Antiokia
(Antiokìa).
1. Tanànan’i Antiokia any Syria, naorin’i Séleucus I (Nicator) rehefa avy nandresy tao Ipsos tany Frijia tany Azia Minora, izy sy ny Jeneraly Cassandre sy Lysimaque, tamin’ny taona 301 T.K. Tsara toerana ho an’ny tafika izy io ka nofidiny, ary nampitondrainy ny anaran’i Antiokosa rainy. Tany Antakya ankehitriny, any Torkia, no nisy an’io tanàna io. Tokony ho 32 km avy eo amin’ny Ranomasina Mediterane ny toerana nisy azy io, teo atsinanan’ny fiolahan’ny Reniranon’i Oronte. Tsara toerana koa izy io satria nivezivezy teo ny entam-barotra rehetra tany avaratrandrefan’i Syria, teo anelanelan’i Reniranon’i Eofrata sy ny Ranomasina Mediterane. Vetivety dia lasa foiben’ny varotra io tanàna nisy kolontsaina samihafa io, ka lasa nandroso sy nanan-karena noho ireo entana lafo vidy novokarina tao. Nanorina tanàna teo amoron-tsiraka koa i Séleucus ka nataony seranana ho an’i Antiokia, ary nantsoiny hoe Seleokia mba hitondra ny anarany. Tsy i Babylona intsony
no nataony foiben’ny fitondrany fa nafindrany tany amin’ny renivohiny vaovao tany Antiokia, tany Syria. Nisy namono izy tamin’ny 281 T.K., nefa mbola nanjaka tao ihany ny taranany hatramin’ny 64 T.K., taona nanovan’ny Jeneraly Pompée an’i Syria ho lasa faritany romanina. Lasa tanàna lehibe indrindra fahatelo teo amin’ny fanjakana romanina taorian’i Roma sy Aleksandria, i Antiokia renivohitr’i Syria, faritany romanina.Natao nitovy firafitra tamin’i Aleksandria ilay tanàna: Nisy andry nilahatra teo amin’ny andaniny roa tamin’ireo arabe malalaka izay nifanapaka, ka vao mainka izany nanome endrika an’ireo trano teny amin’ny manodidina. “Mpanjakavavin’ny Atsinanana”, “Antiokia ilay Kanto”, “Ilay Tanàna Lehibe Indrindra Fahatelon’ny Fanjakana Romanina” no niantsoana azy io, ary tao ihany no nisy jiro nanazava ny arabe. Kanto ilay tanàna. Nazoto niasa koa ny mponina tao. Nalaza ho ratsy fitondran-tena anefa izy ireo noho ireo fombafombam-pivavahana maloto sy feno filibana tao. Nilaza i Juvénal fa ‘lasa nikoriana nanerana an’i Roma ny finoanoam-poana sy ny fitondran-tena maloto tany Atsinanana rehefa nivarina tao amin’ny Reniranon’i Tibre [ao Roma] ny Reniranon’i Oronte [any Antiokia].’—Juvénal sy Persius, Fanarabiana III, 62-65.
