany; aoka ny biby hipariaka avy eo ambaniny, ary ny vorona hiboridana avy eny amin’ny rantsany. Nefa avelao amin’ny tany ao amin’ny ahitra maitso any an-tsaha ihany ny fotony, ka asio fehy vy sy varahina; ary aoka ho kotsan’ny andon’ny lanitra izy, ary aoka ny anjarany ho amin’ny biby any amin’ny ahitra amin’ny tany”. — Daniela 4:10-12.

8. Iza moa ilay “mpiambina”?

8 Nanana ny fomba fiheviny ara-pivavahana manokana momba ireo zavaboary ara-panahy tsara sy ratsy ny Babylonianina. Iza anefa io “mpiambina” avy tany an-danitra io? Nantsoina hoe “masina” izy io, satria anjely marina mpitondra tenin’Andriamanitra. (Ampitahao amin’ny Salamo 103:20, 21.) Alao sary an-tsaina ireo fanontaniana tsy maintsy ho nampahory ny sain’i Nebokadnezara! Nahoana no hokapaina io hazo io? Inona no soa hoentin’ny fisakanana ilay fotony tsy haniry, amin’ny alalan’ny fehy vy sy varahina? Inona tokoa no ho azo avy amin’izay foto-kazo iray?

9. Inona no votoatin’ny tenin’ilay mpiambina, ary fanontaniana inona avy no apoitran’izany?

9 Tsy maintsy ho nitolagaga tanteraka i Nebokadnezara nahare ireo fanampin-tenin’ilay mpiambina nanao hoe: “Aoka hovana ny fony tsy ho fon’olombelona, ary aoka ho fom-biby no ho ao aminy; ary aoka ho fetr’andro fito no holanina aminy. Didin’ny mpiambina izany zavatra izany; eny, avy amin’ny tendrin’ireo masina izany zavatra izany, hahafantaran’ny velona fa ny Avo Indrindra no manapaka amin’ny fanjakan’ny olona ka manome izany ho an’izay tiany, ary olona ambany toetra no ampanapahiny azy.” (Daniela 4:13, 14). Tsy manana fon’olombelona mitepo ao anatiny ny fototry ny hazo iray. Koa ahoana no ahafahana manome fom-biby ho an’ny foto-kazo iray? Inona ireo “fetr’andro fito” ireo? Ary inona no ifandraisan’izany rehetra izany amin’ny fanapahana ao amin’ny “fanjakan’ny olona”? Azo antoka fa naniry hahafantatra ny valin’izany i Nebokadnezara.

VAOVAO RATSY HO AN’NY MPANJAKA

10. a) Araka ny Soratra Masina, sary mampiseho inona avy moa ny hazo? b) Inona no asehon’ilay hazo lehibe?

10 Raha vao nahare ilay nofy i Daniela, dia gaga vetivety, ary avy eo dia natahotra. Nampirisihin’i Nebokadnezara hanazava azy io ilay mpaminany, ka nanao hoe: “Tompokolahy ô, ny nofy anie ho an’izay mankahala anao, ary ny heviny ho an’izay fahavalonao. Io hazo hitanao io, dia ilay nihalehibe sy nihahery, (...) hianao indrindra izany, ry mpanjaka ô; hianao dia nihalehibe sy nihahery; fa ny halehibiazanao efa nitombo ka mipaka amin’ny lanitra, ary ny fanapahanao hatramin’ny faran’ny tany.” (Daniela 4:15-19). Ao amin’ny Soratra Masina, ny hazo dia mampiseho olona sy mpanapaka ary fanjakana. (Salamo 1:3; Jeremia 17:7, 8; Ezekiela toko faha-31). Toy ilay hazo goavam-be tao amin’ny nofiny, dia “nihalehibe sy nihahery” i Nebokadnezara, izay tonga filohan’ny firenena iray natanjaka indrindra eran-tany. ‘Fanapahana hatramin’ny faran’ny tany’, mahafaoka ny fanjakan’olombelona manontolo, anefa no asehon’ilay hazo lehibe. Noho izany, dia sary mampiseho ny fiandrianan’i Jehovah eo amin’izao rehetra izao izy io, indrindra fa ny fiandrianany mifandray amin’ny tany. — Daniela 4:14.

