Abela-beti-maka
(Abèla-bèti-màka), Abela any Beti-maka [Reniranon’ny Trano ao Maka].
Tanàna voaro mafin’ny fokon’i Naftaly tany amin’ny faritra avaratr’i Palestina. Misy milaza azy io ho i Tell Abil (Tel Avel Bet Maʽaka), tokotokony ho 7 km any andrefana avaratrandrefan’i Dana. Tsara toerana izy io, satria teo amin’ny lalana avy any Hazora no mianavaratra, teo amin’ny fihaonan’ny lalana nampitohy ny atsinanana sy ny andrefana, dia ny lalana nampitohy an’i Damaskosy sy Tyro.
Nanao fahirano an’ilay tanàna ireo olon’i Davida notarihin’i Joaba, rehefa nandositra tao i Sheba mpikomy. Tamin’izay no nitalaho tamin’i Joaba mba tsy handrava an’i Abela, ny vehivavy hendry iray nisolo tena an’ireo “tia fihavanana sy mendri-pitokisana [teo] amin’ny Israely.” Nantsoina hoe “reny iray [teo] amin’ny Israely” ny tanànan’i Abela satria efa hatramin’ny ela ny olona no nankany rehefa te hahazo torohevitra feno fahendrena. Mety ho tanàn-dehibe nanana tanàna maromaro niankina taminy koa izy io matoa nantsoina hoe “reny.” Narahin’ny olona ny torohevitr’ilay vehivavy, ka natsipin’izy ireo avy teny amin’ny manda ny lohan’i Sheba. Avotra ilay tanàna noho izany.—2Sa 20:14-22.
Nasain’i Asa mpanjakan’ny Joda nanafika an’i Abela-beti-maka i Beni-hadada I mpanjakan’i Syria, mba hanakanana an’i Basa mpanjakan’ny Israely tsy hanorina intsony an’i Rama. (1Mp 15:20; jereo RAMA, II No. 1.) Nalain’i Tiglato-pilesera III mpanjakan’i Asyria i Abela any Beti-maka, tamin’ny andro nanjakan’i Peka, ary nataony sesitany ny mponina tao. (2Mp 15:29) Abilakka no anaran’io tanàna io ao amin’ny asa soratra asyrianina, ary notanisain’i Tiglato-pilesera III ho anisan’ny tanàna noreseny izy io. Mamokatra be sady azon-drano tsara ireo saha manodidina, ary azo inoana fa avy amin’izany ny anarany hafa iray hoe Abela-maima (midika hoe “Renirano”). Tsara toerana izy io ka mety tsara mba hitehirizana entana sy vokatra.—2Ta 16:4.