Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aramianina

Aramianina

Fiteny semitika fahiny nisy ifandraisany tamin’ny teny hebreo, ary nampiasain’ny Aramianina taloha. (Jereo ARAMA No. 1 sy 5.) Lasa nisy fitenim-paritra samihafa (noheverina ho fitenim-pirenena aza ny sasany) anefa izy io tatỳ aoriana, ary lasa be mpampiasa, indrindra fa tany Azia atsimoandrefana. Taorian’ny 2000 T.K. ka hatramin’ny 500 T.K. tany ho any izy io no tena nampiasaina, ary anisan’ny fiteny telo nanoratana ny Baiboly. Miseho indimy ny hoe ʼAramit (heb.), ary nadika hoe “fiteny syrianina” na “fiteny aramianina.”​—2Mp 18:26; Is 36:11; Da 2:4; Ezr 4:7 (indroa).

Nosoratana tamin’ny teny aramianina (nantsoina taloha hoe kaldeanina) ny Ezra 4:8–6:18; 7:12-26; Jeremia 10:11; ary Daniela 2:4b–7:28. Misy teny aramianina koa ny boky hafa ao amin’ny Baiboly, kanefa tombantombana fotsiny ny nilazan’ny manam-pahaizana hoe avy amin’ny teny aramianina ny teny hebreo maromaro.

Tsy mahagaga raha misy teny aramianina ao amin’ny Baiboly, satria efa ela be ny Hebreo no nifandray akaiky tamin’ny Aramianina sy nampiasa ny fitenin’izy ireo. Anisan’ny Soratra Hebreo nadika voalohany tamin’ny fiteny hafa ny Targoma Aramianina. Misy ampahan’ny boky sasany tao amin’ny Targoma tany am-boalohany ny Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty.

Ilay fiteny. Ao anatin’ny sokajin’ny teny semitika avaratrandrefana ny teny aramianina sy hebreo. Samy hafa be ireo fiteny roa ireo, kanefa iray fiaviana, samy soratana avy eo ankavanana miankavia, ary mitovy ny litera amin’ny abidy sy ny anaran’ireo litera. Renisoratra daholo ny litera aramianina tany am-boalohany. Nasian’ny Masoreta teboka solon’ny zanatsoratra anefa tatỳ aoriana ny teny aramianina ao amin’ny Baiboly, hoatran’ny nataony tamin’ny teny hebreo ihany. Nisy vokany tamin’ny teny aramianina ny fiteny hafa. Ireto misy ohatra ao amin’ny ampahany amin’ny Baiboly amin’ny teny aramianina: Anaran’olona sy anaran-toerana hebreo sy akadianina ary persianina, teny hebreo fampiasa tamin’ny fivavahana, teny akadianina fampiasa tamin’ny resaka politika sy vola, ary teny persianina fampiasa tamin’ny resaka politika sy lalàna.

Ny litera, endriky ny matoanteny ny anarana ary, ny mpisolo tena no itovizan’ny teny aramianina amin’ny teny hebreo. Misy karazany roa ny matoanteny: Ilazana asa mbola tsy vita sy ilazana asa vita tanteraka. Amin’ny endriny milaza tokana, roa, na maro ny anarana, ary amin’ny endriny milaza lahy na vavy. Tsy hoatran’ny teny semitika hafa ny teny aramianina satria ampiasainy kokoa ny zanapeo a sy ny renifeo sasany, toy ny d (solon’ny z) sy t (solon’ny sh).

Fizarany. Mizara ho sokajy tandrefana sy tatsinanana ny teny aramianina. Misy sokajy efatra anefa izy io, raha jerena ny tantara: Aramianina tranainy, aramianina ofisialy, aramianina fampiasan’ireo tany any atsinanan’i Mediterane, ary aramianina tatsinanana. Toa nisy tenim-paritra aramianina samihafa, hono, nampiasaina tany Mezopotamia sy tao amin’ny faritra lonaka miendrika volan-tsinana (Croissant fertile) sy nanodidina azy io, teo anelanelan’ny 2000 sy 1000 T.K. Asehon’ny Genesisy 31:47 ny tsy fitovian’ny teny aramianina sy hebreo fahiny. Nanorina antontam-bato i Labana sy Jakoba ho vavolombelona fa nihavana indray izy ireo. Nantsoin’i Labana hoe “Jegara-sahadota” (aram. na syrianina) ilay izy, fa nantsoin’i Jakoba kosa hoe “Galeda” (heb.). Samy midika hoe “Antontam-bato Vavolombelona” ireo teny ireo.

