Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Babylona

Babylona

(Babylôna) [Fisafotofotoana].

1. Anarana niantsoana an’i Babela tatỳ aoriana. Teo amin’ny Lemak’i Sinara, teo amoron’ny Reniranon’i Eofrata, no nisy an’io tanàna nalaza fahiny io, 870 km teo ho eo tany atsinanan’i Jerosalema, ary 80 km teo ho eo tany atsimon’i Bagdad. Miendrika telozoro ilay faritra misy ny sisa tavela amin’i Babylona. Lehibe ilay faritra, ary misy dongon-tany maromaro. Eo amin’ny ilany avaratra i Tell Babil (Mojelibe), izay mitovitovy amin’ilay anarany taloha hoe Babela. Any amin’ny 10 km eo ho eo avaratr’i Hilla, any Irak, izy io.​—Jereo  BABYLONA No. 2; SINARA.

Nandalo teo afovoan’i Babylona ny Reniranon’i Eofrata. Voahodidina manda fiarovana roa sosona ilay tanàna, ka toa tsy ho resy mihitsy.

Tanànan’i Babylona Fahiny

Biriky tany no nanaovana ny manda fiarovana anatiny. Nisy manda roa izy io, ka 6,5 m ny hatevin’ny manda anatiny, ary 3,5 m teo ho eo kosa ny manda ivelany. Nielanelana 7 m ireo manda roa ireo, ary nasiana tilikambo fiarovana mba hanamafisana azy. Nasiana fiantsonan-tsambo niala 20 m teo ho eo avy teo amin’ilay manda ivelany, ka biriky tanimanga nodorana sy godorao no nanaovana azy. Nasiana hadivory koa teo ivelan’ilay manda, ary nifandray tamin’i Eofrata izy io teo avaratra sy teo atsimon’ilay tanàna. Natao hikorianan’ny rano fisotro sy hiarovana an’ilay tanàna izy io. Resahin’ny tantara babylonianina fa nisy vavahady valo fidirana tao an-tanàna. Vao efatra hatramin’izao no hita sy nofongarina.

I Nebokadnezara II (izay nandrava ny tempolin’i Solomona) no nanorina an’ilay manda fiarovana ivelany, teo atsinanan’i Eofrata. Voahodidina manda àry ny tapany lehibe teo avaratra sy atsinanana ary atsimo tamin’ilay lemaka, ka afaka nandositra nankao izay olona teny amin’ny manodidina, rehefa nisy ady. Nisy manda roa koa io manda fiarovana ivelany io. Vita tamin’ny biriky tany ny manda anatiny, ary 7 m teo ho eo ny hateviny. Nasiana tilikambo fiarovana koa izy io. Nielanelana 12 m teo ho eo ny manda anatiny sy ivelany. Natao tamin’ny biriky tanimanga ilay manda ivelany, ka ny ampahany iray tamin’ilay manda efa ho 8 m ny hateviny, ary ny ampahany iray kosa 3,5 m teo ho eo. Tilikambo no nampitohy an’ireo tapany roa ireo.

Nanorina manda teo amin’ny morony atsinanan’ilay renirano i Nabonida, mba hampitohizana an’ilay manda fiarovana ivelany. Nirefy 8,5 m teo ho eo ny hatevin’ilay manda, ary nasiana tilikambo izy io. Nasiana fiantsonan-tsambo koa teo amoron’ilay renirano, ka 3,5 m ny sakany.

Nilaza i Hérodote, Grika mpahay tantara tamin’ny taonjato fahadimy T.K., fa nisy fiantsonan-tsambo nitomandavana teo amin’ny morony roa tamin’ny Reniranon’i Eofrata. Manda nisy vavahady no teo anelanelan’ireo fiantsonan-tsambo sy ilay tanàna. Nisy 90 m teo ho eo, hono, ny haavon’ireo manda, 26,5 m ny hateviny, ary 95 km teo ho eo ny halavany. Toa nanitatra anefa i Hérodote. Asehon’ny porofo hitan’ny mpikaroka mantsy fa kely kokoa i Babylona, sady tsy lava be na avo be toy izany ilay manda fiarovana ivelany. Tsy misy porofo koa hoe nisy fiantsonan-tsambo teo amin’ny morony andrefan’ilay renirano.

