Andriamanitra dia Andriamanitry ny Israely
Anarana niantsoan’i Jakoba ny alitara naoriny voalohany tamin’izy niverina avy tany Harana.
Niady tamin’ny anjelin’i Jehovah i Jakoba tao Peniela, ka novana hoe Israely ny anarany. Nihaona tamin’i Esao rahalahiny izy avy eo, ary nifampiresaka tsara izy roa lahy. Nanorim-ponenana tao Sokota izy taorian’izay, ary tao Sekema tatỳ aoriana. Nahazo sombin-tany avy tamin’ny zanakalahin’i Hamora izy tao, ka nanangana ny tranolainy. (Ge 32:24-30; 33:1-4, 17-19) “Dia nanorina alitara teo izy, ary ny anaran’ilay alitara nataony hoe Andriamanitra dia Andriamanitry ny Israely.” (Ge 33:20) Nampitondrainy an’ilay anarany vaovao hoe Israely ilay alitara. Hita amin’izany fa nekeny ilay anarana sady tiany. Nekeny sy nankasitrahany koa ny nitarihan’Andriamanitra azy soa aman-tsara tany amin’ilay Tany Nampanantenaina. Indray mandeha ihany no miseho ao amin’ ny Soratra Masina ny hoe “Andriamanitra dia Andriamanitry ny Israely.”