Andro Fitsarana
“Andro” na fe-potoana iray, anaovan’Andriamanitra ampamoaka antokon’olona na firenena na ny olombelona amin’ny ankapobeny. Mety ho amin’io no hamonoana an’ireo efa voaheloka ho faty. Mety ho amin’io koa no hanafahana ny olona sasany ary mety hahazoany fiainana mandrakizay mihitsy aza. Nilaza koa i Jesosy Kristy sy ny apostoliny fa hisy “Andro Fitsarana”, tsy ho an’ny velona ihany, fa ho an’ireo maty taloha koa.—Mt 10:15; 11:21-24; 12:41, 42; 2Ti 4:1, 2.
Andro fitsarana fahiny. Nisy olona sy firenena nataon’i Jehovah ampamoaka, tamin’ny lasa, ary nampiharany ny didim-pitsarany ka naringany. Tsy nanampatra ny fahefany na ny heriny Andriamanitra rehefa nampihatra didim-pitsarana toy izany. Nadika hoe “rariny” sy ‘manao ny rariny’ koa indraindray ilay teny hebreo (mishpat) nadika hoe “fitsarana.” (Ezr 7:10; Ge 18:25) Antitranterin’ny Baiboly fa “tia ny rariny sy ny hitsiny” i Jehovah. Manao ny rariny sy ny hitsiny àry izy rehefa mampihatra didim-pitsarana.—Sl 33:5.
Avoaka ny didim-pitsarana indraindray noho ny fitondran-tena ratsin’ny olona andavanandro. Rehefa nozahan’i Jehovah, ohatra, i Sodoma sy Gomora, dia hitany fa tafahoatra ny fahotan’ny mponina tao, ka nanapa-kevitra ny handringana an’ireo tanàna ireo izy. (Ge 18:20, 21; 19:14) Nanoratra i Joda tatỳ aoriana fa “nosazina [gr.: diken; “sazy mihatra”, DIEM] tamin’ny afo maharitra mandrakizay” ireo tanàna ireo. (Joda 7) “Andro” fitsarana an’ireo tanàna ireo izany.
Notsarain’i Jehovah i Babylona fahiny, izay fahavalon’Andriamanitra sy ny vahoakany efa hatry ny ela. Ratsy fanahy tamin’ny Jiosy mantsy izy io, ka nitetika ny tsy hanafaka azy ireo taorian’ny sesitany naharitra 70 taona, sady nilaza fa avy tamin’i Mardoka ilay fandreseny ny vahoakan’Andriamanitra. (Je 51:36; Is 14:3-6, 17; Da 5:1-4) Niharan’ny didim-pitsaran’Andriamanitra àry i Babylona tamin’ny 539 T.K., rehefa resin’ny Medianina sy Persianina. Azo antsoina hoe “andron’i Jehovah” io fe-potoana io satria izy no namoaka an’ilay didim-pitsarana.—Is 13:1, 6, 9.
Naminany koa i Jeremia fa “hifandresy lahatra” amin’i Edoma sy ny firenen-kafa i Jehovah mba hitsarana azy ireo. (Je 25:17-31) Nankahala an’i Jehovah sy ny vahoakany mantsy i Edoma, ka niharan’ny didim-pitsaran’i Jehovah, ary naringana tamin’ny ‘andron’i Jehovah.’—Ob 1, 15, 16.
Nilaza Andriamanitra fa “hampihatra didim-pitsarana” amin’i Joda sy Jerosalema satria nivadika izy ireo ka tsy nankasitrahany intsony. (Ezk 5:8) Tamin’ny 607 T.K. ny “andro fahatezeran’i Jehovah”, ka nampihatra ny didim-pitsarany izy ary nandringana. (Ezk 7:19) Mbola nisy “andro” fitsarana, na fotoana hafa hitsarana an’i Jerosalema anefa. Naminany i Joela hoe hirotsaka ny fanahy masina alohan’ny hahatongavan’ny “andron’i Jehovah, dia ilay andro lehibe sady mampahatahotra.” (Jl 2:28-31) Notarihin’ny fanahy i Petera, tamin’ny Pentekosta taona 33, ka nanazava fa tanteraka tamin’izy ireo io faminaniana io. (As 2:16-20) Tonga tamin’ny taona 70 ny “andron’i Jehovah”, izay nitondra fandravana, rehefa nampiharin’ny tafika romanina tamin’ny Jiosy ny didim-pitsaran’Andriamanitra. Efa nilaza i Jesosy hoe “andro famaliana” izany.—Lk 21:22; jereo FANDRINGANANA.