Nisy lalana namakivaky ny tanàna avy teo amin’ny vavahady tsirairay. Ilay Lalan’ny Mpilahatra no lehibe indrindra. Lalana rarivato izy io, ary sarin-diona no nandravaka ny rindrina teo an-tsisiny. (SARY, Boky Faha-2, p. 323) Nohalehibeazin’i Nebokadnezara II ilay lapa taloha, ary namboariny izay simba. Nanorina lapa iray hafa izy tokotokony ho 2 km teo avaratra, mba hipetrahany rehefa vanin-taona mafana. Nanorina an’ireo Zaridaina Mihanton’i Babylona koa izy. Nasiana andohalambo izy ireo, ary nifanao ambaratonga. Nalaza be izy ireo, ka anisan’ny “zava-mahatalanjona teto an-tany.”

Nandalovan’ny Reniranon’i Eofrata io tanàna lehibe io. Foiben’ny raharaham-barotra sy taozavatra eran-tany izy io, sady fanatobiana ny entam-barotr’ireo firenena tatsinanana sy tandrefana, na nentina an-tanety izany na an-dranomasina. Tonga hatrany amin’ny Hoala Persika sy hatrany amin’ireo ranomasina lavitra àry ny sambon’i Babylona.

Tantara. I Nimroda, izay velona tamin’ny faramparan’ny taonarivo fahatelo T.K., no nanorina an’i Babylona. Io no renivohitry ny fanjakan’olombelona voalohany. Nijanona tampoka anefa ilay fanorenana rehefa tsy nifankahazo resaka intsony ireo mpanorina. (Ge 11:9) Nisy olon-kafa nanorina indray an’ilay tanàna tatỳ aoriana. Anisan’izy ireny i Hammourabi. Nohalehibeaziny ilay tanàna, nohamafisiny, ary nataony renivohitr’ilay Fanjakana Babylonianina, nandritra ny fitondran’ny taranak’i Sema.

Matetika no niady sy nikomy tamin’i Asyria i Babylona, rehefa teo ambany fifehezan’io firenena natanjaka indrindra faharoa eran-tany io. Rehefa nihena ny herin’i Asyria, dia lasa mpanjaka ilay Kaldeanina atao hoe Nabopolasara, tamin’ny 645 T.K. tany ho any. Nanomboka teo aminy ny tarana-mpanjaka hafa tao Babylona. I Nebokadnezara II zanany no nandimby azy. Nohavaozin’izy io ilay tanàna, ka lasa nalaza be. Nirehareha àry izy hoe: “Tsy ity ve no Babylona Lehibe, izay naoriko?” (Da 4:30) Mbola renivohitr’ilay firenena natanjaka indrindra fahatelo i Babylona hatramin’ny alin’ny 5 Oktobra 539 T.K. (kalandrie gregorianina). Tamin’izay izy io no resin’ny tafika medianina-persianina notarihin’i Kyrosy Lehibe.