11. Ahoana no ampisehoan’ilay nofin’ny mpanjaka fa haetry izy?

11 Fampietrena azy no niandry an’i Nebokadnezara. Hoy ny teny nanampin’i Daniela, mba hanondroana izany fiovana izany: “Ny nahitan’ny mpanjaka ny mpiambina masina anankiray nidina avy tany an-danitra nanao hoe: Kapao io hazo io, ary simbao; nefa avelao amin’ny tany ao amin’ny ahitra maitso any an-tsaha ihany ny fotony, fa asio fehy vy sy varahina, ary aoka ho kotsan’ny andon’ny lanitra izy, ary aoka ny anjarany ho ao amin’ny bibi-dia, ambara-pahalanin’ny fetr’andro fito aminy, — izao no heviny, ry mpanjaka, ary izao no tendrin’ny Avo Indrindra, izay mihatra amin’itompokolahy mpanjaka”. (Daniela 4:20, 21). Tena tsy maintsy ho nitaky herim-po ny fanomezana izany hafatra izany tamin’ilay mpanjaka nahery!

12. Inona no hanjo an’i Nebokadnezara?

12 Inona no hanjo an’i Nebokadnezara? Alao sary an-tsaina ny fihetsiny, rehefa nahare ny teny nanampin’i Daniela izy hoe: “Horoahina hiala amin’ny olona hianao, ary ny fonenanao ho any amin’ny bibi-dia, ary hampihinanina ahitra toy ny omby hianao ary ho kotsan’ny andon’ny lanitra, ary fetr’andro fito no holanina aminao, ambara-pahafantatrao fa ny Avo Indrindra no manapaka amin’ny fanjakan’ny olona ka manome izany ho an’izay tiany.” (Daniela 4:22). Na dia ireo tandapan’i Nebokadnezara aza dia toa ‘handroaka azy hiala amin’ny olona’. Hokarakarain’ny mpiandry omby na mpiandry ondry nangoraka anefa ve izy? Tsia, satria ny didin’Andriamanitra dia hoe hiara-monina “amin’ny bibi-dia” sy hihinana ahitra i Nebokadnezara.

13. Inona no nasehon’ilay nofy fa hitranga amin’ny toeran’ny mpanapaka natanjaka indrindra notanan’i Nebokadnezara?

13 Tsy misy hafa amin’ilay hazo nokapaina, i Nebokadnezara dia haongana tsy ho mpanapaka eran-tany intsony — mandritra ny fotoana kelikely ihany anefa. Hoy ny fanazavan’i Daniela: “Ny nasainy namelana ny fotony: ny fanjakanao mbola hampodina ho anao tokoa, rehefa fantatrao fa ny lanitra no manapaka.” (Daniela 4:23). Tao amin’ny nofin’i Nebokadnezara, ny fototr’ilay hazo nokapaina dia navela hitoetra teo, na dia nofehezina mba tsy haniry aza. Toy izany koa, ny ‘fototry’ ny mpanjakan’i Babylona dia havela hitoetra, na dia hofehezina tsy hiroborobo mandritra ny “fetr’andro fito” aza. Ho toy ilay foto-kazo nofehezina ny toeran’ny mpanapaka natanjaka indrindra notanany. Hotahirizina tsara ho azy io toerany io, mandra-pahatapitry ny fetr’andro fito. Hataon’i Jehovah izay tsy hisian’iza na iza handimby an’i Nebokadnezara ho hany mpanapaka tao Babylona nandritra io fe-potoana io, na dia nety ho nanohy ny asany aza ilay zanany nantsoina hoe Evila-merodaka.

14. Inona no nampirisihan’i Daniela mba hataon’i Nebokadnezara?

14 Rehefa heverina izay nambara mialoha momba an’i Nebokadnezara, dia nila herim-po i Daniela mba hampirisihana azy toy izao: “Koa aoka hankasitrahanao ny anatro, ry mpanjaka, ka dia ny fahamarinana no ento mampitsahatra ny fahotanao, ary ny fiantrana ny mahantra no ento mampitsahatra ny helokao, fandrao mba hampaharetina ahay ny fiadananao.” (Daniela 4:24). Raha niala tamin’ny lalan’ny fahotana i Nebokadnezara, izany hoe tsy nampahory olona na niavonavona intsony, dia angamba izany hanova ny ho fandehan-javatra ho azy. Taonjato roa talohan’io tokoa, dia tapa-kevitra ny handringana ny mponina tao Ninive, renivohitr’i Asyria, i Jehovah, nefa tsy nanao izany, satria nibebaka ilay mpanjaka tao sy ny olom-peheziny. (Jona 3:4, 10; Lioka 11:32). Ahoana ny amin’i Nebokadnezara niavonavona? Hanova ny fanaony ve izy?