Izay lazain’ny Baiboly momba an’i Antiokia. Maro ny Jiosy nonina tany Antiokia satria nilaza i Josèphe fa nampirisika ny Jiosy honina tany ireo tarana-mpanjaka avy amin’i Séleucus, sady nanome azy ireo zom-pirenena grika. Voaresaka voalohany ao amin’ny Baiboly i Antiokia, rehefa lasa Kristianina i Nikoleo avy any Antiokia, izay lehilahy niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy. (As 6:5) Nanomboka nitory tany Antiokia ny Kristianina rehefa nisy mpianatra tonga hatrany, vokatr’ilay fanenjehana taorian’ny namonoana an’i Stefana. (As 11:19, 20) Ren’ny fiangonana tany Jerosalema fa maro ny olona niteny grika tonga mpino, ka nandefa an’i Barnabasy hatrany Antiokia izy ireo. Hitan’i Barnabasy fa maro be ny olona liana tany, ka naka an’i Paoly tany Tarsosy izy mba hanampy azy. (As 11:21-26) Nijanona tany Antiokia herintaona izy roa lahy, nampianatra ny olona, ary tany foana i Paoly no nody isaky ny avy nanao dia misionera. Tany Antiokia no niantsoana voalohany ny mpianatra hoe “Kristianina”, noho ny fitondran’Andriamanitra. (As 11:26) Nalala-tanana ny fiangonana tany satria nampitondra fanampiana (As 11:29) an’i Paoly sy Barnabasy izy ireo tamin’ny taona 46 tany ho any, ho an’ny filan-kevi-pitantanana tany Jerosalema. Tamin’izay indrindra no nitranga ilay mosary lehibe tamin’ny andron’i Klaodio, izay efa nambaran’i Agabo mialoha. (As 11:27, 28) Rehefa niverina tany Antiokia i Paoly sy Barnabasy dia nasain’ny fanahy masina natokana izy ireo mba hanao asa manokana ka nirahina hanao ny dia misionera voalohany, tamin’ny taona 47-48 tany ho any. Nipoitra ilay adihevitra momba ny famorana tamin’ny taona 49 tany ho any, talohan’ny hanaovan’izy ireo ny dia misionera faharoa, raha mbola tao Antiokia izy roa lahy. Izy ireo no nitondra ny didy navoakan’ny filan-kevi-pitantanana tany Jerosalema nankany amin’ny fiangonan’i Antiokia. (As 15:13-35) Niainga tao Antiokia ary nifarana tao koa ny dia misionera faharoa nataon’i Paoly tamin’ny taona 49-52 tany ho any. Tany koa i Paoly no nananatra an’i Petera, izay nanavakavaka ny hafa firenena rehefa tonga ny Jiosy.—Ga 2:11, 12.
2. Antiokia, any Pisidia, naorin’i Séleucus I (Nicator) koa, ary nantsoiny hoe Antiokia ho fanomezam-boninahitra an’i Antiokosa rainy. Eo akaikin’i Yalvaka, any Torkia ankehitriny no misy an’io tanàna rava io. (SARY, Boky Faha-2, p. 748) Teo amin’ny sisin-tany nanasaraka an’i Frijia sy Pisidia no nisy azy, ka indraindray izy lazaina fa anisan’i Frijia ary indraindray anisan’i Pisidia. Milaza azy io ho tanànan’i Frijia teo akaikin’i Pisidia, i Strabon, ilay Grika mpahay jeografia. (Jeografia, 12, VIII, 13, 14) “Ny ankamaroan’ny mpanoratra kosa dia milaza azy io ho any Pisidia”, toy ny nataon’i Lioka. (Diksionera Ara-baiboly Vaovao Natontan’i Funk sy Wagnalls, 1936, p. 51) Izay no anavahana azy amin’i Antiokia any Syria. (Jereo PISIDIA.) Anisan’ireo tanàna nivezivezen’ny entam-barotra avy any Kilikia sy Efesosy i Antiokia any Pisidia, ary nisy mponina avy tany amin’ny firenen-tsamihafa tany, anisan’izany ny Jiosy izay nanorina synagoga tany. Niteny grika sy nanaraka ny kolontsaina grika tanteraka io tanàna io. Nankany indroa i Paoly sy Barnabasy, tamin’ilay dia misionera voalohany tamin’ny taona 47-48 tany ho any. Nitory tany amin’ny synagoga izy ireo ary maro ny olona liana. (As 13:14; 14:19-23) Velom-pialonana anefa ny Jiosy sasany rehefa nahita ny vahoaka nanatrika izany, ka nandrisika an’ireo lehilahy sy vehivavy nanan-kaja tao an-tanàna mba handroaka an’i Paoly sy Barnabasy any ivelan’ny tanàna.—As 13:45, 50; 2Ti 3:11.