Nanao fanasambe ho an’ny olo-manan-kajany arivo i Belsazara, tamin’io alina io. Tsy tao an-tanàna i Nabonida, ka tsy nahita an’ilay soratra nanambara loza teo amin’ny rindrina hoe: “MENE, MENE, TEKELA, ary PARSINA.” (Da 5:5-28) Resin’ny Persianina mantsy i Nabonida, ka lasa nialokaloka tany amin’ny tanànan’i Borsippa tany atsimoandrefana. Tao Babylona kosa i Daniela mpaminanin’i Jehovah tamin’io alin’ny 5 Oktobra 539 T.K. io, ka nohazavainy ny hevitr’ilay soratra. Tao ivelan’ireo mandan’i Babylona ny miaramilan’i Kyrosy no nitoby, ary tsy natoritory mihitsy izy ireo. Navilin’ireo injenieran’ny tafik’i Kyrosy ny ranon’i Eofrata nandalo an’ilay tanàna. Niroboka teo amin’ilay rano efa marivorivo ireo Persianina avy eo, ary niditra teo amin’ireo vavahady teo akaikin’ny fiantsonan-tsambo. Tampoka ilay fanafihana! Namakivaky haingana an’ilay tanàna izy ireo ka namono an’izay nanohitra azy. Niditra tao an-dapa izy ireo avy eo, ary novonoiny i Belsazara. Resy tao anatin’ny indray alina monja i Babylona! Nifarana hatreo ny fitondran’ny taranak’i Sema, ka ny taranak’i Jafeta (Aryanina) indray no nitondra an’i Babylona. Tanteraka tokoa ny faminanian’i Jehovah!​—Is 44:27; 45:1, 2; Je 50:38; 51:30-32; jereo SARY, Boky Faha-2, p. 325; KYROSY.

Nihalefy ny lazan’i Babylona nanomboka tamin’io daty manan-tantara (539 T.K.) io. Indroa i Babylona no nikomy tamin’i Dariosy I (Hystaspe), mpanjaka persianina, ka noravana ny manda fiarovany, tamin’ilay fikomiana fanindroany. Nohavaozina ilay tanàna tatỳ aoriana, kanefa nikomy tamin’i Ksersesy I indray ka norobaina. Nikasa hanao azy io ho renivohiny i Aleksandra Lehibe, saingy maty tampoka izy tamin’ny 323 T.K. Resin’i Nicator i Babylona tamin’ny 312 T.K., ka nalainy ny ankamaroan’ireo fitaovana tao mba hanorenany an’i Seleokia, renivohiny vaovao, teo amoron’ny Reniranon’i Tigra. Mbola nisy anefa ny tanànan’i Babylona tamin’ny andron’ny Kristianina voalohany, ary nisy Jiosy tao. Izany no nahatonga an’i Petera hitsidika an’i Babylona, araka ny voalazan’ny taratasiny. (1Pe 5:13) Nahitana soratra koa tao nilaza hoe mbola nisy hatramin’ny taona 75 A.K. ny tempolin’i Bela. Rava tanteraka anefa ilay tanàna tamin’ny taonjato fahefatra, ary lasa aolo. “Korontam-bato miavosa” sisa no niafarany.​—Je 51:37.

Dongon-tany sy zavatra ravarava sisa i Babylona. (SARY, Boky Faha-2, p. 324) Hoy ilay boky hoe Arkeolojia sy Fandinihana ny Testamenta Taloha: “Ampahany kely monja tamin’ireo zavatra ravarava be ireo no nofongarina, na teo aza ny ezaka nataon’i Koldewey. Norobaina foana izy ireo nandritra ireo taonjato faramparany, mba hakana fitaovana fanorenana. Izany no anisan’ny nahatonga ilay toerana hikorontana be, ka tena mampahatsiahy an’ireo faminaniana ao amin’ny Is 13:19-22 sy Je 50:39 sy ny andininy manaraka. Vao mainka hita hoe aolo ilay toerana, satria ngazana be ny ampahany lehibe aminy.”​—Nataon’i D. Thomas, Oxford, 1967, p. 41.

Fivavahana. Nivavaka tamin’andriamanitra maro ny mponina tao Babylona. Nisy tempoly 50 mahery tao, araka ny hita tamin’ireo zavatra nofongarina sy teo amin’ireo soratra tranainy. I Mardoka, izay antsoin’ny Baiboly hoe Merodaka, no andriamanitra tena notompoina tao. Misy mihevitra fa i Nimroda natao andriamanitra no Mardoka. Tsy mitovy hevitra anefa ireo manam-pahaizana hoe olona iza avy no nataon’ny Babylonianina andriamanitra. Nivavaka tamin’andriamanitra telo mitambatra koa izy ireo. Anisan’izany, ohatra, i Sîn (andriamanitra volana), Shamash (andriamanitra masoandro), ary Ishtar (andriamanibavy). Mifehy an’ireo antokon-kintana fijerena tononandro, hono, izy telo ireo. Devoly telo mitambatra koa i Labarto sy Labaso ary Akkazo. Nanjaka tao Babylona ny fanompoan-tsampy. “Tany feno sary sokitra” sy ‘sampy maharikoriko’ tokoa izy io!​—Je 50:1, 2, 38.