NY FAHATANTERAHANA VOALOHAN’ILAY NOFY

15. a) Mbola nanao ahoana ihany ny fihetsika nasehon’i Nebokadnezara? b) Soratra inona avy no mampiharihary ireo zavatra nataon’i Nebokadnezara?

15 Tsy niova i Nebokadnezara fa mbola niavonavona ihany. Fony nitsangantsangana teny an-tampon’ny lapany izy, 12 volana taorian’ny nanofisany momba ilay hazo, dia nirehareha izy hoe: “Tsy ity va no Babylona lehibe, izay nataoko ho lapan’ny fanjakana tamin’ny haben’ny heriko mba ho voninahitry ny fahalehibiazako?” (Daniela 4:25-27). I Nimroda no nanorina an’i Babylona (Babela), fa i Nebokadnezara kosa no nanome azy io ny famirapiratany. (Genesisy 10:8-10). Nirehareha toy izao izy tao amin’ny iray tamin’ireo soratra cunéiformes nosoratany: “Izaho no Nebokadnezara, Mpanjakan’i Babylona, mpanavao an’i Esagila sy i Ezida, zanak’i Nabopolasara. (...) Izaho no nanamafy ireo manda fiarovan’i Esagila sy i Babylona, ary nanorina ny anaran’ny fanjakako mandrakizay.” (Archaeology and the Bible, nataon’i George A. Barton, 1949, pejy 478-479). Misy soratra iray hafa manonona tempoly 20 teo ho eo izay nohavaoziny na naoriny indray. “Nandritra ny fanapahan’i Nebokadnezara”, hoy ny The World Book Encyclopedia, “dia nanjary anisan’ireo tanàna kanto indrindra teo amin’ny tontolo fahiny i Babylona. Tao amin’ireo tatitra nosoratan’ny tenany, dia zara izy raha nanonona ireo zava-bitany ara-tafika, nefa nanoratra momba ireo asa fanorenana nataony sy momba ny fanehoany fiheverana tamin’andriamanitr’i Babylonia kosa izy. I Nebokadnezara angamba no nanorina ireo Zaridaina Nihanton’i Babylona, dia ny iray tamin’ireo Zava-nahatalanjona Fito teo Amin’ny Tontolo Fahiny.”

16. Ahoana izao no hampietrena an’i Nebokadnezara?

16 Na dia nirehareha aza anefa i Nebokadnezara niavonavona, tsy ela izy dia haetry. Hoy ny fitantarana ara-tsindrimandry: “Raha mbola teo am-bavan’ny mpanjaka ihany ny teny, dia nisy feo latsaka avy tany an-danitra nanao hoe: Ry Nebokadnezara mpanjaka, hianao indrindra no anaovana hoe: Ny fanjakana niala taminao. Fa horoahina hiala amin’ny olona hianao, ka ho any amin’ny bibi-dia ny fonenanao; hampihinanina ahitra toy ny omby hianao, ary fetr’andro fito no holanina aminao ambara-pahafantatrao fa ny Avo Indrindra no manapaka amin’ny fanjakan’ny olona ka manome izany ho an’izay tiany.” — Daniela 4:28, 29.

17. Inona no nitranga tamin’i Nebokadnezara niavonavona, ary tsy ela dia tao anatin’ny tarehin-javatra nanao ahoana izy?

17 Vetivety teo dia nanjary very saina i Nebokadnezara. Noroahina niala tamin’ny olombelona izy, ka niraoka ahitra “toy ny omby”. Teo anivon’ireo biby teny an-tsaha, dia azo antoka fa tsy nipetrapetraka fotsiny teny amin’ny bozaka tao amin’ny paradisa sy nankafy tsio-drivotra namelombelona isan’andro, izy. Any Irak ankehitriny, izay misy an’ireo sisa tsy rava tamin’ny tanànan’i Babylona, dia mahatratra 50 degre ny maripana, mandritra ireo volana amin’ny fahavaratra, ary midina hatramin’ny hatsiaka mamanala, amin’ny ririnina. Tsy nisy mpiambina no sady tsy voaro tamin’ny famelezan’ny toetr’andro i Nebokadnezara, ka nanjary toy ny volon’ny voromahery ny volony be nirakorako, ary tonga toy ny hohon’ny vorona ny hohon-tanany sy ny hohon-tongony tsy voatapaka. (Daniela 4:30). Fietrena toy inona moa izany ho an’io mpanapaka natanjaka niavonavona io!

