Bibikely
Biby tsy misy hazondamosina, ary mizara telo ny vatany rehefa lehibe izy: Loha, tratra, ary kibo. Enina ny tongony, roa ny tandrony, ary roa na efatra ny elany.
Lazain’ny Baiboly hoe “mandeha amin’ny tongotra efatra” ny bibikely. Fantatr’i Mosesy ihany fa enina ny tongotr’ireny, saingy ny fomba fandehany fa tsy ny isan’ny tongony no tian’i Mosesy holazaina. Mandeha amin’ny tongony enina hoatran’ny fandehan’ny biby manan-tongotra efatra, ohatra, ny bibikely manan’elatra toy ny tantely, lalitra, ary fanenitra. Manana fe roa itsambikinany kosa ny bibikely hafa, toy ny valala, ka ny tongony efatra no andehanany.—Le 11:20-23.
Miisa 1 000 000 mahery ny karazam-bibikely fantatra. Misy ny loko rehetra amin’ny avana izy ireny, ka ao ny matroka, fa ao kosa ny mareva-doko sy misoritsoritra tsara tarehy. Misy bitika kely, toy ny karazam-boangory tafiditra ao anaty vodifanjaitra, fa misy kosa 30 sm mahery ny lavany, toy ny bibikely miendrika tapa-kazo. Mpiara-monina voalamina tsara ny bibikely sasany, na mpanorina, mpamboly, mpanamboatra zavatra, mpanidina lavitra, mpitsambikina mahay, mpilomano na mpandavaka. Betsaka ny zavatra azon’ny olona mandinika azy ireny ianarana, indrindra hoe noforonina izy ireny ary manana fahendrena voajanahary, izay nomen’i Jehovah Andriamanitra azy fa tsy vokatry ny kisendrasendra.—Jb 12:7-9.
Heverin’ny maro ho mpanimba voly sy fananana ary mpanely aretina ny bibikely. Tena vitsy anefa no toy izany, raha ny fantatra hatramin’izao. Tsy mampidi-doza kosa ny ankamaroany, ary mahasoa ny olona mivantana na an-kolaka.
Tena ilain’ny zavamaniry ny bibikely, satria tsy hamony ny 85 isan-jaton’ny zavamaniry misy voninkazo, araka ny tombana, raha tsy eo ireo mpamindra vovobony. Misy koa mpanatsara nofon-tany sy mpihinana fatim-biby. Ahazoana loko sy verinia fanosotra amin’ny hazo ny bibikely misy kirany. Fihinan’ny olona any atsinanan’ny Ranomasina Mediterane hatry ny ela koa, ohatra, ny valala. Tsy ho nisy koa ny tantely sy landy, raha tsy teo ny bibikely.
Tena ilain’ny zavaboary eto an-tany ny bibikely. Hoy i Carl Duncan, mpampianatra siansa momba ny bibikely sy zavamaniry: “Tsy manitatra aho raha milaza fa ny bibikely, fa tsy ny olona, no mitana toerana lehibe kokoa eo amin’ny tontolo iainana. Raha manjavona tampoka àry ny bibikely, dia hiova be ny tontolo iainana ka hatahorana ho rava koa ny fiaraha-monina naorin’ny olombelona.”—Tatitra Isan-taona Fanaon’ny Fikambanana Naorin’i Smithson, 1947, p. 346.