Apio, Tsenan’i
(Apìo).
Tsena tany amin’ny 64 km atsimoatsinanan’i Roma. Nijanona kely tao ireo mpanao dia lavitra izay nandeha tamin’ny Lalana Apianina. Mampitohy an’i Roma sy Brondisioma (Brindisi ankehitriny) io lalambe malaza nataon’ny Romanina io, ka mandalo any Capoue. I Appius Claudius Caecus (taonjato fahefatra T.K.) no nanao an’ilay lalana sy ilay tsena, ka nampitondrainy ny anarany ireo.
Lasa nandroso be ny varotra tao Apio satria tao no nijanona ireo avy tany Roma rehefa avy nanao dia an-tongotra iray andro. Nalaza koa ilay toerana satria teo ny farany avaratra tamin’ilay lakandrano nanaraka ny sisin’ny arabe, izay namakivaky ny
Honahona Pontins. Voalaza fa nitatitra mpandeha tamin’ny alina teo amin’io lakandrano io ny sambokely notarihin-dramole. Nitantara i Horace, poety romanina, fa tsy nahafinaritra mihitsy ilay dia, satria nahatsiravina ny sahona sy ny moka, ary feno “tantsambo sy tompon’ny hotely kahidy” tao amin’ny Tsenan’i Apio.—Fanarabiana, I, V, 1-6.Tao amin’io fihaonan-dalana maresaka io ny apostoly Paoly no nihaona voalohany tamin’ny rahalahy kristianina maromaro avy tany Roma tonga nitsena azy rehefa nandre fa ho avy izy. Nigadra i Paoly tamin’izay, ary niala tany Potioly izy mba hankany Roma. Nisy rahalahy sasany avy tany Roma niandry an’i Paoly tao amin’ny Tranombahiny Telo (15 km avy tao Roma), fa ny hafa kosa tonga hatrany amin’ny Tsenan’i Apio.—As 28:15.
Mbola misy toerana antsoina hoe Foro Appio na Tsena Apianina ankehitriny eo amin’ny Lalana Apianina, mandalo ao Faiti, tanàna ambanimbanivohitra. Misy takelaka manondro ny toerana nisy ny Tsenan’i Apio fahiny ao.