Fampiharana didim-pitsarana amin’ny hoavy. Manonona andro fitsarana maromaro amin’ny hoavy ny Baiboly, ankoatra an’ireo faminaniana ao amin’ny Soratra Hebreo. Milaza ny Apokalypsy fa ho avy ny fotoana handoroana tanteraka an’i “Babylona Lehibe” amin’ny afo. Izany no saziny satria nijangajanga tamin’ireo firenena izy sady mamon’ny ran’ireo vavolombelon’i Jesosy. (Ap 17:1-6; 18:8, 20; 19:1, 2) Niresaka momba izay nitranga tamin’ny andron’i Noa i Petera mba hanamafisana fa hisy fampiharana didim-pitsarana hafa iray, ary ho “andro fitsarana sy fandringanana an’ireo tsy matahotra an’Andriamanitra” izy io. (2Pe 3:7) Lazain’ny Apokalypsy fa amin’io fandringanana io, dia “Ny Tenin’Andriamanitra” no hamely an’ireo firenena amin’ny sabatra lava lela. (Ap 19:11-16; ampit. Jd 14, 15.) Tamin’ny taonjato voalohany dia efa nivoaka ny didim-pitsarana nanameloka ny Devoly, ary efa fantatr’ireo demonia tarihiny fa halefa any amin’ny lavaka mangitsokitsoka miaraka amin’i Satana izy ireo. (1Ti 3:6; Lk 8:31; Ap 20:1-3) Efa nivoaka àry ny didim-pitsarana ho azy ireo fa ny fampiharana an’izany sisa no andrasana.—Jd 6; 2Pe 2:4; 1Ko 6:3.
Tsy voatery ho fanamelohana foana. Matetika no midika ho fanamelohana ny teny hoe “fitsarana” (gr.: krisis sy krima) ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Ampifanoherin’ny Jaona 5:24, 29 amin’ny “fiainana” sy “fiainana mandrakizay” izy io, ka midika hoe fanamelohana ho faty. (2Pe 2:9; 3:7; Jn 3:18, 19) Tsy izay voaheloka rehetra anefa no haringana. Mampiseho izany ny tenin’i Paoly ao amin’ny 1 Korintianina 11:27-32 momba ny Sakafo Harivan’ny Tompo. Mety hihinana sy hisotro “fanamelohana ho an’ny tenany” ny olona iray tsy mandinika tsara ny ataony. Hoy i Paoly avy eo: “Rehefa tsaraina ... isika, dia faizin’i Jehovah, mba tsy homelohina miaraka amin’izao tontolo izao.” Mety ho voaheloka àry ny olona iray nefa raha mibebaka izy dia tsy ho ringana mandrakizay.
Hita ao amin’ny 2 Korintianina 5:10 koa hoe tsy voatery ho voaheloka izay olona tsaraina. Milaza io andininy io fa haseho miharihary eo anatrehan’ny fitsaran’i Kristy ny olona mba “hahazoan’ny tsirairay avy ny valin’izay nataony, na tsara na ratsy.” Azo inoana fa olona maro no tsy hahazo fanamelohana rehefa hotsaraina, araka ny Apokalypsy 20:13. Hotsaraina mantsy ny maty, ka izay voaheloka dia hatsipy ao amin’ny “farihy afo.” Ho afaka madiodio kosa ny ambiny, noho izy ireo “hita voasoratra tao amin’ny bokin’ny fiainana.”—Ap 20:15.
Hatao ampamoaka ny tsirairay. Fantatry ny Hebreo talohan’ny andro kristianina fa hataon’Andriamanitra ampamoaka ny tsirairay noho ny fitondran-tenany. (Mpto 11:9; 12:14) Hazavain’ny Soratra Grika Kristianina fa hisy “andro” na fe-potoana iray hitsarana ny tsirairay, na ny velona na ny maty.—2Ti 4:1, 2.
Ireo mpitsara. Milaza ny Soratra Hebreo fa i Jehovah no “Mpitsara ny tany manontolo.” (Ge 18:25) Lazain’ny Soratra Grika Kristianina koa fa izy no “Mpitsara ny olona rehetra.” (He 12:23) Nankininy tamin’ilay Zanany lahy anefa ny fitsarana. (Jn 5:22) Lazain’ny Baiboly fa “notendren’Andriamanitra”, na “voatendry” hitsara i Jesosy. (As 10:42; 17:31; 2Ti 4:1) Tsy mifanohitra àry ny hoe “hijoro eo anatrehan’ny fitsaran’Andriamanitra” sy ny hoe “haseho miharihary eo anatrehan’ny fitsaran’i Kristy”, satria nomen’Andriamanitra fahefana hitsara i Jesosy.—Ro 14:10; 2Ko 5:10.