Nino ny Babylonianina hoe tsy mety maty ny fanahy.​—Ny Fivavahan’i Babylonia sy Asyria, nataon’i M. Jastrow, zanany, 1898, p. 556.

Ny Babylonianina no namorona ny fanandroana, izay fandinihana ny kintana mba hamantarana ny hoavy. (Jereo MPANANDRO.) Nitana toerana lehibe teo amin’ny fivavahany ny fampiasana herin’ny maizina sy ny filalaovana ody ary ny fanandroana. (Is 47:12, 13; Da 2:27; 4:7) Nataony nitovy anarana tamin’ireo andriamaniny, ohatra, ny planeta. Nanao sikidy koa izy ireo. Izany no nataon’i Nebokadnezara rehefa hanapa-kevitra.​—Ezk 21:20-22.

Fahavalon’ny Israely hatry ny ela. Imbetsaka ny Baiboly no miresaka momba an’i Babylona, ka ilay fitantaran’ny Genesisy momba an’i Babela no voalohany. (Ge 10:10; 11:1-9) Nisy ‘akanjom-boninahitra avy any Sinara’ ny zavatra nangalarin’i Akana tao Jeriko. (Js 7:21) Rehefa rava ny fanjakan’ny Israely tany avaratra tamin’ny 740 T.K., dia nisy olona avy any Babylona sy ny faritra hafa napetraka tany mba hisolo an’ireo Israelita lasa babo. (2Mp 17:24, 30) Tsy nety ny nataon’i Hezekia rehefa nisy iraka avy any Babylona tonga tao aminy. Nasehony azy ireo mantsy ny harena tao an-tranony. Nentina tany Babylona ireny harena ireny sy ny ‘zanany lahy’ sasany, tatỳ aoriana. (2Mp 20:12-18; 24:12; 25:6, 7) Nentina ho babo tany koa i Manase Mpanjaka (716-662 T.K.). Nanetry tena anefa izy ka naverin’i Jehovah ho mpanjaka ihany. (2Ta 33:11) Nentin’i Nebokadnezara tany koa ireo fitaovana sarobidy tao an-tranon’i Jehovah, niaraka tamin’ny olona an’arivony nobaboiny.​—2Mp 24:1–25:30; 2Ta 36:6-20.

Resahin’ny Soratra Grika Kristianina fa anisan’ny razamben’i Jesosy i Jekonia (Joiakina), izay nogadraina tany Babylona. (Mt 1:11, 12, 17) Tany koa ny apostoly Petera no nanoratra ny taratasiny voalohany. (1Pe 5:13; jereo PETERA, TARATASY NOSORATAN’I.) Ilay tanàna teo amoron’i Eofrata io “Babylona” io, fa tsy i Roma araka ny filazan’ny sasany.

Jereo BABYLONA LEHIBE.

2. Nilazana an’ilay Fanjakana Babylonianina koa ny anaran’ilay renivohiny hoe Babylona. Teo amin’ny faritra atsimon’ny Lohasahan’i Mezopotamia no nisy azy io.​—SARINTANY, Boky Faha-2, p. 321.