18. Inona no nitranga tamin’ny seza fiandrianan’i Babylona nandritra ireo fetr’andro fito?

18 Tao amin’ny nofin’i Nebokadnezara, dia nokapaina ilay hazo lehibe ary nofehezina ny fotony mba hisakanana azy tsy haniry nandritra ny fetr’andro fito. Toy izany koa, i Nebokadnezara dia “naetry niala tamin’ny seza fiandrianan’ny fanjakany”, fony i Jehovah namely azy ka nahatonga azy ho lasa adala. (Daniela 5:20). Toy ny hoe niova ho fon’omby ny fon’olombelon’ilay mpanjaka. Kanefa nohazonin’Andriamanitra ho azy ihany ny seza fiandrianany, mandra-pahatapitr’ireo fetr’andro fito. Na dia nety ho ny filoha vonjimaikan’ilay fitondram-panjakana aza i Evila-merodaka, dia i Daniela no “mpanapaka any Babylona sy ny fehiny rehetra, sy (...) lehiben’ny mpanapaka ny olon-kendrin’i Babylona rehetra”. Ireo namany hebreo telo lahy dia mbola anisan’ny nitantan-draharaha tao amin’io faritra io ihany. (Daniela 1:11-19; 2:48, 49; 3:30). Izy efatra mirahalahy tany an-tsesitany ireo dia niandry ny fampodiana an’i Nebokadnezara ho mpanjaka salama saina teo amin’ny seza fiandrianana, dia mpanjaka izay nianatra fa “ny Avo Indrindra no manapaka amin’ny fanjakan’ny olona ka manome izany ho an’izay tiany”.

NY FAMPODIANA AN’I NEBOKADNEZARA

19. Rehefa avy nampody ny fahasalamana ara-tsain’i Nebokadnezara i Jehovah, inona moa no nanjary takatr’ilay mpanjaka babylonianina?

19 Nampody ny fahasalamana ara-tsain’i Nebokadnezara i Jehovah, tamin’ny faran’ireo fetr’andro fito. Tamin’izay dia niaiky ny toeran’ilay Andriamanitra Avo Indrindra ilay mpanjaka, ka nanao hoe: “Rehefa tapitra ny andro, izaho Nebokadnezara nanandrandra ny masoko tamin’ny lanitra, ary nody tamiko indray ny saiko, ka dia nisaotra ny Avo Indrindra aho ary nidera sy nankalaza Izay velona mandrakizay, — ny fanapahany dia fanapahana mandrakizay, ary ny fanjakany hahatratra ny taranaka fara mandimby; ary ny mponina rehetra etỳ an-tany hatao tsinontsinona; ary manao izay sitrapony amin’ireo maro be any an-danitra sy amin’ny mponina etỳ an-tany Izy; ary tsy misy mahasakana Azy, na manao aminy hoe: Inona no ataonao?” (Daniela 4:31, 32). Eny, nanjary takatr’i Nebokadnezara tokoa fa ny Avo Indrindra dia tena ny Mpanapaka Tompom-piandrianana eo amin’ny fanjakan’ny olombelona.

20, 21. a) Ahoana no nahatanterahan’ilay fanesorana ireo fehy metaly nanodidina ny fototr’ilay hazo tamin’izay nitranga tamin’i Nebokadnezara? b) Inona no fiekena nataon’i Nebokadnezara, ary moa ve izany nahatonga azy ho mpivavaka tamin’i Jehovah?

20 Rehefa tafaverina teo amin’ny seza fiandrianany i Nebokadnezara, dia toy ny hoe nesorina ireo fehy metaly nanodidina ny fototr’ilay hazo nonofisiny. Momba io fampodiana azy io, dia hoy izy: “Tamin’izay dia nody tamiko ny saiko, ary nody tamiko koa ny fahalehibiazako sy ny voninahitro ho tabihan’ny fanjakako, ary ny mpanolo-tsaiko sy ny andriandahiko nikatsaka ahy, ka nampitoerina teo amin’ny fanjakako aho, sady nanampy ho ahy ny fahalehibiazana malaza.” (Daniela 4:33). Raha nisy tandapa nanamavo an’ilay mpanjaka fony izy lasa adala, izao kosa izy ireo dia “nikatsaka” azy tamim-piahiana tanteraka.