Amin’ny teny aramianina tranainy ny soratra sasany (taonjato fahafolo-taonjato fahavalo T.K.) hita tany amin’ny faritra avaratr’i Syria. Nisy tenim-paritra aramianina vaovao anefa lasa fiteny niombonana na niraisam-pirenena ho solon’ny teny akadianina, ka nifandraisan’ny fanjakana tamin’ny faritra lavitra maro niadidiany, tamin’ny andron’ny Fanjakana Asyrianina. Io ilay antsoina hoe teny aramianina ofisialy. Mbola nampiasaina izy io rehefa lasa firenena natanjaka indrindra i Babylona (625-539 T.K.) sy ny Fanjakana Persa (538-331 T.K.). Be mpampiasa izy io satria fiteny ofisialy nampiasain’ny fanjakana sy ny mpivarotra tany amin’ny faritra maro. Manaporofo izany ny soratra teo amin’ny vakin-tanimanga, taratasy papyrus, tombo-kase, vola madinika, vato, ary famintinana teo amin’ny takelaka tanimanga misy soratra miendri-pantsika, sns, hitan’ny mpikaroka tany Mezopotamia, Persa, Ejipta, Anatolia, Arabia avaratra, Afghanistan sy Kurdistan tany atsinanana be ary hatrany avaratra tany amin’ny Tandavan-tendrombohitra Oural. Mbola nampiasaina ny teny aramianina ofisialy tamin’ny andron’ny Fanjakana Grika (323-30 T.K.).

Toa ny teny aramianina ofisialy no hita ao amin’ny bokin’i Ezra, Jeremia, ary Daniela. Fiteny niombonan’ny firenena maro fahiny izy io, araka ny Soratra Masina. Niteny tamin’i Rabsake solontenan’i Sankeriba mpanjakan’i Asyria, ohatra, ny mpitondra tenin’i Hezekia mpanjakan’ny Joda (taonjato fahavalo T.K.) hoe: “Fiteny syrianina [aramianina] re, azafady, no iteneno amin’ny mpanomponao, fa azonay ihany izany e! Aza manao fitenin’ny Jiosy aminay fa ren’ny olona etsy ambony manda.” (Is 36:11; 2Mp 18:26) Ny manam-pahefana, fa tsy ny sarambaben’olona tany Joda sy Jerosalema, no nahay teny aramianina na syrianina tamin’izany.

Novakin’i Ezra mpisorona tamin’ny Jiosy tafavory tao Jerosalema ny bokin’ny Lalàna, elaela taorian’ny nodiany avy tany Babylona. Nohazavain’ny Levita vitsivitsy ilay izy avy eo. Hoy ny Nehemia 8:8: “Ny Levita dia namaky mafy an’ilay boky, izany hoe ny lalàn’Andriamanitra, ka namelabelatra sy nanazava ny heviny. Dia nataon’izy ireo azon’ny olona tsara izay novakina.” Mety ho nohazavain’izy ireo na novelabelariny tamin’ny teny aramianina ny soratra hebreo, satria nampiasa teny aramianina angamba ny Hebreo tany Babylona. Angamba koa novelabelarina kokoa ny hevitr’izay novakina, na dia nahay teny hebreo aza ny Jiosy.

Inona no fiteny nampiasain’i Jesosy? Samy manana ny heviny ireo manam-pahaizana. Hoy anefa ny Profesora Ernest Wright momba ny fiteny tany Palestina fony tetỳ an-tany i Jesosy Kristy: “Nampiasa fiteny samihafa ny olona tany amin’ireo tanàn-dehibe. Ny teny grika sy aramianina no fiteny niombonana. Mety ho nahay an’ireo fiteny ireo ny ankamaroan’ny mponina, na dia ny teny grika aza no tena nampiasain’ireo tanàna ‘maoderina’ na ‘tandrefana’ toa an’i Kaisaria sy Samaria. Niteny latinina ny miaramila sy manamboninahitra romanina, fa ny Jiosy ortodoksa kosa mety ho nifampiresaka tamin’ny teny hebreo izay fantatsika fa tsy teny hebreo tranainy na teny aramianina, na dia nitovy tamin’ireo fiteny ireo aza.” Hoy koa izy momba ny fiteny nampiasain’i Jesosy Kristy: “Misy adihevitra be hoe inona no fiteny nampiasain’i Jesosy. Tsy tena fantatsika raha niteny grika na latinina izy, fa teny aramianina na teny hebreo nifangaro teny aramianina fampiasan’ny besinimaro no nampianarany. Niteny hebreo i Paoly rehefa niresaka tamin’ilay vahoaka tao amin’ny Tempoly (As 21:40). Teny aramianina izany, hoy ny manam-pahaizana. Mety ho ny teny hebreo fampiasan’ny Jiosy koa anefa izany.”​—Arkeolojia Momba ny Baiboly, 1962, p. 243.

