Asa, II
Ezaka ataon’ny vatana na saina mba hanatratrarana tanjona, na hamokaran-javatra. Tsara ny miasa, hoy ny Soratra Masina. (Mpto 5:18) Fanomezana avy amin’Andriamanitra ny mihinana sy misotro ary ‘mifaly noho ny asa mafy nisasarana’, ary tiany ‘hifaly amin’ny asany’ ny olona. (Mpto 3:13, 22) Tsy hoe nanota akory ny olona vao nomena asa hatao. Efa nisy asa nampanaovin’i Jehovah an’ireo olona lavorary sy tsy nisy ota, dia ny hanjaka amin’ny tany. (Ge 1:28) Tsy nahafa-po intsony anefa ny asa rehefa nanota izy ireo.—Ge 3:19; ampit. Ro 8:20, 21.
Tsy nahazo niasa isan-kerinandro ny Israelita rehefa sabata, araka ny Lalàn’i Mosesy. (Ek 20:8-11) Tsy nahazo ‘nanao asa mafy na inona na inona’ koa izy ireo, rehefa fivoriambe masina.—Le 23:6-8, 21, 24, 25, 34-36.
Miasa i Jehovah sy ny Zanany. Anisan’ny noforonin’i Jehovah ny lanitra, ny tany, ny biby, ary ny olona. (Ge 1:1; 2:1-3; Jb 14:15; Sl 8:3-8; 19:1; 104:24; 139:14) Lehibe ny asa famoronany, ka mendrika ny hoderaina sy hisaorana izy. (Sl 92:5; 107:15; 145:4-10; 150:2) Azo itokisana, tsy manan-tsahala, “marina sy ara-drariny”, ary nataony tamim-pahendrena ny asan’ny tanany.—Sl 33:4; 86:8; 104:24; 111:7.
Nanao “asa lehibe” i Jehovah rehefa nanafaka ny Israelita avy tany Ejipta, sy nanampy azy ireo haka ny tany Kanana. (Mpts 2:7) Anisan’ny asany koa ny mampihatra didim-pitsarana. (Je 50:25) Hoy àry i Isaia: ‘Fa hitsangana i Jehovah, ka hanao ny asany, nefa tsy mahazatra ny asany.’ (Is 28:21) ‘Tsy nahazatra tokoa ny asany’ rehefa nataony izay haharava an’i Jerosalema sy ny tempoliny tamin’ny 607 T.K. sy 70 A.K.—Ha 1:5-9; As 13:38-41; jereo HERIN’ANDRIAMANITRA.
Oharina amin’ny “mpiasa tena mahay” niasa teo anilan’i Jehovah nandritra ny famoronana ny fahendrena. (Oh 8:12, 22-31; ampit. Jn 1:1-3.) Niasa koa i Jesosy Kristy, ilay Zanaka hendry, rehefa tetỳ an-tany, toa an’i Jehovah izay mbola miasa foana na dia tsy namoron-javatra tetỳ intsony aza izy. Hoy mantsy i Jesosy: “Ny Raiko tsy mitsahatra miasa mandraka ankehitriny, ary izaho koa tsy mitsahatra miasa.” (Jn 5:17) Nahafa-po sy namelombelona an’i Jesosy ary nanome hery azy toy ny sakafo ny asa nampanaovin’i Jehovah azy. (Jn 4:34; 5:36) Nataony tamin’ny anaran’ny Rainy ny asany, ary avy tamin’ny Rainy. ‘Tafaray tamin’ny Ray’ tokoa àry izy. (Jn 10:25, 32, 37, 38; 14:10, 11; 15:24; As 2:22) Vitany ny asa nanirahan’Andriamanitra azy tetỳ an-tany.—Jn 17:4.
Hoy i Jesosy: “Izay maneho finoana ahy, dia hanao ny asa ataoko koa. Ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria izaho mankany amin’ny Ray.” (Jn 14:12) Tsy hoe hanao fahagagana lehibe kokoa noho ny an’i Kristy akory ny mpianany. Tsy nisy tamin’izy ireo mantsy, hoy ny Baiboly, nahavita mihoatra noho ny vitany, toy ny nananganany an’i Lazarosy izay efa maty efatra andro. (Jn 11:38-44) Ho any amin’ny Ray anefa i Jesosy, ary hahazo ny fanahy masina ny mpianany ka ho vavolombelony “any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary any amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany.” (As 1:8) Hanao asa lehibe noho ny azy àry izy ireo, satria hitory ela kokoa sady amin’ny faritra midadasika kokoa.
Ilaina ny miasa. Hoy i Jesosy Kristy: “Mendrika hahazo ny karamany ny mpiasa.” Hahazo izay ilainy eo amin’ny fiainana àry ireo mikely aina manompo an’Andriamanitra. (Lk 10:7) Tsy tokony hovelomim-potsiny kosa izay kamo sy tsy mety miasa, fa tokony hianatra hiasa amin’ny tanany izy mba hahazo izay ilainy, hoy ny apostoly Paoly. (1Te 4:11; 2Te 3:10, 12) ‘Tsy tokony hangalatra intsony’ koa ny mpangalatra, fa “hiasa mafy.”—Ef 4:28.
