Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Andro

Andro

Nanomboka nisy io fizaram-potoana io rehefa nanomana ny tany ho an’ny olona i Jehovah Andriamanitra, tamin’ny “andro” voalohany. Namakivaky ny rahona matevim-be nanodidina ny tany ny tara-pahazavana manjavozavo avy amin’ny masoandro, ka sambany nisy ny andro sy alina rehefa nihodina tamin’ny tenany ny tany rakotra hamandoana. “Dia nosarahin’Andriamanitra ny mazava sy ny maizina. Ary nantsoin’Andriamanitra hoe Andro ny mazava, fa Alina kosa ny maizina.” (Ge 1:4, 5) Ny fotoana mazava mifanohitra amin’ny alina ilay hoe “Andro” eo. Ilazana halavam-potoana samihafa koa anefa ny hoe “andro”, ao amin’ny Genesisy. Mety ho ara-bakiteny na an’ohatra ny hoe “andro” (heb.: yôhm; gr.: hemera) ao amin’ny Soratra Hebreo sy Grika.

Antsoina hoe andro koa ny fotoana ihodinan’ny tany amin’ny tenany, manomboka amin’ny fotoana ahitana ny masoandro amin’ny mitataovovonana, ohatra, ka mandra-piveriny eo amin’iny toerana nahitana azy iny. Maharitra 24 ora ny andro iray ary zaraina roa: Ny adiny 12 voalohany alohan’ny mitataovovonana sy ny 12 ambiny aoriany. Tsy hoatr’izany anefa ny fomba nizarana ny andro fahiny.

Tamin’ny Hebreo ny andro dia nanomboka ny takariva taorian’ny filentehan’ny masoandro ka hatramin’ny ampitso takariva rehefa nilentika ny masoandro. Hoy ny Levitikosy 23:32: “Hitandrina ny sabatanareo ianareo, manomboka amin’ny takariva iray ka hatramin’ny takariva iray.” Nanomboka tamin’ny takariva koa mantsy ny andro famoronan’i Jehovah, araka ny voalaza hoe: “Nisy hariva, ary nisy maraina: Andro voalohany izany.”​—Ge 1:5; ampit. Da 8:14, f.a.p.

Nanomboka ny takariva ka hatramin’ny ampitso takariva koa ny andro ho an’ny Fenisianina sy Nomidianina ary Atenianina. Ny an’ny Babylonianina indray nanomboka tamin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatramin’ny fiposahany ny ampitso. Ny an’ny Ejipsianina sy Romanina kosa nanomboka tamin’ny misasakalina ka hatramin’ny misasakalina (hoatr’izany koa ankehitriny).

Nanomboka ny takariva ny andro ho an’ny Hebreo, nefa indraindray resahina ho toy ny hoe nanomboka ny maraina. Voalaza, ohatra, fa tokony ‘hohanina amin’ny andro anolorana azy ny henan’ny sorona iombonana atao sorona fisaorana, fa tsy tokony hisy hotehirizina mandra-maraina.’ (Le 7:15) Ny tiana holazaina fotsiny anefa dia hoe tsy tokony havela hialina andro ilay hena.

Antsoina hoe andro koa ny fotoana anazavan’ny masoandro ny tany. (Ge 1:5; 8:22) Mizara ho toy izao izy io: Ny mangiran-dratsy na mazava ratsy alohan’ny hanombohan’ny andro (Sl 119:147; 1Sa 30:17); fiposahan’ny masoandro (Jb 3:9); maraina (Ge 24:54); mitataovovonana (De 28:29; 1Mp 18:27; Is 16:3; As 22:6); filentehan’ny masoandro rehefa hifarana ny andro (Ge 15:12; Js 8:29); ary takariva maizimaizina (2Mp 7:5, 7). Fantatry ny olona tsara koa ny fotoana fanaovana fanatitra sasany na fandoroan’ny mpisorona emboka manitra.​—1Mp 18:29, 36; Lk 1:10.

Inona no dikan’ilay hoe “eo anelanelan’ny takariva roa”?

Tokony hovonoina ny 14 Nisana “eo anelanelan’ny takariva roa” ny zanak’ondrin’ny Paska. (Ek 12:6) Nanomboka tamin’ny mitataovovonana (manomboka mihilana ny masoandro) mandra-pilentiky ny masoandro izany, hoy ny lovantsofina jiosy. Toa mifanitsy amin’ny filentehan’ny masoandro anefa ilay takariva voalohany, ary amin’ilay fotoana maizimaizina tsy ahatazanana firy ny tara-masoandro iny intsony ny takariva faharoa. (De 16:6; Sl 104:19, 20) Toy izany koa ny hevitr’i Aben Ezra raby espaniola (1092-1167), ny Samaritanina, ny Jiosy karahita, sy ireo manam-pahaizana toa an’i Michaelis, Rosenmueller, Gesenius, Maurer, Kalisch, Knobel, ary Keil.

