Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Anakita

Anakita

(Anakìta) [An’i Anàka].

Olona goavam-be nonina tany amin’ny faritra be tendrombohitr’i Kanana sy tany amin’ny faritra amoron-tsiraka sasany, indrindra fa tany atsimo. Nisy fotoana nipetraka tany Hebrona i Ahimana sy Sesay ary Talmay, lehilahy anakita nalaza. (No 13:22) Tany ireo mpitsikilo hebreo 12 no sambany nahita ny Anakita. Nanao tatitra nampihorohoro àry ny 10 taminy, ka nilaza fa taranaky ny Nefilima taorian’ny Safodrano ireo Anakita ireo, ary toy ny “valala” ny Hebreo raha ampitahaina aminy. (No 13:28-33; De 1:28) Goavam-be ny Anakita, ka nanjary nampitovina taminy ny foko goavam-be hafa toy ny Emima sy Refaima. Natanjaka be koa izy ireo, ka izany angamba no nahatonga ilay fitenenana hoe: “Iza no mahatohitra ny taranak’i Anàka?”​—De 2:10, 11, 20, 21; 9:1-3.

Resin’i Josoa anefa ny Anakita tany amin’ny faritra be tendrombohitra rehefa nanafika an’i Kanana izy, ka noravany ny tanànan’izy ireo. Na izany aza dia mbola nisy Anakita tavela ihany tao Gaza sy Asdoda ary Gata, tanànan’ny Filistinina. Tsy resahin’ny Baiboly raha mpihavana ny Anakita sy ny Filistinina, araka ny tenin’ny olona sasany, na mpiray dina fotsiny. (Js 11:21, 22) Nangatahin’i Kaleba ny tanànan’i Hebrona (Kiriata-arba) sy ny faritaniny tatỳ aoriana, satria efa nampanantenain’Andriamanitra azy izy io. (Js 14:12-15; No 14:24) Toa niverina nipetraka tany ny Anakita, raha mbola nanafika ny tapany avaratr’i Kanana angamba i Josoa sy ny tafiny. Voatery nanala azy ireo tany indray àry i Kaleba.​—Mpts 1:10, 20.

Mety ho foko anakita iray tany Palestina ilay Iy-ʽanak resahin’ny soratra ejipsianina misy ny anaran’ireo fahavalon’i Farao nosoratana teo amin’ny zavatra vita tamin’ny tanimanga. Nopotehina avy eo ilay tanimanga ho fanozonana azy ireo.