Tokony hiasa tsara ny mpanompon’Andriamanitra. Na inona na inona asa ataony, dia tokony hotadidiny foana ny fifandraisany amin’Andriamanitra, ka hanao ny zava-drehetra “amin’ny fo manontolo toy ny ho an’i Jehovah [izy], fa tsy ho an’olona.” (Kl 3:23) Tokony hazoto hiasa àry izy (Oh 10:4; 13:4; 18:9), hanao ny marina, ary ho mendri-pitokisana. Hanome voninahitra an’Andriamanitra izy amin’izay, araka ny nampirisihina ny mpanompo hoe: “Aoka [izy ireo] hanaiky ny tompony amin’ny zava-drehetra ka hanao izay mahafinaritra azy, tsy hamalivaly, tsy hangalatra, fa ho mendri-pitokisana tanteraka kosa. Amin’izay izy dia toy ny hoe mandravaka ny fampianaran’Andriamanitra Mpamonjy antsika, amin’ny zava-drehetra.”—Tit 2:9, 10; Ef 6:5-8; He 13:18.
Tsy ny hahazo harena no tanjona. Mino ny Kristianina fa hitahy ny asany Andriamanitra, ka tsy manahy be loatra momba izay ilainy eo amin’ny fiainana izy. Tokony hokatsahiny aloha ilay Fanjakana, hoy i Jesosy. (Mt 6:11, 25-33) Hoy koa izy: “Aza miasa hahazoana sakafo mety simba, fa miasà kosa hahazoana sakafo maharitra izay mitondra fiainana mandrakizay.” (Jn 6:27) Ny harena ara-panahy àry, fa tsy ny vola aman-karena azo avy amin’ny asa atao, no tena zava-dehibe amin’ny mpanompon’Andriamanitra. Hampandrosoany ny asa fitoriana koa ny fananany, ka ‘lasa naman’Andriamanitra’ sy Kristy izy.—Mpto 7:12; Lk 12:15-21; 16:9.
Asa tsy tokony hatao. I Jehovah no mamaritra hoe inona no asa mety sy tsy mety. ‘Hotsarainy ny karazan’asa rehetra sy ny zava-miafina rehetra, ka izy no hamaritra na tsara izany na ratsy.’ (Mpto 12:13, 14) Hamaly ny tsirairay araka ny asany koa izy. (Sl 62:12) Tsy izay asa lazain’i Jehovah Andriamanitra hoe tsy mety àry no tokony hataontsika, fa izay asa mampifaly azy satria tia azy isika.—1Jn 5:3; Sl 34:14; 97:10; Am 5:14, 15.
Halavirin’izay te hahazo sitraka amin’Andriamanitra ny “asan’ny nofo”, anisan’izany ny fijangajangana, fitondran-tena baranahiny, fanompoan-tsampy, filalaovana ody, fankahalana, fipoahan’ny fahatezerana, ary fibobohan-toaka. Tsy handova ny Fanjakan’Andriamanitra izay manao an’ireo “asan’ny haizina tsy mahavoka-tsoa” ireo.—Ga 5:19-21; Ef 5:3-14; 1Pe 4:3; ampit. Jn 3:20, 21.
Asa tokony hatao. Tena ilaina ny miantehitra amin’i Jehovah Andriamanitra raha te hahomby amin’ny asa. (Sl 127:1; Oh 16:3) Ampiany sy omeny hery ireo manao ny sitrapony. (2Ko 4:7; Fi 4:13) Tsy very maina ny asa fanompoana an’Andriamanitra, tsy toy ny asa maro ataon’ny olona. (Mpto 2:10, 11) Nomena toky ny Kristianina hebreo hoe: ‘Andriamanitra tsy mba tsy marina ka hanadino izay nataonareo [ny asanareo, Prot.], sy ny fitiavana nasehonareo ho an’ny anarany, tamin’ny nikarakaranareo sady mbola ikarakaranareo ny olona masina.’ (He 6:10) Anisan’izany asa izany ny manampy sy miahy an’ireo sahirana na mijaly sy enjehina (ampit. Ef 4:28; Fi 4:14-19; 1Ti 6:17, 18; Jk 1:27), ary ny manao mpianatra (Mt 28:19, 20; 1Ko 3:9-15). Manao asa tsara koa ny lehilahy miandraikitra ny fiangonana kristianina sy mampianatra ny mpiray finoana aminy.—1Te 5:12, 13; 1Ti 3:1; 5:17.
Porofon’ny finoana. Tsy lasa olo-marina ireo nanao ny asan’ny Lalàna, toy ny hoe nanao sorona, nidio, ary nanao famorana. (Ro 3:20; 4:1-10; Ga 3:2) Nilaza anefa i Jakoba mpianatr’i Jesosy hoe: “Hambara ho marina ny olona noho izay ataony, fa tsy noho ny finoany fotsiny.” (Jk 2:24) Tsy maintsy porofoina amin’ny atao na asa tokoa ny finoana, kanefa tsy ny asan’ny Lalàna no noresahiny. (Ampit. Mt 7:21-27; Ef 2:8-10; Jk 1:27; 2:14-17; 4:4.) Vonona hanolotra an’i Isaka, ohatra, i Abrahama satria nanam-pinoana. Nanam-pinoana koa i Rahaba matoa nanafina an’ireo Israelita mpitsikilo.—He 11:17-19; Jk 2:21-25.