Tsy nozarazarain’ny Jiosy ho ora ny andro, raha tsy taorian’ny sesitany tany Babylona. Misy Baiboly (JM) mampiasa hoe “ora” ao amin’ny Daniela 4:19, 33 sy 5:5. Nadika avy amin’ny teny aramianina hoe shaʽah (a.b.t.: indray mipy maso) izy io. Marina kokoa anefa ny andikana azy io hoe “tamin’izay; avy hatrany.” Mety ho famantarana ora tamin’ny alalan’ny aloky ny masoandro ilay hoe ‘aloka nidina teo amin’ny zanatohatra.’ (Is 38:8; 2Mp 20:8-11) Tazana nikisaka tsikelikely teo amin’ireo zanatohatra mantsy ilay aloka.​—Jereo MASOANDRO (Nihemotra zanatohatra folo ny aloka).

Nampiasa fomba fikajiana nandeha tsienimpoloenimpolo ny Babylonianina fahiny. Nolovantsika tamin’izy ireo ny fizarana ny andro iray ho 24 ora (mizara roa misy adiny 12 avy), sy ny ora iray ho 60 minitra ary ny 1 minitra ho 60 segondra.

Efa nahazatra ny nizara ny andro ho ora tamin’i Jesosy tetỳ an-tany. Hoy izy: “Tsy adiny roa ambin’ny folo moa no mazava ny andro?” (Jn 11:9) Nanomboka tamin’ny fiposahan’ny masoandro mandra-pilentiny izany (tamin’ny 6.00 maraina eo ho eo ka hatramin’ny 6.00 hariva). Tamin’ny sivy maraina teo ho eo àry ilay “ora fahatelo” nilatsahan’ny fanahy masina, tamin’ny Pentekosta. (Mt 20:3; As 2:15) Tamin’ny mitataovovonana na “ora fahenina” teo ho eo kosa i Jesosy no naka aina teo amin’ny fantsakan’i Jakoba, ary tamin’izay koa i Petera no noana be tany Jopa. (Jn 4:6; As 10:9, 10) Nanarona ny tany ny haizina nanomboka tamin’ny mitataovovonana teo ho eo ka hatramin’ny “ora fahasivy” (tamin’ny 3.00 hariva teo ho eo), ora nahafatesan’i Jesosy. (Mt 27:45, 46; Lk 23:44, 46) “Ora fivavahana” koa ny ora fahasivy. (As 3:1; 10:3, 4, 30) Tokony ho tamin’ny 1.00 tolakandro àry ny “ora fahafito”, ary tamin’ny 5.00 hariva teo ho eo ny “ora fahiraika ambin’ny folo.” (Jn 4:52; Mt 20:6-12) Nozaraina ho ora koa ny alina.​—As 23:23; jereo ALINA.

‘Andro sy alina’ indraindray no nilazan’ny Hebreo ny ampahany tamin’ny andro iray maharitra 24 ora. Nangataka an’i Jeroboama sy ny Israelita, ohatra, i Rehoboama mba hiverina any aminy “rehefa afaka telo andro.” (1Mp 12:5, 12) Tsy hoe 24 ora avy akory ireo telo andro ireo fa ampahany tamin’izany ihany, matoa niverina tany aminy ny vahoaka “tamin’ny andro fahatelo.” Tsy 24 ora koa ny andro tsirairay amin’ilay hoe “telo andro sy telo alina” nijanonan’i Jesosy tao amin’ny Fasana (Mt 12:40), satria natsangana izy tamin’ny “andro fahatelo.” Izany koa no fahazoan’ny mpisorona jiosy ny tenin’i Jesosy hoe “hitsangana aho rehefa afaka telo andro”, matoa nangataka tamin’i Pilato izy ireo hoe hatao “tsara ambina ny fasana hatramin’ny andro fahatelo”, mba hisakanana ny fitsanganany.​—Mt 27:62-66; 28:1-6; misy ohatra hafa ao amin’ny Ge 42:17, 18; Es 4:16; 5:1.

Tsy nomen’ny Hebreo anarana ny andro amin’ny herinandro fa nataony hoe andro voalohany, faharoa, sns, afa-tsy ny andro fahafito izay nantsoiny hoe Sabata (jereo SABATA, ANDRO). Natao hoe Andro Fiomanana ny andro talohan’ny Sabata, tamin’ny andron’i Jesosy sy ny apostoly. (Mt 28:1; As 20:7; Mr 15:42; Jn 19:31; jereo HERINANDRO.) Ny mpanompo sampy no niantso ny andro tsirairay tamin’ny anaran’ireo planeta sy zavatra hafa eny amin’ny lanitra. Avy amin’ny hoe Masoandro, Volana, Mars, Mercure, Jupiter, Vénus ary Saturne ny anarana nomen’ny Romanina an’ireo andro. Novana ny anaran’ny efatra tamin’ireo tany Eoropa Avaratra, ka nampitondraina ny anaran’ny andriamanitra alemà mifanitsy amin’ny an’ireo andriamanitra romanina.