Nilaza i Jesosy fa rehefa hipetraka eo amin’ny seza fiandrianany izy amin’ny “fotoanan’ny fanavaozana” dia “hipetraka eo ambony seza fiandrianana roa ambin’ny folo” ny apostoliny mba hitsara. (Mt 19:28; Lk 22:28-30) Nilaza i Paoly fa hitsara an’izao tontolo izao ireo Kristianina “voantso ho olona masina.” (1Ko 1:2; 6:2) Hitan’i Jaona tao amin’ny fahitana koa ireo nomena “fahefana hitsara.” (Ap 20:4) Ireo apostoly sy ny olona masina hafa àry no ho mpitsara, araka ireo andininy ireo. Manamarina izany ny Apokalypsy 20:4, izay miresaka koa momba an’ireo hiara-manjaka amin’i Kristy arivo taona. Ho mpanjaka sy mpitsara miaraka amin’i Jesosy àry izy ireo.
Azo antoka fa “marina sy mahitsy” ny fitsaran’i Jehovah, amin’ny Andro Fitsarana. (Ap 19:1, 2) Marina sy mahitsy koa ny fitsarana havelany hatao. (Jn 5:30; 8:16; Ap 1:1; 2:23) Tsy hisy àry ny fitsarana miangatra na ny fanafenana ny zava-nitranga.
Hatsangana koa ny maty. Nampifandraisin’i Jesosy ny fitsanganan’ny maty sy ny “Andro Fitsarana.” Hoy izy rehefa avy nilaza fa mety handa an’ireo apostoly sy ny hafatra entin’izy ireo ny tanàna iray: “Ho mora kokoa ny hanjo ny tanin’i Sodoma sy Mt 10:15) Nampitombo fomba filaza i Jesosy eo, satria fandringanana mandrakizay no nanjo an’i Sodoma sy Gomora. Asehon’ny teniny anefa fa mbola handalo fitsarana ny sasany amin’ireny tanàna jiosy tamin’ny taonjato voalohany ireny. (Ampit. Mt 11:22-24; Lk 10:13-15; Jd 7.) Rehefa fantatra àry fa mandritra ny Andro Fitsarana no hatsangana ny maty dia lasa mazava kokoa ilay tenin’i Jesosy hoe “hatsangana ... mandritra ny fitsarana ny mpanjakavavin’ny atsimo” (Mt 12:41, 42; Lk 11:31, 32), sy ilay hoe hitsara “ny velona sy ny maty” izy.—As 10:42; 2Ti 4:1.
Gomora amin’ny Andro Fitsarana, noho ny hanjo izany tanàna izany.” (Ny Apokalypsy 20:12, 13 no manamarina farany fa maro amin’ireo hotsaraina amin’ny Andro Fitsarana no anisan’ireo natsangana tamin’ny maty. Lazainy fa “nijoro teo anoloan’ny seza fiandrianana” ny maty, ary navoakan’ny fahafatesana sy ny Fasana ireo maty tao aminy ka notsaraina.
Rahoviana ilay Andro Fitsarana? Nampifandraisin’i Kristy ny “andro farany” sy ny fitsarana ny olona, araka ny Jaona 12:48. Milaza ny Apokalypsy 11:17, 18 fa hotsaraina ny maty aorian’ny andraisan’Andriamanitra fahefana lehibe sy hanombohany hanjaka. Mazava kokoa izany rehefa jerena ny filaharan’ireo zava-mitranga ao amin’ny Apokalypsy toko faha-19 sy 20. Voalaza ao fa haringan’ny “Mpanjakan’ny mpanjaka” amin’ny ady iray ny “mpanjakan’ny tany mbamin’ny tafiny.” (Antsoina hoe “adin’ilay andro lehiben’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra” izy io [Ap 16:14].) Hofatorana arivo taona i Satana avy eo. Mandritra an’io arivo taona io ireo mpanjaka sy mpitsara no hiara-manompo amin’i Kristy. Voalaza ao koa fa hatsangana ny maty ary hotsaraina, ka amin’izay no tonga ilay Andro Fitsarana. Tsy hafahafa mihitsy ny fiantsoana ny arivo taona hoe “andro” iray ao amin’ny Baiboly, sady izany mihitsy no voalaza ao.—2Pe 3:8; Sl 90:4.
Inona no hitsarana ny olona? Tantarain’ny Apokalypsy 20:12 izay hitranga eto an-tany amin’ny andro fitsarana, ary lazainy fa ireo natsangana tamin’ny maty dia “notsaraina araka izay voasoratra tao amin’ireo horonam-boky, araka izay nataon’izy ireo.” Tsy izay nataon’izy ireo talohan’ny nahafatesany no hitsarana azy, satria milaza ny Romanina 6:7 fa “izay maty dia afaka madiodio amin’ny fahotany.”
Nilaza anefa i Jesosy fa ho mafy kokoa ny hanjo ny olona sasany amin’ny Andro Fitsarana. Anisan’izany ireo tsy miraharaha ny asa mahagaga nataon’i Jesosy sy tsy mibebaka na tsy mandray ny hafatra avy amin’Andriamanitra.—Mt 10:14, 15; 11:21-24.