Zarain’ny mpahay tantara ho roa i Babylonia indraindray, ka ny avaratra antsoiny hoe Akada ary ny atsimo hoe Somera na Kaldea. Nantsoin’ny Soratra Masina hoe “tany Sinara” ilay faritra manontolo tamin’ny voalohany. (Ge 10:10; 11:2; jereo SINARA.) Nantsoina hoe Babylonia anefa izy io tatỳ aoriana, rehefa nataon’ireo mpitondra tao ho renivohiny i Babylona. Nantsoina koa hoe “tanin’ny Kaldeanina” izy io, satria nisy fotoana ny Kaldeanina no nitondra. (Je 24:5; 25:12; Ezk 12:13) Anisan’ny tanàna fahiny tany Babylonia i Adaba, Akada, Babylona, Borsippa, Ereka, Kisy, Lagash, Nippour, ary Ora. Mazava ho azy fa tsy i Babylonia ihany no nofehezin’ny Fanjakana Babylonianina, fa ny faritr’i Syria sy Palestina koa hatrany amin’ny sisin-tanin’i Ejipta.

Nisy mpanjaka asyrianina nantsoina hoe Tiglato-pilesera III (Pola) nitondra an’i Babylonia, tamin’ny voalohandohan’ny taonjato fahavalo T.K. (2Mp 15:29; 16:7; 1Ta 5:26) Lasa mpanjakan’i Babylona ny Kaldeanina iray nantsoina hoe Merodaka-baladana, tatỳ aoriana. Noroahin’i Sargona II hiala tao anefa izy rehefa afaka 12 taona. Nandimby an’i Sargona II i Sankeriba, nefa nikomy taminy i Merodaka-baladana. Nitady hamabo an’i Jerosalema i Sankeriba tamin’ny 732 T.K., fa tsy nahomby. Taorian’izay dia nandefa iraka tany amin’i Hezekia mpanjakan’ny Joda i Merodaka-baladana. Te hangataka an’i Hezekia hanampy azy hiady tamin’i Asyria angamba izy. (Is 39:1, 2; 2Mp 20:12-18) Nandroaka an’i Merodaka-baladana hiala tao Babylona i Sankeriba tatỳ aoriana, ka nanendry tena ho mpanjaka tao. Mpanjakan’i Babylona foana izy mandra-pahafatiny. Nanorina indray an’i Babylona i Esara-hadona zanany lahy. Niray hina nanohana an’i Nabopolasara ny Babylonianina tatỳ aoriana, ka nanendry azy ho mpanjaka. Nanomboka teo aminy ny tarana-mpanjaka babylonianina vaovao. Io tarana-mpanjaka nanomboka tamin’i Nebokadnezara zanak’i Nabopolasara ka hatramin’i Belsazara io, no mifanitsy amin’ilay loha volamenan’ilay sary tao amin’ny nofin’i Nebokadnezara. (Da 2:37-45) Izy io koa ilay liona nanana elatry ny voromahery sy fon’olombelona, hitan’i Daniela tao amin’ny fahitana.​—Da 7:4.

Nandresy an’i Asyria ny Kaldeanina tamin’ny 632 T.K., rehefa nampian’ny Medianina sy ny Skytianina. Nandresy an’i Farao Neko, mpanjakan’i Ejipta, tao Karkemisy i Nebokadnezara (II), lahimatoan’i Nabopolasara, tamin’ny 625 T.K. Tamin’io taona io koa izy no lasa mpanjaka. (Je 46:1, 2) I Babylona, izay nofehezin’i Nebokadnezara, no ilay “kaopy volamena” teny an-tanan’i Jehovah, ka nampiasainy hampiharana ny fahatezerany tamin’i Joda sy Jerosalema nivadika. (Je 25:15, 17, 18; 51:7) Noteren’i Nebokadnezara handoa hetra taminy i Joiakima, tamin’ny 620 T.K. Nikomy anefa izy io, rehefa afaka telo taona teo ho eo. Nanafika an’i Jerosalema àry i Nebokadnezara tamin’ny 618 T.K., izany hoe tamin’ny taona fahatelo mbola tokony handoavan’i Joiakima hetra taminy. (2Mp 24:1; 2Ta 36:6) Maty anefa i Joiakima, talohan’ny nitondran’ny Babylonianina azy ho babo. Nandimby azy i Joiakina zanany, izay nitolo-batana haingana, ka nentina ho babo tany Babylona niaraka tamin’ny olo-manan-kaja hafa, tamin’ny 617 T.K. (2Mp 24:12) I Zedekia indray no voatendry ho mpanjakan’ny Joda. Nikomy koa anefa izy. Nataon’ny Babylonianina fahirano àry i Jerosalema tamin’ny 609 T.K., ary nogorobahany ny mandany tamin’ny 607 T.K. (2Mp 25:1-10; Je 52:3-12) Lasa aolo i Jerosalema tamin’izay. Daty manan-tantara io taona 607 T.K. io, satria miainga avy eo no anisana ilay fe-potoana izay hiafara amin’ny fanomezan’i Jehovah fahefana an’ilay nofidiny hitondra ny Fanjakany.​—Jereo FE-POTOANA VOATONDRO HO AN’NY HAFA FIRENENA (Nanomboka ‘nohitsakitsahina’ i Jerosalema.)