21 Endre izany ‘famantarana sy fahagagana’ nataon’ilay Andriamanitra Avo Indrindra! Tsy tokony hahagaga antsika raha nilaza ilay mpanjaka babylonianina nampodiana tamin’ny toerany hoe: “Koa amin’izany, izaho Nebokadnezara midera sy manandratra ary mankalaza ny Mpanjakan’ny lanitra; marina avokoa ny asany rehetra, ary araka ny rariny ny làlany; ary izay mandeha amin’ny fiavonavonana dia hainy aetry.” (Daniela 3:32; 4:34). Tsy nahatonga an’i Nebokadnezara ho Jentilisa mpivavaka tamin’i Jehovah anefa izany fiekena izany.

MISY POROFO IVELAN’NY BAIBOLY VE?

22. Nolazaina ho aretina inona ilay aretin-tsain’i Nebokadnezara, nefa inona no tokony ho takatsika momba ilay fahavoazan’ny sainy?

22 Nisy nilaza fa hoe lycanthropie no anaran’ny aretin-tsain’i Nebokadnezara. Hoy ny rakibolana ara-pitsaboana iray: “LYCANTHROPIE (...) avy amin’ny hoe [lyʹkos]: lupus: alikadia, sy ny hoe [anʹthro·pos]: homo: olona. Io anarana io dia niantsoana ny aretin’ireo izay mino fa niova ho biby iray ny tenany, ka manahaka ny feo sy ny fihetsik’io biby io. Mazàna ny olona toy izany no mihevi-tena ho niova ho alikadia, ho alika na ho saka, indraindray koa ho omby, toa an’i Nebokadnezara.” (Dictionnaire des sciences médicales, par une société de médecins et de chirurgiens, Paris, 1818, Boky 29, pejy 246). Mitovy amin’ny fisehon’ny aretin-tsain’i Nebokadnezara ny an’ny aretina lycanthropie. Koa satria avy tamin’Andriamanitra anefa ilay aretin-tsainy, dia tsy azo ampifandraisina amin’ny fomba voafaritra tsara amin’ny aretina fantatra iray.

23. Inona no porofo ivelan’ny Baiboly manamarina fa lasa adala an’i Nebokadnezara?

23 Nanonona zavatra maromaro mifanitsy amin’ny aretin-tsain’i Nebokadnezara sy ny fampodiana azy tamin’ny toerany i John E. Goldingay, manam-pahaizana iray. Hoy izy, ohatra: “Ny soratra cunéiforme tsy feno iray dia toa miresaka momba ny aretin-tsaina iray hita teo amin’i Nebokadnezara, ary angamba ny nanaovany tsirambina sy ny nandaozany an’i Babylona.” Nanonona soratra iray nantsoina hoe “Ilay Joba Babylonianina” i Goldingay ary nilaza fa izy io dia “manamarina fa nosazin’Andriamanitra izy, azon’aretina, naetry, nitady ny hevitry ny nofy nahatahotra iray, nazera toy ny hazo iray, nailika, niraoka ahitra, very saina, nitovy tamin’ny ombilahy, nilatsahan’ny orana avy tamin’i Mardoka, simba ny hohony, naniry ny volony, nofatorana izy, ary avy eo dia nampodiana tamin’ny laoniny ka nidera ilay andriamanitra”.

FETR’ANDRO FITO IZAY MAHAKASIKA ANTSIKA

24. a) Sary mampiseho inona moa ilay hazo lehibe? b) Inona no nofehezina nandritra ny fetr’andro fito, ary ahoana no nitrangan’izany?