Azo ilazana halaviran-dalana koa ny hoe “andro”, toy ny amin’ilay hoe “lalana iray andro.”​—No 11:31; jereo LANJA SY REFY.

Mira taona iray ny andro iray indraindray ao amin’ny faminaniana, toy ny ao amin’ny Ezekiela 4:6 hoe: “Mandria indray amin’ny ilanao havanana ka ento mandritra ny efapolo andro ny fahadisoan’ny taranak’i Joda. Andro iray hosoloako taona iray, eny, andro iray hosoloana taona iray.”​—Jereo koa No 14:34.

Voafaritra tsara ny andro resahin’ny faminaniana sasany, toy ny hoe telo andro sy tapany (Ap 11:9); 10 andro (Ap 2:10); 40 andro (Ezk 4:6); 390 andro (Ezk 4:5); 1260 andro (Ap 11:3; 12:6); 1290 andro (Da 12:11); 1335 andro (Da 12:12); ary 2300 andro (Da 8:14).

Ilazana ny fotoana itrangan-javatra sasany mandritra ny fahaveloman’ny olona iray koa ny hoe “andro”, toy ny hoe “tamin’ny andron’i Noa” sy “tamin’ny andron’i Lota.”​—Lk 17:26-30; Is 1:1.

Mbola manana heviny an’ohatra koa ireto “andro” ireto: “Andro namoronan’Andriamanitra an’i Adama” (Ge 5:1), “andron’i Jehovah” (Ze 1:7), “andro fahatezerana” (Ze 1:15), “andro famonjena” (2Ko 6:2), “andro fitsarana” (2Pe 3:7), “andro lehiben’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra” (Ap 16:14), sy ny sisa.

Mety hiovaova ny faharetan’ny “andro” iray, rehefa jerena ny tantaran’ny famoronana. Nisy andro famoronana enina sy andro fahafito fitsaharana, ohatra, ilay herinandro resahin’ny Genesisy. Nisy enina andro fiasana sy andro fahafito fitsaharana koa ny herinandro teo ambanin’ny Lalàna. (Ek 20:8-11) Voalaza fa “nisy hariva, ary nisy maraina”, rehefa nifarana ny andro famoronana voalohany, faharoa, fahatelo, fahefatra, fahadimy, ary fahenina. (Ge 1:5, 8, 13, 19, 23, 31) Tsy nisy filazana toy izany kosa tamin’ny andro fahafito. Mbola tsy tapitra àry io andro nitsaharan’Andriamanitra tamin’ny asa famoronana ny etỳ an-tany io. Mbola nitohy tamin’ny andron’ny apostoly Paoly io andro fitsaharan’Andriamanitra io, nefa efa 4 000 taona mahery talohan’izay izy io no nanomboka. (He 4:1-10) Naharitra an’arivony taona àry, fara fahakeliny, ny andro famoronana tsirairay. Hoy ny Rakipahalalana Ara-pivavahana: “Fotoana maharitra izay namoronana tsikelikely zavatra samy hafa ireo andro famoronana, fa tsy andro nisy efatra ambin’ny roapolo ora avy.”​—Nataon’i P. Schaff, 1894, Boky I, p. 613.

“Andro” iray monja koa no ilazana an’ireo enina “andro” nanomanana ny Tany, satria hoy ny Genesisy 2:4: “Izao no tantaran’ny lanitra sy ny tany tamin’ny fotoana namoronana azy, tamin’ny andro nanaovan’i Jehovah Andriamanitra ny tany sy ny lanitra.”

Misy vokany amin’ny fiainan’ny olona ny fihodinan’ny Tany sy planeta hafa amin’ny masoandro. Tsy toy izany kosa amin’Andriamanitra Mpamorona, izay efa nisy hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay. ‘Eo imasony ny arivo taona dia toy ny fandalon’ny omaly, ary toy ny fotoam-piambenana iray amin’ny alina.’ (Sl 90:2, 4) Hoy koa ny apostoly Petera: “Ny iray andro amin’i Jehovah dia toy ny arivo taona, ary ny arivo taona toy ny iray andro.” (2Pe 3:8) Misy 365 242 andro sy alina eo ho eo ny 1 000 taona amin’ny olombelona. Toy ny fotoana iray mitohy kosa izany amin’ny Mpamorona. Mandritra io fotoana io Izy no manomboka sy mamita asa iray ka manatratra izay zava-kendreny, hoatran’ny ataon’ny olona iray manomboka ny asany amin’ny maraina ary mamita izany rehefa mifarana ny andro.

I Jehovah no nampisy an’izao rehetra izao. Nataony mihetsika daholo ny zava-drehetra, ary mifampiankina amin’izany ny fotoana, habakabaka, lanja, ary angovo. Voafehiny daholo ireny rehetra ireny, araka ny nikasany azy. Efa faritany tsara hatramin’ny “andro sy ora” koa ny fotoana anaovany zavatra ho an’ny zavaboariny etỳ an-tany (Mt 24:36; Ga 4:4), ary amin’izay fotoana efa nolazainy izay mihitsy no anatanterahany azy.