Mety ho ny teny aramianina fampiasa tany Galilia no nifampiresahan’i Jesosy sy ny mpianany indraindray. Nisy nilaza toy izao mantsy ny apostoly Petera, ny alina nisamborana an’i Kristy: “Tena naman-dry zareo ianao, satria na ny fitenim-paritra ampiasainao aza dia efa ahalalana an’izany.” (Mt 26:73) Mety ho niteny aramianina i Petera tamin’izay (nefa tsy azo antoka izany), na nampiasa teny hebreo fampiasa tany Galilia fa tsy tany Jerosalema na tany amin’ny faritra hafa tany Jodia. Hoy i Jesosy talohan’izay, rehefa namaky ny faminanian’i Isaia tamin’ny teny hebreo tao amin’ny synagogan’i Nazareta any Galilia: “Androany no tanteraka izany andinin-teny vao renareo izany.” Tsy nadikan’i Jesosy tamin’ny teny aramianina ilay izy. Azo inoana àry fa nahazo teny hebreo ny mpanatrika tao. (Lk 4:16-21) Nisy Jiosy niteny grika sy Jiosy niteny hebreo koa tao Jerosalema, taoriana kelin’ny Pentekosta taona 33.​—As 6:1.

Tsy voatery ho fitenin’ny besinimaro ny teny aramianina, na dia fiteny nanoratana tany Palestina aza fony i Jesosy teto an-tany, hoy ny Profesora Harris Birkeland. (Ny Fiteny Nampiasain’i Jesosy, Oslo, 1954, p. 10, 11) Tamin’ny teny aramianina ny Horonana Papyrus tao Éléphantine nosoratan’ny Jiosy tany Ejipta. Tsy midika anefa izany hoe izy io no fitenin’ny Jiosy tany an-tanindrazany, satria fiteny niraisam-pirenena izy io. Misy teny aramianina maromaro ao amin’ny Soratra Grika Kristianina, toy ireo nampiasain’i Jesosy. Toa nampiasa teny hebreo fampiasan’ny besinimaro anefa i Jesosy, hoy i Birkeland, fa indraindray ihany vao niteny aramianina.

Tsy nahay nanoratra na namaky teny aramianina ny sarambaben’olona, hoy i Birkeland. Tsy misy porofon’izany anefa. Niteny “hebreo” tamin’ny Jiosy i Paoly, ary niteny “hebreo” tamin’i Paoly ilay feo avy any an-danitra, hoy i Lioka dokotera nahita fianarana. Tsy teny aramianina izany fa toa tena teny hebreo, na dia tsy ny teny hebreo tranainy aza.​—As 22:2; 26:14.

Nosoratan’ny apostoly Matio tamin’ny teny hebreo aloha ny Filazantsarany. Porofo koa izany hoe nampiasa teny hebreo ny tany Palestina fony i Jesosy Kristy teto an-tany. “Nosoratan’i Matio evanjelisitra tamin’ny teny hebreo ny Filazantsarany”, hoy i Eusèbe (taonjato fahatelo sy fahefatra). (Patrologia Graeca, Boky Faha-22, tsang. 941) Hoy koa i Jérôme (taonjato fahefatra sy fahadimy): “Nanoratra ny iray tamin’ny Filazantsaran’i Kristy i Matio, na Levy, izay mpamory hetra lasa apostoly, tany Jodia. Nosoratany tamin’ny teny sy litera hebreo aloha izy io mba hahasoa an’ireo voafora lasa mpino. ... Mbola ahitana an’ilay Filazantsara amin’ny teny hebreo ao amin’ny tranombokin’i Kaisaria ankehitriny. I Pamphile maritiora no niezaka nanangona an’ilay izy.” (Ireo Lehilahy Malaza [latinina], toko III, nadika avy amin’ny teny latinina ary nataon’i E. Richardson. Navoaka tao amin’ny “Fanazavana sy Fikarohana Momba ny Tantaran’ny Haisoratra Kristianina Fahiny” [alemà], Leipzig, 1896, Boky Faha-14, p. 8, 9.) Mety ho nampiasa teny hebreo sy tenim-paritra aramianina àry i Jesosy Kristy teto an-tany.​—Jereo HEBREO, II.