24 Sary nampiseho ny fanapahana eran-tany i Nebokadnezara, izay nasehon’ilay hazo lehibe. Tadidio anefa fa ilay hazo dia mampiseho fanapahana sy fiandrianana lehibe lavitra noho ny an’ny mpanjakan’i Babylona. Sary mampiseho ny fiandrianan’i Jehovah, “ny Mpanjakan’ny lanitra”, eo amin’izao rehetra izao, indrindra fa ny fiandrianany mifandray amin’ny tany, izy io. Talohan’ny nandringanan’ny Babylonianina an’i Jerosalema, ilay fanjakana tao amin’io tanàna io, izay nanana an’i Davida sy ny mpandimby azy ho mpanjaka nipetraka teo amin’ny “seza fiandrianan’i Jehovah”, dia nampiseho ny fiandrianan’Andriamanitra nifandray tamin’ny tany. (1 Tantara 29:23). Nasain’Andriamanitra nokapaina sy nofehezina mihitsy ny fiandrianany tamin’ny 607 al.f.i., fony izy nampiasa an’i Nebokadnezara mba handringana an’i Jerosalema. Voafehy nandritra ny fetr’andro fito ny fanapahan’ny fiandrianan’Andriamanitra ho an’ny tany, izay nampiharin’ny fanjakan’ny taranak’i Davida. Naharitra hafiriana ireo fetr’andro fito ireo? Oviana izy ireo no nanomboka, ary inona no nanamarika ny fifaranany?

25, 26. a) Naharitra hafiriana ireo “fetr’andro fito” raha ny amin’i Nebokadnezara, ary nahoana no mamaly toy izany ianao? b) Teo amin’ny fahatanterahany lehibe, oviana ary tamin’ny fomba ahoana no nanombohan’ireo “fetr’andro fito”?

25 Nandritra ny fahavoazan’ny sain’i Nebokadnezara, dia ‘naniry toy ny an’ny voromahery ny volony, ary ny hohony toy ny an’ny vorona’. (Daniela 4:30). Nila fe-potoana lava kokoa noho ny fito andro na fito herinandro izany. Ny fandikan-teny sasany dia milaza hoe “fetr’andro fito”, ary anisan’ny teny hafa nampiasaina koa ny hoe “fotoana voatondro (voafaritra tsara)” na hoe “fe-potoana”. (Daniela 4:13, 20, 22, 29). Ny endrika iray hafa amin’ny teny grika tranainy (Septante) dia hoe “fito taona”. Ireo “fetr’andro fito” dia noraisin’i Josèphe, ilay mpahay tantara jiosy tamin’ny taonjato voalohany, ho “fito taona”. (Antiquities of the Jews, Boky 10, Toko 10, fehintsoratra 6). Ary ny manam-pahaizana sasany momba ny teny hebreo dia nihevitra an’ireo “fetr’andro” ireo ho “taona”. “Fito taona” no nandikan’ny An American Translation, sy ny Today’s English Version, ary ny fandikan-tenin’i James Moffatt azy.

26 Miharihary fa ireo ‘fetr’andro fiton’i’ Nebokadnezara dia fito taona. Ao amin’ireo faminaniana, ny taona iray dia misy 360 andro, amin’ny antsalany, na 12 volana misy 30 andro avy. (Ampitahao amin’ny Apokalypsy 12:6, 14.) Koa ireo “fetr’andro fito”, na fito taonan’ilay mpanjaka àry dia 360 andro ampitomboina 7, izany hoe 2 520 andro. Ahoana anefa ny amin’ny fahatanterahan’ilay nofiny amin’ny ambaratonga lehibe? Naharitra ela kokoa noho ny 2 520 andro ireo “fetr’andro fito” ara-paminaniana. Izany no asehon’ny tenin’i Jesosy manao hoe: “Jerosalema hohitsahin’ny jentilisa mandra-pahatanteraky ny andron’ny jentilisa.” (Lioka 21:24). Io ‘fanitsakitsahana’ io dia nanomboka tamin’ny 607 al.f.i., fony i Jerosalema noringanina ka nitsahatra tsy niasa tao Joda intsony ilay fanjakan’Andriamanitra tandindona. Rahoviana no hifarana io fanitsakitsahana io? Amin’ny “andro fampodiana ny zavatra rehetra”, rehefa haseho eto an-tany indray ny fiandrianan’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jerosalema ara-panoharana, dia ny Fanjakan’Andriamanitra. — Asan’ny Apostoly 3:21.

27. Nahoana ianao no hilaza fa tsy nifarana rehefa afaka 2 520 andro ara-bakiteny ireo “fetr’andro fito” izay nanomboka tamin’ny 607 al.f.i.?