Noresahin’ny takelaka tanimanga iray misy soratra miendri-pantsika fa nanafika an’i Ejipta i Nebokadnezara, tamin’ny taona faha-37 nanjakany (588 T.K.). Angamba tamin’izay i Ejipta no lasa nofehezin’i Babylona, araka ny faminanian’i Ezekiela tamin’ny 591 T.K. (Ezk 29:17-19) Maty i Nebokadnezara II tamin’ny Oktobra 582 T.K., rehefa avy nanjaka 43 taona sy nandresy firenena maro ary nahavita asa fanorenana goavana tany Babylonia. I Avila-mardoka (Evila-merodaka) no nandimby azy. Tsara fanahy tamin’i Joiakina Mpanjaka izay nigadra io mpanjaka vaovao io. (2Mp 25:27-30) Tsy misy zavatra fantatra firy kosa momba an’i Neriglisara, izay nandimby an’i Evila-merodaka, sy momba an’i Labashi-Mardoka.

Miresaka bebe kokoa momba an’i Nabonida sy Belsazara zanany ny tantara. Niara-nanjaka izy mianaka tamin’ny fotoana naharesy an’i Babylona.

Efa hanafika an’i Babylonia ny Medianina sy Persianina notarihin’i Kyrosy Lehibe tamin’izay, ka ho lasa firenena matanjaka indrindra fahefatra eran-tany. Resy i Babylona ny alin’ny 5 Oktobra 539 T.K., ary novonoina i Belsazara. Namoaka didy i Kyrosy taorian’izay, tamin’ny taona voalohany nanjakany, hoe mahazo miverina any Jerosalema ireo Israelita 42 360, niaraka tamin’ny mpanompo sy mpihira matihanina maro. Nandresy an’i Babylona i Aleksandra Lehibe 200 taona teo ho eo taorian’izay, tamin’ny 331 T.K., ka nifarana hatreo ny fifehezan’ny Persianina an’i Babylonia. Ny Partianina indray no nifehy azy io, teo antenatenan’ny taonjato faharoa T.K., tamin’ny andron’i Mithridate I mpanjakany.

Nisy Jiosy maro tany Babylona ka nankany i Petera, ilay apostolin’ny Jiosy. Tany koa izy no nanoratra taratasy iray, fara fahakeliny. (Ga 2:7-9; 1Pe 5:13) Ireo Jiosy lohandohany tany no nanoratra ny Targoma Babylonianina, izay antsoina koa hoe Targoman’i Onkelos. Nanao sora-tanana maromaro mirakitra ny Soratra Hebreo koa izy ireo. Tena mahaliana ilay Kôdeksa Pétersbourg Misy An’ireo Asa Soratry ny Mpaminany Tatỳ Aoriana vita tamin’ny 916 A.K., satria misy ny fomba fanononana teny hebreo nataon’ny Masoreta tany Babylona (tatsinanana) sy tany Tiberiasy (tandrefana).