Andriamanitry ny Vintana, Andriamanitry ny Lahatra
Nivavaka tamin’ny “andriamanitry ny Vintana” (heb.: gad) sy “ny andriamanitry ny Lahatra” (heb.: meni) ny Jiosy nivadi-pinoana tamin’ny andron’i Isaia. Namelatra latabatra nisy sakafo sy zava-pisotro ho an’ireo andriamanitra ireo izy ireny. Nilaza àry i Jehovah fa hovonoina amin’ny sabatra izy ireny.—Is 65:11, 12.
Nanomana sakafo sy zava-pisotro ho an’ireo andriamaniny matetika ny Asyrianina sy Babylonianina. Nanao voady tamin’ilay “Tompon’ny Vintana” ny mponin’i Harana, ary nanantena fa hanaiky an’ilay voady izy io. Hoy ilay manam-pahaizana atao hoe Jérôme momba ny Isaia 65:11: “Fanaon’ny mpanompo sampy tany amin’ny tanàna rehetra, indrindra fa tany Ejipta sy Aleksandria, ny namelatra latabatra feno sakafo isan-karazany sy kaopy nisy divay mamy tamin’ny andro faran’ilay volana namarana ny taonan’izy ireo. Amin’izay, hono, ho tsara vintana izy ireo ka ho be ny vokatra avy tamin’ny taon-dasa [mety ho avy tamin’ny voa nafafy tamin’izay] na amin’ilay taona ho avy.”—Corpus Christianorum, Series Latina, Boky Faha-73 A, S. Hieronymi presbyteri opera, Fiz. 1, 2A, Turnhout, Belzika, 1963, p. 754.