27 Raha manisa 2 520 andro ara-bakiteny manomboka amin’ny nandringanana an’i Jerosalema tamin’ny 607 al.f.i. isika, dia ho tonga hatreo amin’ny 600 al.f.i. fotsiny, taona izay tsy nisy heviny araka ny Soratra Masina. Na dia tamin’ny 537 al.f.i., taona niverenan’ireo Jiosy afaka tany Joda, aza, dia mbola tsy niseho teto an-tany ny fiandrianan’i Jehovah. Marina izany, satria i Zerobabela, ilay mpandova ny seza fiandrianan’i Davida, dia tsy natao mpanjaka akory, fa governoran’ny Joda, provansy persanina, fotsiny.

28. a) Fitsipika inona no tsy maintsy ampiharina amin’ireo 2 520 andron’ireo “fetr’andro fito” ara-paminaniana? b) Naharitra hafiriana ireo “fetr’andro fito” ara-paminaniana, ary inona avy ireo daty manamarika ny niantombohany sy ny nifaranany?

28 Koa satria ara-paminaniana ireo “fetr’andro fito”, dia tsy maintsy mampihatra ilay fitsipika ara-baiboly hoe ‘Ny indray andro solon’ny herintaona’, amin’ireo 2 520 andro, isika. Nosoritana tao amin’ny faminaniana iray momba ny nanaovan’ny Babylonianina fahirano an’i Jerosalema io fitsipika io. (Ezekiela 4:6, 7; ampitahao amin’ny Nomery 14:34.) Haharitra 2 520 taona àry ireo “fetr’andro fito” hanapahan’ireo fanjakana jentilisa ny tany, tsy hisy fanakantsakanana avy amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Nanomboka tamin’ny fahafoanan’i Joda sy i Jerosalema, tamin’ny volana fahafito (15 Tisry) tamin’ny taona 607 al.f.i. izy ireo. (2 Mpanjaka 25:8, 9, 25, 26). Nanomboka teo ka hatramin’ny 1 al.f.i., dia nisy 606 taona. Ireo 1 914 taona ambiny dia nanomboka hatreo ka tonga hatramin’ny 1914 am.f.i. Ireo “fetr’andro fito”, na 2 520 taona, àry dia nifarana tamin’ny 15 Tisry, na 4/5 Oktobra 1914 am.f.i.

29. Iza moa ilay “ambany indrindra amin’ny olombelona”, ary inona no nataon’i Jehovah mba hanomezana azy ny seza fiandrianana?

29 Tamin’io taona io no tapitra “ny andron’ny jentilisa”, ka nanomezan’Andriamanitra ny fanapahana ho an’izay “ambany toetra”, na “ilay ambany indrindra amin’ny olombelona” (NW ) — i Jesosy Kristy — izay noheverin’ny fahavalony ho olona ambany toetra aoka izany, ka nasainy nohomboana mihitsy aza. (Daniela 4:14). Mba hanomezana ny seza fiandrianana an’ilay Mpanjaka Mesianika, dia namaha an’ireo fehy vy sy varahina ara-panoharana nanodidina ny ‘fototry’ ny fiandrianan’ny tenany manokana i Jehovah. Namela, araka izany, mpanjaka iray ‘hitsimoka’ avy amin’izy io ilay Andriamanitra Avo Indrindra, ho fanehoana ny fiandrianany mifandray amin’ny tany, tamin’ny alalan’ilay Fanjakana any an-danitra izay eo an-tanan’ilay Mpandova lehibe indrindra an’i Davida, dia i Jesosy Kristy. (Isaia 11:1, 2; Joba 14:7-9; Ezekiela 21:32). Velom-pankasitrahana an’i Jehovah tokoa isika noho io fiafaran-javatra mahafaly io sy noho ny nampiharihariany ilay zava-miafina momba ilay hazo lehibe!

INONA NO AZONAO?

• Sary mampiseho inona moa ilay hazo lehibe nonofisin’i Nebokadnezara?

• Inona no nanjo an’i Nebokadnezara tao amin’ny fahatanterahana voalohan’ilay nofiny?

• Rehefa tanteraka ny nofiny, inona moa no fiekena nataon’i Nebokadnezara?

• Ao amin’ny fahatanterahan’ilay nofy ara-paminaniana amin’ny ambaratonga lehibe, naharitra hafiriana moa ireo “fetr’andro fito”, ary oviana izy ireo no nanomboka sy nifarana?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 83]

[Sary, pejy 91]